Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lehibe Noho ny Fontsika i Jehovah

Lehibe Noho ny Fontsika i Jehovah

Lehibe Noho ny Fontsika i Jehovah

“JEHOVAH mankasitraka izay matahotra Azy”, hoy ny nosoratan’ny mpanao salamo. Faly tokoa ny Mpamorona mahita ny olona tsirairay, izay manompo azy, miezaka mafy manohana ireo fari-pitsipiny marina. Mitahy sy mampahery an’ireo olony tsy mivadika Andriamanitra, ary mampionona azy ireo raha ao anatin’ny famoizam-po izy ireo. Fantany fa tsy lavorary ireo mpivavaka aminy, noho izany, dia manombana ny zava-misy izy raha ny amin’izay antenainy amin’izy ireo.​—Salamo 147:11.

Mety tsy ho sarotra amintsika ny hino fa manana fitiavana lehibe an’ireo mpanompony amin’ny ankapobeny i Jehovah. Ny sasany anefa dia toa manahy tafahoatra ny amin’ny fahalemeny, ary miaiky izy ireny fa tsy afaka ny ho tia azy na oviana na oviana i Jehovah. “Tsy afaka ny ho tia ahy i Jehovah, satria lehibe loatra ny tsy fahalavorariako”, hoy ny mety ho fanatsoahan-keviny. Mazava ho azy fa manana fihetseham-po tsy tsara isika rehetra indraindray. Ny sasany anefa dia toa manao ady tsy an-kijanona amin’ny fahatsapana ho tsy mendrika.

Fahatsapana ho ketraka

Olo-nahatoky maro, tamin’ny andron’ny Baiboly, no nijaly noho ny fahatsapana fahaketrahana be. Nankahala ny fiainana i Joba, ary nihevitra fa nandao azy Andriamanitra. Nisy fotoana nahory mafy an’i Hana, ilay ho tonga renin’i Samoela, noho izy tsy niteraka, ka dia nitomany mafy izy. ‘Nitanondrika rera-po indrindra’ i Davida, ary nalahelo mafy i Epafrodito noho ny fahorian’ireo rahalahiny nandre ny vaovao momba ny aretiny.​—Salamo 38:7, Fandikan-teny Katolika; 1 Samoela 1:7, 10; Joba 29:2, 4, 5; Filipiana 2:25, 26.

Ahoana ny amin’ny Kristianina amin’izao andro izao? Angamba manakana ny sasany tsy hahavita izay iriny hatao, eo amin’ny fanompoana masina, ny aretina sy ny fandroson’ny taona ary ny tarehin-javatra manokana hafa. Mety hitarika azy ireo hanatsoaka hevitra izany fa mandiso fanantenana an’i Jehovah sy ireo mpiray finoana izy ireo. Na koa mety hanamelo-tena mandrakariva eny ny sasany, noho ny fahadisoana tamin’ny lasa, ka misalasala ny amin’ny famelan’i Jehovah. Mety hiaiky ny hafa fa, noho izy ireo avy amin’ny fianakaviana manana olana, dia tsy mendrika ny hotiavina izy ireo. Ahoana no hetezan’izany?

Nihalehibe tao amin’ny fianakaviana izay nanjakan’ny rivo-piainana feno fitiavan-tena sy esoeso ary tahotra, fa tsy fitiavana, ny sasany. Sarotra amin’izy ireo ny hino fa misy raim-pianakaviana izay ho tia lalina azy ireo, izay mba hanao teny fiderana sy fampaherezana, izay mody tsy hahita ireo fahadisoana kely, ka ho vonona hamela na dia ireo fahadisoana lehibe kokoa aza, ary ny fanehoam-pitiavana avy aminy dia mahatonga ny fianakaviana manontolo hilamin-tsaina. Koa satria tsy nanana ray olombelona be fitiavana na oviana na oviana izy ireo, dia mety ho sarotra amin’izy ireo ny hahatakatra ny hevitry ny fananana Ray be fitiavana any an-danitra.

Izao, ohatra, no nosoratan’i Fritz: “Nisy heriny lehibe teo amin’ny fahazazako sy ny fahatanorako ny toetra tsy nisy fitiavana nasehon’ny raiko. * Tsy nanao teny fiderana na oviana na oviana izy, ary tsy nahatsiaro ho akaiky azy na oviana na oviana aho. Tamin’ny ankamaroan’ny fotoana, raha ny marina, dia natahotra azy aho.” Ho vokany, dia mbola mahatsapa tsy fatokisan-tena foana i Fritz, na dia eo amin’ny faha-50 taonany aza izy ankehitriny. Ary nanazava toy izao i Margarette: “Nasiaka sy tsy nanam-pitiavana ny ray aman-dreniko. Rehefa nanomboka nianatra Baiboly aho, dia sarotra tamiko ny naka sary an-tsaina hoe toy inona izany ray be fitiavana izany.”

Ny fananana fihetseham-po toy izany, na inona na inona antony, dia afaka midika fa indraindray ny fanompoantsika an’Andriamanitra dia tsy atosiky ny fitiavana, voalohany indrindra, fa atosiky ny fahatsapan-tena ho meloka sy ny tahotra. Toa tsy mahafa-po foana izay mba ataontsika araka ny fara herintsika. Ny faniriana hampifaly an’i Jehovah sy ireo mpiray finoana amintsika dia mety hahatonga antsika hihevitra fa tsy mahomby isika. Vokatr’izany, dia mety tsy hahatratra ny zava-kendrena ary hanamelo-tena isika, ka ho kivy.

Inona no azo atao? Ilaintsika angamba ny hampahatsiahy ny tenantsika fa tena malala-po i Jehovah. Raha nisy olona nahatakatra an’io lafin-toetra mahate ho tia ananan’Andriamanitra io dia ny apostoly Jaona.

“Andriamanitra lehibe noho ny fontsika”

Nanoratra toy izao tamin’ireo mpiray finoana taminy i Jaona, tamin’ny faran’ny taonjato voalohany am.f.i.: “Izany no hahafantarantsika fa avy amin’ny marina isika sy hampahatokiantsika ny fontsika eo anatrehany, na amin’inona na amin’inona no anamelohan’ny fontsika antsika, satria Andriamanitra lehibe noho ny fontsika ka mahalala ny zavatra rehetra.” Nahoana i Jaona no nanoratra ireo teny ireo?​—1 Jaona 3:19, 20.

Fantatr’i Jaona tsara fa mety hahazo an’ireo mpanompon’i Jehovah ny fahatsapana ho meloka ao am-po. I Jaona mihitsy aza dia mety ho efa nahatsapa fihetseham-po toy izany. Nanana toetra nirehidrehitra i Jaona fony izy mbola tovolahy, ary indray mandeha izy dia nahazo fanitsiana avy tamin’i Jesosy Kristy, noho izy henjana loatra teo amin’ny fifampiraharahana tamin’ny hafa. Raha ny marina, i Jaona sy i Jakoba rahalahiny dia “nomeny [i Jesosy] anarana hafa koa hoe Boanerjesy, izany hoe Zana-baratra”.​—Marka 3:17; Lioka 9:49-56.

Nandritra ireo 60 taona nanaraka, dia nihanalefaka i Jaona ka tonga Kristianina nahay nandanjalanja sy be fitiavana ary be famindram-po. Tamin’ny fotoana nanoratan’i Jaona ny taratasiny ara-tsindrimandry voalohany, fony izy irery sisa no apostoly mbola velona, dia fantany fa tsy mampamoaka noho ireo fahadisoana madinika tsirairay, ataon’ny mpanompony isam-batan’olona, i Jehovah. Izy kosa dia Ray mahay mandray olona, sady malala-po sy malala-tanana ary be fiantrana, manana fitiavana lalina an’izay rehetra tia azy sy manompo azy amin’ny fahamarinana. Nanoratra toy izao i Jaona: “Andriamanitra dia fitiavana”.​—1 Jaona 4:8.

Mifaly amin’ny fanompoana ataontsika ho azy i Jehovah

Fantatr’Andriamanitra fa voajanahary ao amintsika ny fahalemena sy ny fahotana, ary manisy fiheverana an’izany izy. “Izy mahalala ny toetsika ka mahatsiaro fa vovoka isika”, hoy ny nosoratan’i Davida. Takatr’i Jehovah fa misy fiantraikany eo amin’ny maha isika antsika ny zava-nitranga teo amin’ny fiainantsika. Raha ny marina, dia mahafantatra antsika bebe kokoa noho ny fahafantarantsika ny tenantsika izy.​—Salamo 103:14.

Fantany fa ny maro amintsika dia te ho hafa, kanefa tsy afaka mandresy ny tsy fahalavorariantsika isika. Ny toe-javatra misy antsika dia azo ampitahaina amin’ny an’ny apostoly Paoly, izay nanoratra toy izao: “Tsy ny tsara izay sitrako no ataoko; fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko.” Tafiditra amin’ny ady mafy toy izany isika rehetra. Amin’ny tarehin-javatra sasany, dia mety hiteraka fanamelohan-tena ao am-pontsika izany.​—Romana 7:19.

Tadidio foana izao: Zava-dehibe kokoa noho ny fahitantsika ny tenantsika ny fahitan’i Jehovah antsika. Isaky ny mahita ny fiezahantsika hampifaly azy izy, dia tsy hoe afa-po fotsiny, fa faly ihany koa. (Ohabolana 27:11). Na dia mety ho toa tsinontsinona eo imasontsika aza ny zava-bitantsika, ny fahavononantsika sy ny antony tsara manosika antsika dia mahafaly azy. Mijery ny any ankoatra ny zavatra tontosaintsika izy; mahay manavaka izay tiantsika hatao izy; mahafantatra ny faniriana sy ny hetahetantsika izy. Afaka mamaky izay ao am-pontsika i Jehovah.​—Jeremia 12:3; 17:10.

Maro amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ohatra, no saro-kenatra sy mimpirimpirina, dia olona izay tsy tia misehoseho firy. Afaka ny ho tonga zava-tsarotra goavana, ho an’ny olona toy izany, ny fitoriana ny vaovao tsara isan-trano. Noho ny faniriany hanompo an’Andriamanitra sy hanampy ny mpiara-belona aminy anefa, na dia ny olona saro-kenatra aza dia mianatra ny hanatona ireo mpiara-belona aminy, ary hiresaka momba ny Baiboly amin’izy ireo. Mety hahatsapa izy ireo fa tsy mahavita firy ny tenany, ary mety hanaisotra ny fifaliany izany. Mety hibitsika aminy ny fony fa tsy mendrika ny fanompoana ataony ho an’ny besinimaro. Azo antoka anefa fa mahafaly an’i Jehovah ny fiezahana mafy ataon’ny olona toy izany eo amin’ny fanompoana. Ambonin’izany, dia tsy afaka mahalala mihitsy izy ireo hoe rahoviana, ary aiza, ireo voan’ny fahamarinana nafafy no hitsimoka sy hitombo ary hamoa.​—Mpitoriteny 11:6; Marka 12:41-44; 2 Korintiana 8:12.

Mijaly noho ny tsy fahasalamana mitohy, na noho ny fahanterana, ny Vavolombelona hafa. Mety hampanaintaina sy hampitebiteby ny famonjena fivoriana tsy tapaka, any amin’ny Efitrano Fanjakana, ho azy ireo. Ny fandrenesana lahateny momba ny asa fitoriana dia mety hampahatsiahy azy ireo ny fanaony taloha sy mbola tiany hatao ihany, na dia manakana azy aza ny aretina. Mety hanenjika azy ireo ny feon’ny fieritreretany noho izy tsy afaka manaraka ny torohevitra araka ny hitiavany azy. Azo antoka anefa fa mihevitra ny tsy fivadihan’izy ireo sy ny fiaretany ho zava-tsarobidy i Jehovah. Tsy hanadino na oviana na oviana izay nataon’izy ireo tamim-pahatokiana i Jehovah, raha mbola mitoetra ho tsy mivadika koa izy ireo.​—Salamo 18:25; 37:28.

“Hampahatokiantsika ny fontsika”

Rehefa tonga tamin’ny fahanterana i Jaona, dia tsy maintsy ho nahalala bebe kokoa ny amin’ny fahalalaham-pon’Andriamanitra izy. Tadidio fa nanoratra toy izao izy: “Andriamanitra lehibe noho ny fontsika ka mahalala ny zavatra rehetra.” Ankoatra izany, dia nampirisika ny mba “hampahatokiantsika ny fontsika” i Jaona. Inona no tian’i Jaona holazaina amin’ireo teny ireo?

Araka ny nambaran’ny Vine’s Expository Dictionary of Old and New Testament Words, ny matoanteny grika nadika hoe ‘mampahatoky’ dia midika hoe “mampihatra fandresen-dahatra, mampanjaka eo amin’ny, na mitaona indray, mandresy lahatra”. Raha lazaina amin’ny teny hafa, mba hampahatokiantsika ny fontsika, dia mila mitaona ny fontsika isika ka mandresy lahatra azy io, mba hinoany fa tia antsika i Jehovah. Amin’ny fomba ahoana?

I Fritz, izay noresahina terỳ am-piandohan’ity lahatsoratra ity, dia loholona ao amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah, efa hatramin’ny 25 taona mahery izao, ary hitany fa afaka manome toky ny fony, ny amin’ny fitiavan’i Jehovah, ny fianarana manokana. “Mianatra tsy tapaka sy amim-pitandremana ny Baiboly sy ireo zavatra vita an-tsoratsika aho. Manampy ahy tsy hijery foana ny lasa izany, fa hibanjina hatrany kosa ny hoavy mahatalanjona miandry antsika. Mitamberina mampahory ahy ny fiainako tamin’ny lasa indraindray, ary mahatsapa aho fa tsy afaka ny ho tia ahy na oviana na oviana Andriamanitra. Amin’ny ankapobeny anefa, dia hitako fa manatanjaka ny foko sy mampitombo ny finoako ary mihazona ahy ho falifaly sy hahay handanjalanja ny fianarana tsy tapaka.”

Marina aloha fa mety tsy hanova ny toe-javatra misy antsika ankehitriny ny famakiana Baiboly sy ny fisaintsainana. Afaka manova ny fomba fijerintsika ny toe-javatra misy antsika anefa izany. Ny fandatsahana am-po ireo hevitra avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra dia manampy antsika hieritreritra sahala aminy. Ambonin’izany, dia mahatonga antsika hitombo amin’ny fahatakarana ny fahalalaham-pon’Andriamanitra ny fianarana. Afaka ny hanaiky tsikelikely isika fa tsy omen’i Jehovah tsiny akory isika noho izay zavatra niainantsika nandritra ny fahazazantsika, na noho ny aretintsika. Fantany fa ny enta-mavesatra entin’ny maro amintsika​—na ara-pihetseham-po izany na ara-batana​—dia matetika tsy vokatry ny nataontsika manokana, ary manisy fiheverana izany amim-pitiavana izy.

Ary ahoana ny amin’i Margarette, izay voalaza terỳ aloha? Nandraisany soa betsaka ny fianarany ny Baiboly, rehefa nanjary nahafantatra an’i Jehovah izy. Toa an’i Fritz, izy koa dia tsy maintsy nanitsy ny fomba fahitany ny ray. Nanampy an’i Margarette hanamafy izay nianarany ny vavaka. “Ho fanombohana, dia nihevitra an’i Jehovah ho namana akaiky iray aho, satria, teo amin’ny fiainako, dia ny namana no fantatro bebe kokoa fa be fitiavana noho ny ray. Nianatra namboraka tsikelikely tamin’i Jehovah ny fihetseham-poko sy ny fisalasalako sy ny tebitebiko ary ny fanahiako aho. Niresaka taminy imbetsaka tamin’ny vavaka aho, ary tetsy an-danin’izany, dia nanangona ireo zava-baovao rehetra izay nianarako momba azy, mitovitovy amin’ny sary atambatambatra iray. Rehefa afaka elaela, dia nisy fivoarana ny fihetseham-poko ho an’i Jehovah, ka tsy sahirana firy intsony aho ankehitriny mihevitra azy ho toy ny Raiko be fitiavana”, hoy ny nambaran’i Margarette.

Fanafahana amin’ny tebiteby rehetra

Raha mbola maharitra koa ity fandehan-javatra ratsy tranainy ity, dia tsy misy olona afaka manantena ny ho afaka amin’ny tebiteby. Ho an’ny Kristianina sasany, izany dia midika fa ny fitebitebena, na ny tsy fatokisan-tena, dia mety hipoitra indray, ka hahatonga fahorian-tsaina. Afaka ny hahazo toky anefa isika fa fantatr’i Jehovah ny antony tsara manosika antsika sy ny asa mafy ataontsika, eo amin’ny fanompoana azy. Tsy hanadino na oviana na oviana ny fitiavana izay nasehontsika ho an’ny anarany izy.​—Hebreo 6:10.

Ao amin’ny tany vaovao, efa akaiky izao, hotarihin’ny Fanjakana Mesianika, ny olombelona mahatoky rehetra dia ho afaka hanantena ny hafahana amin’ny enta-mavesatry ny fandehan-javatr’i Satana. Ho fanamaivanana tokoa re izany! Amin’izay isika dia hahita porofo fanampiny fa malala-po tokoa i Jehovah. Mandra-pahatongan’izany fotoana izany, dia aoka ny rehetra hatoky fa “Andriamanitra [dia] lehibe noho ny fontsika ka mahalala ny zavatra rehetra”.​—1 Jaona 3:20.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Novana ireo anarana.

[Teny notsongaina, pejy 30]

Tsy mpitondra tsy refesi-mandidy akory i Jehovah, fa Ray be fitiavana sy malala-po ary be fiantrana

[Sary, pejy 31]

Manampy antsika hieritreritra sahala amin’Andriamanitra ny fianarana ny Teniny