Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahatoky sy Tsy Nanan-tahotra teo Anoloan’ny Fampahorian’ny Nazia

Nahatoky sy Tsy Nanan-tahotra teo Anoloan’ny Fampahorian’ny Nazia

Nahatoky sy Tsy Nanan-tahotra teo Anoloan’ny Fampahorian’ny Nazia

Tamin’ny 17 Jona 1946, dia nandefa taratasy fiaraha-miory ho an’ny fianakavian’ny Vavolombelon’i Jehovah iray, tany Amsterdam, i Wilhelmina, mpanjakavavin’i Holandy. Ny zava-kendren’izy io dia mba hanehoana ny fiderany ny zanakalahin’ilay fianakaviana, dia i Jacob Van Bennekom, izay novonoin’ny Nazia, nandritra ny Ady Lehibe Faharoa. Taona vitsivitsy talohan’izay, ny filan-kevitry ny tanànan’i Doetinchem, tanàna iray any amin’ny tapany atsinanan’i Holandy, dia nanapa-kevitra ny hanome anarana ny arabe iray ho fahatsiarovana an’i Bernard Polman, Vavolombelon’i Jehovah iray novonoina nandritra ny ady koa.

NAHOANA ny Nazia no namely an’i Jacob sy i Bernard ary ny Vavolombelon’i Jehovah hafa tany Holandy, nandritra ny Ady Lehibe Faharoa? Ary inona no nanampy an’ireny Vavolombelona ireny hitoetra ho nahatoky tao anatin’ny fanenjehana tsy nifaditrovana, ka hahazo ny fanajana sy ny fideran’ny mpiray tanindrazana taminy sy ny an’ilay mpanjakavavy? Mba hahafantarana izany, dia andeha isika handinika fisehoan-javatra sasantsasany, izay nitarika ho amin’ny fifandonana teo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah vitsy dia vitsy sy ny tafika goavan’ny Nazia, toy izay nitranga teo amin’i Davida sy i Goliata.

Voarara​—Nefa narisika kokoa mbola tsy nisy toy izany

Tamin’ny 10 May 1940, dia nanafika tampoka an’i Holandy, ny tafika nazia. Koa satria nanala sarona ireo asa ratsin’ny Nazisma sy nanohana ny Fanjakan’Andriamanitra ny zavatra vita an-tsoratra nozarain’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nanandrana nampitsahatra, tsy nisy hataka andro, ny asan’ireo Vavolombelona, ny Nazia. Roatokom-bolana latsaka taorian’ny nanafihan’ny Nazia an’i Holandy, dia namoaka didy iray an-tsokosoko, izay nandrara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, izy ireo. Tamin’ny 10 Martsa 1941, dia nisy tatitra an-gazety iray nampiharihary ilay fandrarana, ka niampanga an’ireo Vavolombelona ho nanao fampielezan-kevitra “hanoherana ny fanjakana sy ny fiangonana rehetra”. Ho vokatr’izany, dia nihamafy ny haza lambo natao tamin’ireo Vavolombelona.

Mahaliana anefa fa na dia nanao andry maso hatrany ny fiangonana rehetra aza ny Gestapo, na polisy miafina, dia fikambanana kristianina iray monja no nenjehiny mafy. “Ny fanenjehana hatramin’ny fahafatesana”, hoy ny nolazain’ny mpahay tantara holandey iray, antsoina hoe Dr. Louis de Jong, “dia namely antokom-pivavahana iray monja​—ny Vavolombelon’i Jehovah.”​—Het Koninkrijk der Nederlanden in de Tweede Wereldoorlog (Ny Fanjakan’i Holandy, Nandritra ny Ady Lehibe Faharoa).

Nahazo ny fanampian’ny polisy holandey ny Gestapo, mba hitadiavana sy hisamborana ireo Vavolombelona. Fanampin’izany, ny mpiandraikitra mpitety faritany iray, izay nanjary natahotra ka lasa nivadi-pinoana, dia namadika ny mpiray finoana taminy taloha, tany amin’ny Nazia. Tamin’ny faran’ny Aprily 1941, dia Vavolombelona 113 no voasambotra. Nampijanona ny asa fitoriana ve io famelezana io?

Ny valin’izany dia hita ao amin’ny Meldungen aus den Niederlanden (Tatitra avy Tany Holandy), antontan-taratasy tsiambaratelo, izay nomanin’ny Sicherheitspolizei (Mpitandro Filaminana) alemà, tamin’ny Aprily 1941. Milaza toy izao ny amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay tatitra: “Manatanteraka asa amin-jotom-po manerana an’ilay tany, io sekta voarara io, ka manao fivoriana tsy ara-dalàna sy mametraka trakta misy teny faneva toy ny hoe ‘Heloka ny fanenjehana ny Vavolombelon’Andriamanitra’, sy toy ny hoe ‘hosazin’Andriamanitra amin’ny fandringanana mandrakizay ireo mpanenjika’.” Tapa-bolana taorian’izay, dia nanao tatitra io boky io ihany fa “na dia eo aza ny hamafin’ny fepetra raisin’ny Mpitandro Filaminana, mba hanoherana ny asan’ny Mpianatra ny Baiboly, dia miroborobo hatrany ny asany”. Eny, na dia nety ho voasambotra aza ireo Vavolombelona, dia nanohy ny asany foana, ka nahapetraka zavatra vita an-tsoratra maherin’ny 350 000, tamin’ny taona 1941 monja!

Inona no nahatonga an’io antokona Vavolombelona an-jatony vitsivitsy, nefa nitombo isa hatrany, io, hanana herim-po hanoherana ireo fahavalony nampahatahotra? Tahaka an’i Isaia, mpaminany nahatoky fahiny, ireo Vavolombelona dia natahotra an’Andriamanitra, fa tsy ny olona. Nahoana? Satria nandray am-po izao teny fanomezan-toky nataon’i Jehovah ho an’i Isaia izao izy ireo: “Izaho dia Izaho no mpampionona anareo, koa nahoana hianao no dia matahotra ny zanak’olombelona mety maty”?​—Isaia 51:12.

Nahatonga ny olona hanaja azy ireo ny tsy fananany tahotra

Tamin’ny faran’ny taona 1941, dia efa niakatra ho 241 ny isan’ny Vavolombelona voasambotra. Vitsy anefa no resin’ny tahotra olona. I Willy Lages, mpikambana malaza iray tao amin’ny polisy miafina alemà, dia voalaza ho niteny fa “ny 90 isan-jaton’ny Vavolombelon’i Jehovah dia nanda tsy hamosaka na inona na inona, raha ampahany kely monja tamin’ireo mpikambana tao amin’ny fivavahana hafa kosa no nanana hery tsy hiloa-bava”. Ny fanamarihana iray nataon’i Johannes J. Buskes, mpitondra fivavahana holandey, izay niara-nigadra tamin’ny sasany tamin’ireo Vavolombelona, dia manamafy ny filazana nataon’i Lages. Nanoratra toy izao i Buskes tamin’ny 1951:

“Tamin’izany fotoana izany, dia nampitombo tsikelikely fanajana lehibe azy ireo aho, noho ny fatokisany sy ny hamafin’ny finoany. Tsy hohadinoiko na oviana na oviana ilay tovolahy​—tsy nety ho nihoatra ny 19 taona​—izay nizara bokikely nanambara mialoha ny hahalavoan’i Hitler sy ny Reich Fahatelo. (...) Ho azo nafahana tao anatin’ny tapa-taona izy, raha nampanantena ny hijanona tsy hanohy io asa io. Nolaviny tamin’ny fomba hentitra izany, ka nosazina hanao asa an-tery vozona, nandritra ny fotoana tsy voafetra, tany Alemaina, izy. Fantatray tsara izay dikan’izany. Ny ampitso maraina, rehefa nentina izy, ary nanao veloma azy izahay, dia nilaza taminy fa hahatsiaro sy hivavaka ho azy. Ny hany valin-teniny dia hoe: ‘Aza manahy ny amiko. Tsy maintsy ho tonga ny Fanjakan’Andriamanitra.’ Tsy hadinonao ny zavatra toy izany, na dia manana izao karazana fanoherana rehetra izao amin’ny fampianaran’ireny Vavolombelon’i Jehovah ireny aza ianao.”

Na dia teo aza ny fanoherana tsy nifaditrovana, dia tsy nitsaha-nitombo ny isan’ny Vavolombelona. Raha 300 teo ho eo izy ireo, taloha kelin’ny Ady Lehibe Faharoa, dia niakatra ho 1 379 io isa io, tamin’ny 1943. Nampalahelo fa tamin’ny faran’io taona io ihany, dia 54 tamin’ireo Vavolombelona maherin’ny 350 voasambotra no maty tany amin’ny toby fitanana samy hafa. Tamin’ny 1944, dia nisy Vavolombelon’i Jehovah 141 avy tany Holandy mbola tao amin’ny toby fitanana maro samihafa.

Ilay taona faran’ny fanenjehan’ny Nazia

Taorian’ny andro nanafihan’ny tafiky ny mpiray dina an’i Frantsa, tamin’ny 6 Jona 1944, dia niditra tamin’ny fiafarany ny fanenjehana an’ireo Vavolombelona. Raha teo amin’ny ara-tafika, dia nadiva ho resy ny Nazia sy ny mpiara-miasa taminy. Nisy nihevitra fa tsy hanenjika intsony an’ireo Kristianina tsy nanan-tsiny ny Nazia, tao anatin’io toe-javatra io. Kanefa, nandritra io taona io, dia Vavolombelona 48 hafa no nosamborina, ary maherin’ny 68 tamin’ireo Vavolombelona naiditra am-ponja no maty. Iray tamin’izy ireo i Jacob van Bennekom, voaresaka tetsy aloha.

I Jacob, 18 taona, dia anisan’ireo olona 580, izay natao batisa tamin’ny 1941, ka tonga Vavolombelon’i Jehovah. Tsy ela taorian’izay, dia niala tamin’ny asany tsara karama izy, noho izy io nitaky ny hampandeferany ny fialanalanany kristianina. Nanao asan’ny mpitondra hafatra izy, ka nanomboka nanao fanompoana manontolo andro. Fony izy nitatitra zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly, dia tratra ka nosamborina izy. Tamin’ny Aogositra 1944, tany amin’ny fonja iray tao amin’ny tanànan’i Rotterdam, dia nanoratra toy izao ho an’ny fianakaviany i Jacob, 21 taona:

“Tena salama tsara sy feno fifaliana aho (...) Efa naka am-bavany ahy inefatra izy ireo hatramin’izao. Mazana be ireo roa voalohany, ary nokapohina mafy aho, kanefa, noho ny tanjaka sy ny hatsaram-panahy amin’izay tsy mendrika akory omen’ny Tompo, dia tsy namosaka na inona na inona aho hatramin’izao (...). Efa afaka nanao lahateny in-6, tamin’ny fitambarany, aho tato, ary 102 ny tontalin’ny olona nihaino. Nampiseho fahalianana tsara ny sasany tamin’ireo, ka nampanantena fa raha vao hafahana izy ireo, dia hihazona izany ihany.”

Tamin’ny 14 Septambra 1944, i Jacob dia nentina tany amin’ny toby fitanana tany amin’ny tanànan’i Amersfoort, any Holandy. Na dia tany aza, dia nanohy nitory foana izy. Tamin’ny fomba ahoana? Nahatsiaro toy izao ny mpiara-nigadra taminy iray: “Nitsimpona ireo tapa-tsigara narian’ireo mpiambina ireo gadra, ka nampiasa takelaka avy tamin’ny Baiboly iray mba hamonosana sigara. Indraindray i Jacob dia nahavita namaky teny vitsivitsy teo amin’ny takelaka avy tamin’ny Baiboly iray, izay efa nadiva hampiasaina hamonosana sigara. Avy hatrany izy dia nampiasa ireny teny ireny, ho fototry ny fitoriany taminay. Tsy ela dia nomenay anaram-bosotra hoe ‘Ilay Tia Baiboly’ i Jacob.”

Tamin’ny Oktobra 1944, i Jacob dia iray tamin’ny gadra maro, izay nodidiana hiady lavaka hamandrihana tanky. Nanda tsy hanao ilay asa i Jacob, satria tsy namela azy hanohana ilay ady ny feon’ny fieritreretany. Tsy nilefitra izy, na dia norahonan’ireo mpiambina tsy an-kijanona aza. Tamin’ny 13 Oktobra, dia naka azy avy tao amin’ny fanokanan-toerana, hiverina tany amin’ny toerana fiasana, ny polisy iray. Teo indray koa, dia nifikitra mafy tamin’ny heviny i Jacob. Tamin’ny farany, dia nodidiana mba hiady ny fasany izy, ka notifirina ho faty.

Nitohy ny fanaovana haza lambo an’ireo Vavolombelona

Ny fijoroan’i Jacob sy ny hafa tamin-kerim-po dia nahatezitra ny Nazia sy nanetsika fanaovana haza lambo indray an’ireo Vavolombelona. Iray tamin’ireo lasibany i Evert Kettelarij, 18 taona. Tamin’ny voalohany, dia afa-nandositra sy niafina i Evert, nefa tatỳ aoriana, dia voasambotra izy, ka nokapohina mafy mba hahatonga azy hamadika an’ireo Vavolombelona hafa. Nanda izy, ka nalefa tany Alemaina, mba hanao asa an-tery vozona.

Tamin’io volana io ihany, ny Oktobra 1944, dia nanenjika an’i Bernard Luimes, zaodahin’i Evert, ny polisy. Fony izy hitan’izy ireo, dia niaraka tamin’ny Vavolombelona roa hafa​—Antonie Rehmeijer sy i Albertus Bos​—izy. Efa nandany herintaona sy roa volana tany amin’ny toby fitanana i Albertus. Kanefa, raha vao nafahana izy, dia nanohy indray tamin-jotom-po ny asa fitoriana. Tamin’ny voalohany, dia nokapohin’ny Nazia tamin-kabibiana izy telo lahy, ary avy eo dia notifirina ho faty. Taorian’ny fiafaran’ny ady vao hita ny fatin’izy ireo, ary nalevina indray. Fotoana fohy taorian’ny ady, dia nisy gazety maromaro teo an-toerana nanao tatitra momba an’io famonoana io. Ny iray tamin’ireo gazety ireo dia nanoratra fa ireo Vavolombelona telo lahy dia nanda hatrany hatrany tsy hanao asa na inona na inona ho an’ny Nazia, izay nifanipaka tamin’ny lalàn’Andriamanitra. Nanampy teny izy io fa “noho izany, dia tsy maintsy namoy ny ainy izy ireo”.

Tetsy an-danin’izany, tamin’ny 10 Novambra 1944, i Bernard Polman, voaresaka tetsy aloha, dia nosamborina sy nalefa hiasa ho an’ny tafika. Izy no hany Vavolombelona teo amin’ireo mpanao asa an-tery vozona, sy hany nanda tsy hanao io asa io. Nanandrana fomba maro samihafa ireo mpiambina mba hampanaiky lembenana azy. Tsy nomena sakafo izy. Nokapohina tamin-kalozana tamin’ny langilangy sy ny angady ary ny vody basy koa izy. Fanampin’izany, dia noterena hiroboka anaty rano mangatsiaka halohalika izy, ary avy eo, dia nohidiana tany ambany lakaly mando iray, ka voatery nijanona tao nandritra ny alina, sy niakanjo lena. Na izany aza, dia tsy nilefitra i Bernard.

Nandritra izany fotoana izany, dia navela hitsidika an’i Bernard ny roa tamin’ny anabaviny, izay tsy Vavolombelon’i Jehovah. Nampirisika azy hiova hevitra izy ireo, nefa tsy nampihontsina azy mihitsy izany. Rehefa nanontany an’i Bernard izy ireo raha nisy zavatra azony nanampiana azy, dia nasainy nody sy nianatra Baiboly izy roa vavy. Avy eo, dia namela ny vadin’i Bernard, izay bevohoka, hitsidika azy, ireo mpanenjika azy, noho ny fanantenany fa handrava ny fanoherany io vadiny io. Ny fahatongavany tany sy ny teniny nampahery anefa dia vao mainka nanatanjaka ny fahatapahan-kevitr’i Bernard ny hahatoky hatrany teo anatrehan’Andriamanitra. Tamin’ny 17 Novambra 1944, dia notifirin’ny dimy tamin’ireo mpampijaly azy, teo imason’ireo mpanao asa an-tery vozona hafa rehetra, i Bernard. Na dia rehefa maty aza i Bernard, dia nolavadavahana tamin’ny bala ny fatiny, ary nanjary romotra aoka izany ilay polisy tompon’andraikitra, hany ka namoaka ny basipoletany, ary nitifitra an’i Bernard teo amin’ny masony roa.

Na dia nampihorohoro an’ireo Vavolombelona izay nahare momba an’ilay famonoana aza io fitondrana tamin-kalozana io, dia nahatoky sy tsy nanan-tahotra hatrany izy ireo ary nanohy foana ny asany kristianina. Nanao tatitra toy izao ny kôngregasiôna kely irain’ny Vavolombelon’i Jehovah, teo akaikin’ilay faritra namonoana an’i Bernard, fotoana fohy taorian’ilay famonoana: “Tamin’io volana io, na dia teo aza ny andro ratsy sy ireo zava-tsarotra napetrak’i Satana teo amin’ny lalanay, dia afaka nampitombo ny asanay izahay. Niakatra ho 765 ny ora lany teny amin’ny fanompoana, raha 429 izany teo aloha. (...) Fony izahay nitory, dia nisy rahalahy iray nihaona tamin’ny rangahy iray, izay nanaovany fanambarana tsara. Nanontany ilay rangahy raha finoana nitovy tamin’izay nananan’ilay lehilahy notifirina izany. Rehefa reny fa izany tokoa no izy, dia nihiaka toy izao izy: ‘Izany ka lehilahy, izany ka finoana! Izany no antsoiko hoe mahery fo amin’ny finoana!’ ”

Tsaroan’i Jehovah

Tamin’ny May 1945, dia resy ny Nazia, ka niala tao Holandy. Na dia tsy nitsahatra aza ny fanenjehana nandritra ny ady, dia nitombo ho maherin’ny 2 000 ny isan’ny Vavolombelon’i Jehovah, izay an-jatony vitsivitsy monja teo aloha. Rehefa niresaka momba ireny Vavolombelona tamin’ny andron’ny ady ireny, ny Dr. De Jong, mpahay tantara, dia niaiky toy izao: “Ny ankamaroan’izy ireo dia tsy nanaiky handa ny finoany, na dia teo aza ny fandrahonana sy ny fampijaliana.”

Misy antony tsara àry matoa nahatsiaro an’ireo Vavolombelon’i Jehovah, noho ny fijoroany tamin-kerim-po teo anoloan’ny fanapahana nazia, ny manam-pahefana sasany. Ny zava-dehibe kokoa anefa dia hoe hotsaroan’i Jehovah sy i Jesosy ny tantara faran’izay tsaran’ireny Vavolombelona tamin’ny andron’ny ady ireny. (Hebreo 6:10 ). Mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Jesosy Kristy, izay mihamanatona, dia hatsangana avy ao amin’ny fasam-pahatsiarovana ireny Vavolombelona nahatoky sy tsy nanan-tahotra, izay nanome ny ainy tamin’ny fanompoana an’Andriamanitra, ireny, ka hanana fahatsinjovana ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany.​—Jaona 5:28, 29.

[Sary, pejy 24]

Jacob van Bennekom

[Sary, pejy 26]

Lahatsoratra an-gazety momba ny fandrarana ny Vavolombelon’i Jehovah

[Sary, pejy 27]

Ankavanana: Bernard Luimes; eto ambany: Albertus Bos (ankavia) sy Antonie Rehmeijer; farany ambany: biraon’ny Fikambanana any Heemstede