Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Ilaina ny Fampiononana!

Tena Ilaina ny Fampiononana!

Tena Ilaina ny Fampiononana!

“Indro ny ranomason’ny ampahorina, sady tsy nisy [mpampionona, “NW”] azy; ary loza no ataon’ny tànan’ny mpampahory azy, sady tsy nisy [mpampionona, “NW”].”​—MPITORITENY 4:1.

MITADY fampiononana ve ianao? Maniry mafy tara-pampiononana mba hiposaka avy ao ambadiky ny raho-maintin’ny famoizam-po ve ianao? Mitady mafy fampiononana kely ve ianao mba hanamaivanana ny fiainanao simban’ny fijaliana mafy sy ny zavatra tsy dia nahafinaritra niainanao?

Misy fotoana tena ilantsika rehetra fampiononana sy fampaherezana. Izany no izy, satria maro be ireo zavatra eo amin’ny fiainana izay mitondra alahelo. Mila ny harovana sy hotiavina ary hofihinina isika rehetra. Nihantitra ny sasany amintsika, ary tsy faly noho izany. Diso fanantenana ny hafa fa tsy araka ny nanantenany azy ny fiainany. Ny hafa koa mikorontan-tsaina noho ny valin’analiziny avy tany amin’ny laboratoara fandinihana aretina.

Ambonin’izany, dia vitsy no handa fa nahatonga azy hila fampiononana sy fanantenana be dia be, ireo fisehoan-javatra amin’izao androntsika izao. Nandritra ny taonjato lasa fotsiny, dia olona maherin’ny zato tapitrisa no maty tamin’ny ady. * Saika ny ankamaroan’izy ireo no namela fianakaviana vonton’alahelo​—ray aman-dreny, anabavy sy rahalahy, mpitondratena sy kamboty​—izay mila mafy fampiononana. Ankehitriny, dia olona maherin’ny arivo tapitrisa no miaina ao anatin’ny fahantrana faraidiny. Ny antsasaky ny mponina maneran-tany no tsy mahazo ny fitsaboana sy ny fanafody tena ilainy. Ankizy nilaozana an-tapitrisany maro no mirenireny eny amin’ny araben’ny tanàn-dehibe voaloto, ary maro amin’izy ireo no mampiasa zava-mahadomelina sy mivaro-tena. Mpitsoa-ponenana an-tapitrisany maro no miaritra fahoriana ao amin’ireo toby mahatsiravina.

Kanefa, na dia mety hampiaiky toy inona aza ireo isa ireo dia tsy manambara ny fanaintainana sy ny fijaliana diavin’ny olona sasany eo amin’ny fiainany. Diniho, ohatra, i Svetlana, tovovavy iray avy any amin’ireo tany Balkans, izay teraka tao anatin’ny fahantrana faraidiny. * “Mba hahazoam-bola”, hoy izy, “dia nasain’ny ray aman-dreniko nangataka na nangalatra aho. Niharatsy ny fiainam-pianakavianay, hany ka nanjary niharan’ny fanaovana firaisana tamin’ny havana akaiky aho. Nahita asa ho mpandroso sakafo aho, ary nilaza ny reniko, izay nandray ny karamako, fa raha toa ka namoy ny asako aho, dia hamono tena izy. Izany rehetra izany, dia nitarika ahy hivaro-tena. Vao 13 taona monja aho tamin’izay. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanjary bevohoka aho, ka nanala zaza. Toy ny olona efa 30 taona sahady aho, fony aho 15 taona.”

I Laimanis, tovolahy iray avy any Letonia, dia milaza ny amin’ny ilana fampiononana sy ny amin’ireo fahatsiarovana mampalahelo, izay nahaketraka azy. Teo amin’ny faha-29 taonany, dia voan’ny lozam-piarakodia izy, ka nampahalemy ny hatreo amin’ny valahany no ho midina izany. Nahatsiaro ho very fanantenana tanteraka izy, ka nitodika tany amin’ny fisotroana. Dimy taona tatỳ aoriana, dia potika tanteraka ny fiainany​—lehilahy iray nalemy noho ny fisotroana, ary tsy nanana hoavy. Aiza no hanovozany fampiononana?

Hevero koa ny amin’i Angie. Nodidiana tao amin’ny atidoha intelo ny vadiny, ka nahatonga azy halemy ila izany, tamin’ny voalohany. Avy eo, dimy taona taorian’ny fandidiana farany, dia niharan-doza lehibe, izay nety ho nahafaty azy, izy. Rehefa niditra tao amin’ny efitra fitsaboana vonjy aina i Angie, dia nahita ny vadiny nitsotra teo, tsy nahatsiaro tena, taorian’ny ratra mafy tamin’ny lohany, ary fantatr’i Angie fa nananontanona ny fahavoazana lehibe. Ho mafy dia mafy ny fiainan-koaviny sy ny an’ny fianakaviany. Ahoana no hahitany fanohanana sy fampaherezana?

Ho an’i Pat, ny andro iray tao anatin’ny ririnina, taona vitsivitsy lasa izay, dia toa nanomboka toy ny hafa rehetra. Ireo telo andro nanaraka anefa dia tsy nisy tadidiny. Nilaza taminy ny vadiny tatỳ aoriana fa taorian’ny fanaintainana mafy tao amin’ny tratrany, dia nijanona tanteraka ny fony. Nanomboka nitepo haingana be sy tsy ara-dalàna ny fony, ary avy eo dia nitsahatra tsy nitepo tanteraka. Nitsahatra tsy niaina izy. “Araka ny filazan’ny dokotera, dia tena maty aho”, hoy i Pat. Toa tafavoaka velona ihany anefa izy. Momba ny fijanonany ela tany amin’ny hopitaly, dia hoy izy: “Nampahatahotra ahy ireo fanandramana maro natao tamiko, indrindra fa rehefa nitady hampitepo sy hampijanona ny foko, toy ny nahazo ahy tany am-boalohany, izy ireo.” Inona no ho afaka hanome azy ny fampiononana sy ny fahamaivamaivanana nilainy, nandritra an’io fotoan-tsarotra io?

I Joe sy i Rebecca dia namoy ny zanany lahy, 19 taona, noho ny lozam-piarakodia iray. “Mbola tsy nandia zavatra nampijaly be toy izany mihitsy izahay”, hoy izy ireo. “Na dia niara-nalahelo tamin’ny hafa, noho ny famoizany havana, aza izahay, dia mbola tsy tena nahatsapa ny alahelom-po lehibe toy izay tsapanay ankehitriny mihitsy.” Inona no ho afaka hitondra fampiononana ho an’ny “alahelom-po lehibe” toy izany​—ilay alahelo faran’izay mafy noho ny famoizana olona iray izay tianao?

Ireo olona rehetra ireo, sy ny an-tapitrisany maro hafa dia tena nahita loharanom-pampiononana sy fahamaivamaivanana tondraka. Mba hahitana ny fomba ahafahanao mandray soa avy amin’izany loharano izany, dia vakio ny tohiny.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Tsy fantatra ny tena isan’ny miaramila sy ny sivily maty. Ohatra, ilay boky hoe Facts About the American Wars, tamin’ny 1998, dia manamarika toy izao momba ny Ady Lehibe Faharoa fotsiny: “Ny ankamaroan’ireo boky dia milaza fa 50 tapitrisa ny tontalin’isan’ireo maty noho ny Ady Lehibe Faharoa (miaramila sy sivily), nefa olona maro izay nandinika akaiky an’io raharaha io no mino fa maherin’izany ny tena isany​—mahatratra avo roa heny noho io isa io.”

^ feh. 6 Novana ny anarany.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]

UNITED NATIONS/PHOTO BY J. K. ISAAC

UN PHOTO 146150 BY O. MONSEN