Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Mahafantatra Zavatra Be dia Be Momba ny Baiboly Ianareo”

“Mahafantatra Zavatra Be dia Be Momba ny Baiboly Ianareo”

Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana

“Mahafantatra Zavatra Be dia Be Momba ny Baiboly Ianareo”

FONY niresaka tamin-kerim-po tamin’ireo mpitarika ara-pivavahana tao Jerosalema, i Jesosy, 12 taona, dia ‘talanjona izay rehetra nandre Azy noho ny fahalalany sy ny valin-teniny’. (Lioka 2:47). Toy izany koa ankehitriny, tanora maro manompo an’i Jehovah no misikina herim-po, mba hiresahana amin’ny mpampianatra sy ny mpiara-mianatra aminy momba an’Andriamanitra sy ny Baiboly, ary mahita vokatra mahafa-po toy izany koa izy ireo matetika.

I Tiffany, 14 taona, dia nanatrika taranja iray, niresahana ny faminanian’ny Baiboly momba ireo 70 herinandron-taona ao amin’ny Daniela 9:24-27. Nanome fanazavana vitsivitsy momba ireo andinin-teny ireo ilay mpampianatra ary nisafosafo vetivety ilay loha hevitra.

Tamin’ny voalohany, dia nisalasala ny hanangan-tanana i Tiffany. “Tsy fantatro anefa ny antony”, hoy izy, “fa tena nanelingelina ahy fa tsy voazava tamin’ny fomba feno ireo andinin-teny ireo. Ary tampoka teo, dia iny fa nitsangana ny tanako.” Gaga ilay mpampianatra fa nisy olona tena nanan-javatra holazaina momba ilay loha hevitra, satria sarotra tamin’ny ankamaroan’ireo mpianatra ny nahatakatra ny hevitr’izy io.

Rehefa nomena fahafahana hanazava ilay faminaniana i Tiffany, dia nitsangana ka niteny, tsy nampiasa naoty. Rehefa vitany ilay izy, dia nisy fahanginana tanteraka tao an-dakilasy. Hendratrendratra kely i Tiffany. Avy eo, dia nitehaka nirefodrefotra naharitra ireo mpianatra.

“Tena mahavariana izany, ry Tiffany, tena mahavariana mihitsy”, hoy ny naverimberin’ilay mpampianatra. Niaiky izy fa fantany hoe tsy maintsy mbola nisy zavatra maro tao amin’ireo andinin-teny ireo, nefa i Tiffany no olona voalohany nanazava azy ireo taminy mazava tsara. Tamin’ny faran’ilay taranja, dia nanontany an’i Tiffany ilay mpampianatra hoe ahoana no nahafantarany zavatra be dia be toy izany momba ny Baiboly.

“Satria Vavolombelon’i Jehovah aho”, hoy ny navaliny. “Tsy maintsy nanazava tamiko io faminaniana io imbetsaka ny ray aman-dreniko, vao azoko ny heviny.”

Gaga koa ireo mpiara-mianatra taminy nahita ny fahalalany ny Baiboly. Nilaza toy izao tamin’i Tiffany ny mpianatra iray: “Fantatro amin’izay izao ny antony andehanan’ny Vavolombelon’i Jehovah isam-baravarana, satria mahafantatra zavatra be dia be momba ny Baiboly ianareo.” Ny hafa nampanantena fa tsy hananihany azy intsony momba ny zavatra inoany.

Rehefa nilaza momba iny zavatra niainany iny tamin’ny ray aman-dreniny i Tiffany, dia nanoro hevitra ny hanolorany ny boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, tamin’ny mpampianatra azy, izy ireo. Rehefa nanao izany izy, ka nampiseho tamin’ilay mpampianatra ilay tapany manazava ny faminanian’i Daniela, dia nandray avy hatrany ilay boky io mpampianatra io, ka nisaotra an’i Tiffany.

Marina tokoa fa, rehefa miresaka amin-kerim-po izay nampianarin’ny ray aman-dreniny azy momba an’Andriamanitra sy ny Baiboly, ny tanora kristianina, dia mitondra fiderana sy voninahitra ho an’i Jehovah ary fitahiana ho an’ny tenany.​—Matio 21:15, 16.