Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Hahaleo An’Andriamanitra Ireo Miady Aminy!

Tsy Hahaleo An’Andriamanitra Ireo Miady Aminy!

Tsy Hahaleo An’Andriamanitra Ireo Miady Aminy!

“Hiady aminao ireny, nefa tsy hahaleo anao”.​—JEREMIA 1:19.

1. Inona no asa nanirahana an’i Jeremia, ary nitohy hatramin’ny oviana ny asany?

NANIRAKA an’i Jeremia ho mpaminany ho an’ireo firenena i Jehovah, fony izy mbola tanora. (Jeremia 1:5). Nitranga izany fony nanapaka teo amin’ny Joda, i Josia Mpanjaka tsara. Mbola nitohy ihany ny fanompoan’i Jeremia, tamin’ny naha mpaminany azy, nandritra ny fotoana feno hotakotaka talohan’ny nandresen’i Babylona an’i Jerosalema, ka hatramin’ny nanaovana sesitany ny vahoakan’Andriamanitra.​—Jeremia 1:1-3.

2. Tamin’ny ahoana no nankaherezan’i Jehovah an’i Jeremia, ary nidika ho inona ny fiadiana tamin’ilay mpaminany?

2 Azo antoka fa hampipoitra fanoherana ilay hafatra fanamelohana tokony hambaran’i Jeremia. Noho izany, dia nanatanjaka azy hiatrika izay niandry azy Andriamanitra. (Jeremia 1:8-10). Ohatra, nankahery an’ilay mpaminany ireto teny ireto: “Hiady aminao ireny, nefa tsy hahaleo anao, satria momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah.” (Jeremia 1:19). Nidika ho fiadiana tamin’Andriamanitra ny fiadiana tamin’i Jeremia. Ankehitriny i Jehovah dia manana mpanompo manao asan’ny mpaminany, toa an’i Jeremia. Manambara amim-pahasahiana ny teny ara-paminanian’Andriamanitra izy ireo, toy ny nataon’i Jeremia. Ary mitondra vokany tsara na ratsy ho an’ny olona tsirairay sy ny firenena rehetra io hafatra io, arakaraka ny fihetsiny manoloana azy io. Toy ny tamin’ny andron’i Jeremia, dia misy koa ireo miady amin’Andriamanitra, amin’ny fanoherana ny mpanompony sy ny asa nanendren’Andriamanitra ireo mpanompony ireo.

Iharam-pamelezana ny mpanompon’i Jehovah

3. Nahoana no niharam-pamelezana ny mpanompon’i Jehovah?

3 Niharam-pamelezana ny vahoakan’i Jehovah, nanomboka teo am-piandohan’ny taonjato faha-20. Tany amin’ny tany maro, dia nisy olona nikasa hanao ratsy ka niezaka hanakantsakana, eny, hampangina mihitsy aza, ny fanambarana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Ny Devoly, ilay Fahavalontsika lehibe indrindra, izay “mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany”, no nambosy azy ireo. (1 Petera 5:8). Rehefa nifarana tamin’ny 1914 ny “fotoana voatondro ho an’ireo firenena”, dia nametraka ny Zanany ho Mpanjaka vaovaon’ny tany Andriamanitra, ka nanome baiko hoe: “Manapaha eo amin’ny fahavalonao Hianao.” (Lioka 21:24, NW; Salamo 110:2). Nampihatra ny fahefany i Kristy ka nandroaka an’i Satana avy tany an-danitra, ary nitana azy ho etỳ amin’ny manodidina ny tany. Fantatry ny Devoly fa fohy ny androny, ka manampatra ny fahatezerany amin’ny Kristianina voahosotra sy ireo namany izy. (Apokalypsy 12:9, 17). Inona no vokatry ny famelezana niverimberina nampiharin’ireo olona niady tamin’Andriamanitra?

4. Fisedrana inona avy no nodiavin’ny vahoakan’i Jehovah nandritra ny Ady Lehibe Voalohany, kanefa inona no nitranga tamin’ny 1919 sy 1922?

4 Niatrika fitsapam-pinoana maro ny mpanompon’i Jehovah voahosotra, nandritra ny Ady Lehibe Voalohany. Nesoina sy nendrikendrehina izy ireo, nifanenjehan’ny vahoaka romotra, ary nokapohina. Nanjary “halan’ny firenena rehetra” izy ireo, araka ny nambaran’i Jesosy mialoha. (Matio 24:9). Raha mbola nibahana be tao an-tsain’ny olona ny ady, dia nampiasa paikady efa nampiasaina tamin’i Jesosy Kristy, ireo fahavalon’ny Fanjakan’Andriamanitra. Nosoketain’izy ireo ho mpampirisika hikomy tamin’ny fanjakana ny vahoakan’i Jehovah, ka ny fototry ny fandaminan’Andriamanitra hita maso mihitsy no nataony lasibatra. Tamin’ny May 1918, dia navoakan’ny mpitsara federaly ny baiko hisamborana an’i J. F. Rutherford, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower, sy ny mpiara-miasa taminy akaiky indrindra fito. Voaheloka higadra mandritra ny taona maro izy valo mirahalahy ireo, ary nalefa tao amin’ny fonja federaly tao Atlanta, any Géorgie, any Etazonia. Nafahana izy ireo, rehefa afaka sivy volana. Tamin’ny May 1919, dia nambaran’ny fitsarana ambony tao amin’ilay faritra fa nahitana taratry ny fizahan-tavan’olona ny fitsarana an’ireo voampanga, ka nofoanana ilay didim-pitsarana teo aloha. Nasaina naverina indray ny fitsarana azy ireo, saingy notsoahin’ny fitondram-panjakana ny fitoriany tatỳ aoriana, ka nafahana nadiodio tanteraka ny Rahalahy Rutherford sy ireo mpiara-miasa taminy. Nanohy indray ny asany izy ireo, ary nanome tosika vaovao ho an’ny asa fitoriana momba ilay Fanjakana ireo fivoriambe natao tao Cedar Point, any Ohio, tamin’ny 1919 sy tamin’ny 1922.

5. Nanao ahoana ny Vavolombelon’i Jehovah tany Alemaina Nazia?

5 Nisy fitondrana tsy refesi-mandidy nipoitra tamin’ireo taona 1930, ary nivondrona mba hahaforona ireo fanjakan’ny Axe, i Alemaina sy i Italia ary i Japon. Teo am-piandohan’io fe-potoana io, dia nenjehina tamin-kabibiana ny vahoakan’Andriamanitra, indrindra fa tany Alemaina Nazia. Norarana ny asany. Natao sava hao ny tranony, ary nosamborina ireo nipetraka tao. An’arivony maro no nalefa tany amin’ny toby fitanana, satria tsy nety niala tamin’ny finoany. Ny hamongorana ny Vavolombelon’i Jehovah tao amin’io faritra nampiharana fitondrana jadona io no nokendrena tamin’ilay fiadiana tamin’Andriamanitra sy ny vahoakany. * Rehefa nankany amin’ny fitsarana ny Vavolombelona tany Alemaina mba hiady ho an’ny zony, dia nanomana fanazavana lava be ny Minisiteran’ny Fitsaran’ny Reich mba hahazoana antoka fa tsy hahomby ny Vavolombelona. Hoy ilay fanazavana: “Tsy azon’ireo fitsarana atao velively ny tsy hahomby eo anoloan’ireo fombafomba ara-dalàna ivelany fotsiny, fa tsy maintsy mitady sy mahita fomba hanatontosana ny adidy lehibe napetraka taminy izy ireo, na dia eo aza ny zava-tsarotra apetraky ny lalàna.” Nidika izany fa tsy hahazo rariny ny Vavolombelona. Nanizingizina ny Nazia fa asan’ny fahavalo ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka ‘nanelingelina ny fanorenana ny rafitra sosialista nasionaly’.

6. Inona avy no ezaka natao mba hampitsaharana ny asantsika nandritra ny Ady Lehibe Faharoa sy taorian’izany?

6 Nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, dia norarana sy nasiana fameperana ny asan’ny vahoakan’Andriamanitra tany Aostralia sy Kanada ary tany amin’ny tany hafa tao anatin’ny Commonwealth Britanika​—tany Afrika sy Azia ary ireo nosin’i Caraïbes sy nosin’i Pasifika. Nitondra ‘fampahoriana araka ny lalàna’ ireo fahavalo nanam-pahefana sy ny vahoaka nofahanan-dainga, tany Etazonia. (Salamo 94:20, fanamarihana ambany pejy). Niadiana teny amin’ny fitsarana anefa ny raharaha momba ny fiarahabana saina sy ny lalàn’ny fiaraha-monina nandrara ny fitoriana isan-trano, ka ireo fandresena ara-pitsarana azo tany Etazonia dia nihananjary manda fiarovana ny fahalalahana hanao fanompoam-pivavahana. Noho ny fanampian’i Jehovah, dia tsy nahaleo ny vahoakany ny ezaka nataon’ny fahavalo. Rehefa nadiva hifarana ilay ady tany Eoropa, dia nesorina ireo fandrarana. Nafahana ny Vavolombelona an’arivony maro babo tany amin’ny toby fitanana. Mbola tsy vita anefa ny ady. Nanomboka avy hatrany taorian’ny Ady Lehibe Faharoa ny Ady Mangatsiaka. Nampihatra fanerena fanampiny teo amin’ny vahoakan’i Jehovah ireo firenena tany Eoropa Atsinanana. Nataon’ny fitondram-panjakana izay hanakantsakanana sy hampitsaharana ny asa fitoriana, hampitsaharana ny fielezan’ny zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly, sy hanafoanana ireo fivoriambe ampahibemaso. Maro no naiditra am-ponja na nalefa tany amin’ny toby fiasana an-tery vozona.

Mitohy ihany ny asa fitoriana!

7. Inona avy no zava-nitranga tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Polonina sy Rosia ary tany an-tany hafa, tato anatin’ireo taona faramparany?

7 Rehefa nandeha teny ireo taona, dia nisokatra ny asa fitoriana ilay Fanjakana. Namela ny hanaovana fivoriambe iray andro i Polonina tamin’ny 1982, na dia mbola teo ambany fitondrana kominista aza. Nisy fivoriambe iraisam-pirenena natao tany, tamin’ny 1985. Nisy fivoriambe iraisam-pirenena goavana natao nanaraka izany tamin’ny 1989, ka an’arivony maro ny solontena avy tany Rosia sy Ukraine. Neken’i Hongria sy i Polonina ho ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’io taona io. Nianjera ny Rindrin’i Berlin, tamin’ny fararanon’ny taona 1989 tany amin’ny ila bolantany avaratra. Volana vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nekena ho ara-dalàna koa isika tany Alemaina Atsinanana, ary fotoana fohy taorian’izay, dia nisy fivoriambe iraisam-pirenena natao tao Berlin. Ary teo am-piandohan’ireo taona 1990, dia natao ny ezaka mba hifandraisana nivantana tamin’ireo rahalahy tany Rosia. Nohatonina ny manam-pahefana sasany tao Moscou, ary nekena ho ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1991. Nanomboka hatreo, dia nitombo be ny asa tany Rosia sy tany amin’ireo repoblika anisan’ny Firaisana Sovietika teo aloha.

8. Inona no nanjo ny vahoakan’i Jehovah tao anatin’ireo 45 taona nanaraka ny Ady Lehibe Faharoa?

8 Nitsahatra ny fanenjehana tany amin’ny faritra sasany, fa nitombo kosa ny tany amin’ny faritra hafa. Tany maro no tsy nety nanaiky ny Vavolombelon’i Jehovah ho ara-dalàna, tao anatin’ireo 45 taona nanaraka ny Ady Lehibe Faharoa. Ankoatra izany, dia norarana ny fikambanantsika na ny asantsika tany amin’ny firenena 23 tany Afrika, 9 tany Azia, 8 tany Eoropa, 3 tany Amerika Latinina, ary 4 tany amin’ny nosy sasany.

9. Inona no nodiavin’ny mpanompon’i Jehovah tany Malawi?

9 Nenjehina tamin-kabibiana ny Vavolombelon’i Jehovah tany Malawi, nanomboka tamin’ny 1967. Tsy nividy karatry ny antoko politika ireo mpiray finoana tamintsika tany, satria tsy momba ny atsy na ny aroa ireo Kristianina marina ireo. (Jaona 17:16). Taorian’ny fivoriana iray nataon’ny Antokon’ny Kongresin’i Malawi tamin’ny 1972, dia niverina indray ny fitondrana azy ireo tamin-kalozana. Noroahina niala ny tranony ireo rahalahy, ary tsy navela hahazo asa. An’arivony maro no nandositra ilay tany mba tsy ho voavono ho faty. Nahaleo azy anefa ve ireo niady tamin’Andriamanitra sy ny vahoakany? Tsia dia tsia! Rehefa nitsimbadika ny toe-javatra, dia nanao tatitra tampon’isan’ny mpitory ilay Fanjakana 43 767 i Malawi tamin’ny 1999, ary maherin’ny 120 000 no nanatrika fivoriamben’ny distrika. Naorina tao an-drenivohitra ny biraon’ny sampana vaovao iray.

Mitady antony hiampangana antsika izy ireo

10. Toy ny tamin’i Daniela, inona no nataon’ny mpanohitra ny vahoakan’Andriamanitra amin’ny andro ankehitriny?

10 Tsy mahatanty ny hafatra ampitaintsika avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ny mpivadi-pinoana sy ny mpitondra fivavahana ary ny hafa. Teren’ny avy ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristianina ny mpanohitra, ka mitady fomba lazaina fa ara-dalàna mba hanamarinana ny fiadiany amintsika. Inona avy no paikady ampiasainy indraindray? Inona no nataon’ireo niray tetika hamely an’i Daniela mpaminany? Izao no vakintsika ao amin’ny Daniela 6:5, 6: “Ny komandy lehibe sy ny solo-mpanjaka dia nitady izay hiampangany an’i Daniela ny amin’ny fanjakana, nefa tsy nahita izay hiampangany azy na izay tsininy akory ireo, satria marina izy, ka tsy nisy kilema na tsiny hita taminy. Dia hoy ireo lehilahy ireo: Tsy ho hitantsika izay hiampangantsika io Daniela io raha tsy ny amin’ny lalàn’Andriamaniny no misy hitantsika hiampangana azy.” Torak’izany koa fa mitady antony hiampangana antsika ny mpanohitra ankehitriny. Manao antso avo ho fanoherana ny “sekta mampidi-doza” izy ireo, ka miezaka mametaka izany anarana izany amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Fanasoketana sy fanaratsiana an-kolaka ary lainga no entiny hamelezana ny fanompoam-pivavahantsika sy ny fifikirantsika amin’ny foto-pitsipik’Andriamanitra.

11. Inona avy no lainga nolazain’ny mpanohitra sasany momba ny Vavolombelon’i Jehovah?

11 Any amin’ny tany sasany, dia misy antokom-pivavahana sy antoko politika tsy mety manaiky ny hoe manaraka “ny fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan’Andriamanitra” isika. (Jakoba 1:27). Na dia atao any amin’ny tany 234 aza ny asa kristianina ataontsika, dia milaza ny mpanohitra fa tsy “fivavahana fantatra” isika. Taloha kelin’ny fivoriambe iraisam-pirenena iray tamin’ny 1998, ny gazety iray tany Atena dia nanonona ny tenin’ny mpitondra fivavahana ôrtôdôksa grika iray, izay nilaza fa “tsy ‘fivavahana fantatra’ [ny Vavolombelon’i Jehovah]”. Nifanohitra tamin’izany teniny izany anefa no tapaky ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona. Andro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nisy gazety hafa iray tao amin’io tanàna io ihany nanonona izay nolazain’ny mpitondra tenin’ny fiangonana iray, nanao hoe: “Tsy mety ho ‘kôngregasiôna kristianina’ [ny Vavolombelon’i Jehovah], satria tsy misy iombonany amin’ny finoana kristianina momba an’i Jesosy Kristy.” Mahagaga izany, satria tsy misy antokom-pivavahana hafa ankoatra ny Vavolombelon’i Jehovah manantitrantitra bebe kokoa momba ny hanahafana an’i Jesosy!

12. Eo am-panaovantsika ilay ady ara-panahy, inona no tsy maintsy ataontsika?

12 Miezaka hiaro sy hampiorina ny vaovao tsara amin’ny fomba araka ny lalàna isika. (Filipiana 1:7, NW ). Ankoatra izany, dia tsy hampandefitra na hanalefaka ny fifikirantsika mafy amin’ny fari-pitsipik’Andriamanitra momba ny fahitsiana isika. (Titosy 2:10, 12). Toa an’i Jeremia, isika dia ‘misikina ka milaza izay rehetra andidian’i Jehovah antsika’, fa tsy mamela an’ireo miady amin’Andriamanitra haharaiki-tahotra antsika. (Jeremia 1:17, 18). Nosoritan’ny Teny Masin’i Jehovah mazava tamintsika ny lalana tokony harahintsika. Tsy irintsika na oviana na oviana ny hiantehitra amin’ny “sandry nofo” malemy, na ny hitady ‘fialokalofana ao amin’ny alokalok’i Egypta’, izany hoe ity tontolo ity. (2 Tantara 32:8; Isaia 30:3; 31:1-3). Eo am-panaovantsika ilay ady ara-panahy, dia tsy maintsy manohy mitoky amin’i Jehovah amin’ny fontsika rehetra isika, mamela azy hitarika ny diantsika, ary tsy miantehitra amin’ny fahalalantsika. (Ohabolana 3:5-7). Raha tsy i Jehovah no manohana antsika sy miaro antsika, dia ho “very maina foana” ny asantsika rehetra.​—Salamo 127:1, NW.

Enjehina kanefa tsy mety manaiky lembenana

13. Nahoana no azo lazaina fa tsy nahomby ilay famelezan’i Satana an’i Jesosy?

13 I Jesosy no ohatra voalohany indrindra ny amin’ny olona nifikitra tamin’i Jehovah tsy nisy fanekena lembenana. Nampangaina ho nampirisika hikomy tamin’ny fanjakana sy ho nanakorontana ny rafitra efa nijoro izy. Rehefa avy nandinika ny raharahan’i Jesosy i Pilato, dia vonona ny hanafaka azy. Kanefa, nambosin’ny mpitarika ara-pivavahana ny vahoaka, ka niantsoantso mafy nitaky ny hanomboana an’i Jesosy, na dia tsy nanan-tsiny aza izy. Notakin’izy ireo ny hanafahana an’i Barabasy ho solon’i Jesosy, nefa i Barabasy nigadra noho izy nampirisika hikomy tamin’ny fanjakana sady namono olona! Niezaka indray hampiova hevitra an’ireo mpanohitra tsy nieritreritra i Pilato, saingy nilefitra teo anatrehan’ny antsoantson’ny vahoaka ihany izy tamin’ny farany. (Lioka 23:2, 5, 14, 18-25). Na dia maty teo amin’ny hazo fijaliana aza i Jesosy, dia tsy nahomby velively ilay famelezana nahatsiravina nampiharin’i Satana tamin’ilay Zanak’Andriamanitra tsy nanan-tsiny, satria natsangan’i Jehovah tamin’ny maty i Jesosy ka nasandrany ho eo an-tanana ankavanany. Ary nalatsaka tamin’ny alalan’i Jesosy nomem-boninahitra ny fanahy masina, tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i., mba hanorenana ny kôngregasiôna kristianina​—izay “zavatra noforonina vaovao”.​—2 Korintiana 5:17, NW; Asan’ny Apostoly 2:1-4.

14. Inona no nitranga rehefa namely an’ireo mpanara-dia an’i Jesosy ny mpanohitra ara-pivavahana jiosy?

14 Fotoana fohy taorian’izay, dia nandrahona ny apostoly ireo mpanohitra ara-pivavahana, kanefa tsy nitsahatra niresaka momba ny zavatra efa hitany sy reny ireo mpanara-dia an’i Kristy ireo. Nivavaka toy izao ireo mpianatr’i Jesosy: “Tompo ô, jereo ny fandrahonany; ary omeo anay mpanomponao ny mba hitory ny teninao amin’ny fahasahiana rehetra”. (Asan’ny Apostoly 4:29). Namaly ny fitalahoan’izy ireo i Jehovah, ka nofenoiny ny fanahy masina izy ireo, ary nohatanjahiny mba ho afaka hanohy hitory tsy amin-tahotra. Tsy ela ireo apostoly dia nodidiana indray mba tsy hitory intsony, kanefa hoy ny navalin’i Petera sy ny apostoly hafa: “Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.” (Asan’ny Apostoly 5:29). Tsy nanakivy azy ireo tsy hanitatra ny asany momba ilay Fanjakana ny fandrahonana sy ny fisamborana ary ny fikapohana.

15. Iza moa i Gamaliela, ary inona no torohevitra nomeny an’ireo mpitarika ara-pivavahana nanohitra ny mpanara-dia an’i Jesosy?

15 Nanao ahoana ny fihetsiky ny mpitarika ara-pivavahana? “Lotika ny fony, ka nihendry hamono [ireo apostoly] izy.” Teo anefa ny mpampiana-dalàna iray nantsoina hoe Gamaliela, izay Fariseo nohajain’ny olona rehetra. Nasainy navoaka vetivety tao ivelan’ny efitra nivorian’ny Synedriona ireo apostoly, ka hoy ny torohevitra nomeny an’ireo mpanohitra ara-pivavahana ireo: “Ry lehilahy Isiraely, tandremo tsara izay hataonareo amin’ireo olona ireo. (...) Lazaiko aminareo: Mandefera amin’ireo olona ireo, ka avelao ihany izy; fa raha avy amin’ny olona izao saina na asa izao, dia ho foana; fa raha avy amin’Andriamanitra kosa izao, dia tsy ho azonareo foanana, sao dia miseho ho mpiady amin’Andriamanitra hianareo.”​—Asan’ny Apostoly 5:33-39.

Tsy misy fiadiana voaforona hamelezana antsika ka hambinina

16. Ahoana no hilazalazanao amin’ny fomba fiteninao ny toky omen’i Jehovah ny vahoakany?

16 Naneho fahendrena ny torohevitra nomen’i Gamaliela, ary ankasitrahantsika ny fahasahian’ny olona sasany miteny ho fiarovana antsika. Ekentsika koa fa nisy mpitsara nanohana ny fahalalahana hanao fanompoam-pivavahana, tamin’ny alalan’ny didim-pitsarana navoakany tamin’ny saina tsy niangatra. Mazava ho azy fa tsy faly noho ny fifikirantsika amin’ny Tenin’Andriamanitra ny mpitondra fivavahana ao amin’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina sy ny mpitarika hafa ao amin’i Babylona Lehibe, empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso. (Apokalypsy 18:1-3). Na dia miady amintsika aza ny tenan’izy ireo sy ireo olona voataonany, dia omena toky toy izao isika: “Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina, ary ny lela rehetra izay miady aminao dia horesenao lahatra. Izany no lovan’ny mpanompon’i Jehovah sy fahamarinany avy amiko, hoy Jehovah.”​—Isaia 54:17.

17. Na dia miady amintsika aza ireo mpanohitra, nahoana isika no be herim-po?

17 Miady amintsika tsy ahoan-tsy ahoana ireo fahavalontsika, kanefa tsy manary toky isika. (Salamo 109:1-3). Tsy havelantsika na oviana na oviana hampitahotra antsika ka hahatonga antsika hampandefitra ny finoantsika, ireo mankahala ny hafatra ara-baiboly entintsika. Ampoizintsika hihamafy hatrany ilay ady ara-panahy ataontsika, kanefa fantatsika ny hiafarany. Toa an’i Jeremia, dia hahita ny fahatanterahan’ireto teny ara-paminaniana ireto isika: “Hiady aminareo ireny, nefa tsy hahaleo anao, satria momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah.” (Jeremia 1:19). Eny, fantatsika fa tsy hahaleo an’Andriamanitra ireo miady aminy!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Nahatoky sy Tsy Nanan-tahotra teo Anoloan’ny Fampahorian’ny Nazia”, pejy faha-24-28.

Ahoana no Havalinao?

• Nahoana no niharam-pamelezana ny mpanompon’i Jehovah?

• Tamin’ny fomba ahoana avy no niadian’ny mpanohitra tamin’ny vahoakan’i Jehovah?

• Nahoana isika no afaka mahazo antoka fa tsy hahaleo an’Andriamanitra ireo miady aminy?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 17]

Natoky i Jeremia fa homba azy i Jehovah

[Sary, pejy 18]

Ireo tafavoaka velona avy tany amin’ny toby fitanana

[Sary, pejy 18]

Nampihatra herisetra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny vahoaka romotra

[Sary, pejy 18]

J. F. Rutherford sy ireo mpiara-miasa taminy

[Sary, pejy 21]

Hita tamin’izay nitranga tamin’i Jesosy fa tsy nahaleo an’Andriamanitra ireo niady taminy