Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fizarana ny Fanantenana Kristianina eto Sénégal

Fizarana ny Fanantenana Kristianina eto Sénégal

Karazan’izay Manam-pinoana Izahay

Fizarana ny Fanantenana Kristianina eto Sénégal

EFA foto-tsakafo hatramin’ny andro fahiny ny hazandrano. Nandritra ny an’arivony taona maro, dia nanarato tao amin’ireo ranomasina sy farihy ary renirano eto ambonin’ny tany, ny olona. Mpanarato tao amin’ny Ranomasin’i Galilia, ny sasany tamin’ireo apostolin’i Jesosy Kristy. Nampiditra karazana fanaratoana hafa iray ho azy ireo anefa i Jesosy. Izany dia fanaratoana ara-panahy izay hitondra soa, tsy ho an’ny mpanarato ihany, fa ho an’ny hazandrano koa.

Mahakasika izany, dia nilaza tamin’i Petera, izay mpanarato, i Jesosy hoe: “Manomboka izao dia olona velona no ho azonao.” (Lioka 5:10, NW ). Io karazam-panaratoana io dia atao ankehitriny any amin’ny tany maherin’ny 230, tafiditra ao anatin’izany i Sénégal. (Matio 24:14). Eto, ireo “mpanarato olona” amin’ny andro ankehitriny, dia mizara amin-kerim-po amin’ny hafa ny fanantenany kristianina.​—Matio 4:19.

Eo amin’ny tendrony andrefana indrindran’i Afrika no misy an’i Sénégal. Mitatra avy eo amin’ny faritra efitra be fasika manamorona an’i Sahara eo avaratra, ka hatrany amin’ny ala mandon’ny faritr’i Casamance any atsimo, izy. I Sénégal dia tany iray tsofin’ny rivotra mahamain’ny efitra, ary koa ny tsio-drivotra mamelombelona sy mangatsiatsiakan’i Atlantika. Olona maherin’ny sivy tapitrisa no mipetraka eto. Fantatra noho ny fahaizany mandray vahiny ny mponin’i Sénégal. Tsy Kristianina ny ankamaroany. Maro no mpiandry ondry, fa ny hafa kosa dia mpiandry omby sy rameva ary osy. Misy mpamboly koa, izay mamboly voanjo sy landihazo ary vary. Eny, ary misy mpanarato mitondra harato feno hazandrano avy any amin’ny Ranomasimbe Atlantika sy avy any amin’ireo renirano lehibe maromaro manerana ilay tany. Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny toe-karen’i Sénégal ny indostrian’ny fanjonoana. Raha ny marina, ny sakafo malaza indrindra eto, dia ny ceebu jën, sakafo matsiro vita amin’ny vary sy trondro ary legioma.

“Mpanarato olona”

Misy mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra be zotom-po 863 eto Sénégal. Nanomboka teo am-piandohan’ireo taona 1950 ny fanaratoana ara-panahy teto. Nisy biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower nosokafana teto Dakar, renivohitra, tamin’ny 1965. Nanomboka tonga avy tany amin’ireo tany lavitra maro ny misionera “mpanarato”. Natomboka ny asa “fanaratoana”, ary nandroso hatrany ny fizarana ny fanantenana kristianina eto Sénégal. Tamin’ny farany, dia nisy tranon’ny Sampana naorina tao Almadies, manamorona an’i Dakar, ary notokanana ho an’i Jehovah tamin’ny Jona 1999. Fotoam-pifaliana re izany!

Sarotra ny manaiky ny fahamarinana

Olona avy amin’ny fiaviana maro samihafa no hita tsy tapaka, ary nandray tsara ilay hafatra momba ny fanantenana hita ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ny sasany. Na dia maro aza no tsy manana fahalalana ny Baiboly, dia faly izy ireo mahafantatra fa ho tanteraka tsy ho ela ireo fampanantenan’i Jehovah Andriamanitra ho an’ireo mpaminany nahatoky fahiny.

Matetika no ilana herim-po ny fiandaniana amin’ny fomba hentitra amin’ireo foto-pitsipika kristianina, indrindra fa rehefa eo ireo fombafomba sy fomban-drazan’ny fianakaviana. Ohatra, fanao miely patrana ny fananana vady maro eto Sénégal. Raiso ny ohatry ny lehilahy iray izay nanana vady roa, fony izy nanomboka nianatra ny Baiboly. Hanana herim-po hanaiky ny fahamarinana kristianina ka hanaraka ilay zavatra takina araka ny Soratra Masina, ny ho vadin’ny vehivavy iray ihany, ve izy? (1 Timoty 3:2). Ary hijanona amin’ilay vadin’ny fahatanorany, ilay vadiny voalohany, ve izy? Izany indrindra no nataony, ary loholona be zotom-po ao amin’ny kôngregasiôna lehibe iray eto amin’ny faritr’i Dakar izy izao. Nanaiky ny fahamarinana koa ilay vadiny voalohany sy ny zanany 12, ka ny 10 zanany avy tamin’ilay vadiny voalohany, ary ny 2 avy tamin’ilay vadiny faharoa taloha.

Mety ho vato misakana iray hafa amin’ny fanekena ny fanantenana kristianina ny tsy fahaiza-mamaky teny sy manoratra. Midika ve izany fa ny olona iray tsy mahay mamaky teny sy manoratra dia tsy afaka manaiky sy manaraka ny fahamarinana? Tsia. Raiso ny ohatry ny reny iray miasa mafy, manan-janaka valo, atao hoe Marie. Vetivety izy dia nahita ny naha zava-dehibe ny fiaraha-mandinika andinin-teny ara-baiboly iray isan’andro tamin’ireo zanany, talohan’ny niaingan’izy ireo ho any an-tsekoly, sy ny nandehanan’ny tenany niasa. Ahoana anefa no ahafahany manao izany, nefa izy tsy nahay namaky teny? Vao maraina koa, isan’andro, dia naka ny bokikely Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro izy, ary nitsangana teo amin’ny lalam-pasika teo anoloan’ny tranony. Rehefa nisy olona nandalo, dia nanontaniany raha nahay namaky teny izy ireo. Rehefa nahita olona nahay namaky teny izy, dia nanolotra ilay bokikely ka niteny tamim-pahatsorana hoe: “Tsy mahay mamaky teny aho, ka afaka mamaky an’ity ho ahy ve ianao, aza fady?” Nihaino tamim-pitandremana tsara ilay vakiteny izy. Avy eo izy dia nisaotra ilay mpandalo, ary niditra haingana tany an-tranony mba hanao fiaraha-midinika velombelona momba ilay andinin-teny, tamin’ny zanany, talohan’ny niaingan’izy ireo ho any an-tsekoly!

Mandray tsara ny karazan’olona rehetra

Eto Sénégal, ny olona dia hita mivarotra hazandrano, legioma, na voankazo eny an-dalana, na eny an-tsena, na mitsotsotra eo ambany hazo baobaba mijoalajoala iray misotro ataya, dite maitso somary mangidy. Tapa-kevitra ny hizara ny vaovao tsara amin’izay rehetra hitany ny rahalahy roa, ka niresaka tamin’ny lehilahy kilemaina iray, izay nangataka teny amin’ny arabe. Rehefa avy niarahaba azy izy ireo, dia nilaza hoe: “Olona maro no manome vola anao, nefa tsy mijanona mba hiresaka aminao akory. Tonga mba hiresaka aminao momba ny zavatra tena lehibe izay mahakasika ny hoavinao izahay.” Gaga ilay mpangataka. “Maniry hametraka fanontaniana iray aminao izahay”, hoy ireo rahalahy nanohy ny resany. “Nahoana no misy fijaliana be toy izao eto an-tany, araka ny hevitrao?” “Izany no sitrapon’Andriamanitra”, hoy ilay mpangataka namaly.

Avy eo, dia niara-nanjohy hevitra taminy avy tao amin’ny Soratra Masina ireo rahalahy, ary nanazava ny Apokalypsy 21:4. Nanohina lalina ny fon’ilay mpangataka io hafatra momba ny fanantenana io, sy ny hoe nisy olona niahy azy ka nijanona sy niresaka taminy momba ny Baiboly. Nanganohano ny ranomasony. Tsy nangata-bola izy, fa nitalaho tamin’ireo rahalahy, mba haka ny vola madinika rehetra tao anaty kapoaka fangatahany! Nisisika be izy, hany ka nisarika ny sain’izay rehetra nandalo. Sahirana be ireo rahalahy vao naharesy lahatra an’ilay mpangataka mba hihazona ilay vola. Nanaiky ihany izy tamin’ny farany, nefa niangavy mafy ny hitsidihan’izy ireo azy indray.

Ilay oniverisite lehiben’i Dakar koa dia nanampy ireo zavatra azo tao amin’ny harato ara-panahy. Tany, dia nanomboka nianatra Baiboly ny mpianatra ho dokotera iray atao hoe Jean-Louis. Nanaiky avy hatrany ny fahamarinana izy, ary nanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah, ka natao batisa. Ny faniriany dia ny hanompo an’Andriamanitra, amin’ny fanaovana ny fanompoan’ny mpisava lalana manontolo andro, nefa tiany koa ny fianarany ho dokotera. Noho ny fifanekena iray nataony tamin’ny taniny, dia voatery namita ny fianarany izy. Kanefa, nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy koa izy, tetsy an-danin’izany. Tsy ela taorian’ny nahazoany ny diplaomany, mba ho dokotera manam-pahaizana, dia nasaina hiasa tao amin’ny trano Betela iray lehibe tany Afrika izy, mba ho dokoteran’ny mpianakavin’ny Betela tao. Miara-miasa amin’ny fianakavian’ny Betela any amin’ny taniny koa izao ny tovolahy iray hafa niresahana voalohany teto amin’ny Oniversiten’i Dakar.

Tena mahafa-po tokoa ny fanaratoana ara-panahy eto Sénégal. Ankasitrahana indrindra ny zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly avoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, izay atao amin’ny fiteny wolof eto an-toerana izao. Nampirisika olona tso-po maro hanao zavatra amim-pankasitrahana, ny fandrenesana ny vaovao tsara tamin’ny fiteniny. Noho ny fitahian’i Jehovah, dia tsy isalasalana fa hazandrano ara-panoharana maro no ho azo, raha manohy mizara ilay fanantenana kristianina amim-pahatokiana sy amin-kerim-po ireo “mpanarato olona” be zotom-po eto Sénégal.

[Sarintany/Sary, pejy 31]

(Jereo ny gazety)

SÉNÉGAL

[Sary]

Fizarana ny fanantenana kristianina eto Sénégal

[Sary nahazoan-dalana]

Mountain High Maps® Copyright © 1997 Digital Wisdom, Inc.