Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Henoy Izay Lazain’ny Fanahy

Henoy Izay Lazain’ny Fanahy

Henoy Izay Lazain’ny Fanahy

“Na mivily ho amin’ny ankavanana hianao, na mivily ho amin’ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao manao hoe: Ity no làlana, ka andehano.”​—ISAIA 30:21.

1, 2. Tamin’ny fomba ahoana no nampitan’i Jehovah hafatra tamin’ny olombelona nandritra ny tantara manontolo?

AO AMIN’NY nosy Porto Rico no misy ilay antenina parabolika ngeza indrindra sy matsilo indrindra eto an-tany. Fandraisana taratra avy any ambony tsy taka-maso any izy io. Efa hatramin’ny am-polony taona maro izao ireo mpahay siansa no nanantena hahazo hafatra avy amina zavamananaina any amin’ny planeta hafa, amin’ny alalan’io fitaovana goavana io. Hatramin’izay anefa, dia tsy nisy hafatra karazan’izany voaray. Ny mahatsikaiky anefa dia izao: Misy hafatra mazava avy any ivelan’ny faritra misy ny olombelona, ary hafatra azontsika rehetra raisina na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona, tsy ilana fitaovana be kojakojany. Avy amin’ny Loharano iray ambony lavitra noho izay mety ho zavamananaina eritreretina ho misy any amin’ny planeta hafa, io hafatra io. Iza no Loharanon’izy io, ary iza no maharay azy io? Inona no ambaran’izy io?

2 Araka ny voalazan’ny fitantarana maromaro ao amin’ny Baiboly, dia nisy fotoana nanaovana izay handrenesan’ny sofin’olombelona hafatra avy tamin’Andriamanitra. Zavaboary ara-panahy, irak’Andriamanitra, no nampita ireny hafatra ireny, indraindray. (Genesisy 22:11, 15; Zakaria 4:4, 5; Lioka 1:26-28). Tamin’ny fotoana telo samy hafa, dia ny feon’i Jehovah mihitsy no re. (Matio 3:17; 17:5; Jaona 12:28, 29). Niteny tamin’ny alalan’ny mpaminany olombelona koa anefa Andriamanitra. Nandrakitra an-tsoratra an’izay nasain’Andriamanitra nambarany teo ambany tsindrimandry ny ankamaroan’izy ireny. Manana ny Baiboly isika ankehitriny, ary anisan’ny voarakitra ao anatin’izy io ny ankamaroan’ireny hafatra nambara ireny, ary koa ireo fampianaran’i Jesosy sy ny mpianany. (Hebreo 1:1, 2). Mampita hafatra amin’ny zavaboariny olombelona tokoa i Jehovah.

3. Inona no zava-kendrena amin’ireo hafatr’Andriamanitra, ary inona no antenaina amintsika?

3 Tsy manambara firy ny amin’izao rehetra izao hita maso ireny hafatr’Andriamanitra ara-tsindrimandry rehetra ireny. Mifantoka kosa amin’ny raharaha lehibe kokoa izy ireny​—raharaha izay misy akony eo amin’ny fiainantsika ankehitriny sy amin’ny hoavy. (Salamo 19:7-11; 1 Timoty 4:8). Mampiasa azy ireny mba hampahafantarana ny sitrapony sy hitarihana antsika i Jehovah. Izy ireny no fomba iray ahatanterahan’ireto tenin’i Isaia mpaminany ireto: “Na mivily ho amin’ny ankavanana hianao, na mivily ho amin’ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao manao hoe: Ity no làlana, ka andehano.” (Isaia 30:21). Tsy manery antsika hihaino ny ‘teniny’ i Jehovah. Miankina amintsika ny hoe hanaraka ny fitarihan’Andriamanitra sy handeha amin’ny lalany ve isika sa tsia. Noho izany antony izany no ananaran’ny Soratra Masina antsika mba hihaino ny hafatra avy amin’i Jehovah. Miseho impito ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy ilay fampirisihana hoe: “Aoka [ianao] hihaino izay lazain’ny Fanahy”.​—Apokalypsy 2:7, 11, 17, 29; 3:6, 13, 22.

4. Ara-dalàna ve amin’izao androntsika izao ny anantenana ny hampitan’Andriamanitra mivantana hafatra avy any an-danitra?

4 Tsy miresaka amintsika mivantana avy any an-danitra i Jehovah ankehitriny. Na tamin’ny andron’ny Baiboly aza, dia nahalana no nisian’ireny hafatra nampitaina avy tany ivelan’ny tontolon’ny olombelona ireny, eny, nifanelanelana taonjato maro mihitsy aza indraindray. Nandritra ny tantara manontolo, dia matetika tokoa i Jehovah no nampita hafatra tamin’ny vahoakany tamin’ny fomba an-kolaka kokoa. Izany no izy amin’izao androntsika izao. Andeha isika handinika fomba telo ampitan’i Jehovah hafatra amintsika ankehitriny.

‘Ny Soratra rehetra dia nomen’ny tsindrimandry’

5. Inona no fitaovana lehibe indrindra ampitan’i Jehovah hafatra ankehitriny, ary ahoana no andraisantsika soa amin’izy io?

5 Ny fitaovana lehibe indrindra ampitan’Andriamanitra hafatra amin’ny olombelona dia ny Baiboly. Nomena tamin’ny alalan’ny tsindrimandrin’Andriamanitra izy io, ary hita fa mahasoa antsika ny zavatra rehetra raketiny. (2 Timoty 3:16). Ny Baiboly dia misy ohatra maro dia maro ny amin’ny olona tena nisy, izay nampiasa ny safidiny malalaka ka nanapa-kevitra ny hihaino ny feon’i Jehovah na tsia. Mampahatsiahy antsika ny antony maha zava-dehibe ny hihainoana izay lazain’ny fanahin’Andriamanitra ny ohatra toy izany. (1 Korintiana 10:11). Mirakitra fahendrena azo ampiharina koa ny Baiboly, ka manoro hevitra antsika rehefa misy fanapahan-kevitra tokony horaisintsika eo amin’ny fiainana. Toy ny hoe ao ivohontsika Andriamanitra, mibitsika amintsika manao hoe: “Ity no làlana, ka andehano.”

6. Nahoana no ambony lavitra noho ny asa soratra hafa rehetra ny Baiboly?

6 Mba handrenesana izay lazain’ny fanahy amin’ny alalan’ny pejin’ny Baiboly, dia tsy maintsy mamaky azy io tsy tapaka isika. Tsy hoe boky voasoratra tamin’ny fomba tsara sy tiam-bahoaka fotsiny akory ny Baiboly, na hoe iray amin’ireo boky maro karazan’izany misy ankehitriny. Araka ny tsindrimandrin’ny fanahy ny Baiboly ary mirakitra ny hevitr’Andriamanitra. Hoy ny Hebreo 4:12: “Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin’ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo.” Rehefa mamaky ny Baiboly isika, dia manindrona toy ny sabatra ny zavatra raketin’izy io ka tonga hatrany amin’ny eritreritra sy ny antony manosika antsika lalina indrindra any, ary mampiharihary hoe hatraiza ny fiainantsika no mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra.

7. Nahoana no tena zava-dehibe ny famakiana ny Baiboly, ary ampirisihina hamaky azy io isaky ny inona isika?

7 Mety hiova ny “eritreritra sy ny fisainan’ny fo” rehefa mandeha ny fotoana, sy rehefa misy akony eo amintsika ny zavatra niainantsika, na zava-nahafinaritra izany na zava-tsarotra. Raha tsy mianatra tsy an-kijanona ny Tenin’Andriamanitra isika, dia tsy hifanaraka intsony amin’ireo foto-pitsipik’Andriamanitra ny eritreritsika sy ny fihetsitsika ary ny fihetseham-pontsika. Noho izany, dia mananatra antsika toy izao ny Baiboly: ‘[Aza mitsahatra, “NW”] mandinika ny tenanareo, na mitoetra amin’ny finoana ianareo, na tsia; [aza mitsahatra, “NW”] mizaha toetra ny tenanareo.’ (2 Korintiana 13:5). Raha tiantsika ny hanohy handre izay lazain’ny fanahy, dia tokony harahintsika ilay torohevitra hoe mila mamaky ny Tenin’Andriamanitra isan’andro isika.​—Salamo 1:2.

8. Inona no tenin’ny apostoly Paoly izay manampy antsika handini-tena mahakasika ny famakiana ny Baiboly?

8 Indro misy fampahatsiahivana lehibe iray ho an’ireo mpamaky Baiboly: Asio fotoana ampy mba hahafahan’ny sainao hahazo tsara izay vakinao! Tsy hirintsika ny hoe, mba hanarahana ilay torohevitra ny amin’ny tokony hamakiana Baiboly isan’andro, dia hamita maimaika toko maromaro isika, nefa tsy ho azontsika akory ny heviny. Na tena zava-dehibe aza ny hamakiana tsy tapaka ny Baiboly, dia tsy ny hoe haharaka fandaharam-potoana iray fotsiny akory no tokony hanosika antsika hanao izany, fa ny faniriana marina hianatra momba an’i Jehovah sy ny fikasany. Amin’io lafiny io, dia azontsika atao tsara ny mampiasa ireto tenin’ny apostoly Paoly ireto, mba handinihan-tena. Nilaza toy izao tokoa mantsy izy rehefa nanoratra ho an’ireo Kristianina tahaka azy: ‘Mandohalika amin’ny Ray aho, mba hitoeran’i Kristy ao am-ponareo amin’ny finoana, ka hamaka sy hiorina mafy amin’ny fitiavana ianareo, mba hahaizanareo mbamin’ny olona masina rehetra ny hahafantatra tsara izay sakany sy lavany ary hahavony sy halaliny, ary hahalala ny fitiavan’i Kristy, izay mihoatra noho ny fahalalana, mba hamenoana anareo ho amin’ny fahafenoan’Andriamanitra rehetra.’​—Efesiana 3:14, 16-19.

9. Ahoana no ahafahantsika mamboly sy mampitombo ny faniriantsika hiana-javatra avy amin’i Jehovah?

9 Ekena aloha fa tsy ankafizin’ny sasany amintsika ny mamaky teny, ary efa izany mihitsy no maha izy azy. Ny hafa kosa indray dia tena mazoto mamaky teny. Na manao ahoana na manao ahoana anefa toetrantsika isam-batan’olona, dia afaka mamboly sy mampitombo ny faniriantsika hiana-javatra avy amin’i Jehovah isika. Nohazavain’ny apostoly Petera fa tokony haniry mafy hahazo fahalalana ara-baiboly isika. Niaiky izy fa mety ho tsy maintsy ambolena ny faniriana toy izany. Hoy ny nosoratany: “Tahaka ny zaza vao teraka, dia ataovy izay hananana faniriana mafy ny ronono tsy misy fangarony izay an’ny teny, mba hitomboanareo amin’izany ho amin’ny famonjena”. (1 Petera 2:2, NW). Tena zava-dehibe ny hahaizana mifehy tena raha tiantsika ny ‘hanao izay hananana faniriana mafy’ hianatra Baiboly. Afaka mamboly fitiavana sakafo vaovao iray isika rehefa avy nanandrana ilay izy imbetsaka. Torak’izany koa fa afaka mihatsara ny fihetsitsika eo anoloan’ny famakian-teny sy ny fianarana raha mahay mifehy tena hanaraka fahazarana raikitra iray isika.

‘Sakafo amin’ny fotoana mety’

10. Iza no mahaforona “ilay mpanompo mahatoky sy malina”, ary ahoana no ampiasan’i Jehovah azy ireo ankehitriny?

10 Ampahafantarin’i Jesosy ao amin’ny Matio 24:45-47 (NW ) ny fomba hafa iray iresahan’i Jehovah amintsika ankehitriny. Noresahin’i Jesosy ao ny amin’ilay kongregasiona kristianina voahosotry ny fanahy, dia “ilay mpanompo mahatoky sy malina” izay notendrena hanome ‘sakafo ara-panahy amin’ny fotoana mety’. ‘Mpiasan’i Jesosy’ kosa anefa ireo anisan’io kilasin’olona io, raha izy isam-batan’olona. Mahazo fampaherezana sy tari-dalana izy ireo sy ny “olona betsaka” amin’ny “ondry hafa”. (Apokalypsy 7:9; Jaona 10:16). Tonga amin’ny endriky ny zavatra vita pirinty ny ankabeazan’izany sakafo amin’ny fotoana mety izany. Eo, ohatra, Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! ary ny boky hafa. Misy sakafo ara-panahy hafa zaraina koa anefa, dia ireo lahateny sy fampisehoana any amin’ireo fivoriambe, sy any amin’ireo fivorian’ny kongregasiona.

11. Ahoana no ampisehoantsika fa vonon-kandray izay lazain’ny fanahy amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy malina” isika?

11 Natao hanatanjahana ny finoantsika sy hanazarana ny fahaizantsika mandinika, ny fanazavana omen’ny “mpanompo mahatoky sy malina”. (Hebreo 5:14). Mety ho torohevitra ankapobe no omena amin’izany mba hahafahan’ny tsirairay hampihatra azy amin’ny tenany manokana. Mahazo torohevitra momba ny lafiny voafaritra tsara amin’ny fitondran-tenantsika koa isika indraindray. Fihetsika manao ahoana no tokony hananantsika raha tena mihaino izay lazain’ny fanahy amin’ny alalan’ny kilasin’ny mpanompo isika? Izao no avalin’ny apostoly Paoly: “Manekè ny mpitondra anareo, ka manoava azy”. (Hebreo 13:17). Marina aloha fa olombelona tsy lavorary izay rehetra voakasika amin’io fandaharana io. Na izany aza anefa, dia mahafaly an’i Jehovah ny mampiasa ny mpanompony olombelona, na dia tsy lavorary aza izy ireny, mba hitarihana antsika amin’izao fotoan’ny farany izao.

Tari-dalana avy amin’ny feon’ny fieritreretantsika

12, 13. a) Inona no loharano hafa iray anomezan’i Jehovah antsika tari-dalana? b) Afaka ny hisy heriny tsara manao ahoana ny feon’ny fieritreretana, na dia eo amin’ny olona tsy manana fahalalana marina momba ny Tenin’Andriamanitra aza?

12 Nomen’i Jehovah loharano hafa iray hitari-dalana antsika isika, dia ny feon’ny fieritreretana. Rehefa namorona ny olombelona izy, dia nasiany fahatsapana anaty ny atao hoe tsara sy ratsy tao aminy. Anisan’ny maha olona antsika izany. Nanazava toy izao ny apostoly Paoly tao amin’ny taratasiny ho an’ny Romanina: “Na oviana na oviana ireo jentilisa tsy manana ny lalàna ireo no misy manao izay nandidian’ny lalàna araka ny nahim-pony, na dia tsy manana ny lalàna aza ireo, dia lalàn-tenany ihany; fa ireo maneho ny asan’ny lalàna ho voasoratra ao am-pony, sady ny fieritreretany no vavolombelony, ary ny fisainany [dia miampanga na manala tsiny azy mihitsy aza, NW]”.​—Romana 2:14, 15.

13 Misy olona maro, izay tsy mahalala akory an’i Jehovah, mba mahavita ihany mampifanaraka ny fisainany mbamin’ny zavatra ataony, amin’ny foto-pitsipik’Andriamanitra ny amin’izay tsara sy ratsy. Toy ny hoe mandre feo anaty iva dia iva mitarika azy ho amin’ny lalana tsara izy ireo. Raha izany no izy ny amin’ireo tsy manana fahalalana marina momba ny Tenin’Andriamanitra, dia ho vao mainka tokony hiteny izany feo anaty izany ao amin’ny Kristianina marina! Tsy isalasalana tokoa fa afaka manome tari-dalana azo antoka ny feon’ny fieritreretana kristianina izay sady hatsarain’ny fahalalana marina ny Tenin’Andriamanitra no miasa mifanaraka amin’ny fanahy masin’i Jehovah.​—Romana 9:1.

14. Amin’ny ahoana ny feon’ny fieritreretana voavolavolan’ny Baiboly no afaka manampy antsika hanaraka ny tari-dalana omen’ny fanahin’i Jehovah?

14 Afaka mampahatsiahy antsika ny lalana tian’ny fanahy masina handehanantsika ny feon’ny fieritreretana tsara, izay voavolavolan’ny Baiboly. Mety hisy fotoana hoe tsy manome fanazavana voafaritra tsara momba ny tarehin-javatra iray misy antsika ny Soratra Masina sy ireo zavatra vita an-tsoratra miorina amin’ny Baiboly. Na izany aza anefa, dia mety hampitandrina antsika ny feon’ny fieritreretantsika, ka hilaza amintsika mba tsy hanaraka lalana iray mety hanimba antsika. Amin’ny tarehin-javatra toy izany, dia mety hidika ho tsy firaharahana izay lazain’ny fanahin’i Jehovah, raha ny marina, ny tsy firaharahana izay asain’ny feon’ny fieritreretantsika hataontsika. Etsy an-danin’izany, rehefa mianatra miantehitra amin’ny feon’ny fieritreretantsika kristianina efa voavolavola isika, dia afaka manao safidy mampiseho fahendrena, na dia tsy misy toromarika an-tsoratra voafaritra tsara aza eo am-pelatanantsika. Tena zava-dehibe anefa ny hitadidiana fa rehefa tsy misy fitsipika na lalàna nomen’Andriamanitra, dia tsy hety ny hanerena ny Kristianina hafa hanaraka ny fomba fitsaran’ny feon’ny fieritreretantsika manokana, momba ny raharaha izay miankina tanteraka amin’ny tsirairay.​—Romana 14:1-4; Galatiana 6:5.

15, 16. Inona no mety hahatonga ny feon’ny fieritreretantsika tsy hiasa araka ny tokony ho izy, ary ahoana no azontsika isorohana izany?

15 Fanomezan-tsoa avy amin’Andriamanitra ny feon’ny fieritreretana madio sy voavolavolan’ny Baiboly. (Jakoba 1:17). Tsy maintsy miaro an’io fanomezana io tsy ho azon’ny fitaomana manimba anefa isika raha tiantsika ny hahatonga azy io hiasa araka ny tokony ho izy ka hiaro antsika ara-pitondran-tena. Ireo fomba amam-panao sy fomba mahazatra eo amin’ny toerana misy antsika, izay mifanohitra amin’ny fari-pitsipik’Andriamanitra, dia mety hahatonga ny feon’ny fieritreretantsika tsy hiasa araka ny tokony ho izy, raha arahintsika. Amin’izay dia tsy hanosika antsika ho amin’ny lalana tsara izy io. Mety tsy hahay hitsara zavatra araka ny marina isika, ary mety hamita-tena mihitsy aza ka hihevitra fa tsara, raha ny marina, ny fanaovan-dratsy iray.​—Ampitahao amin’ny Jaona 16:2.

16 Raha manohy tsy miraharaha ny fampitandreman’ny feon’ny fieritreretantsika isika, dia hihamalefaka hatrany ny feon’izy io, mandra-pahatongantsika ho donto na tsy hihontsina intsony eo amin’ny ara-pitondran-tena. Niresaka ny amin’ny olona toy izany ny mpanao salamo rehefa nilaza hoe: “Nanjary donto tsy misy hafa amin’ny tavy ny fony.” (Salamo 119:70, NW ). Tsy manana intsony an’ilay fahaiza-mieritreritra araka ny mety ny sasany izay tsy miraharaha ny fampirisihan’ny feon’ny fieritreretany. Tsy tarihin’ny foto-pitsipik’Andriamanitra intsony izy ireo, ary tsy afaka manao fanapahan-kevitra araka ny mety. Mba hisorohana ny toy izany, dia tokony hanaraka ny fitarihan’ny feon’ny fieritreretantsika kristianina isika, na dia amin’ny raharaha toa madinika aza.​—Lioka 16:10.

Sambatra ireo mihaino sy mankatò

17. Ahoana no hitahiana antsika raha mihaino ‘ilay feo ao ivohontsika’ sy manaraka ny fitarihan’ny feon’ny fieritreretantsika voavolavolan’ny Baiboly isika?

17 Hitahy antsika i Jehovah ka hanome antsika ny fanahiny raha mamboly fahazarana mihaino ‘ilay teny ao ivohontsika’ isika, araka izay omena amin’ny alalan’ny Soratra Masina sy ny mpanompo mahatoky sy malina. Hitahy antsika amin’izany fomba izany koa izy raha manaraka ny fampahatsiahivan’ny feon’ny fieritreretantsika voavolavolan’ny Baiboly isika. Ny fanahy masina kosa indray dia hanatsara ny fahaizantsika mandray sy mahazo ny hevitr’izay lazain’i Jehovah amintsika.

18, 19. Amin’ny ahoana isika no afaka mandray soa avy amin’ny tari-dalana omen’i Jehovah, na eo amin’ny fanompoantsika izany na eo amin’ny fiainantsika manokana?

18 Hanome antsika fahasahiana mba hiatrehana amim-pahendrena sy amin-kerim-po ny toe-javatra sarotra koa ny fanahin’i Jehovah. Toy izay nitranga teo amin’ireo apostoly, ny fanahin’Andriamanitra dia afaka mandrisika ny fahaizantsika ara-tsaina ka manampy antsika foana hanao zavatra sy hiteny mifanaraka amin’ireo foto-pitsipika ara-baiboly. (Matio 10:18-20; Jaona 14:26; Asan’ny Apostoly 4:5-8, 13, 31; 15:28). Ny fanahin’i Jehovah, omban’ny fiezahan’ny tenantsika manokana, dia hitondra fahombiazana ho antsika, rehefa mandray fanapahan-kevitra lehibe eo amin’ny fiainana isika, ka manome antsika ny herim-po hanatanterahana hatramin’ny farany ireo fanapahan-kevitra noraisina. Ohatra, mety hieritreritra ny hanao fanitsiana eo amin’ny fomba fiainanao ianao mba hahitana fotoana bebe kokoa ho amin’ny zavatra ara-panahy, na koa mety hiatrika safidy lehibe hanova ny fiainanao, toy ny fifidianana vady, ny fandinihana amim-pitandremana raha tokony hiditra amin’ny asa iray ianao na tsia, na ny fividianana trano. Tsy tokony havelantsika ho ny fihetseham-pon’olombelona fotsiny no hoentintsika mandray fanapahan-kevitra, fa tokony hihaino kosa izay lazain’ny fanahin’Andriamanitra isika, ka hanao zavatra mifanaraka amin’ny tari-dalana omen’izy io.

19 Tena ankasitrahantsika ireo fampahatsiahivana amin-katsaram-panahy sy ny torohevitra azontsika avy amin’ny Kristianina hafa, anisan’izany ireo loholona. Tsy tokony hiandry foana ny hafa hanintona ny saintsika ho amin-javatra iray anefa isika. Raha fantatsika ny lalam-pahendrena tokony harahina sy izay fanitsiana ilaina hatao eo amin’ny fihetsitsika sy ny fitondran-tenantsika mba hampifaliana an’Andriamanitra, dia aoka isika hanao izany. Hoy i Jesosy: “Raha fantatrareo izany, dia sambatra hianareo, raha manao izany.”​—Jaona 13:17.

20. Fitahiana inona no azon’ireo mihaino ilay ‘feo ao ivohony’?

20 Mazava àry fa sady tsy mila mandre feo ara-bakiteny avy any an-danitra ny Kristianina no tsy mila fitsidihan’ny anjely vao hoe hahafantatra ny fomba hampifaliana an’Andriamanitra. Sambatra izy ireo manana ny Tenin’Andriamanitra voasoratra sy mahazo tari-dalana feno fitiavana amin’ny alalan’ny kilasin’ny voahosotra eto an-tany. Raha manaraka amim-pitandremana an’io ‘teny ao ivohony’ io izy ireo, ary manaraka ny fitarihan’ny feon’ny fieritreretany voavolavolan’ny Baiboly, dia hahavita hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Amin’izay dia ho hitan’izy ireo tokoa ny fahatanterahan’ity fampanantenana nosoratan’ny apostoly Jaona ity: “Izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.”​—1 Jaona 2:17.

Famerenana Fohy

• Nahoana i Jehovah no mampita hafatra amin’ny zavaboariny olombelona?

• Ahoana no ahafahantsika mandray soa avy amin’ny fandaharam-pamakiana Baiboly tsy tapaka?

• Ahoana no tokony ho fihetsitsika eo anoloan’ny fitarihana omen’ny kilasin’ny mpanompo?

• Rehefa manosika antsika hanao zavatra iray ny feon’ny fieritreretantsika voavolavolan’ny Baiboly, nahoana isika no tsy tokony hoe tsy hiraharaha izany?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 13]

Tsy mila fitaovana be kojakojany ny olombelona mba handraisana hafatra avy amin’Andriamanitra

[Sary nahazoan-dalana]

Courtesy Arecibo Observatory/David Parker/Science Photo Library

[Sary, pejy 15]

Miresaka amintsika amin’ny alalan’ny Baiboly sy ny “mpanompo mahatoky sy malina” i Jehovah