Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fiheveran-tena Araka ny Antonony​—Toetra Tsara Mampandroso Fihavanana

Fiheveran-tena Araka ny Antonony​—Toetra Tsara Mampandroso Fihavanana

Fiheveran-tena Araka ny Antonony​—Toetra Tsara Mampandroso Fihavanana

Hahafinaritra toy inona moa ity tontolo ity raha samy mampiseho fiheveran-tena araka ny antonony ny olona rehetra! Tsy hitaky zavatra be loatra ny olona, tsy ho fiadina ny mpianakavy, tsy hifaninana be ireo orinasa, ary tsy ho tia ady ireo firenena. Ho tianao ve ny hiaina eo amin’ny tontolo iray toy izany?

MIOMANA ho amin’ny tontolo vaovao nampanantenain’i Jehovah Andriamanitra ireo mpanompony marina, ka ao dia hoheverin’ny rehetra ho toy ny tanjaka sy toetra tsara ny fiheveran-tena araka ny antonony, fa tsy ho fahalemena. (2 Petera 3:13). Raha ny marina, dia efa mampitombo izany toetra izany, ny fiheveran-tena araka ny antonony, dieny ankehitriny izy ireo. Nahoana? Satria izany indrindra no takin’i Jehovah amin’izy ireo. Nanoratra toy izao i Mika mpaminaniny: “Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara. [Ary inona no angatahin’i Jehovah aminao ho setriny afa-tsy ny hanao ny rariny sy ny ho tia hatsaram-panahy ary ny hihevi-tena araka ny antonony eo am-piaraha-mandeha amin’Andriamanitrao?, NW]”​—Mika 6:8.

Afaka ny hidika ho zavatra maro ny hoe mihevi-tena araka ny antonony, toy ny hoe tsy mihevi-tena ho zavatra, na tsy mieboebo, ary tsy tia mirehareha noho ny fahaizany, ny zava-bitany, ary ny fananany. Araka ny loharanon-kevitra iray, ny hoe mihevi-tena araka ny antonony dia midika koa hoe “tsy mihoa-pefy”. Mitoetra ao anatin’ny fefin’ny fitondran-tena tsara ny olona iray mihevi-tena araka ny antonony. Manaiky koa izy fa misy fetra ny zavatra tokony hataony sy ny azony atao. Fantany fa misy zavatra tsy hananany zo. Azo antoka fa manintona antsika ny olona mihevi-tena araka ny antonony. “Tsy misy zavatra mahafinaritra kokoa noho ny fiheveran-tena araka ny antonony marina tokoa”, hoy ny nosoratan’i Joseph Addison, poety anglisy.

Tsy voajanahary ao amin’ny olombelona tsy lavorary ny fiheveran-tena araka ny antonony. Tsy maintsy manao fiezahana isika mba hampitomboana an’io toetra tsara io. Mba hampaherezana antsika, dia milazalaza fisehoan-javatra maro, izay mampiseho ny fiheveran-tena araka ny antonony amin’ny endriny samihafa, ny Tenin’Andriamanitra.

Mpanjaka roa nihevi-tena araka ny antonony

Iray tamin’ireo mpanompon’i Jehovah tsy nivadika indrindra i Davida, izay mbola tovolahy fony izy nohosorana ho mpanjaka teo amin’ny Isiraely. Taorian’izany, dia nampihatra fanerena lehibe teo amin’i Davida i Saoly Mpanjaka, izay nanjaka tamin’izany, ka nitady hamono azy sy nanery azy hiaina toy ny mpandositra.​—1 Samoela 16:1, 11-13; 19:9, 10; 26:2, 3.

Na dia tao anatin’izany tarehin-javatra izany aza, dia nanaiky i Davida fa nisy fetra tsy tokony hihoarany mba hiarovany ny ainy. Nisy fotoana, tany an’efitra, tsy naneken’i Davida ny hamelezan’i Abisay an’i Saoly Mpanjaka renoky ny torimaso, fa hoy izy: “Sanatria amiko eo anatrehan’i Jehovah, raha haninjitra ny tànako hamely ny voahosotr’i Jehovah aho”. (1 Samoela 26:8-11). Fantatr’i Davida fa tsy anjarany ny nanongana an’i Saoly tsy ho mpanjaka intsony. Araka izany dia naneho fiheveran-tena araka ny antonony i Davida tamin’io fotoana io, ka tsy nihoatra ny fefin’ny fitondran-tena nety. Toy izany koa, ny mpanompon’Andriamanitra amin’izao andro izao dia mahafantatra fa “eo anatrehan’i Jehovah” dia misy zavatra tsy azon’izy ireo atao tsotra izao, na dia misy ain’olombelona tandindomin-doza aza.​—Asan’ny Apostoly 15:28, 29; 21:25.

Fony izy tovolahy, dia nampiseho fiheveran-tena araka ny antonony koa i Solomona zanak’i Davida Mpanjaka, na dia nisy fahasamihafany kely aza. Nahatsiaro tena ho tsy nahay niantsoroka ny andraikitra mavesatry ny mpanjaka i Solomona, rehefa nomena ny fiandrianana. Nivavaka toy izao izy: “Jehovah Andriamanitro ô, Hianao efa nampanjaka ahy mpanomponao handimby an’i Davida raiko; nefa izaho dia mbola zaza ihany, ka tsy fantatro akory izay fivoaka sy fiditra.” Niharihary fa fantatr’i Solomona hoe tsy ampy fahaizana sy traikefa izy. Nihevi-tena araka ny antonony izy tamin’izany fotoana izany, fa tsy nihevi-tena ho zavatra, na nieboebo. Nangataka tamin’i Jehovah mba hahazo fahaiza-manavaka i Solomona, ary notanterahina ny fangatahany.​—1 Mpanjaka 3:4-12.

Ny Mesia sy ny mpialoha lalana azy

Maherin’ny 1 000 taona taorian’ny andron’i Solomona, dia nanatontosa asa fanomanan-dalana ho an’ny Mesia i Jaona Mpanao Batisa. Tamin’ny naha mpialoha lalana an’Ilay Voahosotra azy, dia nanatanteraka faminaniana ara-baiboly izy. Ho azony natao ny nirehareha noho izany tombontsoa nananany izany. Afa-tsy izany koa, dia ho azony natao ny nandoka tena, satria havany ara-nofo ny Mesia. Nanambara tamin’ny hafa kosa i Jaona fa tsy mendrika na dia ny hamaha ny fehin-kapan’i Jesosy akory aza izy. Ary rehefa tonga mba hatao batisa tao amin’ny Onin’i Jordana i Jesosy, dia nilaza i Jaona hoe: “Izaho no tokony hataonao batisa, ka Hianao indray va no mankaty amiko?” Manondro izany fa tsy olona nirehareha i Jaona. Nihevi-tena araka ny antonony izy.​—Matio 3:14; Malakia 4:5, 6; Lioka 1:13-17; Jaona 1:26, 27.

Nirotsaka nanao fanompoana manontolo andro, nitory ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra, i Jesosy, rehefa avy natao batisa. Na dia olombelona lavorary aza i Jesosy, dia izao no nolazainy: “Raha Izaho ihany, dia tsy mahay manao na inona na inona; (...) tsy mitady ny sitrapoko Aho, fa ny sitrapon’Izay naniraka Ahy.” Ankoatra izany, dia tsy nitady voninahitra avy tamin’ny olona i Jesosy, fa nankalaza an’i Jehovah kosa izy, tamin’izay rehetra nataony. (Jaona 5:30, 41-44). Fiheveran-tena araka ny antonony re izany!

Mazava tsara àry fa ireo mpanompon’i Jehovah tsy nivadika​—anisan’izany i Davida, i Solomona, i Jaona Mpanao Batisa, ary na dia i Jesosy Kristy, olombelona lavorary aza​—dia naneho fiheveran-tena araka ny antonony. Tsy nirehareha izy ireo, tsy be rehaka, tsy be ebo, ary tsy nihoa-pefy. Antony ampy, ho an’ny mpanompon’i Jehovah amin’ny andro ankehitriny, mba hampitomboana sy hanehoana fiheveran-tena araka ny antonony, ny ohatra navelan’izy ireo. Misy antony hafa koa anefa ilana hanaovana izany.

Amin’izao vanim-potoana feno hotakotaka eo amin’ny tantaran’ny olombelona izao, dia toetra tena sarobidy ho an’ny Kristianina marina ny fiheveran-tena araka ny antonony. Mahatonga azy ho tsara fihavanana amin’i Jehovah Andriamanitra sy amin’ny mpiara-belona aminy ary amin’ny tenany ihany izy io.

Tsara fihavanana amin’i Jehovah Andriamanitra

Rehefa tsy mihoa-pefy, izay natsangan’i Jehovah ho an’ny fanompoam-pivavahana marina, ihany isika vao ho tsara fihavanana aminy. Nihoatra ny fetra nataon’Andriamanitra i Adama sy i Eva, ray aman-drenintsika voalohany, ka izy ireo no tonga olombelona voalohany tsy nihevi-tena araka ny antonony. Nanary ny fifandraisany tsara tamin’i Jehovah izy ireo, nanary koa ny fonenany, ny hoaviny, ary ny ainy. (Genesisy 3:1-5, 16-19). Loza aman’antambo ho azy ireo tokoa re izany!

Andeha isika handray fianarana avy amin’ny tsy fahombiazan’i Adama sy i Eva, satria manisy fetra eo amin’ny fomba tsy maintsy itondrantsika tena ny fanompoam-pivavahana marina. Ohatra, milaza ny Baiboly fa “ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin’olona sy ny sodomita sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra”. (1 Korintiana 6:9, 10). Mba hahasoa antsika no ametrahan’i Jehovah amim-pahendrena ireny fetra ireny, ary maneho fahendrena isika amin’ny tsy fihoarana ireny fefy ireny. (Isaia 48:17, 18). Izao no lazain’ny Ohabolana 11:2 amintsika: “Ao amin’ny [olona mihevi-tena araka ny antonony, NW ] no misy fahendrena.”

Ahoana raha misy fandaminana ara-pivavahana milaza amintsika fa afaka mihoatra ireo fetra ireo isika, nefa mbola afaka ny ho tsara fihavanana amin’Andriamanitra ihany? Manandrana ny hamitaka antsika izany fandaminana izany. Etsy an-danin’izany, ny fiheveran-tena araka ny antonony dia manampy antsika hamboly fifandraisana akaiky amin’i Jehovah Andriamanitra.

Tsara fihavanana amin’ireo mpiara-belona

Mampandroso fifandraisana feno fiadanana amin’ny hafa koa ny fiheveran-tena araka ny antonony. Ohatra, rehefa mahay mianina amin’ny zavatra tena ilainy ireo ray aman-dreny sady manao ho laharam-pahamehana ny zavatra ara-panahy, dia azo antenaina kokoa ny hananan’ireo zanany toetra mitovy amin’izany. Ho hitan’ireo tanora ho mora kokoa amin’izay ny hianina, na dia mety tsy hahazo foana izay iriny aza izy ireo. Hanampy azy ireo hiaina amim-pahaiza-mahalala ny antonony izany, ary ho feno fiadanana kokoa ny fiainam-pianakaviana.

Mila ny maneho fitandremana manokana mba hihevi-tena araka ny antonony ireo izay manana toeram-piandraiketana, ka tsy hanampatra ny fahefany. Ohatra, ny Kristianina dia omena toromarika “mba tsy hihoatra noho ny voasoratra”. (1 Korintiana 4:6). Tsapan’ireo loholona ao amin’ny kôngregasiôna fa tsy tokony hanandrana hanery ny hafa izy ireo mba hanaraka ny fitiavan-javatr’izy ireo manokana. Mampiasa ny Tenin’Andriamanitra kosa izy ireo ho fototra iorenan’ny fampirisihana omeny, momba ny lalana mahitsy tokony harahina, mahakasika ny fitondran-tena, ny fitafiana, ny fisehoana ankapobe, na mahakasika ny fanarian-dia. (2 Timoty 3:14-17). Rehefa voamarik’ireo mpikambana ao amin’ny kôngregasiôna fa tena mitoetra ao anatin’ny fefin’ny Soratra Masina tokoa ireo loholona, dia mitombo ny fanajana omeny an’ireo lehilahy ireo, ary mandray anjara amin’ny fisian’ny toe-tsaina mafana sy feno fitiavana ary feno fiadanana ao amin’ny kôngregasiôna izany.

Tsara fihavanana amin’ny tenany ihany

Valian-tsoa amin’ny fahazoana fiadanana anaty, ireo izay maneho fiheveran-tena araka ny antonony. Tsy mandoro ny olona mihevi-tena araka ny antonony ny afon’ny fanirian-daza. Tsy midika akory izany fa tsy manana tanjona kendrena manokana izy. Mety haniry hahazo tombontsoam-panompoana fanampiny izy, ohatra, kanefa dia miandry an’Andriamanitra izy, ary amin’izay mety ho tombontsoam-panompoana kristianina azony, dia i Jehovah no omeny voninahitra. Tsy heveriny ho zava-bitany manokana izany. Mahatonga ny olona mihevi-tena araka ny antonony ho akaiky kokoa an’i Jehovah, ilay “Andriamanitry ny fiadanana”, izany.​—Filipiana 4:9.

Aoka hataontsika hoe indraindray isika dia mahatsapa fa toa odian’ny hafa tsy jerena. Tsy ho tsara kokoa ve ny odian-tsy jerena, satria isika olona mihevi-tena araka ny antonony, toy izay hanintona ny sain’ny hafa amintsika, satria isika olona tsy mihevi-tena araka ny antonony? Ny olona mihevi-tena araka ny antonony dia tsy manana fanirian-daza mirehitra. Araka izany, dia tsara fihavanana amin’ny tenany manokana izy, ka mitondra soa ho an’ny fihetseham-pony sy ny fahasalamany ara-batana izany.

Fampitomboana sy fihazonana ny fiheveran-tena araka ny antonony

Latsaka tao anatin’ny tsy fiheveran-tena araka ny antonony i Adama sy i Eva​—lafin-toetra iray nafindrany tamin’ny taranany. Inona no afaka manampy antsika hanalavitra ny fanaovana fahadisoana toy izay nataon’ireo ray aman-drenintsika voalohany? Ahoana no ahafahantsika mampitombo ny fiheveran-tena araka ny antonony, izay toetra tsara dia tsara?

Voalohany aloha, dia hanampy antsika ny fananana fahatakarana araka ny marina ny toerana tanantsika, raha ampifandraisina amin’ny an’i Jehovah, ilay Mpamorona izao rehetra izao. Zava-bitantsika manokana inona avy no azontsika ihamboana fa afaka mifampitaha amin’izay notontosain’Andriamanitra? Nanontany an’i Joba, mpanompony mahatoky, toy izao i Jehovah: “Taiza ary hianao, fony Aho nanorina ny tany? Ambarao, raha hainao.” (Joba 38:4). Tsy nahita havaly i Joba. Moa ve isika tsy voafetra mitovy amin’izany koa eo amin’ny fahalalana sy ny fahaizana ary ny traikefa? Tsy mitondra soa ho antsika ve ny fanekena ny fetran’izay mety ho vitantsika?

Ankoatra izany, dia izao no lazain’ny Baiboly amintsika: “An’i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy. Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy.” Izany dia mahafaoka “ny biby rehetra any an-ala, sy ny biby fiompy arivoarivo eny an-tendrombohitra”. Afaka miteny toy izao i Jehovah: “Ahy ny volafotsy, ary Ahy ny volamena”. (Salamo 24:1; 50:10; Hagay 2:8). Inona no fananana azontsika aseho, ka afaka mifampitaha amin’ny an’i Jehovah? Eny fa na dia ny olona manankarena indrindra aza, dia tsy manana antony hireharehana ny amin’izay harenany! Fahendrena àry ny manaraka izao torohevitra ara-tsindrimandry nomen’ny apostoly Paoly ny Kristianina tany Roma izao: “Noho ny fahasoavana nomena ahy dia izao no lazaiko amin’ny olona rehetra izay eo aminareo: Aza miavonavon-kevitra ka mihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina”.​—Romana 12:3.

Koa satria maniry hamboly fiheveran-tena araka ny antonony isika mpanompon’Andriamanitra, dia tokony hivavaka isika mba hahazo ireo vokatry ny fanahyv — fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po. (Lioka 11:13; Galatiana 5:22, 23). Nahoana? Satria hanamora kokoa ny hahatongavantsika ho olona mihevi-tena araka ny antonony ny tsirairay avy amin’ireo toetra ireo. Ohatra, hanampy antsika hiady amin’ny fironana hirehareha na hieboebo ny fitiavana ny mpiara-belona. Ary hahatonga antsika hijanona, ka hieritreritra, alohan’ny hanaovan-javatra tsy amim-piheveran-tena, ny fahononam-po.

Aoka isika hitandrina! Mila mitandrina hatrany, ny amin’ny fandriky ny tsy fiheveran-tena araka ny antonony, isika. Tsy nihevi-tena araka ny antonony foana ny roa tamin’ireo mpanjaka voalaza terỳ aloha. Naneho fahasahisahian-dratsy i Davida Mpanjaka tamin’ny fanisany ny Isiraely, zavatra izay nifanohitra tamin’ny sitrapon’i Jehovah. Nanjary tsy nihevi-tena araka ny antonony i Solomona Mpanjaka, ka tonga hatramin’ny fanaovana fanompoam-pivavahana diso mihitsy aza.​—2 Samoela 24:1-10; 1 Mpanjaka 11:1-13.

Raha mbola maharitra koa ity fandehan-javatra tsy matahotra an’Andriamanitra ity, dia ilaina ny ho mailo mandrakariva mba hiheveran-tena araka ny antonony. Mendrika ny hatao anefa ilay ezaka. Ireo izay mihevi-tena araka ny antonony ihany no hahaforona ny fitambaran’olona hiaina ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra. Hoheverin’izy ireo ho toy ny tanjaka, fa tsy ho toy ny fahalemena ny fiheveran-tena araka ny antonony. Hahafinaritra toy inona moa rehefa handray fitahiana ny olona sy ny fianakaviana rehetra ka hahazo ilay fiadanana vokatry ny fiheveran-tena araka ny antonony!

[Sary, pejy 23]

Tamin’izay rehetra nataon’i Jesosy, dia i Jehovah no nomeny voninahitra tamim-piheveran-tena araka ny antonony