Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ady Atao Amin’ny Fanaovana Tsolotra Amin’ny Alalan’ny Sabatry ny Fanahy

Ady Atao Amin’ny Fanaovana Tsolotra Amin’ny Alalan’ny Sabatry ny Fanahy

Ady Atao Amin’ny Fanaovana Tsolotra Amin’ny Alalan’ny Sabatry ny Fanahy

‘Tafio ny toetra vaovao, izay noforonina araka an’andriamanitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana.’​—Efesiana 4:24.

FONY nahatratra ny fara heriny ny Empira Romanina, dia izy no nanana ny fitantanan-draharaha niavaka indrindra teto an-tany. Nandaitra aoka izany ny lalàna romanina, hany ka mbola ataon’ny firenena maro ho fototra iorenan’ny fehezan-dalànany foana hatramin’izao. Na teo aza anefa ireo zava-bitan’ny Romanina, dia tsy resin’ny tafiny ny fahavalo iray misoko mangina, dia ny tsolotra. Nanafaingana ny fianjeran’i Roma io tsolotra io, tamin’ny farany.

Anisan’ny nijaly noho ireo manam-pahefana romanina tia tsolotra ny apostoly Paoly. I Feliksa, ilay governora romanina namotopototra azy, dia toa niaiky fa tsy nanan-tsiny i Paoly. Nahemotr’i Feliksa, anisan’ireo governora tia tsolotra indrindra tamin’ny androny, anefa ny fitsarana an’i Paoly, noho ny fanantenany fa hanome vola azy i Paoly mba ho azo antoka ny hanafahana azy.​—Asan’ny Apostoly 24:22-26.

Tsy nanome kolikoly an’i Feliksa anefa i Paoly, fa niresaka taminy tamim-pahatsorana kosa ny amin’ny “fahamarinana sy ny fahononana”. Tsy niova famindra i Feliksa, ka dia naleon’i Paoly nijanona tao am-ponja toy izay hanandrana handika lalàna tamin’ny fanomezana kolikoly. Hafatra momba ny fahamarinana sy ny fanaovana ny marina mantsy no notoriny, ary nampifanarahany tamin’izany ny fomba fiainany. “Matoky izahay fa manana fieritreretana tsara”, hoy ny nosoratany tamin’ireo Kristianina jiosy, “ka te-hitondra tena tsara amin’ny zavatra rehetra”.​—Hebreo 13:18.

Nifanohitra tanteraka tamin’ny fitondran-tena narahina tamin’izany fotoana izany ny fihetsika toy izany. Anisan’ireo lehilahy nanankarena indrindra teo amin’ny tontolo fahiny i Pallas, rahalahin’i Feliksa, ary ny harenany, izay notombanana ho 45 000 tapitrisa dolara, dia saika avy tamin’ny kolikoly sy ny fakana an-keriny avokoa no nanangonany azy. Tsinontsinona anefa io harenany io, raha oharina amin’ireo dolara an’arivo tapitrisany maro nafenin’ireo mpitondra tia tsolotra tamin’ny taonjato faha-20, tany amin’ny kaonty miafina any amin’ny banky. Ny olona tsotra loatra ihany, mazava ho azy, no hino fa naharesy tamin’ny ady atao amin’ny fanaovana tsolotra ireo fitondram-panjakana ankehitriny.

Koa satria hita fa mafy orina hatramin’ny ela be toy izany ny fanaovana tsolotra, moa ve tsy maintsy mihevitra izany ho anisan’ny toetra maha izy ny olombelona fotsiny isika? Sa kosa misy zavatra azo atao mba hampihenana ny fanaovana tsolotra?

Ahoana no azo ampihenana ny fanaovana tsolotra?

Ny dingana voalohany miharihary fa azo atao mba hampihenana ny fanaovana tsolotra, dia ny fanekena fa sady manimba izy io no tsy rariny. Ireo maty eritreritra tokoa mantsy no mandray soa, fa iharam-pahavoazana kosa ny hafa. Tsy isalasalana fa nisy fandrosoana sasantsasany efa vita tamin’izany lafiny izany. Hoy i James Foley, sekreteram-panjakana lefitra amerikanina: “Ekentsika rehetra fa vidina lafo ny fandraisana kolikoly. Manimba tsikelikely ny fahaiza-mitantana izy io, manimba ny toe-karena sy ny fampandrosoana ary ny varotra, ary miteraka fatiantoka ho an’ny mponina maneran-tany.” Maro no hiombon-kevitra aminy. Tamin’ny 17 Desambra 1997, dia nisy firenena lehibe 34 nanao sonia “fifanarahana momba ny kolikoly”, izay nokendrena mba “hisy vokany lehibe eo amin’ny ady atao amin’ny fanaovana tsolotra maneran-tany”. “Heverin’[ilay fifanarahana] ho toy ny heloka bevava ny manolotra, na mampanantena na manome kolikoly mpiasam-panjakana vahiny, mba hahazoana na hihazonana fifanekena ara-barotra amin’ny firenen-kafa.”

Tapany kely fotsiny amin’ny tsolotra anefa ny kolikoly omena mba hahazoana fifanekena ara-barotra amin’ny firenen-kafa. Mitaky dingana iray faharoa mbola sarotra kokoa, ny fanafoanana tanteraka ny tsolotra. Tsy inona izany fa ny fiovam-po, na, ny fiovam-po eo amin’olona maro, raha ny marimarina kokoa. Tsy maintsy mianatra mankahala kolikoly sy tsolotra, ny olona, na aiza na aiza misy azy. Amin’izay ihany vao hanjavona ny fahazoan-tombony tsy ara-dalàna. Mba hahatongavana amin’izany, dia nilaza ny gazetiboky Newsweek, fa misy mihevitra hoe tokony “hampirisika ny besinimaro mba hanana hatsaran-toetra” ireo fitondram-panjakana. Izany koa no ataon’ny Mangarahara Iraisam-pirenena, izay fikambanana miady amin’ny fanaovana tsolotra. Toroany hevitra ny mpanohana azy mba “hampiditra ‘voan’ny fahitsiana’ ” any amin’ny toeram-piasana.

Ady ara-pitondran-tena ny ady atao amin’ny fanaovana tsolotra, ka tsy azo amin’ny alalan’ny lalàna fotsiny, na amin’ny alalan’ny ‘sabatry’ ny sazy ara-pitsarana, ny fandresena. (Romana 13:4, 5). Voa mamokatra hatsaran-toetra sy fahitsiana no tokony hambolena ao am-pon’ny olona. Ny fomba tsara indrindra hanatontosana izany dia amin’ny fampiasana ilay nolazalazain’ny apostoly Paoly hoe “sabatry ny fanahy”, dia ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly.​—Efesiana 6:17.

Melohin’ny Baiboly ny fanaovana tsolotra

Nahoana i Paoly no nanda tsy hanala tsiny ny fanaovana tsolotra? Satria izy naniry hanao ny sitrapon’Andriamanitra “Izay tsy mizaha tavan’olona, na mandray kolikoly”. (Deoteronomia 10:17). Tsy isalasalana, fa tsaroan’i Paoly koa ilay toromarika voafaritra tsara ao amin’ny Lalàn’i Mosesy, manao hoe: “Aza mizaha tavan’olona, ary aza mandray kolikoly; fa ny kolikoly mahajamba ny mason’ny hendry ary mamadika ny tenin’ny marina.” (Deoteronomia 16:19). I Davida Mpanjaka koa dia nahatakatra fa mankahala ny fanaovana tsolotra i Jehovah, ka nangataka izy mba tsy hisain’Andriamanitra ho anisan’ny mpanota izay “feno kolikoly ny tànany ankavanana”.​—Salamo 26:10.

Mbola manana antony fanampiny handavana tsolotra anefa ireo mpivavaka amin’Andriamanitra amim-pahatsorana. “Ny rariny no ampandrian’ny mpanjaka ny tany”, hoy ny nosoratan’i Solomona, “fa izay mandray tambitamby no mandrava azy kosa.” (Ohabolana 29:4). Miteraka filaminana ny rariny, indrindra raha mampihatra azy io ireo manam-pahefana, manomboka any amin’ny ambony indrindra ka hatrany amin’ny ambany indrindra. Mampahantra firenena kosa anefa ny tsolotra. Mahaliana ity fanazavan’ny Newsweek ity: “Ao amin’ny rafitra iray misy olona samy maniry hahazo ny anjara kolikoliny, sady samy mahafantatra ny fomba ahazoany izany, dia mitambotsotra tsotra izao ny toe-karena.”

Na dia tsy potika tanteraka aza ny toe-karena, dia mahatsiaro ho kivy ireo tia ny rariny, rehefa miroborobo tsy azo fehezina intsony ny fanaovana tsolotra. (Salamo 73:3, 13). Iharan’ny tsy rariny koa ny Mpamorona antsika, dia ilay nanome antsika faniriana raiki-tampisaka hanao sy ho tia ny rariny. Efa nisalovana i Jehovah, tamin’ny lasa, mba hamongorana fanaovana tsolotra nibaribary. Nilaza tsy nisy olakolaka tamin’ny mponin’i Jerosalema izy, ohatra, ny amin’ny antony nanolorany azy ireo ho eo an-tanan’ny fahavalony.

Izao no nolazain’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Mika mpaminaniny: “Masìna hianareo, mihainoa izao, ry loholon’ny taranak’i Jakoba, sy ry mpanapaka ny taranak’Isiraely, dia hianareo izay manao ny rariny ho fahavetavetana sy mamadika ny hitsiny rehetra. Ny mpifehiny mitsara hahazoany kolikoly, ary ny mpisorony mampianatra hahazoany karama, ary ny mpaminany manao fankatovana hahazoany vola; (...). Koa dia hasaina toy ny tanimboly Ziona noho ny nataonareo, ary Jerosalema ho tonga korontam-bato”. Namotika ny fiaraha-monina teo amin’ny Isiraely ny tsolotra, ary nikiky tsikelikely an’i Roma toy izany koa, taonjato maro tatỳ aoriana. Nifanaraka tamin’ny fampitandreman’Andriamanitra, dia rava sy lao tokoa i Jerosalema, zato taona teo ho eo taorian’ny nanoratan’i Mika ireo teny ireo.​—Mika 3:9, 11, 12.

Tsy misy olona na firenena voatery handray sy hanome tsolotra anefa. Mampirisika ny ratsy fanahy mba hahafoy ny fomba fiainany ary hanova ny fomba fisainany, Andriamanitra. (Isaia 55:7). Iriny hosoloantsika rehetra tsy fitiavan-tena ny fitsiriritana tafahoatra, ary hosoloantsika fanaovana ny marina ny tsolotra. “Izay mampahory ny mahantra dia manala baraka ny Mpanao azy; fa ny mamindra fo aminy kosa dia manome voninahitra Azy”, hoy i Jehovah mampahatsiahy antsika.​—Ohabolana 14:31.

Miady amim-pahombiazana amin’ny fanaovana tsolotra, amin’ny alalan’ny fahamarinana ara-baiboly

Inona no afaka manosika olona iray hanao izany fiovana izany? Ilay hery nanosika an’i Paoly handao ny fiainan’ny Fariseo mba hahatongavana ho mpanara-dia nafana fo an’i Jesosy Kristy. “Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra”, hoy ny nosoratany. (Hebreo 4:12). Ankehitriny, dia mbola mandrisika foana hanao ny marina ny fahamarinana araka ny Soratra Masina, na dia eo amin’ireo efa tafalatsaka lalina tao amin’ny fanaovana tsolotra aza. Diniho ity ohatra ity.

Tsy ela taorian’ny nahavitany ny raharaha miaramilany, dia niaraka tamin’ny andian-jiolahy mpaka vola an-keriny ary mpanao tsolotra, i Alexander avy any Eoropa Atsinanana. * “Ny fakana vola antoka tamina mpanao raharaham-barotra nanankarena mba tsy hanafihana ny fananany, no asa nanendrena ahy”, hoy izy nanazava. “Raha vantany vao nisy mpanao raharaham-barotra iray natoky ahy, dia avy ny namanay hafa nandrahona tamin-kerisetra. Tamin’izay aho no nanolo-kevitra ny hikarakara ilay raharaha tamin’ny sarany nidangana be. Nisaotra ahy ireo ‘clients’-ko noho ny fanampiako azy handamina ny zava-nanahirana azy, kanefa, raha ny marina, dia izaho no nahatonga ilay izy. Na dia toa mety ho hafahafa aza izany, dia io no lafiny tiako tamin’ilay asa.

Nankafiziko koa ny vola sy ny fientanam-po nentin’io fomba fiaina io. Nitondra fiarakodia lafo vidy aho, nipetraka tao amin’ny trano tsara tarehy, ary nanam-bola hividianana izay zavatra rehetra niriko. Natahotra ahy ny olona, ka nahatonga ahy hahatsapa ho nanana fahefana izany. Toa ninoako fa tsy nisy ho afaka hikasikasika ahy, ary koa fa tsy nofehezin’ny lalàna ny tenako. Izay nety ho zava-nanahirana ahy tamin’ny polisy, dia azo nalamina tamin’ny alalan’ny mpahay lalàna za-draharaha, izay nahita fomba foana hialana tamin’ny fitsarana, na tamin’ny alalan’ny fanomezana kolikoly an’izay olona tsara toerana hahalamina ilay izy.

Mahalana anefa no mba ahitana tsy fivadihana eo anivon’ny olona manana fiainana miankina amin’ny tsolotra. Nanomboka tsy nahazoazo ahy ny jiolahy iray namanay, ka nanjary tsy tian-dry zareo intsony aho. Nafoiko tampoka ilay fiarakodiako narevaka be, sy ny volako, ary ilay tovovavy be sitrapo niarahako. Voadaroka mafy dia mafy mihitsy aza aho. Nahatonga ahy hieritreritra lalina momba ny zava-kendren’ny fiainana io fitsimbadihan-javatra io.

Lasa Vavolombelon’i Jehovah ny reniko volana vitsivitsy talohan’izay, ary nanomboka namaky ny bokin’izy ireo aho. Tena nahatonga ahy hieritreritra ilay andinin-teny ao amin’ny Ohabolana 4:14, 15, manao hoe: ‘Aza mankany amin’ny alehan’ny ratsy fanahy, ary aza mizotra amin’ny làlan’ny ratsy. Manalavira azy; aza mandalo eo akory; mivilia azy, ka mizora.’ Andalan-teny maro tahaka an’io no nampiaiky ahy fa tena tsy azo antoka ny hoavin’izay maniry hanao ny heloka bevava ho fomba fiaina. Nanomboka nivavaka tamin’i Jehovah aho, ary nangataka azy hitarika ahy ho eo amin’ny lalana tsara. Niara-nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho, ary nanolotra ny fiainako ho an’Andriamanitra, tamin’ny farany. Milaza sy manao ny marina foana aho nanomboka teo.

Mazava ho azy fa nidika ho fahazoana vola kely lavitra ny fanarahana ireo fari-pitsipika marina, kanefa tsapako ankehitriny fa azo antoka ny hoaviko ary tena misy heviny ny fiainako. Takatro fa toy ny trano baoritra iray tsy maintsy hirodana na ho ela na ho haingana, ilay fomba fiainako teo aloha, miaraka amin’ireo zavatra lafo vidy izay manginy fotsiny ho ahy. Donto ny feon’ny fieritreretako teo aloha. Ankehitriny kosa, noho ny fianarako ny Baiboly, dia manindrona ahy izy io isaky ny alaim-panahy hanao ny tsy marina aho​—na dia amin’ny zava-madinika aza. Miezaka hiaina mifanaraka amin’ny Salamo 37:3, izay milaza toy izao aho: ‘Matokia an’i Jehovah ianao, ka manaova soa, dia honina amin’ny tany ianao ka ho faly amin’ny fahamarinana.’ ”

“Izay mankahala kolikoly no ho velona”

Araka ny hitan’i Alexander, ny fahamarinana ara-baiboly dia afaka manosika olona iray handresy ny tsolotra. Nanao fiovana nifanaraka tamin’izao nolazain’ny apostoly Paoly tao amin’ny taratasiny ho an’ny Efesianina izao izy: ‘Mba hialanareo ny toetrareo taloha araka ny fitondrantenanareo fahiny, izay mihasimba araka ny filan’ny fitaka; hohavaozina hianareo amin’ny fanahin’ny sainareo, ary mba hotafinareo ny toetra vaovao, izay noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana. Koa esory ny lainga, ka samia milaza ny marina amin’ny namany avy hianareo rehetra; fa samy isan’ny momba ny tenan’ny namantsika avokoa isika. Aoka izay nangalatra tsy hangalatra intsony; fa aleo hikely aina ka hiasa izay tsara amin’ny tànany, mba hisy homeny izay tsy manana.’ (Efesiana 4:22-25, 28). Miankina amin’ny fiovana toy izany ny hoavin’ny olombelona.

Raha tsy fehezina ny fitsiriritana tafahoatra sy ny fanaovana tsolotra, dia mety hanimba ny tany sahala amin’ny nandraisany anjara koa tamin’ny fanimbana ny Empira Romanina. Soa ihany anefa fa tsy mikasa hamela ny raharaha toy izany hiankina amin’ny kisendrasendra, ny Mpamorona ny olombelona. Efa nanapa-kevitra ny ‘hanimba izay manimba ny tany’ izy. (Apokalypsy 11:18). Ary mampanantena an’izay maniry fatratra tontolo iray tsy hisy tsolotra i Jehovah, fa tsy ho ela dia ho tonga “ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana”.​—2 Petera 3:13.

Marina aloha fa mety ho tsy mora ny miaina mifanaraka amin’ireo fari-pitsipika marina, amin’izao andro izao. Na izany aza dia manome toky antsika i Jehovah fa rehefa ela ny ela, “izay fatra-pila harena dia mampidi-doza amin’ny ankohonany; fa izay mankahala kolikoly no ho velona”. * (Ohabolana 15:27). Raha mitsahatra dieny izao amin’ny fanaovana tsolotra isika, dia asehontsika fa ny ao am-pontsika no lazaintsika rehefa mivavaka toy izao amin’Andriamanitra isika: “Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.”​—Matio 6:10.

Eo am-piandrasantsika ny hanaovan’io Fanjakana io zavatra, dia afaka ‘mamafy araka ny fahamarinana’ ny tsirairay amintsika, amin’ny fandavana tsy hanala tsiny ny fanaovana tsolotra na ho zatra manao tsolotra. (Hosea 10:12). Raha manao izany isika, ny fiainantsika koa dia hanamarina fa manan-kery ny Tenin’Andriamanitra ara-tsindrimandry. Afaka mandresy ny fanaovana tsolotra ny sabatry ny fanahy.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 20 Novana ny anarany.

^ feh. 28 Mazava ho azy fa tsy mitovy ny kolikoly sy ny falimpo. Ny kolikoly dia omena mba hamadihana ny rariny, na mba hanaovana zavatra hafa tsy araka ny marina, fa ny falimpo kosa dia fanehoana fankasitrahana ho takalon’ny asa natao. Izany no hazavaina ao amin’ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ao amin’Ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 1987.

[Sary, pejy 7]

Noho ny fanampian’ny Baiboly, dia afaka mamboly “ny toetra vaovao” isika, ka hanalavitra ny fanaovana tsolotra