Manana Mari-pamantarana Miafina ve ny Baiboly?
Manana Mari-pamantarana Miafina ve ny Baiboly?
TOKOTOKONY ho roa taona taorian’ny namonoan’ny sasany, tamin’ny 1995, an’ilay Praiminisitra israelianina natao hoe Yitzhak Rabin, dia nisy mpanao gazety iray nilaza ho nahita, tamin’ny alalan’ny teknôlôjian’ny ôrdinatera, filazana mialoha nahakasika an’iny fisehoan-javatra iny, voafina tao amin’ny dika soratry ny Baiboly tany am-boalohany, tamin’ny teny hebreo. Nanoratra i Michael Drosnin, ilay mpanao gazety, fa efa nanandrana nampitandrina an’ilay praiminisitra izy, herintaona mahery talohan’ilay famonoana, kanefa tsy noraharahaina.
Ankehitriny, dia misy boky aman-dahatsoratra hafa namoaka filazana fa ny mari-pamantarana miafina dia porofo tsy azo iadian-kevitra ny amin’ny maha ara-tsindrimandry ny Baiboly. Misy ve ny mari-pamantarana toy izany? Ny mari-pamantarana miafina ve no tokony ho fototry ny finoana ny maha ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ny Baiboly?
Hevi-baovao iray ve?
Tsy vaovao akory ny hevitra momba ny mari-pamantarana miafina ao amin’ny soratry ny Baiboly. Izy io dia hevitra mitana toerana lehibe ao amin’ny Cabale, na zava-miafina nentim-paharazana jiosy. Araka ny lazain’ireo mpampianatra cabalistes, ny hevitra tsotran’ny soratry ny Baiboly dia tsy ny tena heviny marina. Mino izy ireo fa nampiasa ny litera tsirairain’ny soratra ao amin’ny Baiboly amin’ny teny hebreo ho toy ny famantarana Andriamanitra, ka rehefa azo araka ny tokony ho izy ny hevitr’izany, dia mampiharihary fahamarinana lehibe kokoa. Araka ny hevitr’izy ireo, ny litera hebreo tsirairay sy ny toerana misy izany ao amin’ny soratry ny Baiboly dia napetrak’Andriamanitra tamin’ny fananana zava-kendrena voafaritra tsara tao an-tsaina.
Araka ny nolazain’i Jeffrey Satinover, mpanao fikarohana momba ny mari-pamantarana ao amin’ny Baiboly, dia mino ireo Jiosy mpandala ny zava-miafina fa ny litera hebreo nampiasaina mba hiraketana an-tsoratra ny fitantarana momba ny famoronana, ao amin’ny Genesisy, dia manana hery mifono zava-miafina tsy mampino. Nanoratra toy izao izy: “Raha ambara amin’ny teny fohy, ny Genesisy dia tsy filazalazana tsotra fotsiny; ny fitaovana nenti-nanao ny famoronana mihitsy kosa izy io, ny planina tao an-tsain’Andriamanitra, izay nomeny endrika hita maso.”
Nanoratra momba ny fanazavana miafina sasany naharihary taminy tamin’ny famakiana tapany tao amin’ny Genesisy, izay niseho isaky ny litera faha-42 tao amin’ilay soratra, i Bachya ben Asher, raby
cabaliste tamin’ny taonjato faha-13, tany Saragosse, any Espaina. Io fomba fijerena litera amin’ny filaharany voafaritra tsara io, mba hahitana hafatra miafina, no hevitra fototra namoronana ny mari-pamantarana ao amin’ny Baiboly amin’izao andro izao.Ôrdinatera “mampiharihary” ny mari-pamantarana
Talohan’ny andron’ny ôrdinatera, dia voafetra ihany ny fahafahan’ny olona nandinika ny soratry ny Baiboly tamin’izany fomba izany. Tamin’ny Aogositra 1994 anefa, ny gazety Statistical Science dia namoaka lahatsoratra iray nahitana fanambarana nanaitra nataon’i Eliyahu Rips, avy ao amin’ny Oniversite Hebreon’i Jerosalema, sy ireo mpiara-mikaroka aminy. Nohazavainy fa nesoriny ny elanelana rehetra nanasaraka ireo litera, ary nalahany tamin’ny fomba nitovy tsara, tao amin’ny soratry ny Genesisy izy ireo. Tamin’izany no nahitan-dry zareo anarana raby malaza 34, niaraka tamin’ny fanazavana hafa momba azy ireo, toy ny daty nahaterahany na nahafatesany, teo akaikin’ny marika. * Rehefa avy namerina ny fanandramany ireo mpikaroka, dia namoaka ny fanatsoahan-keviny fa ny fanazavana hitan’izy ireo tao amin’ny Genesisy, dia tsy vokatry ny kisendrasendra akory raha jerena araka ny statistika—izany kosa, hoy izy ireo, dia fanazavana ara-tsindrimandry niniana nafenina ho toy ny mari-pamantarana ao amin’ny Genesisy, an’arivony taona maro lasa izay.
Io fomba io no nanaovan’i Drosnin, ilay mpanao gazety, ny fanandramany, tamin’ny fitadiavana fanazavana miafina tao amin’ireo boky dimy voalohan’ny Baiboly, amin’ny teny hebreo. Araka ny filazan’i Drosnin, dia hitany niverina isaky ny litera faha-4 772 tao amin’ny soratry ny Baiboly ny anaran’i Yitzhak Rabin. Ny fandaharany ny soratra tao amin’ny Baiboly ho litera 4 772 avy no nahitany fa ny anaran’i Rabin (vakina mitsangana) dia nihaona tamin’ny andalana (ny an’ny Deoteronomia 4:42, vakina mitsivalana) izay nadikan’i Drosnin hoe “mpamono olona hamono olona”.
Tena miresaka tokoa ny amin’ny olona nahafaty olona tsy nahy, ny Deoteronomia 4:42. Maro àry no nanakiana ny fomba jadona narahin’i Drosnin, ka nilaza fa afaka nanome hafatra toy izany ihany io fomba tsy siantifika io, na inona na inona soratra nampiasainy. Nijoro tamin’ny heviny anefa i Drosnin, ka nanao izao fanamby izao: “Rehefa hahita hafatra toy izany ao amin’ny tantaran’i Moby Dick [tantara noforonina] ireo mpanakiana ahy ireo, dia hino azy ireo aho.”
Porofon’ny maha ara-tsindrimandry ve?
Namaly ilay fanamby nataon’i Drosnin ny Profesora Brendan McKay, avy ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Informatika an’ny Oniversite Nasionaly Aostralianina, ka nanao fikarohana be dia be tamin’ny ôrdinatera tao amin’ny tantaran’i Moby Dick, amin’ny teny anglisy. * Nampiasa ny fomba narahin’i Drosnin i McKay, ary nilaza fa nahita “filazana mialoha” ny amin’ny hamonoan’ny sasany an’i Indira Gandhi, i Martin Luther King zanany, i John F. Kennedy, i Abraham Lincoln, ary ny hafa koa. Araka ny filazan’i McKay, izy dia nahita fa i Moby Dick koa dia “naminany” ny amin’ny hamonoana an’i Yitzhak Rabin.
Teo am-pijerena indray ny soratra tamin’ny teny hebreo ao amin’ny Genesisy, dia nanao fanamby koa momba ny vokatry ny fanandraman’i Rips sy ny mpiara-dia taminy ny Profesora McKay sy ny mpiara-dia taminy. Ny fanakianana dia hoe tsy misy ifandraisany firy amin’ny hafatra ara-tsindrimandry ny vokatra azo, fa amin’ny fomba fanaovan-javatra sy ny fomba fijerin’ireo mpikaroka fotsiny—ny fomba fitsaran-javatra manokan’ireo mpikaroka no nameno ilay fanazavana. Mitohy ny adihevitra ataon’ny manam-pahaizana ny amin’io lafin-javatra io.
Nisy raharaha niadian-kevitra hafa nipoitra rehefa natao ny filazana fa niniana nafenina tao amin’ny soratra amin’ny teny hebreo “mahazatra” na “tany am-boalohany” ny hafatra misy mari-pamantarana toy izany. Milaza i Rips sy ireo mpiara-mikaroka aminy fa nanao ny fikarohany tao amin’ny “soratry ny Genesisy mahazatra sy eken’ny besinimaro” izy ireo. Nanoratra toy izao i Drosnin: “Tarehin-tsoratra mitovy ihany no hita ao amin’ireo Baiboly rehetra amin’ny teny hebreo tany am-boalohany, izay misy ankehitriny.” Izany anefa ve no izy? Tsy misy iray atao “mahazatra” akory, fa maro samihafa ny fanontana ny Baiboly amin’ny teny hebreo ampiasaina amin’izao fotoana izao, izay miorina amin’ny sora-tanana tranainy samy hafa. Na dia mitovy aza ny hafatra ao amin’ny Baiboly entin’izy ireo, dia tsy mitovy kosa ny tarehin-tsoratra ao amin’ireo sora-tanana tsirairay.
Maro amin’ireo fandikan-teny amin’izao andro izao no miorina amin’ny Kôdeksa Leningrad—ny sora-tanana masôretika feno, tranainy indrindra, amin’ny teny hebreo—voadika tokony ho tamin’ny taona 1000 am.f.i. Nampiasa soratra hafa kosa i Rips
sy i Drosnin, dia ny Koren izany. Nanazava i Shlomo Sternberg, raby ôrtôdôksa sady mpahay matematika ao amin’ny Oniversiten’i Harvard, fa ny Kôdeksa Leningrad dia “tsy mitovy amin’ny fanontana Koren nampiasain’i Drosnin, ka litera 41 no tsy mitovy, ao amin’ny Deoteronomia fotsiny”. Hita ao amin’ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty ny tapany amin’ny soratry ny Baiboly, natao kopia maherin’ny 2 000 taona lasa. Matetika no samy hafa be amin’izay hita ao amin’ny soratra masôretika tatỳ aoriana ny fomba fanoratra ao amin’ireny horonam-boky ireny. Nisy litera natsofoka tamin-kalalahana, ho enti-manondro ny zanapeo, ao amin’ny horonam-boky sasany, satria mbola tsy nisy ireo teboka solon-janatsoratra. Ao amin’ireo horonana hafa, dia vitsy kokoa ny litera nampiasaina. Ny fampitahana ireo hany sora-tanana ara-baiboly tavela dia mampiseho fa tsy misy tomika ny hevitry ny soratry ny Baiboly. Izany koa anefa dia manondro mazava tsara fa miovaova, arakaraka ilay sora-tanana, ny fomba fanoratra sy ny isan’ny litera.Miankina tanteraka amin’ny soratra tsy miova iray ny fikarohana momba izay heverina fa hafatra miafina. Ny litera miova iray dia hanolana tanteraka ilay filaharana—sy ny hafatra tao, raha toa ka nisy izany. Notahirizin’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly ny hafatra nomeny. Tsy nitsimbina ny litera tsirairay anefa izy ka toy ny hoe nifantoka be loatra tamin’ny zavatra tsy dia nanao ahoana, toy ny fiovan’ny fomba fanoratra nandritra ireo taonjato. Moa ve izany tsy manondro fa tsy nanisika mari-pamantarana miafina ao amin’ny Baiboly izy?—Isaia 40:8; 1 Petera 1:24, 25.
Mila mari-pamantarana miafina ao amin’ny Baiboly ve isika?
Nanoratra mazava tsara ny apostoly Paoly hoe: “Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.” (2 Timoty 3:16, 17). Tsy tena saro-takarina sy sarotra ampiharina akory ny hafatra mazava sy mivantana ao amin’ny Baiboly, kanefa dia olona maro no mifidy ny tsy hahalala izany. (Deoteronomia 30:11-14). Manamafy orina ny finoana ny maha ara-tsindrimandry ny Baiboly ireo faminaniana aseho mazava ao anatiny. * Tsy sahala amin’ny mari-pamantarana miafina, fa ny faminaniana ao amin’ny Baiboly dia tsy miankina amin’ny tsirairay no maha marina azy, ary izy ireny koa “dia tsy efan’ny fisainan’ny olona fotsiny ihany”.—2 Petera 1:19-21.
Nanoratra toy izao ny apostoly Petera: “Tsy nanaraka izay anganongano noforonin’ny fahafetsen’ny saina izahay, raha nampahafantatra anareo ny hery sy ny fihavian’i Jesosy Kristy Tompontsika”. (2 Petera 1:16). Manam-paka avy amin’ny fivavahana mifono zava-miafina jiosy ny hevitra momba ny mari-pamantarana ao amin’ny Baiboly, ary mampiasa fomba “noforonin’ny fahafetsen’ny saina”, ka manamaizina sy manolana ny hevitra mazavan’ny soratra ara-tsindrimandry ao amin’ny Baiboly. Ny Soratra Hebreo mihitsy dia manameloka mazava tsara ny fomba fanao mifono zava-miafina toy izany.—Deoteronomia 13:1-5; 18:9-13.
Toy inona moa ny fahasambarantsika manana ny Baiboly, izay mirakitra hafatra sy fampianarana mazava, afaka manampy antsika hahafantatra an’Andriamanitra! Tsara lavitra izany noho ny fanandramana hahafantatra ny Mpamorona antsika amin’ny fikarohana mari-pamantarana miafina, izay vokatry ny fanazavan’olona manokana sy hevi-dravina avy amin’ny ôrdinatera.—Matio 7:24, 25.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 9 Amin’ny teny hebreo, dia azo aseho amin’ny litera koa ny tarehimarika. Noho izany, dia tamin’ny litera hebreo, fa tsy tamin’ny tarehimarika, no nampisehoana ireo daty ireo.
^ feh. 13 Teny tsy manana zanatsoratra ny teny hebreo. Ny mpamaky no manatsofoka ny zanatsoratra arakaraka ny teny manodidina. Raha tsy fantatra ny teny manodidina, dia afaka ny hiova tanteraka ny dikan’ny teny iray, amin’ny fanatsofohana zanapeo samy hafa ao aminy. Ny teny anglisy kosa dia manana zanatsoratra raikitra, ary izany dia mahatonga ilay asa fikarohana ho tena sarotra sy ho voafetra.
^ feh. 19 Mba hahazoana fanazavana misimisy kokoa ny amin’ny maha ara-tsindrimandry ny Baiboly sy ny faminaniana raketiny, dia jereo ilay bokikely hoe Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.