Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manintona ny Hafa ho Amin’Andriamanitra ny Fiainam-pianakaviana Sambatra

Manintona ny Hafa ho Amin’Andriamanitra ny Fiainam-pianakaviana Sambatra

Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana

Manintona ny Hafa ho Amin’Andriamanitra ny Fiainam-pianakaviana Sambatra

NITAHY an’i Josefa i Jehovah ka nanome azy fahendrena lehibe sy fahaiza-manavaka. (Asan’ny Apostoly 7:10). Ho vokany, dia “sitrak’i Farao sy ny mpanompony rehetra” ny fahaizan’i Josefa nahataka-javatra.​—Genesisy 41:37.

Ankehitriny koa i Jehovah dia manome fahaiza-mahataka-javatra sy fahaiza-manavaka ho an’ny vahoakany, amin’ny alalan’ny fianaran’izy ireo ny Baiboly. (2 Timoty 3:16, 17). Mitera-boka-tsoa izany fahendrena sy fahaiza-manavaka izany, rehefa ampiharina ny torohevitra miorina amin’ny Baiboly. Matetika ny fitondran-tena tsaran’ny vahoakan’i Jehovah no ‘sitrak’izay mahamarika izany’, araka ny asehon’ireto fitantarana manaraka avy any Zimbabwe ireto:

• Vavolombelon’i Jehovah ny mpifanila trano tamin’ny vehivavy iray. Na dia tsy tian’io ramatoa io aza ny Vavolombelona, dia nampiaiky volana azy ny fitondran-tenan’izy ireo, indrindra fa ny fiainam-pianakaviany. Nahamarika izy fa tsara dia tsara ny fifandraisan’ilay mpivady Vavolombelona, nankatò azy ny zanany, ary indrindra fa tia aoka izany ny vadiny ralehilahy.

Inoan’ny besinimaro ao amin’ny kolontsaina afrikanina sasany fa matoa tia ny vadiny ny lehilahy iray, dia tsy maintsy ho nampiasa ody ilay vehivavy mba ‘hamolahana’ ilay lehilahy. Koa nanatona an’ilay vehivavy Vavolombelona àry ilay ramatoa, ka nanontany hoe: “Mba azonao omena ahy ve ilay ody nomenao ny vadinao, mba hitiavan’ny vadiko ahy koa, toy ny itiavan’ny vadinao anao?” Hoy ilay Vavolombelona: “Eny àry, fa hoentiko any aminao ilay izy rahampitso tolakandro.”

Ny ampitson’iny, dia nitsidika an’ilay mpifanila trano taminy ilay anabavintsika, nitondra ilay “odiny”. Inona ilay izy? Ny Baiboly sy ilay boky hoe Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Niara-nidinika fanazavana tao amin’ny boky Fahalalana, teo ambanin’ilay foto-kevitra hoe “Fanorenana Fianakaviana Izay Manome Voninahitra An’Andriamanitra”, izy mirahavavy. Rehefa avy eo, dia hoy ilay anabavy tamin’ilay ramatoa: “Izay ilay ‘ody’ ampiasainay mivady mba ‘hifamolahanay’, ary izany no antony mahatonga anay roa hifankatia fatratra.” Natomboka ny fampianarana Baiboly an’ilay ramatoa, ary nandroso haingana izy ka tonga hatramin’ny fanamarihana ny fanolorany tena ho an’i Jehovah tamin’ny batisa tao anaty rano.

• Tsy nivoaka nanao fanompoana isam-baravarana nandritra ny tapa-bolana ny mpisava lalana manokana roa lahy, izay voatendry ho ao amin’ny kongregasiona kely iray, any akaikin’ny sisin-tany avaratratsinanana mampisaraka an’i Zimbabwe sy i Mozambika. Nahoana? Satria tonga nanatona azy ireo ny olona mba hihaino izay holazain’izy ireo. Notantarain’ny iray amin’ireo mpisava lalana toy izao ny antony nahatonga izany: “Nandeha [15 kilaometatra] izahay mba hitarika fampianarana Baiboly isan-kerinandro tamin’ny olona liana iray. Tsy mora taminay ny nahatongavanay tany amin’io faritra io. Tsy maintsy nandeha an-tongotra tao anaty fotaka izahay, ary tsy maintsy nita renirano tondraka, izay hatenda ny halaliny. Nanao kinarinarina ny akanjonay sy ny kiraronay izahay teo am-pitana ilay renirano, ary avy eo dia nanao ny akanjonay indray rehefa tafita.

Niaiky volana ireo mpiray tanàna tamin’ilay olona liana rehefa nahita ny zotom-ponay. Anisan’ireo nahamarika izany ny mpitondra iray tao amin’ny fivavahana iray teo an-toerana. Hoy izy tamin’ireo mpanaraka azy: ‘Tsy ho tianareo ve ny ho be zotom-po tahaka azy roa lahy Vavolombelon’i Jehovah ireny?’ Ny ampitson’iny, dia maro tamin’ireo mpanaraka azy no tonga tao an-tranonay mba hamantatra hoe inona no antony nahatonga anay ho feno fikirizana aoka izany. Ankoatra izany, nandritra ny tapa-bolana nanaraka, dia maro dia maro ny mpitsidika anay, hany ka tsy nanam-potoana hikarakarana ny sakafonay akory aza izahay!”

Anisan’ireo olona nitsidika ny tranon’ireo mpisava lalana nandritra ilay tapa-bolana ilay mpitondra fivavahana. Alao sary an-tsaina ny fifalian’ireo mpisava lalana rehefa nanaiky hianatra ny Baiboly izy io!