Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Telo amin’ireo Filazantsara no mitantara ilay fitarainana mahakasika ny nanosorana menaka sarobidy an’i Jesosy. Apostoly maro ve no nitaraina, sa i Jodasy no tena nanao izany?

Hitantsika ao amin’ny Filazantsaran’i Matio sy i Marka ary i Jaona ny fitantarana an’io fisehoan-javatra io. Toa i Jodasy no nitarika ilay fitarainana, ary nisy apostoly hafa sasany niombon-kevitra taminy nony avy eo. Mampiseho tsara ny antony tokony hahavelom-pankasitrahana antsika, noho ny fananantsika Filazantsara efatra, io zava-nitranga io. Tena marina izay nosoratan’ny mpanoratra tsirairay, kanefa tsy manome tsipirian-javatra mitovy izy rehetra. Mahazo fahitana feno kokoa sy amin’ny an-tsipiriany kokoa ny fisehoan-javatra maro isika, rehefa mampitaha fitantarana mifanandrify.

Manondro ny toerana ny fitantarana ao amin’ny Matio 26:6-13​—tao an-tranon’i Simona boka, tany Betania​—fa tsy manondro kosa ny anaran’ilay vehivavy izay nanomboka nampidina menaka manitra tamin’ny lohan’i Jesosy. Nanamarika toy izao i Matio: “Fa nony nahita izany ny mpianatra, dia tezitra” ka nitaraina fa azo namidy ilay menaka ary nomena ny malahelo ny vola.​—Izahay no manao sora-mandry.

Tafiditra ao amin’ny fitantaran’i Marka ny ankamaroan’ireo tsipiriany ireo. Mbola nitantara koa anefa izy fa namaky ny tavoara ilay vehivavy. Menaka manitra, “narda saro-bidy” izany, mety ho irony nohafarana avy tany India irony. Raha ny amin’ilay fitarainana, dia nitatitra i Marka fa “nisy ny sasany tezitra”, ary koa fa “tezitra indrindra tamin-dravehivavy ireo”. (Marka 14:3-9, izahay no manao sora-mandry.) Mampiseho àry ireo fitantarana roa ireo fa nihoatra ny iray ny apostoly tafiditra tamin’ilay fitarainana. Fa ahoana no niantombohan’izy io?

Nanampy tsipirian-javatra tsara homarihina i Jaona, izay vavolombelona nanatri-maso ilay raharaha. Nanondro ny anaran’ilay vehivavy izy​—i Maria, iray tam-po tamin’i Marta sy i Lazarosy. Nomen’i Jaona koa izao tsipiriany izao, izay azontsika heverina ho fifamenoan-javatra, fa tsy fifanoheran-javatra: “Nanosotra ny tongotr’i Jesosy sy namaoka ny tongony tamin’ny volon-dohany [i Maria]”. (Izahay no manao sora-mandry.) Raha atambatsika ny fitantarana, dia afaka mahita isika fa tsy maintsy ho nandraraka ilay menaka, izay nohamafisin’i Jaona fa “narda sady tsara no saro-bidy”, tamin’ny loha sy ny tongotr’i Jesosy i Maria. Tena akaiky an’i Jesosy i Jaona, ka mora sosotra tamin’izay rehetra fanaovana tsinontsinona Azy izy. Mamaky toy izao isika: “Hoy Jodasy Iskariota, anankiray tamin’ny mpianany, ilay efa hamadika Azy: Nahoana io menaka io no tsy namidy denaria telon-jato ka nomena ny malahelo?”​—Jaona 12:2-8.

Ekena fa “anankiray tamin’ny mpianany” i Jodasy, kanefa afaka mahatsapa ny fahasosoran’i Jaona ianao, rehefa hoe nikasa hamadika an’i Jesosy ny olona iray nitana toerana toy izany. Nanamarika toy izao, mahakasika ny Jaona 12:4, ny Dr. C. Howard Matheny: ‘Milaza fanaovan-javatra tsy misy fiatoana, na mitohy, ilay matoanteny miaraka amin’ny mpamaritra matoanteny hoe “efa hamadika”. Mampiseho izany fa tsy zavatra nihelina natao tampotampoka teo ny namadihan’i Jodasy an’i Jesosy, fa zavatra efa nosaintsainina sy nokotrehina nandritra ny andro maro.’ Nanampy fahatakarana hevi-dalina i Jaona fa matoa i Jodasy nitaraina, dia “tsy noho ny fiahiany ny malahelo, fa satria mpangalatra izy sady nitondra ny kitapo ka naka izay tao anatiny”.

Toa lôjika àry raha i Jodasy, ilay mpangalatra, no nitarika ilay fitarainana. Ho betsaka kokoa mantsy ny azony nangalarina, raha namidy ilay menaka sarobidy ary narotsaka tao anaty kitapo, izay izy no nitondra azy, ny vola. Rehefa nitaraina i Jodasy, dia nety ho nimonomonona koa ny apostoly hafa sasany, satria toa marim-pototra ny fitarainany. I Jodasy anefa no tena atidoha nikotrika ilay raharaha.