Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mitovy Amin’ny An’Andriamanitra ve ny Fomba Fijerinao Ireo Mahery Setra?

Mitovy Amin’ny An’Andriamanitra ve ny Fomba Fijerinao Ireo Mahery Setra?

Mitovy Amin’ny An’Andriamanitra ve ny Fomba Fijerinao Ireo Mahery Setra?

Hatramin’ny ela no efa nideran’ny olona sy nanomezany voninahitra ireo lehilahy nahery, izay nampiseho herim-batana sy herim-po lehibe. iray tamin’ireny ilay nahery fo tao amin’ny angano tranainy grika, i héraclès, na i hercule, araka ny nahafantaran’ny romanina azy.

OLONA nalaza be sy faran’izay nahery fo i Hercule, ilay nahery indrindra tamin’ireo mpiady. Araka ny voalazan’ny angano, dia sady andriamanitra izy no olona, zanak’ilay andriamanitra grika atao hoe Zeus, sy reny olombelona atao hoe Alcmène. Nanomboka ny asany niavaka izy raha mbola zazakely. Rehefa nandefa bibilava goavam-be roa mba hamono azy ny andriamanibavy be fialonana iray, dia nokendain’i Hercule ireny ka matiny. Tatỳ aoriana izy dia nandray anjara tamin’ny ady maro sy nandresy biby makadiry ary nifampitolona tamin-dRafahafatesana, mba hamonjena namana iray. Nandrava tanàna maro koa izy, nametaveta vehivavy maro, nanipy zazalahy iray avy teny amin’ny toerana mijoalajoala, ary namono ny vady aman-janany.

Na dia tsy tena nisy aza i Hercule, dia efa hatramin’ny ela no nisehoany tao amin’ny angano, tany amin’ny tany fahiny fantatry ny Grika. Notoloran’ny Romanina fanompoam-pivavahana toy ny andriamanitra izy, ary nivavahan’ireo mpivarotra sy mpanao dia lavitra, mba hahazoana fanambinana sy fiarovana tamin’ny loza. Nampitolagaga ny olona nandritra ny an’arivony taona maro ny fitantarana ny amin’ny asa niavaka nataony.

Ny niandohan’ilay angano

Niandoha tamin’ny zava-misy ve ny tantaran’i Hercule sy ireo mahery fo hafan’ny angano? Mety ho izany, amin’ny heviny iray. Lazain’ny Baiboly ny fotoana, tany am-piandohan’ny tantaran’ny olombelona, tena niriariavan’ny “andriamanitra” sy ny “sady andriamanitra no olona” tetỳ an-tany.

Nanoratra toy izao i Mosesy, mba hilazalazana an’io vanim-potoana io: “Ary raha vao nihamaro ny olona tambonin’ny tany ka niteraka zazavavy maro, dia hitan’ny zanak’Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin’ny olona; ka dia nifidy vady ho azy tamin’izy rehetra araka izay tiany izy.”​—Genesisy 6:1, 2.

Tsy olombelona akory ireo “zanak’Andriamanitra” ireo; anjely, zanak’Andriamanitra kosa izy ireo. (Ampitahao amin’ny Joba 1:6; 2:1; 38:4, 7.) Nitantara i Joda, mpanoratra ao amin’ny Baiboly, fa nisy anjely sasany “tsy nitana ny anjara-fanapahany, fa nandao ny fonenany”. (Joda 6). Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia nandao ny toerana nanendrena azy tao amin’ny fandaminan’Andriamanitra any an-danitra izy ireo, satria naleony niara-niaina tamim-behivavy tsara tarehy tetỳ an-tany. Nanampy teny i Joda fa ireo anjely mpikomy ireo dia sahala amin’ny mponina tao Sodoma sy Gomora, izay ‘nanao fijangajangana tafahoatra, ka lasa nanaraka nofo ho amin’ny fampiasana azy io tsy araka ny natiora’.​—Joda 7, NW.

Tsy manome ny tsipiriany rehetra ny amin’izay zavatra nataon’ireo anjely tsy nankatò ireo ny Baiboly. Milazalaza ny amin’ireo andriamanitra sy andriamanibavy maro be​—na hita maso izy ireny na tsia​—izay niriaria niaraka tamin’ny olombelona, kosa anefa ny angano tranainin’i Gresy sy ny tany hafa koa. Tena bikàna izy ireo rehefa nitafy vatan’olombelona. Nihinana sy nisotro sy natory ary nanana firaisana tamin’izy samy izy sy tamin’ny olombelona izy ireo. Nandainga sy namitaka, nifanditra sy niady, nitaona sy nametaveta izy ireo, na dia noeritreretina ho masina sy tsy mety maty aza. Mety hahitana taratry ny tena toe-piainana nisy talohan’ny Safo-drano, voalaza ao amin’ny bokin’ny Genesisy ao amin’ny Baiboly, ny fitantaran’ny angano toy izany, na dia nohatsaraina sy naolana aza.

Olo-mahery hatrizay ela izay, lehilahy nanan-daza

Nanana firaisana tamim-behivavy ireny anjely tsy nankatò nitafy nofo ireny. Niteraka ireo vehivavy, ka tsy zaza toy ny zaza rehetra fa Nefilima, izay sady olona no anjely, no naterany. Milaza toy izao ny fitantarana ao amin’ny Baiboly: “Ny Nefilima nitoetra tambonin’ny tany tamin’izany andro izany, sy taorian’izany koa, raha nivady tamin’ny zanakavavin’ny olona ny zanak’Andriamanitra, ka niterahany; ireo no ilay olo-mahery hatrizay ela izay, dia ny lehilahy nanan-daza.”​—Genesisy 6:4.

Ny teny hebreo hoe “nefilima” dia midika ara-bakiteny hoe “mpanjera”, izay mampianjera ny hafa, na mahatonga ny hafa hianjera, amin’ny fanaovan-javatra amin-kerisetra. Tsy mahagaga, araka izany, raha manampy teny toy izao ny fitantarana ao amin’ny Baiboly: ‘Heni-doza ny tany’. (Genesisy 6:11). Misy itoviana be amin’ny Nefilima ireo sady andriamanitra no olona ao amin’ny angano, toa an’i Hercule sy i Gilgamesh, ilay mahery fo babylonianina.

Mariho fa nantsoina hoe “olo-mahery” sy “lehilahy nanan-daza” ny Nefilima. Tsy sahala amin’i Noa, lehilahy marina izay niaina tamin’izany vanim-potoana izany koa ireo Nefilima, fa tsy mba nitady izay hampandroso ny lazan’i Jehovah. Tsy nitady afa-tsy ny lazan’ny tenany sy ny voninahiny ary izay hahafantaran’ny olona azy izy ireo. Nahazo ny laza niriny fatratra avy tamin’ilay tontolo tsy tia an’Andriamanitra nanodidina azy izy ireo, tamin’ny fanaovan-javatra tamin-kery, izay tsy isalasalana fa nahafaoka herisetra sy fandatsahan-dra. Izy ireo no faran’izay nahery fo tamin’ny androny​—natahorana sy nohajaina ary toa tsy nety resy.

Na dia nety ho nanan-daza teo imason’ireo mpiara-belona taminy aza ny Nefilima sy ireo anjely nietry rain’izy ireo, dia azo inoana fa tsy mba toy izany kosa izy ireo teo imason’Andriamanitra. Naharikoriko ny fomba fiainan’izy ireo. Vokatr’izany, dia nanao zavatra Andriamanitra ho fanoherana ireo anjely nivarilavo ireo. Nanoratra toy izao ny apostoly Petera: “Tsy navelan’Andriamanitra ny anjely fony nanota, fa noroahiny ho any amin’ny [Tartara, NW ] ka natolony ho ao an-davaka maizina mba hotehirizina ho amin’ny fitsarana​—ary (...) tsy namela izao rehetra izao taloha Izy, fa namonjy an’i Noa, mpitory ny fahamarinana, sy ireo fito, fony nahatonga ny Safodrano tamin’ny ratsy fanahy teo amin’izao tontolo izao”.​—2 Petera 2:4, 5.

Tao amin’ilay Safo-drano naneran-tany, dia nampanjavona ny vatana ara-nofo notafiny ireo anjely ary niverina tamim-pahafaham-baraka tany amin’ny faritra ara-panahy. Nosazin’Andriamanitra izy ireo, tamin’ny fanakanana azy tsy hahazo hitafy vatan’olombelona indray. Maty avokoa ny Nefilima, taranaka nahery noho ny olombelona, taranak’ireo anjely tsy nankatò. I Noa sy ny fianakaviana keliny no hany tafavoaka velona tamin’ilay Safo-drano.

Lehilahy manan-daza amin’izao andro izao

Tsy miriaria etỳ an-tany intsony, amin’izao andro izao, ireo andriamanitra sy ireo sady andriamanitra no olona. Na izany aza, dia mitombo ny herisetra. Hindrahindraina ao amin’ny boky sy ny sarimihetsika sy ny televiziona ary ny mozika ireo lehilahy manan-daza amin’izao andro izao. Lavitra azy ireo ny tsy hamaly ratsy ny ratsy, ny ho tia ny fahavalony, ny hitady fihavanana, ny hamela heloka, na ny hanalavitra ny fanaovana herisetra. (Matio 5:39, 44; Romana 12:17; Efesiana 4:32; 1 Petera 3:11). Deraina kosa noho ny tanjany sy ny fahaizany miady, ny fahaizany mamaly faty, ary ny famaliany ny herisetra amin’ny herisetra mahatsiravina kokoa, ireo olo-mahery amin’izao andro izao. *

Tsy niova ny fomba fijerin’Andriamanitra ny olona toy izany, hatramin’ny andron’i Noa. Tsy mankasitraka ireo tia herisetra, na afa-boly amin’ny asa miavaka ataon’izy ireo, i Jehovah. Nihira toy izao ilay mpanao salamo: “Jehovah mizaha toetra ny marina; fa ny ratsy fanahy sy ny [tia herisetra, NW ] dia samy halan’ny fanahiny.”​—Salamo 11:5.

Karazan-tanjaka hafa

Hafa tanteraka noho ireo izay sady matanjaka no mahery setra ilay olombelona nalaza indrindra teto an-tany, dia i Jesosy Kristy, izay lehilahy nandala fihavanana. Fony izy teto an-tany dia “tsy nampiasa herisetra” izy. (Isaia 53:9, NW ). Rehefa tonga hisambotra azy tao amin’ny zaridainan’i Getsemane ireo fahavalony, dia nanana sabatra vitsivitsy ireo mpanara-dia azy. (Lioka 22:38, 47-51). Afaka ny ho tonga andiana mpiady izy ireo tamin’izany, mba hisakanana azy tsy ho voatolotra tamin’ny Jiosy.​—Jaona 18:36.

Raha ny marina, ny apostoly Petera dia namoaka ny sabany mba hiarovana an’i Jesosy, kanefa izao no nolazain’i Jesosy taminy: “Ampidiro amin’ny tranony ny sabatrao; fa izay rehetra mandray sabatra no hovonoina amin’ny sabatra.” (Matio 26:51, 52). Eny, ny herisetra dia miteraka herisetra, araka ny asehon’ny tantaran’ny olombelona amin’ny fomba miverimberina. Ankoatra ny fahafahany niaro tena tamin’ny fitaovam-piadiana, dia nanana fiarovan-tena hafa koa i Jesosy. Hoy izy avy eo tamin’i Petera: “Ataonao va fa tsy mahazo mangataka amin’ny Raiko Aho, dia haniraka anjely tsy omby roa ambin’ny folo legiona ho etỳ amiko Izy ankehitriny?”​—Matio 26:53.

Naleon’i Jesosy nanaiky hosamborin’ireo izay hamono azy, toy izay hampiasa herisetra na fiarovan’ny anjely. Nahoana? Ny antony iray dia satria fantany fa mbola tsy tonga ny fotoana hamaranan’ny Rainy any an-danitra ny fanaovan-dratsy eto ambonin’ny tany. Nitoky tamin’i Jehovah i Jesosy, fa tsy nandray an-tanana ny raharaha.

Tsy fampisehoana fahalemena akory izany, fa tanjaka lehibe tao anaty kosa. Naneho finoana natanjaka i Jesosy raha ny amin’ny hanitsian’i Jehovah ny toe-draharaha, amin’ny fotoana sy ny fomba mety aminy. Noho ny fankatoavany, i Jesosy dia nasandratra ho amin’ny toeram-boninahitra, manarakaraka avy hatrany an’i Jehovah. Nanoratra toy izao momba an’i Jesosy ny apostoly Paoly: “Nanetry tena [izy] ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin’ny hazo fijaliana. Koa izany no nanandratan’Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra, mba ho amin’ny anaran’i Jesosy no handohalehan’ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, na ny any ambanin’ny tany, sy haneken’ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr’Andriamanitra Ray.”​—Filipiana 2:8-11.

Ny fampanantenan’Andriamanitra hamarana ny herisetra

Mampifanaraka ny fiainany amin’ny ohatra sy ny fampianaran’i Jesosy ny Kristianina marina. Tsy manindrahindra, na mianatra ireo lehilahy manan-daza araka an’izao tontolo izao sy ny herisetra, izy ireo. Fantatr’izy ireo fa amin’ny fotoana mety amin’Andriamanitra, ny olona toy izany dia hofongorana tsy hisy mandrakizay, sahala amin’ireo ratsy fanahy tamin’ny andron’i Noa.

Andriamanitra no Mpamorona ny tany sy ny olombelona. Izy koa no manana ny zo ho Tompom-piandrianana. (Apokalypsy 4:11). Raha manana fahefana ara-dalàna hamoaka didim-pitsarana ny mpitsara olombelona iray, dia vao mainka mbola manana izany bebe kokoa Andriamanitra. Ny fanajany ny foto-pitsipika mahitsy naorin’ny tenany, sy ny fitiavany ireo izay tia azy, no hanosika azy hamarana ny faharatsiana rehetra sy ireo zatra manao izany.​—Matio 13:41, 42; Lioka 17:26-30.

Hitarika ho amin’ny fiadanana maharitra eto an-tany, dia fiadanana izay hiorina mafy amin’ny fanaovana ny rariny sy ny fahitsiana, izany. Nambara mialoha, ao amin’ilay faminaniana be mpahalala momba an’i Jesosy Kristy, toy izao izany: “Zaza no teraka ho antsika, zazalahy no omena antsika; ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, rain’ny mandrakizay, Andrian’ny fiadanana. Ny handrosoan’ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin’ny rariny sy ny hitsiny hatramin’izao ka ho mandrakizay; ny fahasaro-piaron’i Jehovah, Tompon’ny maro, no hahatanteraka izany.”​—Isaia 9:5, 6.

Misy antony tsara àry matoa manaraka ity torohevitra nomena efa hatramin’ny ela ity, ny Kristianina: “Aza [manjary mitsiriritra ny olona mahery setra, NW ] na mifidy izay làlany akory, satria fahavetavetana eo imason’i Jehovah ny maniasia, fa ao amin’ny marina kosa ny fisakaizany.”​—Ohabolana 3:31, 32.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 17 Matetika ireo mpilalao ao amin’ny ankamaroan’ny lalao vidéo sy ny tantara nofinofy momba ny siansa (science fiction) no manome taratr’ireo toetra ratsy sady feno herisetra ireo amin’ny fomba mahery kokoa.

[Teny notsongaina, pejy 29]

DERAINA NOHO NY TANJANY, SY NY FAHAIZANY MAMALY NY HERISETRA AMIN’NY HERISETRA FARAN’IZAY MAHATSIRAVINA, IREO OLO-MAHERY AMIN’NY ANDRO ANKEHITRINY

[Sary nahazoan-dalana, pejy 26]

Alinari/Art Resource, NY