Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manao Izay Hahamendrika ny Tenanao eo Anatrehan’ny Hafa ve Ianao?

Manao Izay Hahamendrika ny Tenanao eo Anatrehan’ny Hafa ve Ianao?

Manao Izay Hahamendrika ny Tenanao eo Anatrehan’ny Hafa ve Ianao?

‘Tsy raharahaiko izay heverin’ny hafa any!’ Tao anatin’ny fahatezerana na ny fahadisoam-panantenana, dia nety ho sahy nilaza toy izany ianao. Rehefa lefy anefa ilay fahasahisahianao, dia mety hitebiteby ianao. Nahoana? Satria tena zava-dehibe amin’ny ankamaroantsika tokoa izay heverin’ny hafa momba ny tenantsika.

TOKONY hihevitra ny fihetseham-pon’ny hafa isika, raha ny marina. Isika Kristianina indrindra indrindra, izay minisitra voatokan’i Jehovah Andriamanitra, no tsy maintsy miahy araka ny tokony ho izy ny amin’izay iheveran’ny hafa antsika. Rehefa dinihina tokoa, dia “fizàhan’izao rehetra izao” isika. (1 Korintiana 4:9). Hitantsika ao amin’ny 2 Korintiana 6:3, 4 (Fandikan-teny Katolika) izao torohevitra maneho fahendrena nomen’ny apostoly Paoly izao: “Sady tsy avelanay hisy manafintohina izay rehetra ataonay, mba tsy ho azo tsinina ny fandraharahanay, fa mainka ny zavatra rehetra entinay hahamendrika ny tenanay araka ny mety amin’ny mpandraharahan’Andriamanitra”.

Inona anefa no dikan’ny hoe manao izay hahamendrika ny tenantsika eo anatrehan’ny hafa? Moa ve izany midika hoe manandra-tena na misarika ny saina tafahoatra ho amin’ny tenantsika sy ny fahaizantsika? Tsia. Kanefa mitaky ny hampiharantsika ireto teny ao amin’ny 1 Petera 2:12 ireto izany: “Ary aoka ho tsara ny fitondrantenanareo eo amin’ny jentilisa, mba hankalazany an’Andriamanitra (...) noho ny ahitany ny asa tsara ataonareo”. Manao izay hahamendrika ny tenany ny Kristianina, amin’ny famelana ny fitondran-tenany hiteny ho azy. Raha ny tena izy, dia mitondra fiderana ho an’Andriamanitra izany, fa tsy ho antsika. Na izany aza, dia mety hitondra soa ho an’ny tenantsika koa ny fanaovantsika izay hahamendrika antsika eo anatrehan’ny hafa. Andeha isika handinika sehatra telo mety hitondran’izany soa ho anao.

Raha ta hanambady ianao

Raiso, ohatra, ny amin’ny fanambadiana. Fanomezana avy amin’i Jehovah Andriamanitra, “Izay ahazoan’ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany anarana”, izy io. (Efesiana 3:15). Angamba fanirianao ny hanambady, indray andro any. Raha izany no izy, manao ahoana ny fiezahanao hanao izay hahamendrika ny tenanao ho tonga vady tsara? Eny, manao ahoana izao ny lazanao amin’ny maha Kristianina mpitovo anao?

Zava-dehibe ho an’ny fianakaviana izany, any amin’ny tany sasany. Any Ghana, ohatra, rehefa maniry hivady ny olona roa, dia fanao ny mampahafantatra ny ray aman-dreniny. Ny ray aman-dreny indray kosa dia mampahafantatra ny mpianakavy hafa. Manomboka mamantatra ny lazan-dravehivavy eo amin’ny fiaraha-monina àry ny fianakavian-dralehilahy. Rehefa miaiky ny ray aman-dreny fa vady sahaza razazavavy, dia hampahafantatra ny fianakavian-dravehivavy ny amin’ny fikasan’ilay zanany lahy hanambady azy io izy ireo. Anjaran’ny fianakavian-dravehivavy indray izao ny mamantatra ny lazan-dralehilahy, alohan’ny hanekeny ilay fanambadiana. Milaza toy izao àry ny fitenenana iray any Ghana: “Anontanio ny mahalala [ilay ho vadinao], alohan’ny hidiranao ao amin’ny fanambadiana.”

Ahoana ny amin’ny tany tandrefana, izay amelana ny isam-batan’olona hifidy izay ho vadiny, amin’ny ankapobeny? Na any aza, dia haneho fahendrena ny lehilahy na ny vehivavy kristianina matotra iray raha mangataka torohevitra avy amin’izay mahafantatra tsara an’ilay mety ho vadiny, na ray aman-dreny izany na namana matotra, izay hilaza ny heviny amim-pahatsorana. Voalazan’ilay boky hoe Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana, fa azon’ny tovovavy iray atao ny manontany hoe: “ ‘Karazana laza manao ahoana no ananan’io lehilahy io? Iza avy ireo namany? Maneho fifehezan-tena ve izy? Amin’ny fomba ahoana no itondrany ireo zokiolona? Avy amin’ny karazana fianakaviana manao ahoana moa izy? Manao ahoana ny fifandraisany amin’izy ireo? Manao ahoana ny fihetsiny eo anoloan’ny vola? Mampiasa zava-pisotro misy alkaola tafahoatra ve izy? Moa ve izy saro-po, mahery setra mihitsy aza? Inona avy ireo andraikiny ao amin’ny kongregasiona, ary amin’ny fomba ahoana no iantsorohany azy ireo? Ho afaka ny hanaja azy lalina ve aho?’​—Levitikosy 19:32; Ohabolana 22:29; 31:23; Efesiana 5:3-5, 33; 1 Timoty 5:8; 6:10; Titosy 2:6, 7.” *

Ho tian’ny lehilahy iray koa ny hamotopototra momba ilay vehivavy kristianina kasainy hovadina. Naneho fahalianana toy izany ny amin’i Rota, ilay tonga vadiny tatỳ aoriana, i Boaza, araka ny voalazan’ny Baiboly. Nanontany i Rota hoe: “Ahoana no mba ahitako fitia eto imasonao sy itsinjovanao ahy, nefa vahiny ihany aho?” Dia hoy i Boaza: “Efa reko tsara izay rehetra nataonao”. (Rota 2:10-12). Ny tenan’i Boaza mihitsy no nahamarika fa vehivavy tsy nivadika sy be zotom-po ary nazoto niasa i Rota. Tsy izany ihany anefa fa nahare filazana tsara nataon’ny hafa momba an’i Rota koa izy.

Torak’izany koa fa ny fitondran-tenanao dia hisy akony eo amin’ny fiheveran’ny hafa anao ho vady sahaza na tsia. Manao ahoana marina ny fiezahanao hanao izay hahamendrika ny tenanao eo anatrehan’ny hafa amin’io lafiny io?

Raha mpiasa ianao

Sehatra hafa iray ahafahanao mandray soa avy amin’ny fihazonana fitondran-tena tsara ny any amin’ny toeram-piasana. Mety ho henjana ny fifaninanana hahazo asa. Matetika no voaroaka amin’ny asany ny mpiasa malaza ho tsy mankatò fahefana, tara lava, ary tsy manao ny marina. Mety hesorin’ny kompania koa ny mpiasa efa za-draharaha mba hampihenany ny fandaniana. Rehefa mitady asa vaovao ny olona tsy an’asa, dia mety hanontany any amin’ny mpampiasa azy taloha ilay kompania mba hahafantarana ny fahazaran’ilay olona tamin’ny asany, ny fihetsiny, ary ny traikefany. Kristianina maro no nahavita nanao izay hahamendrika ny tenany teo anatrehan’ny mpampiasa, tamin’ny alalan’ny fitondran-tenany feno fanajana, ny fomba fitafiny maotina, ny fihetsiny mahafinaritra, sy ny toetra kristianina miavaka ananany.

Anisan’izany toetra izany ny fanaovana ny marina​—toetra ataon’ny mpampiasa maro ho laharam-pahamehana. Irintsika ny “hitondra tena amim-pahamarinana amin’ny zavatra rehetra”, toy ny nataon’ny apostoly Paoly. (Hebreo 13:18, NW ). Nahazoana tatitra fa nisy halatra madinidinika niverimberina tao amin’ny kompaniam-pitrandrahana iray any Ghana. Tsy nesorina tamin’ny asany ilay mpanara-maso tao amin’ny toeram-panodinana akora, izay Vavolombelona, fa voaroaka kosa ny hafa. Nahoana? Voamariky ny tao amin’ny fitantanan-draharaha ny fanaovany ny marina hatramin’ny taona maro. Fantatry ny rehetra ho niasa mafy sy nanaja ny fahefana koa izy. Eny, nahatonga azy ho tsy voala tamin’ny asany ny fitondran-tenany mahitsy!

Inona no zavatra hafa azon’ny Kristianina atao mba hahamendrika ny tenany eo amin’ny tsenan’ny asa? Miezaha mba ho havanana tsara amin’ny asa na inona na inona omena anao. (Ohabolana 22:29). Ataovy tsara sy amim-pahazotoana ny asanao. (Ohabolana 10:4; 13:4). Manajà ny mpampiasa anao sy ny mpiandraikitra ny asanao. (Efesiana 6:5). Toetra sarobidy eo imason’ny mpampiasa ny fahamarinam-potoana, ny fanaovana ny marina, ny fahaiza-miasa amin’ny fomba tsy mandanilany fotoana sy vola, ary ny fiasana mafy. Afaka manampy anao hahita asa ireo toetra ireo, na vitsy aza ny asa.

Tombontsoa ao amin’ny kongregasiona

Ilaina mbola tsy nisy toy izany ankehitriny ny lehilahy matotra mba hitarika ao amin’ny kongregasiona kristianina. Fa nahoana? Hoy ny faminanian’i Isaia: “Halalaho ny itoeran’ny lainao, ary aoka hohenjanina ny ambain-dainao”. (Isaia 54:2). Tanteraka io faminaniana io, satria tsy mitsaha-mitombo ny kongregasionan’i Jehovah maneran-tany.

Koa raha lehilahy kristianina ianao, ahoana no ahafahanao manao izay hahamendrika ny tenanao mba hahafeno fepetra hiantsoroka andraikitra? Diniho ny ohatr’ilay tovolahy natao hoe Timoty. Nanao tatitra i Lioka fa “tsara laza teo amin’ny rahalahy tany Lystra sy Ikonioma” i Timoty. Nanao izay hahamendrika ny tenany teo anatrehan’ny hafa tany amin’ny tanàna roa samy hafa io tovolahy io, tamin’ny alalan’ny fitondran-tenany tsara. Koa nasain’i Paoly hiaraka aminy tamin’ny fanompoana fitetezam-paritany àry i Timoty.​—Asan’ny Apostoly 16:1-4.

Ahoana, ankehitriny, no ahafahan’ny lehilahy iray “miezaka handroso ho amin’ny anjara raharahan’ny mpiandraikitra”, amin’ny fomba mety sy eken’Andriamanitra? Azo antoka fa tsy amin’ny fanaovana fampielezan-kevitra mba hahavoatendry ny tenany, fa amin’ny fambolena kosa ireo toetra ara-panahy ilaina amin’ny fiantsorohana andraikitra toy izany. (1 Timoty 3:1-10, 12, 13, NW; Titosy 1:5-9). Azony aseho koa fa “maniry asa tsara” izy amin’ny fandraisana anjara feno amin’ny asa fitoriana sy fanaovana mpianatra. (Matio 24:14; 28:19, 20). Maneho fiheverana amim-pahatsorana izay hahasoa ny rahalahiny ara-panahy ireo manao izay hahamendrika ny tenany ho lehilahy kristianina mahay miantsoroka andraikitra. Arahin’izy ireo izao torohevitry ny apostoly Paoly izao: “Miantrà ny olona masina araka izay ilainy; mazotoa mampiantrano vahiny.” (Romana 12:13). Amin’ny fanaovana ireo zavatra ireo no ahafahan’ny lehilahy kristianina iray ‘manao tokoa izay hahamendrika ny tenany ho mpandraharahan’Andriamanitra’, na mpanompon’Andriamanitra.

Amin’ny fotoana rehetra

Ny fanaovana izay hahamendrika ny tenantsika eo anatrehan’ny hafa, dia tsy midika akory hoe mody miseho ho tsara isika na hanjary ho “mpila sitraka amin’olona”. (Efesiana 6:6). Raha ny tena izy, izany dia midika ho fanaovana izay hahamendrika ny tenantsika eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitra, Mpamorona antsika, amin’ny fanarahana amim-pitandremana ny lalàny sy ny foto-pitsipiny. Raha manatsara ny fahasalamanao ara-panahy ianao, ka manatanjaka ny fifandraisanao amin’i Jehovah Andriamanitra, dia ho voamariky ny hafa fa mihatsara ny fifampiraharahanao amin’ny mpianakavinao sy ny mpiara-miasa aminao ary ny Kristianina hafa. Ho voamarik’izy ireo koa fa mato-tsaina ianao, mahay mandanjalanja, mahay mitsara zavatra, mahay miantsoroka andraikitra, ary manetry tena. Hanjary ho tiany sy hohajainy ianao, ary ny mbola zava-dehibe kokoa, dia hahazo ny fankasitrahan’i Jehovah Andriamanitra ianao, satria manao izay hahamendrika ny tenanao eo anatrehan’ny hafa!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.

[Sary, pejy 19]

Ray aman-dreny maro no maneho fahendrena ka mamotopototra momba ny lazan’ilay olona tian’ny zanany hovadina

[Sary, pejy 20]

Manao izay hahamendrika ny tenany ho amin’ny tombontsoam-panompoana ny rahalahy iray, amin’ny fanehoana fiheverana ny hafa