Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahazoa Fampiononana avy Amin’ny Herin’i Jehovah

Mahazoa Fampiononana avy Amin’ny Herin’i Jehovah

Mahazoa Fampiononana avy Amin’ny Herin’i Jehovah

“Raha be ny ahiahy ato anatiko, dia mampifaly ny fanahiko ny fampiononanao.”​—SALAMO 94:19.

MANANA teny fampiononana ho an’izay rehetra maniry izany mafy ny Baiboly. Tsy mahagaga àry raha milaza ny The World Book Encyclopedia fa “tsy tambo isaina ny olona nitodika tany amin’ny Baiboly mba hahazoana fampiononana sy fanantenana ary tari-dalana, nandritra ny fotoan-tsarotra sy ny fisalasalana”. Nahoana?

Satria ny Baiboly dia avy tamin’ny tsindrimandrin’ny Mpamorona antsika be fitiavana, dia ilay “Andriamanitry ny fampiononana rehetra”, izay ‘mampionona antsika amin’ny fahoriantsika rehetra’. (2 Korintiana 1:3, 4). Izy no ‘ilay Andriamanitry ny [fampiononana, NW ]’. (Romana 15:5). Namela ohatra i Jehovah, tamin’ny fanomezana ny fomba hahazoantsika rehetra fanamaivanana. Naniraka an’i Kristy Jesosy, Zanany lahitokana, teto an-tany izy, mba hanomezana fanantenana sy fampiononana ho antsika. Nampianatra toy izao i Jesosy: “Toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16). Ny Baiboly dia milaza an’i Jehovah ho ilay “mitondra ny entantsika isan-andro isan-andro, eny, Andriamanitra Izay famonjena antsika”. (Salamo 68:19). Afaka milaza amim-patokiana toy izao ireo olona matahotra an’Andriamanitra: “Ataoko eo anatrehako mandrakariva Jehovah, fa eo an-kavanako Izy, ka dia tsy hangozohozo aho.”​—Salamo 16:8.

Ny andalan-teny ara-baiboly toy izany dia mampiseho fa manana fitiavana lalina antsika olombelona i Jehovah Andriamanitra. Manjary mazava fa manana ny faniriana amim-pahatsorana​—ary koa ny fahaizana — hanome fampiononana be dia be sy hanamaivana ny alahelontsika amin’ny fotoam-pahoriana, izy. “Mampahatanjaka ny reraka Izy, ary izay kely hery dia omeny hery be.” (Isaia 40:29). Ahoana àry no ahafahantsika mahazo fampiononana avy amin’ny herin’i Jehovah?

Mampitony ny fiahian’i Jehovah

Nanoratra toy izao ny mpanao salamo: “Apetraho amin’i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.” (Salamo 55:22). Eny, mihevitra ny fianakavian’olombelona i Jehovah Andriamanitra. Nanome toky toy izao an’ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany ny apostoly Petera: “Izy [Andriamanitra] no miahy anareo.” (1 Petera 5:7). I Jesosy Kristy dia nanantitrantitra ny fiheveran’Andriamanitra ny olombelona ho sarobidy, tamin’ny filazana hoe: “Tsy eranambatry va no vidin’ny tsintsina dimy? nefa tsy misy hadinoina eo anatrehan’Andriamanitra ireny na dia iray akory aza. Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro hianareo.” (Lioka 12:6, 7). Sarobidy aoka izany isika amin’Andriamanitra, hany ka voamariny na dia ny tsipiriany madinika indrindra momba antsika aza. Mahafantatra zavatra izay tsy fantatsika akory izy, satria manam-piheverana lalina antsika tsirairay.

Ny fahatsapana an’io fiheverana manokana nasehon’i Jehovah io dia tena nampionona an’i Svetlana, ilay tovovavy mpivaro-tena voalaza tao amin’ny lahatsoratra teo aloha. Efa saika hamono tena izy, raha nifankahita tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Avy eo, dia nanaiky hianatra ny Baiboly izy, ka izany dia nanampy azy hahafantatra an’i Jehovah ho toy ny tena misy, izay mihevitra ny hahasoa azy. Nanohina ny fony izany, ka nanosika azy hanova ny fomba fiainany sy hanolotra ny tenany ho an’Andriamanitra. Izany koa dia nanome an’i Svetlana fanajan-tena, izay nilainy mba hikirizana, na dia teo aza ny zava-nanahirana nahazo azy, sy mba hahaizana hijery ny lafy tsaran-javatra eo amin’ny fiainana. “Matoky aho”, hoy izy ankehitriny, “fa tsy handao ahy na oviana na oviana i Jehovah. Hitako fa marina ilay voasoratra ao amin’ny 1 Petera 5:7, manao hoe: ‘Apetraho aminy [Jehovah] ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo.’ ”

Mampionona ny fanantenana miorina amin’ny Baiboly

Amin’ny alalan’ny Teniny voasoratra, izay mirakitra fanantenana mahatalanjona ny amin’ny hoavy, no fomba manokana iray anomezan’Andriamanitra fampiononana. Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana amin’ny faharetana sy ny fiononana avy amin’ny Soratra Masina.” (Romana 15:4). Nohazavain’i Paoly tsara ny fifandraisana misy eo amin’ny tena fanantenana sy ny fampiononana, rehefa nanoratra toy izao izy: “Andriamanitra Raintsika, Izay efa tia antsika ka nanome antsika fampiononana mandrakizay sy fanantenana tsara amin’ny fahasoavana, no hampionona ny fonareo anie sy hampahery anareo amin’ny asa sy ny teny tsara rehetra.” (2 Tesaloniana 2:16, 17). Anisan’io “fanantenana tsara” io ny fahatsinjovana fiainana lavorary sy sambatra ary tsy hanam-pahataperana eo amin’ny tany zary paradisa.​—2 Petera 3:13.

Io fanantenana mamirapiratra sy azo antoka io dia nampahery an’i Laimanis, ilay lehilahy nalemy noho ny fisotroana, voalaza tao amin’ny lahatsoratra teo aloha. Rehefa namaky ny zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy, dia faly nianatra momba ny tontolo vaovao eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra, izay hahazoany fahasalamana tanteraka indray. Namaky izao fampanantenana mamirapiratra ny amin’ny fanasitranana mahagaga izao, tao amin’ny Baiboly izy: “Dia hampahiratina ny mason’ny jamba, ary hampahaladina ny sofin’ny marenina. Dia hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa, ary hihoby ny lelan’ny moana”. (Isaia 35:5, 6). Nanao fiovana lehibe i Laimanis, mba hahafahany hiaina ao amin’izany Paradisa izany. Niala tamin’ny toaka izy, ary voamariky ny mpiara-monina taminy sy ny olom-pantany ny fiovany. Mitarika fampianarana Baiboly maromaro izy izao, ka mizara amin’ny hafa ilay fampiononana omen’ny fanantenana miorina amin’ny Baiboly.

Ny anjara asan’ny vavaka

Rehefa misy zavatra mampahory ny fontsika, dia afaka mahita fampiononana isika, amin’ny fivavahana amin’i Jehovah. Afaka manaisotra ny entantsika izany. Mandritra ny fitalahoantsika, dia mety hahazo fampiononana isika, amin’ny fahatsiarovana zavatra voalazan’ny Tenin’Andriamanitra. Ilay salamo lava indrindra ao amin’ny Baiboly dia toy ny vavaka kanto iray. Nihira toy izao ny mpanoratra azy: “Mahatsiaro ny fitsipikao izay hatramin’ny taloha aho, Jehovah ô, dia mionona aho.” (Salamo 119:52). Amin’ny toe-javatra faran’izay sarotra, indrindra fa noho ny tsy fahasalamana, dia matetika no tsy misy vahaolana tokana mety amin’ny toe-javatra rehetra. Raha amin’ny herin’ny tenantsika manokana fotsiny, dia mety tsy ho tena fantatsika izay tokony hitodihana. Maro no nahita fa rehefa natao avokoa izay rehetra azon’olombelona atao, dia nahazoany fampiononana lehibe ny fitodihana tany amin’Andriamanitra tamin’ny vavaka, ary nahitany vahaolana tsy nampoizina mihitsy aza, indraindray.​—1 Korintiana 10:13.

I Pat, izay nentina haingana tany amin’ny efitra fitsaboana vonjy aina tany amin’ny hopitaly, dia nahita an’io fampiononana entin’ny vavaka io. Rehefa sitrana izy, dia nilaza toy izao: “Nivavaka tamin’i Jehovah aho, ary tena nianatra fa tsy maintsy nametraka ny fiainako teo am-pelatanany aho, ka natoky azy mba hanao izay rehetra sitrany. Nandritra izany fotoana rehetra izany, dia nahatsapa ho tony aho; nahafantatra ilay fiadanan’Andriamanitra voalaza ao amin’ny Filipiana 4:6, 7, aho.” Tena afaka mampionona antsika rehetra mihitsy ireo andinin-teny ireo! Manoro hevitra antsika toy izao i Paoly: “Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.”

Mpampionona antsika ny fanahy masina

Ny alina talohan’ny nahafatesany, dia nanazava tamin’ny apostoliny i Jesosy fa tsy ho ela izy dia handao azy ireo. Nampanahy sy nampalahelo azy ireo izany. (Jaona 13:33, 36; 14:27-31). Nahatakatra ny ilan’izy ireo fampiononana hatrany i Jesosy, ka nampanantena hoe: “Ary Izaho hangataka amin’ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra [na, mpampionona, NW, fanamarihana ambany pejy] hafa mba ho eo aminareo mandrakizay”. (Jaona 14:16). Eto i Jesosy dia miresaka momba ny fanahy masin’Andriamanitra. Ankoatra ny zavatra hafa, ny fanahin’Andriamanitra dia nampionona an’ireo apostoly, nandritra ny fisedrana nahazo azy ireo, ka nanatanjaka azy ireo mba hanohy hanao ny sitrapon’Andriamanitra.​—Asan’ny Apostoly 4:31.

I Angie, izay teo ambavahoanan’ny fahafatesana ny vadiny taorian’ny loza lehibe iray, dia nahavita nizaka ny fahoriana sy alahelo rehetra nahazo azy. Inona no nanampy azy? Hoy izy: “Raha tsy teo ny fanohanan’ny fanahy masin’i Jehovah, dia tsy ho afaka namakivaky ny zavatra nodiavinay sy nitoetra ho natanjaka izahay. Tena niharihary teo amin’ny fahalemenay mihitsy ny herin’i Jehovah, ary fiarovana mafy ho anay tamin’ny andro fahorianay izy.”

Fampiononana avy amin’ny fianakavian’ny mpirahalahy

Na inona na inona mety ho toe-javatra eo amin’ny fiainan’ny isam-batan’olona, ary na toy inona na toy inona tarehin-javatra mampanaintaina mety hisy azy, dia tokony ho afaka hahita fampiononana eo anivon’ny fianakavian’ny mpirahalahy ao amin’ny kongregasionan’i Jehovah izy. Io fianakavian’ny mpirahalahy io dia manome fanohanana sy fanampiana ara-panahy ho an’ireo izay mifanerasera aminy. Eo anivony no ahitana namana tia sy miahy ary manome fampiononana. Vonona izy ireo ny hanampy sy hampionona ny hafa amin’ny fotoam-pahoriana.​—2 Korintiana 7:5-7.

Ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona kristianina dia ampianarina mba “hanao soa amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana”. (Galatiana 6:10). Manosika azy hifaneho fitiavan-drahalahy sy firaiketam-po ny fampianarana miorina amin’ny Baiboly azony. (Romana 12:10; 1 Petera 3:8). Voatosika ho tsara fanahy sy hahay hampionona ary haneho fangoraham-po amim-piraiketam-po, ireo rahalahy sy anabavy ara-panahy ao amin’ny kongregasiona.​—Efesiana 4:32.

I Joe sy i Rebecca, izay namoy tamin’ny fomba nampalahelo ny zanany lahy tamin’ny fahafatesana, dia nahita izany fanohanana feno fampiononana izany avy tamin’ny mpikambana tao amin’ny kongregasiona kristianina. Hoy izy ireo: “Nanampy anay nandritra ilay fotoan-tsarotra nisy anay i Jehovah sy ny kongregasionany be fitiavana. Naharay taratasy sy antso an-telefaonina an-jatony maro izahay. Izany dia nahatonga anay hahatakatra ny maha sarobidy ireo rahalahy sy anabavy. Fony izahay niharan’ilay voina, dia kongregasiona maro teto an-toerana no nanampy anay, ka nahandro sakafo sy nanadio ny tranonay.”

Mahazoa fampiononana!

Rehefa tonga mifofofofo tampoka toy ny tafio-drivotra ny fahavoazana ary tsy mitsahatra mamely mafy toy ny oram-batravatra ny fahoriana, dia vonona ny hanome fiarovana sy fampiononana Andriamanitra. Toy izao no ilazan’ny iray amin’ny salamo azy ho mpanome fialofana sy fampiononana: “Ny volon’elany no anaronany anao, ary ao ambanin’ny elany no hialofanao”. (Salamo 91:4). Mety ho fanoharana ny amin’ny voromahery ilay ampiasaina eto. Izy io dia sary mampiseho vorona iray izay mahafantatra fa hisy loza, ary avy eo dia mamelatra ny elany eo amin’ireo zanany kely mba hiarovana azy. Amin’ny heviny lehibe kokoa, i Jehovah dia tonga tena Mpiaro an’izay rehetra mialoka aminy.​—Salamo 7:1.

Raha maniry hianatra bebe kokoa momba an’Andriamanitra, ny toetrany, ny fikasany ary ny fahaizany manome fampiononana, ianao, dia asaina hianatra ny Teniny. Ho faly hanampy anao amin’izany ny Vavolombelon’i Jehovah. Eny, ianao koa dia afaka mahazo fampiononana avy amin’ny herin’i Jehovah!

[Sary, pejy 7]

Afaka manome fampiononana ny fanantenana ny amin’ny hoavy miorina amin’ny Baiboly