Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lehilahy Fakan-tahaka Nanaiky Fanitsiana

Lehilahy Fakan-tahaka Nanaiky Fanitsiana

Lehilahy Fakan-tahaka Nanaiky Fanitsiana

“OLONA 30 Isam-bolana no Lanin’ny Mamba any Zambia.” Izany no tatitra nataon’ny gazety afrikanina iray, taona vitsivitsy lasa izay. Araka ny nambaran’ny manam-pahaizana momba ny biby iray, izay nisambotra mamba hanaovana fandinihana, dia “nila lehilahy 12 vao nahatazona mamba iray”. Biby mahatahotra tokoa ny mamba, amin’ity rambony mafonja sy ity valanoranony matanjaka!

Miharihary fa ny mamba no notondroina ho ny “leviatana”, ary nampiasa an’io “Mpanjakan’ny bibi-dia rehetra” io ny Mpamorona mba hanomezana lesona lehibe iray ho an’i Joba mpanompony. (Joba 40:25; 41:26, fanamarihana ambany pejy). Tokony ho 3 500 taona lasa no nitrangan’izany, tany amin’ny faritr’i Oza, izay azo inoana fa tany amin’ny faritra avaratr’i Arabia. Izao no nambaran’Andriamanitra tamin’i Joba, raha nilazalaza momba an’io biby io izy: “Tsy misy sahy manao vi-very hanaitra azy; koa iza kosa no mahajanona eo anatrehako?” (Joba 41:2). Tena marina mihitsy izany! Raha mampahatahotra antsika ny mamba, dia vao mainka tokony hampahatahotra antsika ny hiteny hanohitra Ilay namorona azy io! Naneho ny fankasitrahany an’io lesona io i Joba, tamin’ny fiekeny ny fahadisoany.​—Joba 42:1-6.

Rehefa misy firesahana momba an’i Joba, ny mety ho tonga ao an-tsaintsika dia ny oha-pahatokiana nasehony teo am-piaretana fisedrana. (Jakoba 5:11). Raha ny marina, na dia talohan’ny nitsapana mafy ny finoan’i Joba aza, dia efa nankasitraka azy i Jehovah. Tamin’izany fotoana izany, teo imason’Andriamanitra, dia ‘tsy nisy tahaka azy tetỳ ambonin’ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady natahotra an’Andriamanitra ka nifady ny ratsy’. (Joba 1:8). Tokony hanosika antsika hianatra bebe kokoa momba an’i Joba izany, satria ny fanaovana izany dia hanampy antsika hahita hoe ahoana no ahafahantsika koa mampifaly an’Andriamanitra.

Nalefa aloha ny fifandraisana tamin’Andriamanitra

Lehilahy nanankarena i Joba. Ankoatra ny volamena, izy dia nanana ondry aman’osy 7 000, rameva 3 000, borikivavy 500, omby 1 000, ary mpanompo maro be. (Joba 1:3). Nametraka ny fitokisany tamin’i Jehovah anefa i Joba, fa tsy tamin’ny harena. Nanjohy hevitra toy izao izy: “Raha tàhiny aho nanao ny volamena ho fanantenako, na nanonona ny volamena tsara hoe: Ry tokiko ô; raha tàhiny aho nifaly noho ny haben’ny fananako sy noho ny nahazoan’ny tànako harena betsaka (...) (Dia heloka hanamelohan’ny mpitsara koa izany; fa ho nihatsaravelatsihy tamin’Andriamanitra Izay any ambony aho)”. (Joba 31:24-28). Sahala amin’i Joba, dia tokony hoheverintsika ho sarobidy lavitra, mihoatra noho ny zavatra ara-nofo, ny fananana fifandraisana akaiky amin’i Jehovah Andriamanitra.

Fifampiraharahana ara-dalàna tamin’ny mpiara-belona

Ahoana no nifampiraharahan’i Joba tamin’ireo mpanompony? Hitan’izy ireo fa tsy nizaha tavan’olona sy azo nifampiraharahana i Joba, ary izany dia hita mazava amin’izao tenin’i Joba izao mihitsy: “Raha tàhiny aho nandà ny rariny izay an’ny ankizilahiko na ny ankizivaviko, raha nifamaly tamiko izy, dia inona no hataoko, raha hitsangana Andriamanitra? Ary ahoana no havaliko Azy, raha handinika Izy?” (Joba 31:13, 14). Nahatsapa ny hasarobidin’ny famindram-pon’i Jehovah i Joba, ka nifampiraharaha tamim-pamindram-po koa tamin’ireo andevony. Ohatra tsara re izany, indrindra ho an’ireo manana toeram-piandraiketana ao amin’ny kôngregasiôna kristianina! Tsy maintsy manao ny rariny, tsy mizaha tavan’olona, ary mora ifampiraharahana koa izy ireo.

Afa-tsy izany koa, dia naneho fahalianana tamin’ireo tsy anisan’ny ankohonany i Joba. Rehefa nampiharihary ny fiahiany ny hafa izy, dia nilaza toy izao: “Raha tàhiny aho nandà izay nirin’ny malahelo ka nahapahina ny mason’ny mpitondratena, (...) Raha tàhiny aho naninjitra ny tànako hampahory ny kamboty, saingy hitako fa nisy niandany tamiko teo am-bavahady: dia aoka ny foto-tsandriko hitsoaka hiala amin’ny rangomainako, eny, aoka ny sandriko ho latsaka hiala amin’ny taolam-panaviko.” (Joba 31:16-22). Enga anie isika haneho fiheverana toy izany koa an’ireo izay fantatsika fa sahirana ara-pivelomana, ao amin’ny kôngregasiôna.

Koa satria i Joba niahy tsy tamim-pitiavan-tena an’ireo mpiara-belona taminy, dia tia nampiantrano vahiny izy. Afaka nilaza toy izao àry izy: “Ny vahiny aza tsy nandry teny ala-trano; fa novohako ny varavarako manatrika ny làlana”. (Joba 31:32). Izany ka ohatra tsara ho an’ny mpanompon’Andriamanitra amin’izao andro izao! Rehefa tonga any amin’ny Efitrano Fanjakana ireo izay vao liana ny fahamarinana ara-baiboly, dia mety handray anjara amin’ny fandrosoany ara-panahy ny fanehoantsika amin’izy ireo ny fahaiza-mandray vahiny. Mazava ho azy fa mila ny hanehoantsika ny fitiavantsika mandray vahiny koa ireo mpiandraikitra mpitety faritany sy ny Kristianina hafa.​—1 Petera 4:9; 3 Jaona 5-8.

Naneho fihetsika nety mihitsy aza i Joba nanoloana ireo fahavalony. Tsy nifaly noho ny loza nety ho nahazo ny olona nankahala azy izy. (Joba 31:29, 30). Vonona ny hanao soa tamin’ny olona toy izany kosa izy, araka ny hita niharihary tamin’ny fahavononany hivavaka ho an’ireo mpampionona sandoka telo lahy.​—Joba 16:2; 42:8, 9; ampitahao amin’ny Matio 5:43-48.

Fahadiovana teo amin’ny momba ny lahy sy ny vavy

Tsy nivadika tamin’ny vadiny i Joba, ary tsy namela ny fony hampitombo fihetseham-po tsy araka ny tokony ho izy tamin’ny vehivavy hafa na oviana na oviana. Nilaza toy izao i Joba: “Efa nampanekeko ny masoko; koa hataoko ahoana indray no fijery zazavavy? Raha tàhiny adala tamin’ny vadin’olona ny foko, ka namitsaka teo am-baravaran’ny namako aho, dia aoka kosa ny vadiko halain’ny sasany, ary aoka olon-kafa no handry aminy. Fa fahavetavetana izany, eny, heloka tokony hotsarain’ny mpitsara”.​—Joba 31:1, 9-11.

Tsy navelan’i Joba hanimba ny fony ny faniriana maloto. Nanohy nandeha tamin’ny lala-mahitsy kosa izy. Tsy mahagaga i Jehovah Andriamanitra raha nankasitraka an’io lehilahy nahatoky, izay niady tsy ho resin’ny fitaoman-dratsin’ny fahalotoam-pitondran-tena, io! — Matio 5:27-30.

Niahy ny fahasalamana ara-panahin’ny fianakaviany

Nanomana fanasam-be indraindray ny zanakalahin’i Joba, ka tonga nanatrika teo daholo ireo zanany lahy sy ireo zanany vavy. Rehefa nifarana ireny andron’ny fanasam-be ireny, dia velom-panahiana be i Joba sao dia nisy fahotana nataon’ireo zanany tamin’i Jehovah. Nanao zavatra àry i Joba, araka ny nolazain’ilay fitantarana ao amin’ny Soratra Masina toy izao: “Isaky ny tapitra nitsingerina ireo andro fanasana ireo, dia naniraka Joba ka nanamasina ireny, ary nifoha maraina koa izy ka nanatitra fanatitra odorana araka ny isan’izy rehetra; fa hoy Joba: Fandrao efa nanota ny zanako ka nandà an’Andriamanitra tao am-pony.” (Joba 1:4, 5). Tsy maintsy ho nampiaiky volana ny fianakavian’i Joba tokoa izany fiahiany izany, hany ka nanana tahotra miharo fanajana ara-pivavahana an’i Jehovah izy ireo, sady nandeha tamin’ny lalan’i Jehovah!

Mila mampianatra ny fianakaviany ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, ny loham-pianakaviana kristianina, amin’izao andro izao. (1 Timoty 5:8). Ary azo antoka fa mety ny hivavahana ho an’ny fianakavian’ny tena.​—Romana 12:12.

Niaritra tamim-pahatokiana tao anatin’ny fitsapana

Fantatry ny ankamaroan’ny mpamaky ny Baiboly tsara ny fitsapana nivaivay nihatra tamin’i Joba. Nanizingizina i Satana Devoly fa ao anatin’ny toe-javatra misedra dia hanozona an’Andriamanitra i Joba. Nanaiky io fihaikana io i Jehovah, ary tsy nangataka andro i Satana fa avy hatrany dia namely an’i Joba tamin’ny loza. Nafoiny avokoa ny biby fiompiny. Ny mbola ratsy kokoa aza, dia namoy ny zanany rehetra tamin’ny fahafatesana izy.Tsy ela taorian’izay, dia namely an’i Joba tamin’ny vay ratsy, hatrany an-tampon-doha ka hatrany am-paladia, i Satana.​—Joba toko voalohany sy faharoa.

Inona no niafaran’izany? Rehefa nampirisika azy hanozona an’Andriamanitra ny vadiny, dia nilaza toy izao i Joba: “Tahaka ny tenin’ny anankiray amin’ny vehivavy adala ny teninao. Moa ny soa ihany va no horaisintsika avy amin’Andriamanitra, fa tsy ny ratsy koa?” Manampy teny toy izao ny fitantaran’ny Baiboly: “Tamin’izany rehetra izany dia tsy nanota tamin’ny molony Joba.” (Joba 2:10). Eny, niaritra tamim-pahatokiana i Joba, ary noho izany dia nanaporofo fa mpandainga ny Devoly. Enga anie isika hiaritra fisedrana toy izany, ka hanaporofo fa ny fitiavantsika madio tanteraka an’i Jehovah no antony manosika antsika hanompo an’Andriamanitra.​—Matio 22:36-38.

Nanaiky fanitsiana tamim-panetren-tena

Na dia fakan-tahaka tamin’ny lafiny maro aza i Joba, dia lehilahy tsy lavorary izy. Izy mihitsy no nilaza toy izao: “Aiza no misy madio ateraky ny tsy madio? Tsy misy na dia iray akory aza.” (Joba 14:4; Romana 5:12). Noho izany, rehefa nilaza i Jehovah fa marina i Joba, dia izany tokoa no izy, tamin’ny heviny hoe izy dia nanao zavatra nifanaraka tamin’izay rehetra nantenain’Andriamanitra hataon’ny mpanompony olombelona, tsy lavorary sy mpanota. Loharanom-pampaherezana tokoa re izany!

Niaritra ny fisedrana nahazo azy i Joba, kanefa nampiharihary kileman-toetra iray izy io. Nandre ny loza rehetra nihatra taminy ireto lazaina fa mpampionona telo lahy, ka tonga mba hitsidika azy. (Joba 2:11-13). Niampanga an’i Jehovah ho nanasazy an’i Joba noho ny nanaovany fahotana lehibe izy ireo. Mazava ho azy fa nampalahelo an’i Joba izany fiampangana lainga natao taminy izany, ary niezaka mafy hiaro tena izy. Nanjary tsy nahay nandanjalanja anefa izy tamin’ny fiezahany hanamarin-tena. Eny, nilaza mihitsy aza i Joba fa marina kokoa noho Andriamanitra ny tenany!​—Joba 35:2, 3.

Koa satria Andriamanitra tia an’i Joba, dia nampiasa tovolahy iray Izy mba hanintona ny sain’i Joba ho amin’ny fahadisoany. Milaza toy izao ilay fitantarana: “Ary nirehitra kosa ny fahatezeran’i Eliho (...); eny, tamin’i Joba no nirehetan’ny fahatezerany, satria nanao ny tenany ho marina noho Andriamanitra izy.” Nanao izao fanamarihana izao i Eliho: “Joba efa nanao hoe: Marina aho, saingy nesorin’Andriamanitra tamiko ny rariny”. (Joba 32:2; 34:5). Na izany aza, dia tsy niandany tamin’ireo “mpampionona” telo lahy i Eliho, tamin’ny fanatsoahan-kevitra diso fa nanasazy an’i Joba noho ny fahotany Andriamanitra. Nilaza ny fatokisany ny tsy fivadihan’i Joba kosa i Eliho, ka nanoro hevitra hoe: “Efa mby eo anatrehany [i Jehovah] ny ady, koa tsy maintsy miandry Azy hianao.” Eny tokoa, tokony ho niandry an’i Jehovah i Joba, fa tsy hihoa-bava tamin’ny fiarovan-tenany manokana. Nanome toky an’i Joba toy izao i Eliho: “Ny rariny sy ny haben’ny fahitsiana dia tsy hataony [Andriamanitra] tsinontsinona.”​—Joba 35:14; 37:23, NW.

Nilana fanitsiana ny fomba fisainan’i Joba. Nomen’i Jehovah lesona àry izy ny amin’ny maha bitika ny olombelona raha mitaha amin’ny fahalehibeazan’Andriamanitra. Nanondro ny tany, ny ranomasina, ny lanitra feno kintana, ny biby, ary ireo zavatra hafa mahatalanjon’ny famoronana i Jehovah. Tamin’ny farany, dia niresaka momba ny leviatana​—ny mamba​—Andriamanitra. Nanaiky fanitsiana tamim-panetren-tena i Joba, ary tamin’izany izy dia namela ohatra fanampiny hafa.

Na dia mety ho manompo an’i Jehovah amin’ny fomba tsara aza isika, dia hanao fahadisoana. Mety hanitsy antsika amin’ny fomba sasany i Jehovah, raha lehibe ilay fahadisoana. (Ohabolana 3:11, 12). Mety ho tonga ao an-tsaintsika ny andinin-teny iray manindrona ny feon’ny fieritreretantsika. Angamba mety hampahafantatra antsika ny amin’ny fahadisoana iray nataontsika Ny Tilikambo Fiambenana, na ny zavatra vita an-tsoratra hafa navoakan’ny Fikambanana Watch Tower. Na angamba hilaza amin-katsaram-panahy ny namana kristianina iray fa nandika foto-pitsipika ara-baiboly isika. Hanao ahoana ny fihetsitsika manoloana fanitsiana toy izany? I Joba dia naneho toe-tsaina feno fanenenana, ka nilaza hoe: “Miaiky sy mibebaka eto amin’ny vovoka sy ny lavenona aho.”​—Joba 42:6.

Namaly soa i Jehovah

Namaly soa an’i Joba i Jehovah, tamin’ny famelana io mpanompony io hanohy hiaina 140 taona fanampiny. Tao anatin’izany fotoana izany, dia nihoatra lavitra noho izay nafoiny ny zavatra azony. Ary na dia maty aza i Joba tamin’ny farany, dia azo antoka fa hahazo ny fitsanganana amin’ny maty, ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra, izy.​—Joba 42:12-17; Ezekiela 14:14; Jaona 5:28, 29; 2 Petera 3:13.

Afaka mahazo antoka ny amin’ny fankasitrahana sy ny fitahian’Andriamanitra koa isika, raha maneho tsy fivadihana amin’ny fanompoana azy sy manaiky ireo fanitsiana rehetra, miorina amin’ny Baiboly, natao ho antsika. Vokatr’izany, dia hanana ny fanantenana azo antoka ny hiaina ao amin’ny fandehan-javatra vaovaon’Andriamanitra isika. Ny mbola zava-dehibe kokoa aza, dia hanome voninahitra an’Andriamanitra isika. Ny fahatokiantsika dia hovalian-tsoa, sady ho porofo fanampiny koa izany fa tsy noho ny fitiavan-tena akory no anompoan’ny vahoakany azy, fa noho ny fitiavana avy amin’ny fo manontolo kosa. Tena manana tombontsoa tokoa isika mampifaly ny fon’i Jehovah, toy ny nananan’i Joba nahatoky, izay nanaiky fanitsiana tamim-panetren-tena!​—Ohabolana 27:11.

[Sary, pejy 26]

Naneho fiahiana tamim-pitiavana ny kamboty sy ny mpitondratena ary ny hafa koa i Joba

[Sary, pejy 28]

Novalian-tsoa tamin’ny fomba feno i Joba noho izy nanaiky fanitsiana tamim-panetren-tena