Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fampakaram-bady Mahafaly Izay Manome Voninahitra An’i Jehovah

Fampakaram-bady Mahafaly Izay Manome Voninahitra An’i Jehovah

Fampakaram-bady Mahafaly Izay Manome Voninahitra An’i Jehovah

NAtao tao soweto, atsy afrika atsimo, tamin’ny 1985, ny fampakaram-badin’i Welsh sy i Elthea. indraindray izy roa dia mijery ny sary mariaziny, miaraka amin’i Zinzi, zanany vavy, ka mitamberina indray ao an-tsainy iny andro nahafaly iny. Tian’i zinzi ny mamantatra hoe iza avy ireo nasaina tamin’ilay fampakaram-bady, ary indrindra fa ny mijery ny sarin-dreniny amin’izato akanjony tsara tarehy erỳ.

NATOMBOKA tamin’ny lahatenim-panambadiana natao tao amin’ny tranom-pokonolona iray tao Soweto ilay fampakaram-bady. Avy eo dia nisy tanora kristianina izay nahaforona amboarampeo, niara-niredona hira fiderana an’Andriamanitra, tamin’ny feo efatra nirindra tsara. Taorian’izay dia nisakafo ireo nasaina. Nandritra izany fotoana izany, dia nandeha malefaka ny hiran’ilay Fanjakana tao amin’ny kasety iray. Tsy nisy zava-pisotro misy alkaola, ary tsy nisy mozika nitabataba na dihy. Faly kosa ireo nasaina niara-nikorana sy niarahaba ny mpivady vao. Naharitra adiny telo teo ho eo ilay fampakaram-bady manontolo. “Hamohafoha fahatsiarovana mahafinaritra ao amiko foana iny fampakaram-bady iny”, hoy i Raymond, loholona kristianina.

Mpiasa an-tsitrapo tao amin’ny sampan’ny Watch Tower Bible and Tract Society atsy Afrika Atsimo i Welsh sy i Elthea, tamin’ny fotoan’ny fampakaram-badiny. Fampakaram-bady tsotsotra ihany no takatry ny volany. Nisy Kristianina nifidy ny handao ny fanompoana manontolo andro, ka hiasa mba hisahanana izay lany amin’ny fanaovana fampakaram-bady manetriketrika. Tsy manenina anefa i Welsh sy i Elthea raha nifidy ny hanao fampakaram-bady tsotsotra, satria namela azy roa hanohy hanompo an’Andriamanitra manontolo andro izany, mandra-pahaterak’i Zinzi.

Ahoana anefa raha mifidy ny hanisy mozika tsy ara-pivavahana sy dihy ao amin’ny fampakaram-badiny ny Kristianina roa hivady? Ahoana raha manapa-kevitra ny handroso divay na zava-pisotro misy alkaola hafa izy ireo? Ahoana raha takatry ny volany ny hanaovana fampakaram-bady lehibe manetriketrika? Inona no azony atao mba hahazoana antoka fa ho fotoana hahafaly izay mendrika ny mpivavaka amin’Andriamanitra ilay lanonana? Mila ny hodinihina amim-pitandremana ireo fanontaniana ireo, satria mandidy toy izao ny Baiboly: “Na mihinana na misotro hianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany.”​—1 Korintiana 10:31.

Halaviro ny korana anaranam-po

Sarotra eritreretina izany hoe fampakaram-bady tsy misy fifaliana izany. Mbola mampidi-doza lavitra anefa ny fanaovan-javatra tafahoatra mba hifalifaliana sy ny fanaovana korana anaranam-po tafahoatra. Tsy manome voninahitra an’Andriamanitra ny zava-miseho any amin’ny fampakaram-badin’ny olona maro tsy Vavolombelona. Ohatra, fahita mahazatra ny fisotroana mandra-pahamamo. Mampalahelo fa efa nitranga tany amin’ny fampakaram-badin’ny Kristianina sasany mihitsy aza izany.

Mampitandrina ny Baiboly fa “mpitabataba ny toaka”. (Ohabolana 20:1). Ilay teny hebreo nadika hoe “mpitabataba” dia midika hoe “manao kotaba mafy”. Raha mahatonga olona iray hitabataba ny zava-pisotro misy alkaola, dia alao sary an-tsaina ny vokatr’izy io eo amin’ny olona maro be miara-mikorana izay misotro tafahoatra! Miharihary fa ny lanonana toy izany dia mety hivadika mora foana ho “fimamoana, korana anaranam-po, sy ny zavatra toy izany”, izay lazain’ny Baiboly ho anisan’ny “asan’ny nofo”. Ny fanaovan-javatra toy izany, tsy misy fibebahana, dia mahatonga ny olona iray ho tsy mendrika ny handova ny fiainana mandrakizay eo ambany fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra.​—Galatiana 5:19-21, NW.

Ilay teny grika nadika hoe “korana anaranam-po” dia nampiasaina mba hilazalazana tanora mamomamo nanao filaharana teny amin’ny arabe, izay sady nihira no nandihy no nitendry zavamaneno tamim-pitabatabana. Raha be loatra ny zava-pisotro misy alkaola ao amin’ny fampakaram-bady iray, ary raha alefa mafy ny mozika sady tsy voafehy ny dihy, dia tena atahorana hivadika ho zavatra toy ny korana anaranam-po ilay lanonana. Rehefa toy izany ny rivotra iainana, dia mety ho resin’ny fakam-panahy mora foana ny olona tsy matotra, ka hanao asan’ny nofo hafa toy ny “fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, (...) [na] [fipoahan’ny fahatezerana, NW ]”. Inona no azo atao mba tsy hanimban’ny asan’ny nofo toy izany ny fifaliana amin’ny fampakaram-bady kristianina? Mba hamaliana io fanontaniana io, dia andeha hodinihintsika izay lazain’ny Baiboly momba ny fampakaram-bady iray.

Fampakaram-bady iray natrehin’i Jesosy

Nasaina hanatrika fampakaram-bady iray tao Kana, tany Galilia, i Jesosy sy ireo mpianany. Nanaiky ilay fanasana izy ireo, ary anisan’ny nampisy fifaliana tao amin’ilay fampakaram-bady mihitsy aza i Jesosy. Rehefa lany ny divay, dia nanao divay fanampiny faran’izay tsara izy, tamin’ny alalan’ny fahagagana. Velom-pankasitrahana ilay mpampakatra, ary taorian’ilay fampakaram-bady, dia tsy isalasalana fa mbola nisy nampiasain’ izy mianakavy nandritra ny fotoana elaela ny ambiny tamin’ilay divay.​—Jaona 2:3-11.

Maromaro ny zavatra azontsika ianarana avy amin’ilay fampakaram-bady natrehin’i Jesosy. Voalohany, dia tsy tonga tsy nasaina tao amin’ilay fanasana tamin’ny fampakaram-bady i Jesosy sy ireo mpianany. Lazain’ny Baiboly mazava tsara fa nasaina izy ireo. (Jaona 2:1, 2). Toy izany koa fa tao amin’ny fanoharana roa nataon’i Jesosy momba ny fanasana amin’ny fampakaram-bady, dia naverimberiny ny hoe nasaina ny olona matoa tonga tao.​—Matio 22:2-4, 8, 9; Lioka 14:8-10.

Fanao any amin’ny tany sasany ny hoe mahazo manatrika fanasana amin’ny fampakaram-bady iray ny olona rehetra mpiara-monina, na nasaina izy ireo na tsia. Miteraka fahasahiranana ara-bola anefa izany. Mety hidi-trosa ny olon-droa tsy manankarena, mba hiantohana sakafo sy zava-pisotro ampy ho an’ny olona maro izay tsy voafetra ny isany. Noho izany, raha manapa-kevitra ny hanao lanonana tsotsotra ny Kristianina roa hivady, ka hoferany ny isan’ny hasaina, dia tokony hahay hahatakatra ny anton’ilay fanapahan-kevitra ny Kristianina hafa tsy nasaina, ka hanaja izany. Tsaroan’ny lehilahy iray nanao ny fampakaram-badiny tao Le Cap, atsy Afrika Atsimo, fa olona 200 no nasainy. Nisy 600 anefa no tonga, ka vetivety dia lany ny sakafo. Anisan’ireo tsy nasaina ny antokon’olona eran’ny aotobisy iray sendra nitsidika an’i Le Cap, tamin’io faran’ny herinandro nanaovana ilay fampakaram-bady io. Havan’ilay nampakarina ilay rangahy nitarika io fitsidihana io, saingy havany lavitra. Nihevitra io lehilahy io fa zony ny nitondra ireo mpitsidika rehetra ireo, nefa tsy nanontany ny hevitr’ilay nampakarina na ilay mpampakatra akory izy!

Raha tsy nolazaina fa misokatra ho an’ny rehetra ny fanasana iray, dia tsy hankany amin’ilay fampakaram-bady ny tena mpanara-dia an’i Jesosy, izay tsy nasaina, ary tsy hihinana na hisotro an’izay nomanina ho an’ireo nasaina. Tokony hanontany tena toy izao ireo alaim-panahy hankany nefa tsy nasaina: ‘Raha mankany amin’io fanasana io aho, moa ve tsy hasehoko amin’izany fa tsy ampy fitiavana ny mpivady vao ny tenako? Tsy hanahirana azy ireo ve aho, ka hanembantsembana ny fifaliana amin’ilay lanonana?’ Tsy ho sosotra ny Kristianina iray mahataka-javatra, rehefa tsy nasaina, fa mety handefa amim-pitiavana taratasy fiarahabana ny mpivady vao kosa izy, ka hirary ny hitahian’i Jehovah azy roa. Azony heverina mihitsy aza ny hanampy ny mpivady vao, amin’ny fandefasana fanomezana izay hampitombo ny fahasambaran’izy roa amin’ilay andro fampakaram-badiny.​—Mpitoriteny 7:9; Efesiana 4:28.

Iza no tompon’andraikitra?

Fanao any amin’ny faritra sasany atsy Afrika ny hoe mandray an-tanana ny fikarakarana ilay fampakaram-bady ny havana zokiolona. Mety ho velom-pankasitrahana noho izany izy roa hivady, satria manafaka azy amin’ny andraikitra ara-bola izany. Mety hihevitra izy ireo fa tsy ho tompon’andraikitra amin’izay mety hitranga ao amin’ilay fampakaram-bady koa ny tenany amin’izay. Alohan’ny hanekena izay rehetra mety ho fanampian’ny havana tsara fikasa anefa, dia tokony hahazo antoka izy roa fa hohajaina ny faniriany manokana.

Na dia Zanak’Andriamanitra “nidina avy tany an-danitra” aza i Jesosy, dia tsy misy filazana hoe nandray an-tanana ny fitarihana ny ankamaroan’ny raharaha tao amin’ilay fampakaram-bady tao Kana izy. (Jaona 6:41). Milaza amintsika kosa ny fitantaran’ny Baiboly fa olon-kafa no voatendry ho “mpandahatra ny fanasana”. (Jaona 2:8). Io lehilahy io indray kosa dia tompon’andraikitra teo anatrehan’ilay loham-pianakaviana vaovao, dia ilay mpampakatra.​—Jaona 2:9, 10.

Tokony hanaja ilay loham-pianakaviana vaovao voatendrin’Andriamanitra ny havana kristianina. (Kolosiana 3:18-20). Io loham-pianakaviana io no tokony ho tompon’andraikitra amin’izay mitranga ao amin’ilay fampakaram-badiny. Mazava ho azy fa tokony hahay handanjalanja ilay mpampakatra, ka hihevitra izay irin’ilay vadiny sy izay irin’ny ray aman-dreniny sy ny havam-badiny, raha azo atao. Na izany aza, raha mbola misisika ihany ny havana hoe handamin-javatra tsy araka izay irin’izy roa hivady, dia mety ho azony atao ny handa amim-pahaiza-mandanjalanja ny fanampian’izy ireny, ka hisahana izay ho lany amin’ilay fampakaram-badiny tsotsotra. Amin’izay dia tsy hisy zavatra hitranga izay ho fahatsiarovana ratsy ho an’ny mpanambady. Tao amin’ny fampakaram-bady kristianina iray tatsy Afrika, ohatra, ny havana tsy mpino iray izay natao mpanentana dia nanainga vera ho fanomezam-boninahitra ny razana!

Indraindray, raha mbola tsy mifarana ilay lanonana, dia lasa ny mpivady vao mba hanao ny volan-tanteliny. Raha izany no mitranga, dia tokony hanao fandaharana ilay mpampakatra mba hisian’ny tompon’andraikitra hiantoka ny fanarahana hatrany ny fari-pitsipiky ny Baiboly, sy ny firavana amin’ny ora antonony.

Fanomanana amim-pitandremana sy fahaiza-mandanjalanja

Miharihary fa be dia be sakafo tsara tao amin’ilay fampakaram-bady natrehin’i Jesosy, satria lazalazain’ny Baiboly hoe fanasana izy io. Voamarika teo aloha fa nisy divay be dia be koa tao. Tsy isalasalana fa nisy mozika nety tsara sy dihy mendrika tao, satria nahazatra ny Jiosy ny nanao izany isaky ny niara-nikorana izy ireo. Nampiseho izany i Jesosy tao amin’ilay fanoharana malaza nataony momba ilay zanaka adala. Faly aoka izany ilay raim-pianakaviana nanankarena tao amin’io tantara io, rehefa niverina ilay zanany nibebaka, ka hoy izy: “Aoka isika hihinana sy hifaly”. Araka ny voalazan’i Jesosy, dia nisy “zava-maneno sy dihy” tao amin’ilay fety.​—Lioka 15:23, 25.

Mahaliana anefa ny manamarika fa tsy miresaka amin’ny fomba voafaritra tsara ny Baiboly hoe nisy mozika sy dihy tao amin’ilay fampakaram-bady tao Kana. Raha ny marina, ny dihy dia tsy resahina mihitsy ao amin’ireo fitantaran’ny Baiboly momba ny fampakaram-bady. Toa ambin-javatra ny dihy teo anivon’ny mpanompon’Andriamanitra nahatoky tamin’ny andron’ny Baiboly, fa tsy ny lafin-javatra nisongadina indrindra tamin’ny fampakaram-badiny. Misy azontsika ianarana avy amin’izany ve?

Ampiasana fitaovana fanamafisam-peo matanjaka be any amin’ny fampakaram-badin’ny Kristianina sasany atsy Afrika. Mety halefa mafy aoka izany ny mozika, hany ka hanelingelina ny fifampiresahan’ireo nasaina. Indraindray dia miharihary fa tsy ampy ny sakafo, kanefa tsy mba toy izany ny dihy izay mivadika mora foana ho tsy voafehy. Mety ho fanararaotana handihizana fotsiny ny lanonana toy izany, fa tsy tena fanasana amin’ny fampakaram-bady. Ankoatra izany, ny mozika alefa mafy dia matetika no misarika mpanakorontana, izay olon-tsy fantatra tonga fotsiny izao na dia tsy nasaina aza.

Koa satria tsy manantitrantitra fisian’ny mozika sy dihy ireo fitantaran’ny Baiboly momba ny fampakaram-bady, moa ve izany tsy tokony ho tari-dalana ho an’izay manomana fampakaram-bady hanome voninahitra an’i Jehovah? Nisy tanora kristianina nofidina ho anisan’ny mpanotrona tao amin’ny fampakaram-bady maromaro natao vao haingana tatsy Afrika Atsimo. Mba hiomanana ho amin’ireo fampakaram-bady ireo anefa, dia nandany ora maro nanaovana fanazaran-tena hanao dihy sarotra be ireo tanora ireo. Be loatra ny fotoana lanin’izy ireo tamin’izany, nandritra ny volana maro. Ny Kristianina anefa dia mila ‘maka fotoana hararaotina’ hanaovana “ireo zavatra lehibe kokoa”, toy ny asa fitoriana ny filazantsara, ny fianarana manokana, sy ny fanatrehana fivoriana kristianina.​—Efesiana 5:16, NW; Filipiana 1:10, NW.

Rehefa jerena amin’ny habetsahan’ny divay nataon’i Jesosy, dia hita fa fampakaram-bady lehibe nanetriketrika ilay tao Kana. Azontsika antoka anefa fa tsy be tabataba ilay lanonana, ary tsy niboboka zava-pisotro misy alkaola ireo nasaina, tsy toy izay nitranga tany amin’ny fampakaram-badin’ny Jiosy sasany. (Jaona 2:10). Ahoana no ahazoantsika antoka ny amin’izany? Satria anisan’ny nanatrika azy io i Jesosy Kristy Tompo. Amin’ny olona rehetra, dia i Jesosy no ho nitandrina indrindra mba hankatò izao didin’Andriamanitra mikasika ny naman-dratsy izao: “Aza misakaiza amin’izay mpiboboka divay”.​—Ohabolana 23:20.

Noho izany, raha manapa-kevitra ny handroso divay na zava-pisotro hafa misy alkaola ao amin’ny fampakaram-badiny ny olona roa hivady, dia tokony hanao fandaharana izy roa mba hisian’ny olona tompon’andraikitra hanara-maso akaiky ny fanaovana izany. Ary raha manapa-kevitra ny handefa mozika izy ireo, dia tokony hifantina hira sahaza, ka hanendry olona iray ho tompon’andraikitra amin’ny fanaraha-maso ny hamafin’ny feon-kira. Tsy tokony havela handray an-tanana ny fandefasana ny mozika ny olona nasaina, ka handefa mozika mampiahiahy na hampiakatra mafy loatra ny feon-kira. Raha misy dihy, dia ho azo atao amin’ny fomba mendrika izany ary tsy hatao tafahoatra. Raha misy havana tsy mpino na Kristianina tsy matotra manao dihy tsy maotina na dihy mandranitra ny filan’ny nofo, dia azon’ilay mpampakatra atao ny manova ilay mozika na ny mangataka amim-pahaiza-mandanjalanja ny hampitsaharana ilay dihy. Raha tsy izany, dia mety hanjary ho tsy voafehy ilay fampakaram-bady ka hanafintohina.​—Romana 14:21.

Misy loza maro tsy misaraka amin’ny karazana dihy maoderina sasany sy ny mozika alefa mafy ary ny fandrosoana zava-pisotro misy alkaola be loatra. Maro àry ny Kristianina mpampakatra nanapa-kevitra ny tsy hampiditra ireo zavatra ireo tao amin’ny fampakaram-badiny. Nisy nanakiana ny sasany tamin’izy ireo noho ny nanaovany izany, kanefa tokony hoderaina izy ireo, raha ny marina, noho ny faniriany hisoroka fanaovan-javatra na inona na inona izay mety hanala baraka ny anarana masin’Andriamanitra. Etsy an-danin’izany, dia misy mpampakatra manao fandaharana mba hisian’ny mozika mety tsara sy fotoana handihizana ary zava-pisotro misy alkaola araka ny antonony. Na ahoana na ahoana, dia ilay mpampakatra no tompon’andraikitra amin’izay avelany hitranga ao amin’ilay fampakaram-badiny.

Atsy Afrika, dia misy olona tsy matotra manamavo ny fampakaram-bady kristianina mendrika ka milaza fa toy ny manatrika fandevenana, hono, izy ireo. Tsy fomba fijery voalanjalanja anefa izany. Mety hampifalifaly be mandritra ny fotoana mihelina ny asan’ny nofo ratsy, kanefa mahatonga ny Kristianina henjehin’ny feon’ny fieritreretany izany, ary manala baraka ny anaran’Andriamanitra. (Romana 2:24). Etsy an-danin’izany kosa anefa, dia vokatry ny fanahy masin’Andriamanitra ny tena fifaliana. (Galatiana 5:22). Mpivady kristianina maro no finaritra erỳ rehefa manao jery todika ny andro fampakaram-badiny, satria fantany fa fotoana nahafaly ilay izy, fa tsy ‘nanafintohina’.​—2 Korintiana 6:3.

Mbola tsaroan’i Welsh sy i Elthea ny teny fiderana maro nataon’ny havana tsy mpino izay nanatrika ny fampakaram-badin’izy roa. Hoy ny havana iray: “Efa leon’ireny fampakaram-bady be tabataba ankehitriny ireny izahay. Nahafinaritra erỳ ny mba niova indray ka nanatrika fampakaram-bady mendrika.”

Izao no zava-dehibe indrindra: Manome voninahitra an’i Jehovah Andriamanitra, ilay Loharanon’ny fanambadiana, ny fampakaram-bady kristianina mahafaly sy mendrika.

[Efajoro/Sary, pejy 22]

ZAVATRA HOJERENA REHEFA HANAO FANASANA AMIN’NY FAMPAKARAM-BADY

• Raha manasa havana tsy mpino iray hanana anjara fitenenana ianao, efa nataonao azo antoka ve fa tsy hampiditra fomba nentim-paharazana tsy mety amin’ny Kristianina izy?

• Raha hisy mozika, tsy nifantina afa-tsy hira mety tsara ve ianao?

• Ho antonony ve ny hamafin’ny feon’ny mozika halefa?

• Raha azo atao ny mandihy, ho mendrika ve ny fomba hanaovana izany?

• Ho araka ny antonony ve ny zava-pisotro misy alkaola haroso?

• Hisy olona tompon’andraikitra hanara-maso ny fizarana azy io ve?

• Araka ny antonony ve ny fotoana noferanao hifaranan’ilay lanonana?

• Hisy tompon’andraikitra hiantoka ny filaminana hatramin’ny farany ve?