Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Antony Ilan’ny Olombelona Mpanampy Iray

Ny Antony Ilan’ny Olombelona Mpanampy Iray

Ny Antony Ilan’ny Olombelona Mpanampy Iray

‘MPANENJIKA sady mpampahory aho taloha’, hoy ny fieken’ny lehilahy iray niavonavona sady nahery setra taloha. Mpiteny ratsy nampahory sy namely tsy an-kiantra ireo mpanara-dia an’i Jesosy Kristy, izay natahotra an’Andriamanitra, izy taloha. “Na dia izany aza”, hoy izy tamim-pankasitrahana, dia ‘nanehoana famindram-po aho’. Na dia mety ho toa sarotra inoana aza ilay izy, dia tonga ny apostoly Paoly, izay Kristianina nahatoky, io mpanenjika romotra io.​—1 Timoty 1:12-16, NW; Asan’ny Apostoly 9:1-19.

Tsy ny rehetra akory no nanao zavatra tahaka ny nataon’i Paoly. Kanefa, isika rehetra dia tsy maharaka ireo fari-pitsipik’Andriamanitra. Nahoana? Satria “samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra”. (Romana 3:23). Ankoatra izany, dia tena mora ny ho tototry ny fahakiviana, angamba satria mahatsapa isika fa ratsy loatra ka tsy hahazo ny famindram-pon’Andriamanitra. Rehefa nandinika ny fironany hanota i Paoly, dia nihiaka toy izao: “Indrisy! olo-mahantra aho! Iza no hanafaka ahy amin’ny tenan’ity fahafatesana ity?” Namaly ny fanontaniany izy, ka nanoratra toy izao: “Misaotra an’Andriamanitra aho amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika.”​—Romana 7:24, 25.

Ahoana no hahafahan’ny Mpamorona marina iray hifampiraharaha amin’ny mpanota? (Salamo 5:4). Mariho fa hoy i Paoly hoe: “Misaotra an’Andriamanitra aho amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika.” (Izahay no manao sora-mandry.) Nanazava toy izao ny olona iray hafa nahazo ny famindram-pon’Andriamanitra: “Raha misy manota, dia manana [mpanampy, NW ] ao amin’ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina; ary Izy no [sorom-panavotana, NW ] noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an’izao tontolo izao koa.”​—1 Jaona 2:1, 2.

Nahoana i Jesosy Kristy no nantsoina hoe “mpanampy ao amin’ny Ray”? Ary amin’ny ahoana i Jesosy no “sorom-panavotana” noho ny fahotana?

Ny antony ilana mpanampy iray

Tonga teto an-tany i Jesosy, mba “hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro”. (Matio 20:28). Ny avotra dia ny vidiny aloa mba hividianana indray, na mba hanafahana olona, na zavatra iray. Ny matoanteny amin’ilay teny hebreo nadika hoe “avotra”, dia mampita ilay hevitra hoe manarona na manavotra amin’ny ota. (Salamo 78:38). Ilay teny grika, toy ilay hita ao amin’ny Matio 20:28, dia nampiasaina indrindra mba hanondroana ny vidiny naloa mba hanavotana babo an’ady na hanafahana andevo. Mba hampiharana ny rariny, dia nisy zavatra iray nomena ho takalon’ny iray hafa mifanandrify vidy aminy.

Nanjary andevo ny olombelona, noho ny fikomian’ilay lehilahy voalohany tamin’Andriamanitra. Araka ny aseho ao amin’ny Genesisy toko faha-3, izany lehilahy tanteraka izany​—i Adama​—dia nifidy ny hanaraka ny lalan’ny tsy fankatoavana an’i Jehovah Andriamanitra. Tamin’ny fanaovana izany, dia nivarotra ny tenany sy ny taranany, izay mbola tsy teraka, ho amin’ny fanandevozan’ny ota sy ny fahafatesana, izy. Narian’i Adama, tsy ho azon’ny tenany sy ny taranany rehetra àry ilay fanomezana, dia ny ain’olombelona lavorary.​—Romana 5:12, 18, 19; 7:14.

Teo amin’ny Isiraely fahiny, Andriamanitra dia nanao fandaharana ny amin’ny sorona biby mba hanavotana na hanaronana ny fahotan’ny olona. (Levitikosy 1:4; 4:20, 35). Raha ny marina, dia nomena ny ain’ilay biby natao sorona, ho solon’ny an’ilay mpanota. (Levitikosy 17:11). Noho izany, “ny andro fanavotana” dia azo lazaina koa ho ny “andron’ny avotra”.​—Levitikosy 23:26-28.

Koa satria ambany noho ny olona anefa ny biby, dia “tsy mahaisotra [tanteraka] ny ota ny ran’ombilahy sy ny ran’osilahy”. (Hebreo 10:1-4). Mba hahatonga ny sorona iray ho ampy vidy mba hanavotana, na hanesorana fahotana amin’ny fomba maharitra, dia tsy maintsy mitovy vidy amin’izay narian’i Adama izy io. Ny mizanan’ny rariny dia nitaky olona iray lavorary (Jesosy Kristy), mba hifandanja amin’izay narian’ny olona lavorary iray hafa (Adama). Ny ain’olombelona lavorary iray ihany no nahafahana nandoa ilay vidin’ny avotra, mba hanavotana ny taranak’i Adama amin’ny fanandevozana, izay nivarotan’ny rain’izy ireo voalohany, azy ireo. ‘Aina iray solon’ny aina iray’ no ho fomba hampiharana ny tena rariny.​—Eksodosy 21:23-25.

Rehefa nanota i Adama ka nosazina ho faty, dia mbola tao amin’ny voany ny taranany mbola tsy teraka tamin’izay, ka noho izany, dia niara-maty taminy. I Jesosy, ilay lehilahy lavorary, ilay “Adama farany”, dia ninia tsy hanana fianakaviana. (1 Korintiana 15:45). Nanana taranaka mbola tsy teraka, tao amin’ny voany, izy, fony maty ho sorona olombelona lavorary. Noho izany, dia azo lazaina ho toy ny niara-maty taminy ny taranak’olombelona nety ho tao amin’ny voany. Nalain’i Jesosy ho azy ny fianakavian’i Adama, izay mpanota sy mety maty. Namoy ny zony hanana ny fianakavian’ny tenany manokana izy. Tamin’ny fanaovany sorona ny ain’olombelona lavorary nananany, i Jesosy dia nividy indray ny olombelona rehetra avy tamin’ny taranak’i Adama, mba hahatongavan’izy ireo ho fianakaviany. Noho izany dia tonga ‘Rain’izy ireo mandrakizay’ Izy.​—Isaia 9:5, 6.

Ny sorom-panavotan’i Jesosy dia nanokatra ny lalana ho an’ireo olombelona mankatò, mba hahazoana ny famindram-pon’Andriamanitra sy ny fiainana mandrakizay. Noho izany, dia nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Fahafatesana no tambin’ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.” (Romana 6:23). Tsy afaka ny tsy hidera an’i Jehovah isika, noho ny fitiavana sy ny fangoraham-po nifandray tamin’ny avotra, izay nitondra fijaliana lehibe ho azy sy ny Zanany malalany. (Jaona 3:16). Ary azo antoka fa “mpanampy ao amin’ny Ray” i Jesosy, rehefa natsangana ho amin’ny fiainana any an-danitra izy, ka nampiseho ny vidin’ny sorom-panavotany tamin’Andriamanitra tany an-danitra. * (Hebreo 9:11, 12, 24; 1 Petera 3:18). Amin’ny ahoana anefa i Jesosy Kristy no mpanampy antsika, any an-danitra ankehitriny?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 12 Jereo ny toko faha-4 sy faha-7 amin’ny boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.

[Sary, pejy 4]

Ny ain’olombelona lavorary nananan’i Jesosy dia nanjary ilay vidiny mba hanavotana ny taranak’i Adama