Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana no Be dia Be toy Izao ny Tsolotra?

Nahoana no Be dia Be toy Izao ny Tsolotra?

Nahoana no Be dia Be toy Izao ny Tsolotra?

“Aza mandray kolikoly, fa ny kolikoly mahajamba ny mason’ny mahiratra sy mamadika ny tenin’ny marina.”​—Eksodosy 23:8.

DIMANJATO sy telo arivo taona lasa izay, dia nanameloka ny fandraisana kolikoly ny Lalàn’i Mosesy. Nandritra ireo taonjato nanomboka teo, dia nitombo be ny isan’ny lalàna natao hiadiana amin’ny fanaovana tsolotra. Tsy nahavita nampihena azy io anefa ny famoahana lalàna maro. Tsolotra an-tapitrisany maro no mifindrafindra tanana isan’andro, ary olona an’arivo tapitrisany maro no mizaka ny vokany.

Nanjary niely patrana sy saro-bahana aoka izany ny fanaovana tsolotra, hany ka atahorana sao hanimba ny rafitry ny fiaraha-monina mihitsy. Any amin’ny tany sasany, dia saika tsy misy zavatra vita raha tsy manao sisi-bola. Ny fanomezana kolikoly ny olona mahavita zavatra dia hahatonga ny olona iray ho afa-panadinana, na hahazo fahazoan-dalana hitondra fiarakodia, na hahazo fifanekena ara-barotra, na handresy amin’ny fitsarana. “Toy ny fandotoana goavana mitambesatra amin’ny olona sy manakivy azy, ny tsolotra”, hoy ny fitarainan’i Arnaud Montebourg, mpahay lalàna, any Paris.

Ao amin’ny tontolon’ny varotra indrindra no tena anjakan’ny kolikoly. Ny kompania sasany dia manokana ny ampahatelon’ny tombombarotra rehetra azony, mba hanomezana tsolotra fotsiny an’ireo mpiasam-panjakana ambony mpandray kolikoly. Araka ny nolazain’ilay gazetiboky britanika The Economist, dia ny 10 isan-jaton’ireo 25 000 tapitrisa dolara lany isan-taona amin’ny fivarotana fitaovam-piadiana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, no ampiasaina hatao kolikoly ho an’ireo mety ho lasa clients. Koa satria nitombo ity fanaovana tsolotra ity, dia nanjary loza ny vokany. Voalaza fa, tato anatin’ny folo taona farany, dia nanimba ny toe-karenan’ny tany maro ny kapitalisma “anjakan’ny kiantranoantrano”​—izay raharaham-barotra misy fanaovana tsolotra, ka anomezana tombontsoa manokana ho an’ny olom-bitsy mahalala olona ambony.

Mazava ho azy fa ny mahantra, dia ireo izay mahalana vao afaka manome kolikoly, no mitondra faisana indrindra noho ny tsolotra sy ny fahasimbana ara-toe-karena aterak’izany. “Tsy inona akory ny tsolotra, fa endrika iray monja isehoan’ny fampahoriana”, hoy ny namintinan’ny The Economist azy. Azo resena ve io karazana fampahoriana io, sa kosa tsy azo ialana ny tsolotra? Mba hamaliana io fanontaniana io, dia tsy maintsy fantarintsika aloha ny sasantsasany amin’ireo antony fototra mahatonga ny tsolotra.

Inona avy no antony mahatonga ny tsolotra?

Nahoana no aleon’ny olona mandray sy manome tsolotra toy izay hanao sy hilaza ny marina? Ho an’ny sasany, dia ny fanaovana tsolotra no mety ho ny fomba mora indrindra​—na koa ny hany fomba mihitsy aza​—hahazoana izay iriny. Mety ho fomba iray mora ampiasaina mba hialana amin’ny sazy koa ny kolikoly, indraindray. Rehefa voamariky ny maro fa toa mody tsy mahita ny fandraisana tsolotra, na zatra mandray tsolotra mihitsy aza ireo mpanao politika sy polisy ary mpitsara, dia manaraka fotsiny izay ataon’ireny olona ireny izy ireo.

Koa satria miely patrana ny fanaovana tsolotra, dia manjary azo ekena kokoa izy io, ary lasa fomba fiaina mihitsy aza amin’ny farany. Manjary mihevitra ireo olona faran’izay kely karama fa tsy manan-tsafidy ny tenany. Voatery mitaky kolikoly izy, raha mba ta hanana fiainana metimety. Ary rehefa hita fa afa-maina ireo mpitaky kolikoly, na ireo mpanome kolikoly mba hahazoana tombontsoa tsy ara-drariny, dia vitsy no vonona hiady amin’izany fanao izany. “Saingy tsy tanterahina vetivety ny famaliana ny ratsy atao, dia izany no ikirizan’ny fon’ny zanak’olombelona amin’ny fanaovan-dratsy”, hoy ny fanamarihan’i Solomona Mpanjaka.​—Mpitoriteny 8:11.

Hery roa lehibe no mampiroborobo hatrany ny fanaovana tsolotra, dia ny fitiavan-tena sy ny fitsiriritana tafahoatra. Noho ny fitiavan-tena, ny olona tia mandray tsolotra dia manakimpy ny masony eo anoloan’ny fahoriana aterak’izany eo amin’ny hafa, ary hamarininy ny tsolotra satria fotsiny hoe mandray soa avy amin’izany ny tenany. Arakaraka ny itomboan’ny tombontsoa ara-nofo voangon’ireo mpandray tsolotra, no itomboan’ny fitsiriritany. “Izay tia vola tsy hety ho voky vola”, hoy ny fanamarihan’i Solomona, “ary izay fatra-pitia harena be tsy hety ho vokin’ny fitomboan-karena”. (Mpitoriteny 5:9). Marina fa mety ho fomba mahomby hahazoam-bola ny fitsiriritana tafahoatra, kanefa amin’izany dia misy foana finiavana tsy hijery ny fanaovana tsolotra sy ny tsy fankatoavan-dalàna.

Lafin-javatra iray hafa tsy tokony hodian-tsy hita ny anjara asan’ilay mpanapaka tsy hita mason’ity tontolo ity izay ampahafantarin’ny Baiboly fa i Satana Devoly. (1 Jaona 5:19; Apokalypsy 12:9). Miasa mafy mba hampandrosoana ny fanaovana tsolotra i Satana. Ny kolikoly lehibe indrindra voarakitra an-tsoratra, dia ilay natolotr’i Satana an’i Kristy. ‘Homeko anao ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao, raha hiankohoka eto anatrehako ianao.’​—Matio 4:8, 9.

Tsy nanaiky handray kolikoly anefa i Jesosy, ary nampianariny mba hitondra tena tahaka izany koa ny mpanara-dia azy. Mety ho fomba mandaitra mba hiadiana amin’ny fanaovana tsolotra amin’izao andro izao ve ireo fampianaran’i Kristy? Hamakafaka io fanontaniana io ny lahatsoratra manaraka.