Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fomba Itarihan’i Jehovah Antsika

Ny Fomba Itarihan’i Jehovah Antsika

Ny Fomba Itarihan’i Jehovah Antsika

“Tariho amin’ny làlana marina aho”.​—SALAMO 27:11.

1, 2. a) Ahoana no itarihan’i Jehovah ny vahoakany ankehitriny? b) Inona no tafiditra amin’ny hoe manararaotra amin’ny fomba feno ireo fivoriana?

IJEHOVAH no loharanon’ny fahazavana sy ny fahamarinana, araka ny nianarantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha. Manazava ny lalantsika ny Teniny, eo am-pandehanantsika amin’ny lalana marina. Mitarika antsika i Jehovah, amin’ny fampianarana antsika ny lalany. (Salamo 119:105). Tahaka ilay mpanao salamo fahiny, dia manaiky amim-pankasitrahana ny fitarihan’Andriamanitra isika, ka mivavaka hoe: “Ampianaro ny làlanao aho, Jehovah ô; ary tariho amin’ny làlana marina aho”.​—Salamo 27:11.

2 Ny fomba iray anomezan’i Jehovah fampianarana amin’izao andro izao dia amin’ny alalan’ireo fivoriana kristianina. Moa ve isika manararaotra amin’ny fomba feno an’io fandaharana omena amim-pitiavana io, 1) amin’ny fanatrehana tsy tapaka, 2) amin’ny fihainoana amim-pitandremana ny fandaharam-pivoriana, ary 3) amin’ny fandraisana anjara tsy amim-pisalasalana amin’ireo anjara anomezan’ny mpanatrika valin-teny? Ankoatra izany, moa ve isika mandray amim-pankasitrahana ireo tolo-kevitra omena antsika izay hanampy antsika hitoetra eo amin’ny “làlana marina”?

Manao ahoana ny fanatrehanao fivoriana?

3. Ahoana no nambolen’ny mpanompo manontolo andro iray fahazarana tsara dia tsara manatrika fivoriana tsy tapaka?

3 Manatrika fivoriana tsy tapaka efa hatramin’ny fahazazany ny sasany amin’ny mpitory ilay Fanjakana. Izao no tsaroan’ny mpanompo manontolo andro iray Vavolombelon’i Jehovah: “Fony izahay mirahavavy mbola zaza nitombo, tany amin’ireo taona 1930, dia tsy voatery nanontany an’ireo ray aman-dreninay izahay raha hivory izahay na tsia. Fantatray mantsy fa hivory izahay, raha tsy hoe narary angaha. Tsy mba nanapaka fivoriana izany izahay mianakavy.” Tahaka an’i Hana mpaminanivavy, io anabavy io dia nandeha “tsy tapaka mihitsy” tany amin’ny toerana fanolorana fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah.​—Lioka 2:36, 37, NW.

4-6. a) Nahoana no tsy mahavonjy fivoriana ny sasany amin’ny mpitory ilay Fanjakana? b) Nahoana no tena zava-dehibe ny hanatrehana fivoriana?

4 Moa ve ianao anisan’ireo manatrika fivoriana tsy tapaka, sa nanjary tapatapaka ianao tamin’io lafiny io? Ny Kristianina sasany izay nihevitra fa tena nizotra tsara ny fanatrehany fivoriana, dia nanapa-kevitra ny hanao izay hahazoana antoka fa izany tokoa no izy. Nomarihiny ny fivoriana rehetra natrehiny, tao anatin’ny herinandro vitsivitsy. Rehefa namerina nijery ilay firaketana an-tsoratra izy tamin’ny faran’ilay fe-potoana voafaritra, dia gaga nahita ny isan’ny fivoriana tsy natrehiny.

5 ‘Tsy mahagaga izany’, hoy ny mety holazain’ny olona iray. ‘Iharam-panerena maro loatra ny olona ankehitriny, hany ka tsy mora aminy ny manatrika tsy tapaka ireo fivoriana.’ Marina tokoa fa miaina amin’ny fotoana isian’ny fanerena isika. Ambonin’izany, dia azo antoka ny hitomboan’ny fanerena. (2 Timoty 3:13). Tsy mahatonga ny fanatrehana tsy tapaka ireo fivoriana ho vao mainka zava-dehibe ve anefa izany? Tsy afaka manantena ny hahatohitra ny fanerena ampiharin’ity fandehan-javatra ity isika raha tsy mamahan-tena tsy tapaka amin’ny sakafo ara-panahy mahasalama natao hanohanana antsika. Mety halaim-panahy hiala tanteraka amin’ny “làlan’ny marina” isika raha tsy mifanerasera tsy tapaka! (Ohabolana 4:18). Marina fa mety tsy hahatsiaro foana hirona hanatrika fivoriana isika rehefa mody avy niasa mafy. Rehefa manatrika fivoriana anefa isika, na dia eo aza ny havizanana, dia mandray soa ny tenantsika, ary mampahery ny Kristianina hafa isika any amin’ny Efitrano Fanjakana.

6 Manome antony lehibe hafa iray tokony hanatrehantsika tsy tapaka fivoriana ny Hebreo 10:25. Ao ny apostoly Paoly dia mampirisika ireo Kristianina tahaka azy mba hiara-mivory, ‘mainka satria hitan’izy ireo fa mihantomotra ny andro’. Eny, tsy tokony hanadino ny fahantomoran’ny “andron’Andriamanitra” isika. (2 Petera 3:12). Raha manatsoaka hevitra isika fa mbola lavitra ny faran’ity fandehan-javatra ity, dia angamba isika hanomboka hamela ny raharahan’ny tenantsika manokana hanilika ny asa ara-panahy tena ilaina, toy ny fanatrehana fivoriana. Amin’izay, araka ny nampitandreman’i Jesosy, dia ‘ho avy tampoka amintsika tahaka ny fandrika izany andro izany’.​—Lioka 21:34.

Aoka ianao hihaino tsara

7. Nahoana no zava-dehibe ny ihainoan’ny ankizy tsara any amin’ireo fivoriana?

7 Tsy ampy raha ny fanatrehana fotsiny ireo fivoriana. Tsy maintsy mihaino amim-pitandremana isika, ka manongilan-tsofina amin’izay lazaina ao. (Ohabolana 7:24). Voakasika amin’izany ny zanatsika. Rehefa mankany an-tsekoly ny ankizy, dia antenaina ny hihainoany tsara ny mpampianatra, eny fa na dia tsy mahaliana azy aza ny loha hevitra iray, na toa tsy takatry ny sainy. Fantatr’ilay mpampianatra fa raha miezaka hihaino tsara ilay ankizy, dia hisy soa ho azony, fara faharatsiny, avy amin’ilay lesona. Tsy ara-dalàna àry ve raha mihaino tsara ny fampianarana omena any amin’ireo fivorian’ny kôngregasiôna ny ankizy mpianatra, fa tsy havela ho renoky ny torimaso raha vao manomboka ny fivoriana? Marina aloha fa “misy zavatra saro-pantarina” amin’ireo fahamarinana sarobidy hita ao amin’ny Soratra Masina. (2 Petera 3:16). Tsy tokony hohamaivanintsika anefa ny fahafahan’ny ankizy hiana-javatra. Tsy manamaivana izany Andriamanitra. Tamin’ny andron’ny Baiboly, ireo mpanompony mbola kely dia nodidiany ‘hihaino sy hianatra ka hatahotra an’i Jehovah sy hitandrina hanaraka ny teny rehetra amin’ity lalàna ity’. Tsy isalasalana fa tsy mora azon’ny ankizy ny sasany tamin’izany lalàna izany. (Deoteronomia 31:12; ampitahao amin’ny Levitikosy 18:1-30.) Latsaka noho izany ve no antenain’i Jehovah amin’ny ankizy ankehitriny?

8. Inona avy no ataon’ireo ray aman-dreny mba hanampiana ny zanany hihaino tsara any amin’ireo fivoriana?

8 Takatr’ireo ray aman-dreny kristianina fa ny ampahany amin’ny zavatra ilain’ny zanany eo amin’ny lafiny ara-panahy dia omena amin’ny alalan’ny zavatra ianarany any amin’ireo fivoriana. Manao fandaharana àry ny ray aman-dreny sasany mba hahazoan’ny zanany torimaso kely, alohan’ny fivoriana, mba havitribitrika sy ho vonona hiana-javatra izy ireo rehefa tonga any amin’ny Efitrano Fanjakana. Ny ray aman-dreny sasany dia mety hametra amin’ny fomba hentitra na hanafoana amim-pahendrena mihitsy ny fijeren’ny zanany televiziona, amin’ny alina misy fivoriana. (Efesiana 5:15, 16). Ary mihazona ho faran’izay kely ny zavatra mety hampiriorio ny sain’ny zanany ny ray aman-dreny toy izany, ka mampirisika ny zanany hihaino sy hianatra, arakaraka ny taonany sy ny fahaizany.​—Ohabolana 8:32.

9. Inona no mety hanampy antsika hampitombo ny fahaizantsika mihaino?

9 Niteny tamin’ny olon-dehibe i Jesosy fony nilaza hoe: “Tandremo ny fihainoanareo”. (Lioka 8:18). Mora lazaina izany fa sarotra atao, amin’izao andro izao. Ekena aloha fa asa mafy ny fihainoana tsara, nefa azo ambolena ny fahaiza-mihaino. Miezaha hanavaka ireo hevi-dehibe, eo am-pihainoana lahateny ara-baiboly na anjara iray amin’ny fivoriana. Eritrereto mialoha ny hevitra manaraka holazain’ilay mpandahateny. Mitadiava hevitra izay azonao ampiasaina eo amin’ny fanompoanao na azonao ampiharina eo amin’ny fiainanao. Anaovy famerenana ao an-tsainao ireo hevitra, arakaraka ny andinihana azy. Mandraisa an-tsoratra, nefa ataovy fohy izany.

10, 11. Ahoana no nanampian’ny ray aman-dreny sasany ny zanany mba hihainoan’izy ireo tsara kokoa, ary inona avy no fomba hitanao ho mahasoa?

10 Amin’ny fotoana mbola maha tena kely ny ankizy no tsara indrindra ampianarana azy ny fahazarana mihaino tsara. Na dia alohan’ny hahaizany hamaky teny sy hanoratra aza, dia ampirisihin’ny ray aman-dreniny handray “an-tsoratra” mandritra ny fivoriana ny ankizy sasany mbola tsy mianatra. Manisy marika eo amin’ny taratasy iray izy ireo rehefa ampiasaina ny teny mahazatra toy ny hoe “Jehovah”, “Jesosy”, na “Fanjakana”. Amin’izany fomba izany, dia afaka mianatra mifantoka amin’izay lazaina avy eny amin’ny lampihazo ny ankizy.

11 Na dia ny ankizy zokiny kokoa aza, indraindray, dia mila ampirisihina hihaino tsara. Tsikaritry ny loham-pianakaviana iray fa lasa saina be ny zanany lahy 11 taona, nandritra ny fivoriambe kristianina iray, ka notolorany Baiboly, ary nasainy nijery ireo andinin-teny notononin’ny mpandahateny. Ilay raim-pianakaviana, izay nandray an-tsoratra, dia nanaraka tao amin’ilay Baiboly notanan’ilay zanany. Taorian’izay, dia nanaraka ilay fandaharan’ny fivoriambe tamin-kafanam-po kokoa ilay ankizilahy.

Aoka ho re ny feonao

12, 13. Nahoana no zava-dehibe ny handraisana anjara amin’ny hira ataon’ny kôngregasiôna?

12 Nihira toy izao i Davida Mpanjaka: “Te-hitoetra eo akaikin’ny alitaranao [aho], Jehovah ô, mba hanao feo fiderana”. (Salamo 26:6, 7). Ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah dia manome fahafahana faran’izay tsara mba hanehoantsika amin’ny feo avo ny finoantsika. Ny fomba iray azontsika anaovana izany dia amin’ny fandraisana anjara amin’ny hira ataon’ny kôngregasiôna. Lafiny lehibe iray amin’ny fanompoam-pivavahantsika izany, saingy mora ny manao tsirambina azy io.

13 Ny ankizy sasany izay mbola tsy mahay mamaky teny, dia manao tsianjery ny tonon’ireo hiran’ilay Fanjakana izay hohiraina any amin’ireo fivoriana, isan-kerinandro. Mientam-po izy ireo afaka miara-mihira amin’ny olon-dehibe. Rehefa lehibebe kokoa anefa ny ankizy, dia mety tsy hirona firy handray anjara amin’ny fihirana ny hiran’ilay Fanjakana. Saikatra ny hihira ao amin’ireo fivoriana koa ny olon-dehibe sasany. Anisan’ny fanompoam-pivavahantsika anefa ny fihirana, tsy misy hafa amin’ny fanompoana eny amin’ny saha. (Efesiana 5:19). Manao araka izay fara herintsika isika mba hiderana an’i Jehovah eny amin’ny fanompoana eny amin’ny saha. Tsy afaka mankalaza azy koa ve isika amin’ny fanandratana ny feontsika amin’ny hira fiderana amim-pahatsorana, na manga feo isika na tsia?​—Hebreo 13:15.

14. Nahoana no mendrika hanaovana fanomanana mialoha amim-pitandremana ny zavatra ianarantsika any amin’ireo fivorian’ny kôngregasiôna?

14 Midera an’Andriamanitra koa isika rehefa manome valin-teny mampahery mandritra ireo anjara amin’ny fivoriantsika izay mitaky ny handraisan’ny mpanatrika anjara. Mitaky fanomanana izany. Mitaky fotoana ny misaintsaina ireo lafiny lalina kokoa amin’ny Tenin’Andriamanitra. Nahatakatra izany ny apostoly Paoly, izay nazoto nianatra ny Soratra Masina. Izao no nosoratany: “Endrey ny halalin’ny haren’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany!” (Romana 11:33). Ry loham-pianakaviana, tena zava-dehibe ny hanampianareo ny tsirairay amin’ny mpianakavy mba hikaroka ao amin’ny fahendren’Andriamanitra, araka ny ampiharihariana azy ao amin’ny Soratra Masina. Manokàna fotoana sasany mandritra ny fianaram-pianakaviana mba hanazavana hevitra sarotra sy mba hanampiana ny fianakaviana hanomana ireo fivoriana.

15. Tolo-kevitra inona avy no mety hanampy ny olona iray hanome valin-teny any amin’ireo fivoriana?

15 Raha ta hanome valin-teny matetika kokoa ianao any amin’ireo fivoriana, nahoana moa raha manomana mialoha izay zavatra irinao holazaina? Tsy misy ilana valin-teny iangaliana fatratra. Hankasitrahana ny andinin-teny izay sady mifanentana amin’ny foto-kevitra no vakina amim-piekena mafy, na ny teny vitsivitsy voafantina tsara sy avy amin’ny fo. Ny mpitory sasany dia mangataka an’ilay mpitarika ny fianarana mba hanokana ho azy ny valin-teny voalohany amin’ny fehintsoratra iray, mba tsy hahadiso anjara azy ireo amin’ilay fahafahana haneho ny finoany.

Manjary hendry ny tsy za-draharaha

16, 17. Torohevitra inona no nomen’ny loholona iray ny mpanampy amin’ny fanompoana iray, ary nahoana izany no nandaitra?

16 Any amin’ireo fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia matetika isika no ampahatsiahivina mba hamaky ny Tenin’Andriamanitra isan’andro. Mamelombelona ny fanaovana izany, no sady manampy antsika hanao fanapahan-kevitra maneho fahendrena, hanitsy kileman-toetra, hanohitra fakam-panahy, ary hijoro tsara ara-panahy indray raha sanatria nanomboka nanaraka lalan-dratsy ny tenantsika.​—Salamo 19:7.

17 Vonona avy hatrany hanome torohevitra araka ny Soratra Masina izay mifanaraka amin’ny zavatra ilaintsika ireo loholona za-draharaha ao amin’ny kôngregasiôna. Ny hany ilaina hataontsika dia ny “manovo” izany, amin’ny fitadiavana ny torohevitr’izy ireny miorina amin’ny Baiboly. (Ohabolana 20:5). Indray andro, ny mpanampy amin’ny fanompoana tanora mafana fo iray, dia nangataka tolo-kevitra tamin’ny loholona iray ny amin’ny hoe ahoana no hahatonga azy ho azo ampiasaina kokoa ao amin’ny kôngregasiôna. Ilay loholona, izay nahafantatra tsara an’ilay tovolahy, dia nanokatra ny Baiboliny tao amin’ny 1 Timoty 3:3 (NW ), izay manambara fa tsy maintsy “mahalala ny antonony” ireo lehilahy voatendry. Natorony azy tamin-katsaram-panahy ireo fomba azon’ilay tovolahy anehoana fahalalana ny antonony, eo amin’ny fifandraisany amin’ny hafa. Tafintohina tamin’ilay torohevitra tamim-pahatsorana azony ve ilay rahalahy tanora? Tsy izany velively! “Nampiasa ny Baiboly ilay loholona”, hoy ny fanazavany, “koa takatro fa avy tamin’i Jehovah ilay torohevitra.” Nampihatra tamim-pankasitrahana an’ilay torohevitra ilay mpanampy amin’ny fanompoana, ary manao fandrosoana tsara dia tsara ankehitriny.

18. a) Inona no nanampy ny tanora kristianina iray hahatohitra fakam-panahy tany an-tsekoly? b) Andinin-teny inona avy no tonga ao an-tsainao rehefa tojo fakam-panahy ianao?

18 Afaka manampy ny tanora ‘handositra ny filan’ny tanora fanahy’ koa ny Tenin’Andriamanitra. (2 Timoty 2:22). Ny tanora Vavolombelon’i Jehovah iray, izay vao haingana no nahazo diplaoma tany amin’ny lise, dia afaka nanohitra fakam-panahy nandritra ny taom-pianarana, noho ny nisaintsainany sy ny nampiharany andinin-teny sasany ao amin’ny Baiboly. Nieritreritra matetika ny amin’ity torohevitra ao amin’ny Ohabolana 13:20 ity izy: “Izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry”. Nitandrina izy, araka izany, mba tsy hamboly fisakaizana afa-tsy amin’ireo manaja lalina ireo foto-pitsipika araka ny Soratra Masina ihany. Hoy ny fanjohian-keviny: “Tsy tsara kokoa noho ny olona hafa rehetra aho. Raha lasa mifandray akaiky amin’ny naman-dratsy aho, dia haniry hampifaly ny namako, ary mety hitarika ho amin’ny zava-manahirana izany.” Nanampy azy koa ilay torohevitr’i Paoly ao amin’ny 2 Timoty 1:8, manao hoe: “Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika, (...) fa aoka hianao ho mpiombona ny fahoriana noho ny filazantsara”. Mifanaraka amin’izany torohevitra izany, dia nitory tamim-pahasahiana ireo zavatra inoany miorina amin’ny Baiboly tamin’ireo iray kilasy taminy izy, isaky ny nety ho amin’izany ny tarehin-javatra. Isaky ny nasaina nanao famelabelarana teo anatrehan’ny iray kilasy taminy izy, dia nifidy loha hevitra iray izay namela azy hitory tamim-pahaiza-mandanjalanja momba ny Fanjakan’Andriamanitra.

19. Nahoana ny tovolahy iray no tsy nahatohitra ireo faneren’ity tontolo ity, nefa inona no nanome azy hery ara-panahy?

19 Raha sanatria niala tamin’ny “làlan’ny marina” isika, dia afaka manampy antsika hanitsy ny diantsika ny Tenin’Andriamanitra. (Ohabolana 4:18). Nianatra izany mivantana ny tovolahy iray atsy Afrika. Rehefa nitsidika azy ny Vavolombelon’i Jehovah iray, dia nanaiky hianatra ny Baiboly izy. Nankafiziny ny zavatra nianarany, saingy tsy ela izy dia nanjary nanana naman-dratsy tany am-pianarana. Rehefa nandeha ny fotoana, dia voataona hanaraka fomba fiaina maloto ara-pitondran-tena izy. “Tsy nitsahatra nampijaly ahy ny feon’ny fieritreretako, ary voatery nitsahatra tsy nanatrika fivoriana aho”, hoy ny fiekeny. Tatỳ aoriana, dia nanomboka nanatrika fivoriana indray izy. Nanao izao teny manambara zavatra izao ilay tovolahy: “Hitako fa ny antony fototra nahatonga izany rehetra izany, dia satria mosarena ara-panahy aho. Tsy nanao fianarana manokana aho. Izany no antony tsy nahatoherako fakam-panahy. Avy eo dia nanomboka namaky Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! aho. Nody tsikelikely ny heriko ara-panahy, ary nanadio miandalana ny fiainako aho. Fanambarana tsara ho an’ireo nahamarika ireo fiovana nataoko izany. Natao batisa aho, ary sambatra aho ankehitriny.” Inona no nahatonga an’io tovolahy io hanana ny hery handresena ny fahalemen’ny nofony? Nody ny heriny ara-panahy, noho ny nianarany manokana sy tsy tapaka ny Baiboly.

20. Ahoana no ahafahan’ny tanora iray manohitra ny fanafihan’i Satana?

20 Ry tanora kristianina, iharam-panafihana ianareo ankehitriny! Raha ta hahatohitra ny fanafihan’i Satana ianareo, dia tsy maintsy mandray tsy tapaka sakafo ara-panahy. Nahatakatra izany ny mpanao salamo, izay miharihary fa tanora koa. Nisaotra an’i Jehovah izy noho ny nanomezany ny Teniny, mba ‘hahafahan’ny zatovo hiaro ny lalan-kalehany tsy ho voaloto’.​—Salamo 119:9.

Na aiza na aiza no itarihan’Andriamanitra, dia harahintsika

21, 22. Nahoana isika no tsy tokony hanatsoaka hevitra fa sarotra loatra ny lalan’ny fahamarinana?

21 Nitarika ny firenen’ny Isiraely hivoaka avy tany Ejipta ho any amin’ny Tany Nampanantenaina i Jehovah. Ilay lalana nofidiny dia mety ho toa nohasarotina tsy amin’antony, raha amin’ny fomba fijerin’olombelona. Tsy nifidy ilay lalana toa mora kokoa sy nanitsy kokoa, nanaraka ny Ranomasina Mediterane, i Jehovah, fa nitarika kosa ny vahoakany tany amin’ilay lalan-tsarotra tany an’efitra. Raha ny marina anefa, dia hatsaram-panahy avy tamin’Andriamanitra izany. Na dia akaiky kokoa aza ilay lalana nanaraka ny ranomasina, dia ho nitondra ny Isiraelita hamakivaky ny tanin’ny Filistina fahavalony. Ny nifidianan’i Jehovah lalan-kafa, dia nitsimbina ny vahoakany tsy hifanandrina aloha loatra tamin’ny Filistina.

22 Toy izany koa fa mety ho toa sarotra indraindray ny lalana itarihan’i Jehovah antsika ankehitriny. Isan-kerinandro isika dia manana fandaharam-potoana feno asa kristianina, anisan’izany ny fivorian’ny kôngregasiôna, ny fianarana manokana, ary ny fanompoana eny amin’ny saha. Mety ho toa mora kokoa ny lalana hafa. Raha manaraka ny fitarihan’Andriamanitra ihany anefa isika vao ho tonga any amin’ilay tanjona halehantsika, izay efa ezahintsika mafy dia mafy hotratrarina. Noho izany, dia aoka isika hanohy handray fampianarana tena lehibe avy amin’i Jehovah, ary hitoetra eo amin’ny “làlana marina” mandrakizay!​—Salamo 27:11.

Hainao Hazavaina Ve?

Nahoana isika no tena mila manatrika tsy tapaka ireo fivoriana kristianina?

Inona no azon’ireo ray aman-dreny atao mba hanampiana ny zanany hihaino tsara any amin’ireo fivoriana?

Inona no tafiditra amin’ny hoe mihaino tsara?

Inona no afaka manampy antsika hanome valin-teny any amin’ireo fivoriana?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 16, 17]

Manampy antsika hitadidy ao an-tsaina ny andron’i Jehovah ny fanatrehana fivoriana kristianina

[Sary, pejy 18]

Misy fomba maro samihafa azo iderana an’i Jehovah any amin’ireo fivoriana kristianina