Tohano Mafy ny Fampianarana Araka An’Andriamanitra
Tohano Mafy ny Fampianarana Araka An’Andriamanitra
“Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao; maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao.”—OHABOLANA 3:5, 6.
1. Amin’ny ahoana no betsaka lavitra tsy toy ny hatramin’izay ny fahalalan’olombelona miantefa amintsika?
MISY gazety mpiseho isan’andro tokony ho 9 000 ankehitriny maneran-tany. Boky vaovao 200 000 eo ho eo isan-taona no avoaka, any Etazonia fotsiny. Araka ny tombana iray natao, dia efa nisy pejy 275 tapitrisa teo ho eo tao amin’ny Internet, tamin’ny Martsa 1998. Voalaza fa miampy 20 tapitrisa isam-bolana io tarehimarika io. Afaka mahazo fanazavana saika ny amin’ny foto-kevitra rehetra ny olona ankehitriny, tsy toy ny hatramin’izay. Na dia misy lafy tsarany aza ny fanazavana tsy toko tsy forohana toy izany, dia niteraka olana koa.
2. Olana inona avy no ateraky ny fahafaha-mahazo fanazavana tsy toko tsy forohana?
2 Nanjary andevon’ny fitadiavana fanazavana ny olona sasany, ka tsy nety afa-po fa naniry foana ny haharaka ny fanazavana nivoaka farany, kanefa nanao tsirambina zavatra lehibe kokoa. Ny hafa kosa nahazo sombim-panazavana momba ny sokajim-pahalalana sarotra sasany, ka mihevi-tena ho manam-pahaizana manokana. Izay kely takatry ny sainy no mety hanaovany fanapahan-kevitra lehibe, izay mety hanimba ny tenany na ny hafa. Eo foana koa ny hoe mety ho fanazavana diso na tsy marina no azo. Matetika no tsy misy fomba azo antoka hanamarinana raha marina sy voalanjalanja ireny fanazavana tsy toko tsy forohana ireny na tsia.
3. Fampitandremana inona avy momba ny fikatsahana fahendren’olombelona no hita ao amin’ny Baiboly?
3 Lafin-toetran’olombelona efa hatramin’ny ela ny fitia ta hahalala zavatra. Efa fantatra tamin’ny andron’i Solomona Mpanjaka ireo loza entin’ny fandaniana fotoana be loatra amin’ny fikatsahana fanazavana tsy ilaina na manimba mihitsy aza. Hoy izy: “Minoa anatra hianao; fa tsy misy farany ny manao boky maro, ary manasatra ny tena ny fianarana be.” (Mpitoriteny 12:12). Nanoratra toy izao tamin’i Timoty ny apostoly Paoly, taonjato maro tatỳ aoriana: “Tehirizo ilay natolotra anao, ka mialà amin’ny fibedibedena foana sy ny fanoherana avy amin’izay atao hoe fahalalana, kanjo tsy izy, izay neken’ny sasany, ka nania tamin’ny finoana izy.” (1 Timoty 6:20, 21). Eny, mila mitandrina ny Kristianina ankehitriny mba tsy hiantefa tsy amin’ny antony any aminy ireo hevitra manimba.
4. Inona no fomba iray azontsika anehoana fa matoky an’i Jehovah sy ny fampianarany isika?
4 Fahendrena ho an’ny vahoakan’i Jehovah koa ny manaraka izao teny ao amin’ny Ohabolana 3:5, 6 izao: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao; maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao.” Tafiditra amin’ny fatokisana an’i Jehovah ny fandavana izay hevitra rehetra mifanohitra amin’ny Tenin’Andriamanitra, na hevitra avy ao an-tsaintsika izany na avy amin’ny mpiara-belona amintsika. Mba hiarovana ny fahasalamantsika ara-panahy, dia tena zava-dehibe ny hanazarantsika ny fahaizantsika mandinika mba hahafahantsika hamantatra ny fanazavana manimba ka hahafahantsika hanalavitra izany avy eo. (Hebreo 5:14). Andeha hodinihintsika ny loharano sasany ipoiran’ny fanazavana toy izany.
Tontolo iray eo ambany vahohon’i Satana
5. Inona no loharano iray ipoiran’ny hevitra manimba, ary iza no ao ambadik’izany?
5 Loharano iray ipoiran’ny hevitra manimba maro dia maro izao tontolo izao. (1 Korintiana ). Hoy i Jesosy Kristy rehefa nivavaka tamin’Andriamanitra ho an’ny mpianany izy: “Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin’izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy amin’ny ratsy.” ( 3:19Jaona 17:15). Nangataka i Jesosy mba harovana tamin’ilay “ratsy” ny mpianany. Neken’i Jesosy, araka izany, fa manan-kery eto amin’izao tontolo izao i Satana. Tsy miaro antsika avy hatrany amin’ny fitaoman-dratsin’ity tontolo ity ny maha Kristianina antsika. Izao no nosoratan’i Jaona: “Fantatsika fa avy amin’Andriamanitra isika, ary izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa.” (1 Jaona 5:19). Mandritra izao tapany farany amin’ny andro farany izao indrindra no tokony hampoizina fa hataon’i Satana sy ireo demoniany izay hahatonga an’izao tontolo izao ho vonton’ny fanazavana manimba.
6. Amin’ny ahoana ny tontolon’ny fialam-boly no mety hahatonga ny olona iray tsy hihontsina intsony manoloana ny zava-dratsy ara-pitondran-tena?
6 Tokony hampoizina koa fa mety ho toa tsy manimba ny fahitana ny sasany amin’io fanazavana manimba io. (2 Korintiana 11:14). Diniho, ohatra, ny tontolon’ny fialam-boly, anisan’izany ireo fandaharana ao amin’ny televiziona, ny sarimihetsika, ny mozika, ary ny zavatra vita pirinty. Manaiky ny maro fa mihabetsaka kokoa ny endri-pialam-boly sasany manindrahindra fanao mampietry toy ny fahalotoam-pitondran-tena sy ny herisetra ary ny fidorohana zava-mahadomelina. Mety hisy olona ho tafintohina rehefa mahita na mandre voalohany endri-pialam-boly izay vao mainka miharatsy ara-pitondran-tena. Rehefa mahita na mandre izany miverimberina anefa ny olona iray, dia mety hanjary tsy hihontsina intsony. Tsy tokony hihevitra na oviana na oviana isika hoe azo ekena na tsy manimba, ny fialam-boly manindrahindra hevitra manimba.—Salamo 119:37.
7. Karazana fahendren’olombelona manao ahoana no mety hampihena tsikelikely ny fatokisantsika ny Baiboly?
7 Andeha isika handinika loharano hafa iray ipoiran’ny fanazavana mety hanimba, dia ireo hevitra tsy toko tsy forohana avoakan’ny mpahay siansa sy ny manam-pahaizana sasany, izay manohitra ny fahamarinan’ny Baiboly. (Ampitahao amin’ny Jakoba 3:15.) Miseho matetika ao amin’ireo gazetiboky be mpamaky sy ao amin’ireo boky tiam-bahoaka ny fanazavana toy izany, ka mety hampihena tsikelikely ny fatokisana ny Baiboly. Ireharehan’ny olona sasany ny fampihenana ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanombantombanana tsy misy farany. Efa nisy tamin’ny andron’ireo apostoly ny loza toy izany, araka ny hita mazava amin’ireto tenin’ny apostoly Paoly ireto: “Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin’ny filosofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana, araka ny abidim-pianaran’izao tontolo izao, fa tsy araka an’i Kristy.”—Kolosiana 2:8.
Fahavalon’ny fahamarinana
8, 9. Ahoana no isehoan’ny fivadiham-pinoana ankehitriny?
8 Mbola loza hafa iray mandrahona ny fahasalamantsika ara-panahy koa ny mpivadi-pinoana. Nanambara mialoha ny apostoly Paoly fa hisy fivadiham-pinoana hipoitra eo anivon’ireo mitonona ho Kristianina. (Asan’ny Apostoly 20:29, 30; 2 Tesaloniana 2:3). Ho fahatanterahan’io teniny io, dia nisy fivadiham-pinoana lehibe taorian’ny nahafatesan’ireo apostoly ka nitarika ho amin’ny fiforonan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristianina. Tsy misy fivadiham-pinoana lehibe ankehitriny eo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra. Na izany aza, dia nisy olona sasantsasany niala tamintsika, ary tapa-kevitra ny hanala baraka ny Vavolombelon’i Jehovah ny sasany amin’izy ireny, ka mampiely lainga sy fanazavana diso. Misy sasantsasany miara-miasa amin’ny antokon’olona hafa mba hanoherana amin’ny fomba maty paika ny fanompoam-pivavahana madio. Ny fanaovan’izy ireo izany, dia manondro azy ireo ho miandany amin’ilay tena mpivadi-pinoana voalohany, dia i Satana.
9 Ny mpivadi-pinoana sasany dia mihamampiasa fomba fampitam-baovao isan-karazany, anisan’izany ny Internet, mba hampielezana fanazavana diso momba ny Vavolombelon’i Jehovah. Vokatr’izany, dia mety ho tojo hevitra aelin’ny mpivadi-pinoana ny olona tso-po rehefa manao fikarohana momba ny zavatra inoantsika. Na ny Vavolombelona sasany aza, dia efa namela ny tenany hiantefan’izany fanazavana manimba izany, nefa tsy nahatsapa izany akory. Fanampin’izany, dia mandray anjara amin’ny fandaharana ao amin’ny televiziona na ny radio koa indraindray ny mpivadi-pinoana. Inona no lalam-pahendrena eo anatrehan’izany?
10. Inona no lalam-pahendrena manoloana ny hevitra aelin’ny mpivadi-pinoana?
10 Nanome toromarika ny Kristianina mba tsy handray mpivadi-pinoana ho ao an-tranony ny apostoly Jaona. Izao no nosoratany: “Raha misy olona mankeo aminareo ka tsy mitondra izao fampianarana izao, aza mampiantrano azy na miarahaba azy akory; fa izay miarahaba azy dia miombona amin’ny ratsy ataony.” (2 Jaona 10, 11). Hiaro antsika amin’ny fisainana manimba ananan’ireny mpanohitra ireny ny fanalavirana ny fifandraisana rehetra amin’izy ireny. Ny famelantsika ny tenantsika hiantefan’ny fampianaran’ny mpivadi-pinoana, amin’ny alalan’ny fomba fampitan-kevitra maoderina isan-karazany, dia manimba tsy misy hafa amin’ny fandraisana ara-bakiteny an’ilay mpivadi-pinoana ho ao an-tranontsika. Tsy tokony havelantsika na oviana na oviana hitaona antsika ho amin’ny lalana mampidi-doza toy izany ny fitia ta hahalala zavatra!—Ohabolana 22:3.
Ao anatin’ny kongregasiona
11, 12. a) Inona no loharano iray nipoiran’ny hevitra manimba, tao amin’ny kongregasiona kristianina tamin’ny taonjato voalohany? b) Tamin’ny ahoana ny Kristianina sasany no tsy nanohana mafy ny fampianarana araka an’Andriamanitra?
11 Andeha isika handinika loharano hafa iray koa mety hipoiran’ny hevitra manimba. Na dia tsy mikasa hampianatra hevi-diso aza ny Kristianina vita fanoloran-tena iray, dia mety hamboly fahazarana miteny tsy amim-piheverana. (Ohabolana 12:18). Tsy lavorary isika, ka hanota amin’ny lelantsika isika rehetra indraindray. (Ohabolana 10:19; Jakoba 3:8). Miharihary fa tamin’ny andron’ny apostoly Paoly, dia nisy olona sasany tsy nahafehy ny lelany tao amin’ny kongregasiona, ka tafiditra tamin’ny adihevitra momba ny teny, izay adihevitra tsy misy antony. (1 Timoty 2:8). Teo koa ny hafa izay nanizingizina loatra ny heviny manokana, eny nanohitra ny maha ara-dalàna ny fahefan’i Paoly mihitsy aza. (2 Korintiana 10:10-12). Niteraka fifandonana tsy amin’ny antony ny toe-tsaina toy izany.
12 Nitombo ho “fifandirana lalandava” ireny tsy fifanarahana ireny indraindray ka nandrava ny fihavanana teo anivon’ny kongregasiona. (1 Timoty 6:5; Galatiana 5:15). Nanoratra toy izao mahakasika ireo nampisy izany fifandirana izany ny apostoly Paoly: “Raha misy olona manao fampianarana hafa noho izany ka tsy manaiky ny teny tsy misy kilema, dia ny an’i Jesosy Kristy Tompontsika, sy ny fampianarana izay mahatonga ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, dia mieboebo foana izy ka tsy mahalala na inona na inona, fa adala amin’ny fiadian-kevitra sy ny fiadian-teny izay mahatonga fialonana, fifandirana, fanaratsiana, fiahiahian-dratsy”.—1 Timoty 6:3, 4.
13. Nanao ahoana ny fitondran-tenan’ny ankamaroan’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany?
Jakoba 1:27). Nanalavitra ny ‘fiarahana tamin’ny ratsy’ izy ireo, na dia ny tao anatin’ny kongregasiona kristianina aza, mba hiarovana ny fahasalamany ara-panahy.—1 Korintiana 15:33, Fandikan-teny Katolika; 2 Timoty 2:20, 21.
13 Soa ihany fa nahatoky ny ankamaroan’ny Kristianina tamin’ny andron’ny apostoly, ka nifantoka hatrany tamin’ilay asa fanambarana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Somokotra niahy ny ‘kamboty sy ny mpitondratena tamin’ny fahoriany’ izy ireo ary niaro tena “tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao”, ka tsy nandanilany ny fotoanany tamin’ny adihevitra momba ny teny, izay adihevitra tsy misy fotony. (14. Ahoana no mety hahatonga ny fifanakalozan-kevitra ara-dalàna ho fifandirana manimba raha tsy mitandrina isika?
14 Tsy toetra mampiavaka ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny koa ireo toe-javatra voalaza tao amin’ny fehintsoratra faha-11. Na izany aza anefa, dia fahendrena ho antsika ny manaiky fa mety ho tafiditra amin’ny adihevitra tsy misy fotony toy izany ny tenantsika. Mazava ho azy fa ara-dalàna ny mifanakalo hevitra momba ny fitantaran’ny Baiboly na ny manontany tena momba ny lafiny sasany amin’ilay tontolo vaovao nampanantenaina, dia ireo lafiny mbola tsy naharihary tamintsika. Tsy misy maha ratsy azy ny mifanakalo hevitra momba ny raharaha miankina amin’ny tsirairay, toy ny fitafiana sy fisehoana ankapobe, na ny fialam-boly fidina. Raha manjary mitompo teny fantatra anefa isika, ka tafintohina rehefa tsy miombon-kevitra amintsika ny hafa, dia mety hanjary hisara-bazana noho ny raharaha madinika ny kongregasiona amin’ny farany. Ny resaka tsy manimba sy tsy mampaninona eo am-boalohany dia mety hanjary tena manimba.
Fiarovana an’izay nankinina tamintsika
15. Hatraiza no mety hanimba antsika eo amin’ny lafiny ara-panahy ny “fampianaran’ny demonia”, ary torohevitra inona no omen’ny Soratra Masina?
15 Nampitandrina toy izao ny apostoly Paoly: “Ny Fanahy milaza marina fa amin’ny andro aoriana dia hihemotra amin’ny finoana ny sasany, manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran’ny demonia”. (1 Timoty 4:1). Eny, tena loza mandrahona tokoa ny hevitra manimba. Tsy mahagaga àry raha niangavy toy izao an’i Timoty, sakaiza tsy foiny, i Paoly: “Ry Timoty, tehirizo ilay [nankinina taminao, NW ], ka mialà amin’ny fibedibedena foana sy ny fanoherana avy amin’izay atao hoe fahalalana, kanjo tsy izy, izay neken’ny sasany, ka nania tamin’ny finoana izy.”—1 Timoty 6:20, 21.
16, 17. Inona no nankinin’Andriamanitra tamintsika, ary ahoana no tokony hiarovantsika izany?
16 Ahoana no ahafahantsika mandray soa amin’io fampitandremana nomena tamim-pitiavana io ankehitriny? Nanankinan-javatra i Timoty, eny, zava-tsarobidy tokony hokolokoloina sy harovana. Inona izany? Hoy ny fanazavan’i Paoly: “Aza mitsahatra mitana ny modelin’ny teny mahasalama izay renao tamiko, amin’ny finoana sy ny fitiavana izay mifandray amin’i Kristy Jesosy. Io zavatra tsara dia tsara nankinina taminao io dia tahirizo amin’ny alalan’ny fanahy masina izay mitoetra ao amintsika.” (2 Timoty 1:13, 14, NW ). Eny, anisan’ny zavatra nankinina tamin’i Timoty ny “teny mahasalama”, ‘ny fampianarana izay mifanaraka amin’ny fifikirana amin’Andriamanitra’. (1 Timoty 6:3, NW ). Mifanaraka amin’ireo teny ireo, dia tapa-kevitra ny hiaro ny finoany sy ny fitambaran’ny fahamarinana nankinina taminy ny Kristianina ankehitriny.
17 Tafiditra amin’ny fiarovana izany zavatra nankinina tamintsika izany ny fambolena toetra toy ny fahazarana tsara mianatra ny Baiboly sy ny faharetana amin’ny vavaka, eo am-panaovantsika “soa amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana”. (Galatiana 6:10; Romana 12:11-17). Mbola nananatra toy izao koa i Paoly: “Miezaha mitady fahamarinana, toe-panahy araka an’Andriamanitra, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy. Miadia ny ady tsaran’ny finoana, hazòny ny fiainana mandrakizay; fa ho amin’izany no niantsoana anao koa sy nanaovanao ilay fanekena tsara teo imason’ny vavolombelona maro.” (1 Timoty 6:11, 12). Ny nampiasan’i Paoly teny toy ny hoe “miadia ny ady tsaran’ny finoana” sy ny hoe “hazòny”, dia milaza mazava fa tsy maintsy manao zavatra amim-pahatapahan-kevitra isika mba hanoherana ny fitaomana manimba ara-panahy.
Ilaina ny fahaiza-manavaka
18. Ahoana no ahafahantsika Kristianina maneho fahaiza-mandanjalanja raha ny amin’ny fanazavana tsy ara-pivavahana?
18 Mazava ho azy fa ilaina ny fahaiza-manavaka mba hiadiana ny ady tsaran’ny finoana. (Ohabolana 2:11; Filipiana 1:9). Tsy ho fahalalana ny antonony, ohatra, ny tsy hatokisana ny fanazavana rehetra tsy ara-pivavahana. (Filipiana 4:5, NW; Jakoba 3:17, NW ). Tsy ny hevitr’olombelona rehetra akory no mifanohitra amin’ny Tenin’Andriamanitra. Nilaza an-kolaka i Jesosy hoe ilain’ny marary ny manatona mpitsabo mahay. Asa tsy ara-pivavahana anefa izany. (Lioka 5:31). Na dia azo lazaina ho mbola faran’izay tsotra aza ny fitsaboana tamin’ny andron’i Jesosy, dia nekeny fa nisy soa azo tamin’ny dokotera. Maneho fahaiza-mandanjalanja ny Kristianina ankehitriny raha ny amin’ny fanazavana tsy ara-pivavahana. Toherin’izy ireo tsy hiantefa any aminy kosa anefa izay rehetra mety hanimba azy ireo eo amin’ny lafiny ara-panahy.
19, 20. a) Ahoana no anehoan’ny loholona fahaiza-manavaka rehefa manampy an’ireo miteny tsy amim-pahendrena? b) Ahoana no ataon’ny kongregasiona manoloana ireo mikiribiby mampandroso fampianaran-diso?
19 Tena zava-dehibe koa ny hananan’ny loholona fahaiza-manavaka rehefa asaina hanampy an’ireo miteny tsy amim-pahendrena izy ireo. (2 Timoty 2:7). Indraindray, dia misy mpikambana ao amin’ny kongregasiona mety ho tafiditra amin’ny adihevitra ny amin-javatra tsinontsinona sy amin’ny fifandirana miorina amin’ny tombantombana fotsiny. Tokony ho mailaka handamina ny zava-manahirana toy izany ireo loholona mba hiarovana ny firaisan-tsain’ny kongregasiona. Etsy an-danin’izany, dia halavirin’izy ireo ny mihevitra hoe antony ratsy no manosika ireo rahalahiny. Tsy ho maika loatra hihevitra ireo rahalahiny ho mpivadi-pinoana koa izy ireo.
20 Nilazalaza ny toe-tsaina tokony hoenti-manampy i Paoly. Hoy izy: “Ry rahalahy, na dia manao fahadisoana alohan’ny hahatsapany azy aza ny olona iray, ianareo izay manana ireo toetra ara-panahy ilaina, miezaha hanitsy izany olona izany amin’ny toe-tsaina feno fahalemem-panahy”. (Galatiana 6:1, NW ). Nanoratra toy izao i Joda, raha niresaka manokana momba ny Kristianina izay miady amin’ny fisalasalana: “Amindrao fo ny sasany izay miahanahana; ary ny sasany kosa sariho avy amin’ny afo no famonjy azy”. (Joda 22, 23). Mazava ho azy fa raha mikiribiby mampandroso fampianaran-diso ny olona iray na dia efa nanarina imbetsaka aza, dia mila mandray fepetra hentitra ireo loholona mba hiarovana ny kongregasiona.—1 Timoty 1:20; Titosy 3:10, 11.
Famenoana ny saintsika amin-javatra mendri-piderana
21, 22. Tokony hahay hifantina ny amin’ny inona isika, ary inona no tokony hamenoantsika ny saintsika?
21 Halavirin’ny kongregasiona kristianina ny teny manimba izay ‘mandany tahaka ny aretina mihady’. (2 Timoty 2:16, 17; Titosy 3:9). Halaviriny avokoa na teny manome taratry ny ‘fahendren’izao tontolo izao’ mamitaka, na hevitra aelin’ny mpivadi-pinoana, na teny tsy amim-piheverana ao anatin’ny kongregasiona. Na dia mety hahasoa aza ny faniriana ara-dalàna hahalala zava-baovao, dia mety hahatonga antsika hiantefan’ny hevitra manimba ny fitia ta hahalala zavatra rehefa tsy voafehy. Fantatsika ny hafetsen’i Satana. (2 Korintiana 2:11). Fantatsika fa miezaka mafy hanelingelina antsika izy mba hampiadam-pamindra antsika eo amin’ny fanompoantsika an’Andriamanitra.
22 Aoka isika hanohana mafy ny fampianarana araka an’Andriamanitra, amin’ny maha mpanompo tsara antsika. (1 Timoty 4:6). Enga anie isika hampiasa amim-pahendrena ny fotoanantsika, ka hifantina ny fanazavana fidintsika horaisina. Amin’izay isika dia tsy ho mora voahozongozon’ny hevitra aelin’i Satana. Eny, “na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona mahate-ho-tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera” na zavatra mendri-piderana, dia aoka ho izany hatrany no hoheverintsika. Raha mameno ny saintsika sy ny fontsika amin-javatra toy izany isika, dia ho amintsika ilay Andriamanitry ny fiadanana.—Filipiana 4:8, 9.
Inona no Nianarantsika?
• Amin’ny ahoana no mety ho loza mandrahona ny fahasalamantsika ara-panahy ny fahendren’izao tontolo izao?
• Inona no azontsika atao mba hiarovan-tena amin’ny fanazavana manimba avy amin’ny mpivadi-pinoana?
• Karazana resaka manao ahoana no tokony hohalavirina, ao anatin’ny kongregasiona?
• Ahoana no anehoan’ny Kristianina fahaiza-mandanjalanja manoloana ny fanazavana tsy toko tsy forohana misy ankehitriny?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 9]
Gazetiboky sy boky maro tiam-bahoaka no mifanohitra amin’ny filamatra arahintsika Kristianina
[Sary, pejy 10]
Afaka mifanakalo hevitra ny Kristianina nefa tsy mitompo teny fantatra