Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Fiasan’ny Fanahin’Andriamanitra Ankehitriny?

Ahoana no Fiasan’ny Fanahin’Andriamanitra Ankehitriny?

Ahoana no Fiasan’ny Fanahin’Andriamanitra Ankehitriny?

NALEMY tongotra hatrany an-kibon-dreniny izy. Isan’andro, dia nipetraka teo amin’ny vavahadin’ny tempoly nantsoina hoe Itsaraendrika izy, mba hangataka fiantrana tamin’ireo niditra tao amin’ny tempoly. Indray mandeha anefa, dia nahazo fanomezana sarobidy lavitra noho ny vola madinika vitsivitsy io mpangataka kilemaina io. Nositranina izy!​—Asan’ny Apostoly 3:2-8.

Ny apostoly Petera sy Jaona no ‘nanangana’ azy, ka ‘nampahatanjaka ny tongony’. Na izany aza anefa, dia tsy nilaza ho tompon’antoka tamin’ilay fanasitranana izy mirahalahy ireo. Fa nahoana? I Petera mihitsy no nanazava toy izao: “Ry Israelita, nahoana no gaga amin’izany hianareo, ary nahoana no mibanjina anay? Angaha ataonareo fa ny herinay sy ny fahamasinanay no mampamindra azy io?” Eny tokoa, na i Petera na i Jaona, dia samy nahatakatra fa tsy noho ny heriny, fa noho ny fanahy masin’Andriamanitra, no nahavitana zavatra toy izany.​—Asan’ny Apostoly 3:7-16, Fandikan-teny Katolika; 4:29-31.

Tamin’izany andro izany, ny “asa lehibe” toy izany dia natao mba hampisehoana fa nahazo ny fanohanan’Andriamanitra ilay kôngregasiôna kristianina vao niorina. (Hebreo 2:4). “Foana” anefa izy ireny, hoy ny apostoly Paoly, rehefa nahatontosa ny nikendrena azy. * (1 Korintiana 13:8). Noho izany, dia tsy misy fanasitranana nandidian’Andriamanitra, na hafatra ara-paminaniana, na famoahana demonia, hita ao amin’ny tena kôngregasiôna kristianina, ankehitriny.

Midika ve anefa izany fa tsy miasa intsony ny fanahy masin’Andriamanitra? Tsy izany velively! Andeha hodinihintsika hoe inona koa no fomba hafa niasan’ny fanahin’Andriamanitra tamin’ny taonjato voalohany sy ny fomba iasany amin’izao androntsika izao.

“Ny Fanahin’ny fahamarinana”

Ny asa iray ataon’ny fanahy masin’Andriamanitra dia ny mampahafanta-javatra sy ny manome fahazavana ara-panahy ary ny mampiharihary ny fahamarinana. Nilaza toy izao tamin’ny mpianany i Jesosy, taloha kelin’ny nahafatesany: “Mbola manana zavatra maro holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny. Fa raha tonga ny Fanahin’ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dàlana anareo ho amin’ny marina rehetra”.​—Jaona 16:12, 13.

Narotsaka tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i. “ny Fanahin’ny fahamarinana”, fony natao batisa tamin’ny fanahy masina ny mpianatra tokony ho 120, izay nivory tao amin’ny efitra ambony rihana iray tao Jerosalema. (Asan’ny Apostoly 2:1-4). Anisan’ireo nanatrika an’io andro firavoravoana fanao isan-taona io ny apostoly Petera. Feno ny fanahy masina i Petera, ka “nitsangana” sy namelabelatra, na nanazava, ny fahamarinana sasantsasany momba an’i Jesosy. Notantarainy, ohatra, ny fomba ‘nanandratana an’i Jesosy avy any Nazareta ho eo an-tanana ankavanan’Andriamanitra’. (Asan’ny Apostoly 2:14, 22, 33). Ny fanahin’Andriamanitra koa dia nanosika an’i Petera hanambara tamim-pahasahiana toy izao tamin’ireo Jiosy nihaino azy: “Aoka ho fantatry ny taranak’Isiraely rehetra marimarina fa iny Jesosy nohomboanareo tamin’ny hazo fijaliana iny dia efa nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy.” (Asan’ny Apostoly 2:36). Vokatr’ilay hafatra ara-tsindrimandrin’ny fanahy nambaran’i Petera, dia nisy olona tokony ho telo arivo “nandray tsara ny teniny” ka natao batisa. Tamin’izany fomba izany no nitondran’ny fanahy masin’Andriamanitra fanampiana mba hitarihana azy ireo ho amin’ny fahamarinana.​—Asan’ny Apostoly 2:37-41.

Mpampianatra sy mpampahatsiaro ihany koa ny fanahy masin’Andriamanitra. Hoy i Jesosy: “Ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo.”​—Jaona 14:26.

Amin’ny ahoana ny fanahy masina no mpampianatra? Ny fanahin’Andriamanitra dia nanokatra ny sain’ny mpianatra ho amin-javatra izay efa reny tamin’i Jesosy teo aloha, nefa tsy azony tamin’ny fomba feno ny heviny. Ohatra, fantatr’ireo apostoly fa nandritra ny nitsarana an’i Jesosy, dia nilaza toy izao tamin’i Pontio Pilato, governora romanin’i Jodia, i Jesosy: “Ny fanjakako tsy avy amin’izao tontolo izao”. Tamin’ny fotoana niakaran’i Jesosy tany an-danitra anefa, 40 andro mahery tatỳ aoriana, dia mbola diso hevitra foana ireo apostoly noho ny nieritreretany fa haorina teto an-tany ilay Fanjakana. (Jaona 18:36; Asan’ny Apostoly 1:6). Toa tsy nahatakatra tamin’ny fomba feno ny hevitr’ireo tenin’i Jesosy ny apostoly raha tsy efa taorian’ny nandatsahana ny fanahy masin’Andriamanitra, tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i.

Mpampahatsiaro koa ny fanahin’Andriamanitra, tamin’ny namerenany tao an-tsaina ireo fampianarana samihafa nomen’i Jesosy. Nanjary takatra, ohatra, ny hevitr’ireo faminaniana momba ny nahafatesan’i Kristy sy ny nitsanganany, noho ny fanampian’ny fanahy masina. (Matio 16:21; Jaona 12:16). Ny fahatsiarovana ireo fampianaran’i Jesosy dia nanampy an’ireo apostoly mba hiaro tamim-pahasahiana ny toerana notanany, rehefa nijoro teo anatrehan’ny mpanjaka sy ny mpitsara ary ireo mpitarika ara-pivavahana izy ireo.​—Marka 13:9-11; Asan’ny Apostoly 4:5-20.

Fanampin’izany, dia anisan’ny nitari-dalana ireo Kristianina tany am-boalohany ho any amin’ny faritany namokatra teo amin’ny fanompoana, ny fanahy masina. (Asan’ny Apostoly 16:6-10). Ny fanahin’Andriamanitra koa dia nanosika an’ireo Kristianina tany am-boalohany handray anjara tamin’ny fanoratana ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra, mba ho tombontsoan’ny olombelona rehetra. (2 Timoty 3:16). Mazava àry fa niasa tamin’ny fomba maro samihafa ny fanahy masina, tamin’ny taonjato voalohany. Tsy natao hanaovana fahagagana fotsiny izy io.

Fanahy masina amin’izao androntsika izao

Miasa ho an’ny Kristianina marina ihany koa ny fanahy masina amin’izao androntsika izao. Nanjary niharihary izany teo amin’ny antokon’olom-bitsy iray, mpianatra ny Baiboly, tany Allegheny, any Pennsylvanie, any Etazonia, tamin’ny tapany farany tamin’ny taonjato faha-19. Naniry mafy hahalala “ny marina” ireny mpianatra ny Baiboly tso-po ireny.​—Jaona 8:32; 16:13.

I Charles Taze Russell, izay anisan’io antokon’olona io, dia nilaza toy izao mahakasika ny fitadiavany ny fahamarinana araka ny Soratra Masina: “Nivavaka aho (...) mba hahafahako hanaisotra ato am-poko sy ato an-tsaiko an’izay fitsarana an-tendrony mety ho tonga vato misakana, sy mba hitarihan’ny fanahiny ny saiko hahataka-javatra araka ny tokony ho izy.” Nankasitraka an’io vavaka tamim-panetren-tena io Andriamanitra.

Rehefa nikaroka tamim-pahazotoana tao amin’ny Soratra Masina i Russell sy ireo mpiara-miasa taminy, dia nanjary nisy zavatra maromaro nazava. “Hitanay fa nandritra ny taonjato maro”, hoy ny fanazavan’i Russell, “dia samy nanana sasantsasany tamin’ireo foto-pampianaran’ny Baiboly ireo sekta sy antokom-pivavahana maro samihafa, ka nampifangaroin’izy ireo tamin-javatra azo lazaina hoe fanombantombanana sy fiheveran-dison’olombelona izany.” Niteraka an’izay nantsoiny hoe “ny fametrahana ny fahamarinana any amin’ny toerana tsy tokony hisy azy” izany. Eny tokoa, ireo fahamarinana araka ny Soratra Masina dia tototra tao anatin’ny fampianaran’ny mpanompo sampy, izay tafatsofoka tao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristianina, tao anatin’ireo taonjato lasa. Tapa-kevitra ny hanao izay hahalalana ny fahamarinana sy hanambara azy io anefa i Russell.

Nampiasa ireo pejin’ny Zion’s Watch Tower and Herald of Christ’s Presence (Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona Sady Mpanambara ny Fanatrehan’i Kristy), i Russell sy ireo mpiara-miasa taminy, ka nanameloka tamin-kerim-po ireo foto-pampianarana ara-pivavahana diso, izay tsy nampiseho an’Andriamanitra araka ny marina. Takatr’izy ireo fa, tsy marina ny hevitra ara-pivavahana nananan’ny besinimaro, fa, hay, mety maty ny fanahy (âme); mankany am-pasana isika rehefa maty; ary i Jehovah no hany Andriamanitra marina, ka tsy anisan’ny Trinite.

Araka ny azonao an-tsaina anefa, dia nahatezitra an’ireo mpitondra fivavahana tao amin’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina izany fampihanjahanjana fampianaran-diso izany. May ny hihazona ny fahefany, ny mpitondra fivavahana katolika sy protestanta maro ka nandamina ezaka manokana natao hanalam-baraka an’i Russell. Tsy nilefitra anefa izy sy ireo mpiara-miasa taminy. Nitady tamin-toky ny fitarihan’ny fanahin’Andriamanitra izy ireo. Hoy i Russell: “Nanome toky ny Tompontsika fa (...) ho mpampianatra antsika ny fanahy masin’ny Ray, izay alefa noho i Jesosy sy noho ny fiangaviany, amin’ny maha Mpanavotra sy Mpanalalana antsika ary Lohantsika, azy.” Ary tena nampianatra tokoa izy io! Nanohy nigoka ny rano madion’ny fahamarinana avy ao amin’ny Baiboly ireny Mpianatra ny Baiboly tso-po ireny, ka nanambara izany naneran-tany.​—Apokalypsy 22:17.

Nanaiky hatrany hotarihin’ny fanahy masin’Andriamanitra ny fandaminana maoderin’ny Vavolombelon’i Jehovah, nandritra ny zato taona mahery. Arakaraka ny anazavan’ny fanahin’i Jehovah miandalana ny fahitan’izy ireo ara-panahy no anaovan’izy ireo an-tsitrapo ireo fanitsiana ilaina mba hanaovan-javatra mifanaraka amin’ny hevi-javatra azo farany.​—Ohabolana 4:18.

‘Ho vavolombeloko ianareo’

Nampahafantatra ny fomba hafa iray isehoan’ny fiasan’ny fanahy masin’Andriamanitra i Jesosy rehefa nilaza toy izao tamin’ny mpianany: “Hahazo hery hianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko (...) hatramin’ny faran’ny tany [ianareo].” (Asan’ny Apostoly 1:8). Mbola mihatra amin’izao andro izao ilay fampanantenan’i Jesosy hanome “hery” sy “fanahy masina” an’ireo mpianany mba hanatontosan’izy ireo ny asa nanirahan’Andriamanitra azy ireo.

Fantatra hatraiza hatraiza noho ny asa fitoriany ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fitambarany. (Jereo ny faritra voafefy.) Eny tokoa, milaza ny hafatra momba ny fahamarinana, any amin’ny tany sy fitambara-nosy 230 mahery, ny Vavolombelon’i Jehovah. Ao anatin’ny toe-javatra azo saintsainina rehetra, anisan’izany ny fanaovana vivery ny ainy any amin’ny toerana rotidrotiky ny ady, dia manandratra ny feony amin-kerim-po izy ireo ho fanohanana ny Fanjakan’Andriamanitra. Ny zotom-pon’izy ireo ho an’ny fanompoana kristianina dia porofo mahery fa miasa ny fanahy masina amin’izao andro izao. Ary miharihary fa mitahy ny ezaka ataon’izy ireo i Jehovah Andriamanitra.

Tamin’ny taon-dasa, ohatra, dia mahery lavitra ny 1 000 tapitrisa ora no natokana nitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Inona no vokany? Nisy olona 323 439 nanamarika ny fanoloran-tenany ho an’Andriamanitra, tamin’ny nanekeny hatao batisa tao anaty rano. Fanampin’izany, dia olona vao liana 4 433 884 no nitarihana fampianarana Baiboly isan-kerinandro. Tamin’ny fitambarany, dia boky 24 607 741, sy gazety 631 162 309, ary bokikely 63 495 728, no voapetraka. Izany ka porofo mahery fa miasa ny fanahin’Andriamanitra!

Ny fanahin’Andriamanitra sy ianao

Rehefa mandray tsara ny vaovao tsara ny olona iray, ka mampifanaraka ny fiainany amin’ny fari-pitsipik’Andriamanitra sy maneho finoana ny avotra, dia misokatra eo anoloany ny fahafahana hanana toerana madio eo anatrehan’Andriamanitra. Izao no nolazain’ny apostoly Paoly tamin’ny olona toy izany: “Andriamanitra (...), manome anareo ny Fanahiny Masina.”​—1 Tesaloniana 4:7, 8; 1 Korintiana 6:9-11.

Fitahiana tsara dia tsara maro no vokatry ny fananana ny fanahin’Andriamanitra. Karazana fitahiana toy inona? Voalohany, dia eo izay voalazan’ny Teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra, manao hoe: “Ny vokatry ny Fanahy (...) dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, [ary] fahononam-po”. (Galatiana 5:22, 23). Noho izany, dia hery lehibe manosika hanao ny tsara ny fanahy masin’Andriamanitra, ka manampy ny olona iray hampiseho toetra araka an’Andriamanitra.

Fanampin’izany, raha mamaky ny Baiboly ianao ka mampihatra izay ianaranao, ny fanahin’Andriamanitra dia afaka manampy anao hitombo fahendrena, fahalalana, fahaiza-mahataka-javatra, fahaiza-mitsara zavatra, ary fahaiza-misaina. Nahazo “fahendrena sy fahiratan-tsaina be indrindra ary fahalalana betsaka”, i Solomona Mpanjaka, satria nitady sitraka tamin’Andriamanitra izy, fa tsy tamin’ny olona. (1 Mpanjaka 5:9). Koa satria nanome fanahy masina an’i Solomona i Jehovah, dia azo antoka fa tsy hihazona ny fanahiny masina tsy ho an’ireo mitady sitraka aminy amin’izao andro izao.

Ny fanahy masin’Andriamanitra koa dia manampy ny Kristianina hiady amin’i Satana sy ireo demonia, sy amin’ity fandehan-javatra ratsy ity, ary amin’ny fironana hanota ao amin’ny nofon’izy ireo tsy lavorary. Ahoana no hetezan’izany? Izao no avalin’ny apostoly Paoly: “Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’Ilay mampahery ahy.” (Filipiana 4:13). Mety tsy hanaisotra ny fisedrana sy ny fakam-panahy ny fanahy masina, kanefa afaka manampy anao mba hahatanty azy ireny. Raha miantehitra amin’ny fanahin’Andriamanitra isika, dia ho afaka hahazo “hery mihoatra noho ny mahazatra” mba hiatrehana izay zava-manahirana na fahoriana diavintsika.​—2 Korintiana 4:7, NW; 1 Korintiana 10:13.

Rehefa mandinika ny porofo rehetra ianao, dia tsy misy isalasalana kely akory fa miasa ny fanahy masin’Andriamanitra amin’izao andro izao. Mampahery ny mpanompon’i Jehovah mba hanao fanambarana momba ny fikasany lehibe ny fanahiny. Manohy mampiharihary tsela-pahazavana ara-panahy izy io, ary manatanjaka ny finoantsika, ka manampy antsika hitoetra tsy hivadika amin’ilay Mpamorona antsika. Afaka ny ho velom-pankasitrahana toy inona moa isika, satria nitana ny teny nataony Andriamanitra, tamin’ny nanomezany ny fanahy masina ho an’ny mpanompony mahatoky amin’izao andro izao!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Nahoana no Tsy Misy Intsony ny Fanomezana Mahagagan’ny Fanahy?”, ao amin’Ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra 1972, pejy faha-723-726.

[Efajoro, pejy 10]

Izay Lazain’ny Hafa Momba ny Vavolombelon’i Jehovah

“Manakarama mpanolo-tsaina mba hampirisihana ny olona hiangona ireo fiangonana hafa, na koa mitolona amin’ireo raharaha iadian-kevitra ankehitriny, toy ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy, sy ny fanalana zaza, fa ny Vavolombelona kosa tsy milefitra eo anoloan’ny tontolo iray miova. Mbola tetezin’izy ireo hatrany ny tany manontolo.”​—The Orange County Register, gazety iray any Orange County, any Kalifornia, Etazonia.

‘Raha ny amin’ny fampielezana ny finoana, dia vitsy ny antokom-pivavahana manana hafanam-po toy ny an’ny Vavolombelon’i Jehovah.’​—The Republic, gazety iray any Columbus, any Indiana, Etazonia.

“Ry zareo irery ihany no mandeha isam-baravarana mitondra ‘ny vaovao tsara’, ary mampihatra ny foto-pitsipiky ny Baiboly.”​—Życie Literackie, any Polonina.

“Tamin’ny fitoriana lehibe indrindra nisy hatramin’izay, dia nentin’ny Vavolombelon’i Jehovah nanerana ny tany manontolo ny hafatr’i Jehovah.”​—News-Observer, gazety iray any Tamaqua, any Pennsylvanie, Etazonia.

[Sary, pejy 9]

Ny fanahy masin’Andriamanitra dia manome antsika fahazavana ara-panahy,

(...) mampiroborobo toetra kristianina tsara dia tsara,

(...) ary manohana antsika eo amin’ny asa fitoriana maneran-tany