Diniho ny Teny Ara-paminanian’Andriamanitra ho An’izao Androntsika Izao
Diniho ny Teny Ara-paminanian’Andriamanitra ho An’izao Androntsika Izao
“Aoka ho fantatrao, ry zanak’olona, fa io fahitana io dia milaza ny [fotoan’ny farany, “NW”].”—DANIELA 8:17.
1. Inona no irin’i Jehovah ho fantatry ny olombelona rehetra, raha ny amin’izao androntsika izao?
TSY hazonin’i Jehovah ho azy samirery ny fahalalana ny zavatra hitranga amin’ny hoavy. Mpanambara zava-miafina kosa aza izy. Iriny, raha ny marina, ny hahafantarantsika rehetra fa efa lasa lavitra ao anatin’ny “fotoan’ny farany” isika. Izany ka vaovao tena lehibe ho an’ireo olona enina arivo tapitrisa eto an-tany ankehitriny!
2. Nahoana ny olona no manahy ny amin’ny hoavin’ny olombelona?
2 Mahagaga ve raha manatona ny farany ity tontolo ity? Afaka mandeha eny amin’ny volana Raolombelona, nefa tsy afaka mandehandeha tsy amin-tahotra eny amin’ireo araben’ity tany ity izy, any amin’ny toerana maro. Afaka mameno ny tokantrano iray amin’ny fitaovana maoderina maro izy, nefa tsy afaka misakana ny fitomboan’ny fianakaviana rava. Ary afaka nampisy ny atao hoe vanim-potoanan’ny fampahalalam-baovao izy, nefa tsy afaka mampianatra ny olona hiara-miaina amim-pilaminana. Izany tsy fahombiazana rehetra izany dia manamafy ireo porofo maro dia maro omen’ny Soratra Masina, ny amin’ny hoe miaina amin’ny fotoan’ny farany isika ankehitriny.
3. Oviana no nampiasaina voalohany teto an-tany ilay teny hoe “fotoan’ny farany”?
3 Ny anjely Gabriela no voalohany nampiasa teto an-tany ilay teny manaitra hoe “fotoan’ny farany”, tokony ho 2 600 taona lasa izay. Nandre an’i Gabriela niteny toy izao ny mpaminanin’Andriamanitra raiki-tahotra iray: “Aoka ho fantatrao, ry zanak’olona, fa io fahitana io dia milaza ny [fotoan’ny farany, NW ].”—Daniela 8:17.
Izao no “fotoan’ny farany”!
4. Amin’ny fomba hafa inona avy no iresahan’ny Baiboly ny fotoan’ny farany?
4 Miseho inenina ao amin’ny bokin’i Daniela ny teny hoe “fotoan’ny farany” sy “fotoan’ny farany voatondro”. (Daniela 8:17, 19, NW; 11:35, 40, NW; 12:4, 9, NW ). Mifandray amin’ilay “any am-parany” nambaran’ny apostoly Paoly mialoha ireo teny ireo. (2 Timoty 3:1-5). I Jesosy Kristy dia niresaka an’io fe-potoana io hoe ny ‘fanatrehany’, izay tsy inona fa ny fanatrehany amin’ny maha Mpanjaka nomena fiandrianana any an-danitra azy.—Matio 24:37-39, NW.
5, 6. Iza no ‘nazoto nandinika’ nandritra ny fotoan’ny farany, ary inona no vokany?
5 Izao no ambaran’ny Daniela 12:4: “Hianao, ry Daniela, dia [ataovy zava-miafina, NW ] ny teny, ka asio tombo-kase ny taratasy mandra-pihavin’ny andro farany; maro no hazoto mandinika, ka hitombo ny fahalalana.” Natao zava-niafina sy nasiana tombo-kase ny ankabeazan’izay nosoratan’i Daniela ka tsy takatry ny sain’ny olombelona nandritra ny taonjato maro. Ahoana anefa ny amin’izao andro izao?
6 Nandritra izao fotoan’ny farany izao, dia Kristianina mahatoky maro no ‘nazoto nandinika’ ireo pejin’ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra. Inona no vokany? Noho ny fitahian’i Jehovah ny ezaka nataon’izy ireo, dia nanjary nitombo ny fahalalana marina. Notahina, ohatra, ny Vavolombelon’i Jehovah voahosotra ka afaka nahatakatra fa tonga Mpanjaka any an-danitra i Jesosy Kristy tamin’ny 1914. Mifanaraka amin’ny tenin’ny apostoly Petera voarakitra ao amin’ny 2 Petera 1:19-21, dia ‘mandinika ny teny ara-paminaniana’ ireo voahosotra ireo, sy ireo namany mahatoky, ka mahazo antoka tanteraka fa izao no fotoan’ny farany.
7. Inona no fitantarana sasany mahatonga ny bokin’i Daniela ho tsy manam-paharoa?
7 Tsy manam-paharoa ny bokin’i Daniela, amin’ny lafiny maromaro. Ao amin’ireo pejiny, dia amakiana ny tantaran’ny mpanjaka iray, izay nandrahona ny hamono an’ireo olon-kendriny, satria sady tsy afaka nanambara ilay nofy nahavery hevitra azy izy ireo no tsy afaka nilaza koa ny hevitr’ilay nofy. Afaka nanao izany kosa anefa ilay mpaminanin’Andriamanitra! Natsipy tao anaty lafaoro nohafanaina izaitsizy ny tanora telo lahy izay tsy nety nivavaka tamin’ny sary avo be iray, nefa tafavoaka velona ary tsy nisy nikainkona akory ny volony. Nandritra ny fanasana iray, dia nisy olona an-jatony maro nahita tanana iray nanoratra teny tsy hay fantarina teo amin’ny rindrin’ny lapa iray. Nisy mpioko ratsy fanahy nanao izay hanipazana lehilahy zokiolona iray tao an-davaky ny liona, nefa tsy naninon-tsy naninona izy io nivoaka avy tao. Nisy biby efatra hita tao amin’ny fahitana iray, ary mipaka hatratỳ amin’ny fotoan’ny farany ny hevitra ara-paminaniana fonosin’izy ireo.
8, 9. Amin’ny ahoana no afaka mitondra soa ho antsika ny bokin’i Daniela, indrindra fa amin’izao fotoan’ny farany izao?
8 Mazava fa misy lafiny roa samy hafa be ny bokin’i Daniela. Ny iray fitantarana, ary ny iray faminaniana. Samy afaka mampitombo ny finoantsika izy roa ireo. Ireo fitantarana dia mampiseho amintsika fa mitahy an’ireo mihazona tsy fivadihana aminy i Jehovah Andriamanitra. Mampitombo ny finoana kosa ireo faminaniana, amin’ny fampisehoana fa fantatr’i Jehovah, taonjato maro mialoha, eny, an’arivony taona maro mialoha mihitsy aza, izay ho fandehan’ny tantara.
9 Misarika ny saina ho amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ny faminaniana maro samihafa noraketin’i Daniela an-tsoratra. Eo am-pandinihantsika ny fahatanterahan’ireo faminaniana ireo, dia mihamatanjaka ny finoantsika, ary mihamafy torak’izany koa ny fiekentsika fa miaina amin’ny fotoan’ny farany isika. Namely an’i Daniela anefa ny mpanao tsikera sasany ka nilaza fa, raha ny marina, hono, ireo faminaniana ao amin’ilay boky mitondra ny anarany, dia nosoratana taorian’ireo fisehoan-javatra izay toa nanatanteraka azy ireo. Raha marina izany, dia hisy fisalasalana lehibe hipoitra momba izay nambaran’ny bokin’i Daniela mialoha ny amin’ny fotoan’ny farany. Lazain’ireo be fisalasalana ho tsy azo antoka koa ny fahamarinan’ireo fitantarana ao amin’ilay boky. Andeha àry isika hamotopototra momba izany.
Miakatra fitsarana!
10. Amin’ny heviny ahoana ny bokin’i Daniela no mitana ny toeran’ny voampanga?
10 Andeha hatao hoe manatrika fitsarana iray ny tenanao. Manizingizina ilay mpampanoa lalàna hoe meloka ho nanao hosoka ilay voampanga. Ny bokin’i Daniela dia milaza tena ho asa soratra azo itokisana, izay nosoratan’ny mpaminany hebreo iray niaina tamin’ny taonjato fahafito sy fahenina al.f.i. Manambara anefa ireo mpanao tsikera fa hosoka ilay boky. Andeha àry aloha hojerentsika raha mifanaraka amin’ny zava-misy ara-tantara ireo fitantarana ao amin’ilay boky.
11, 12. Ahoana ny amin’ilay fiampangana hoe olona tsy tena nisy i Belsazara?
11 Aoka hatao hoe mandinika ilay azo antsoina hoe raharaha ny amin’ilay mpanjaka tsy hita soritra ara-tantara isika. Asehon’ny Daniela toko faha-5
fa mpanjaka tao Babylona i Belsazara, fony resin’ny fahavalo io tanàna io, tamin’ny 539 al.f.i. Tsy nanaiky ny fahamarinan’izany ireo mpanao tsikera, satria hoe tsy hita na taiza na taiza ivelan’ny Baiboly ny anaran’i Belsazara. I Nabonida kosa no voamarin’ny mpahay tantara fahiny ho ny mpanjaka farany tao Babylona.12 Tamin’ny taona 1854 anefa, dia nisy varingarina tanimanga kely nofongarina tao amin’ireo sisan-javatra rava tao Ora, tanàna babylonianina fahiny, any Irak ankehitriny. Nirakitra vavaka iray izay niresahan’i Nabonida Mpanjaka an’i “Bel-sar-ussur, zanako lahimatoa”, ireo soratra miendri-pantsika teo amin’ireo varingarina ireo. Na dia ireo mpanao tsikera aza dia voatery nanaiky fa io ilay Belsazara voalazan’ny bokin’i Daniela. Koa tsy hoe tsy hita soritra àry izany ilay Mpanjaka lazaina fa toy izany, fa mbola tsy hita fotsiny tao amin’ireo soratra tsy ara-pivavahana. Izany dia iray monja amin’ireo porofo maro manamarina fa tena azo itokisana marina ireo asa soratr’i Daniela. Asehon’ny porofo toy izany fa tena anisan’ny Tenin’Andriamanitra tokoa ny bokin’i Daniela, ary mendrika ny hodinihintsika amim-pitandremana dieny amin’izao fotoan’ny farany izao.
13, 14. Iza moa i Nebokadnezara, ary andriamani-diso iza no tena notompoiny?
13 Tapany tsy misaraka amin’ny bokin’i Daniela ireo faminaniana mahakasika ny fifandimbiasan’ireo firenena matanjaka indrindra, sy ny zavatra nataon’ny sasany tamin’ny mpanapaka azy ireny. Azo nantsoina hoe mpiady nanorina empira ny iray tamin’ireny mpanapaka ireny. Fony izy mbola printsy handova ny seza fiandrianan’i Babylona, dia nanamontsana an’ireo tafika ejipsianina notarihin’i Farao-neko, tao Karkemisy, izy sy ny tafiny. Nisy hafatra azon’ilay printsy babylonianina nandresy anefa, ka voatery navelany ho an’ireo jeneraliny ny famongorana ny fahavalo sisa tavela. Nony fantany fa maty i Nabopolasara rainy, dia nandray ny seza fiandrianana io tovolahy nantsoina hoe Nebokadnezara io, tamin’ny 624 al.f.i. Nandritra ny fanjakany naharitra 43 taona, dia nanorina empira iray nahafaoka ireo faritra nanjakan’i Asyria taloha izy, ary nanitatra ny fanjakany hatrany Syria sy Palestina, eny, hatrany amin’ny sisin-tanin’i Ejipta aza.
14 Natolotra indrindra an’i Mardoka, ilay andriamanitra lehibe indrindran’i Babylona, ny fanompoam-pivavahan’i Nebokadnezara. Nihevitra an’i Mardoka ho loharanon’ireo fandresena rehetra azony ilay mpanjaka. Nanorina sy nanatsara ireo tempolin’i Mardoka sy ny an’ireo andriamanitra babylonianina maro hafa tao Babylona i Nebokadnezara. Nety ho natokana ho an’i Mardoka ilay sary volamena natsangan’io mpanjaka babylonianina io tao amin’ny lemak’i Dora. (Daniela 3:1, 2). Ary toa niantehitra mafy tamin’ny fanaovana sikidy i Nebokadnezara, teo am-panomanany ireo fanafihany ara-tafika.
15, 16. Inona no nataon’i Nebokadnezara ho an’i Babylona, ary inona no nitranga rehefa nirehareha ny amin’ny fahalehibeazan’izy io izy?
15 Nataon’i Nebokadnezara ho toa tsy ho azo noresena i Babylona, tamin’ny namitany ireo mandan’ilay renivohitra efa natomboky ny rainy—manda izay sady roa sosona no natevina. Mba hanomezana fahafaham-po ilay vadiny medianina, izay nanembona ireo havoana sy ala tany an-tanindrazany, dia voalaza fa nanorina ireo zaridaina nihantona i Nebokadnezara. Iray tamin’ireo zava-nahatalanjona fito teo amin’ny tontolo fahiny ireo zaridaina nihantona ireo. Nanao an’i Babylona ho tanàna nimanda lehibe indrindra tamin’izany fotoana izany izy. Ary toy inona moa ny fireharehany ny amin’io foiben’ny fanompoam-pivavahan-diso io!
16 “Tsy ity va no Babylona lehibe, izay nataoko?”, hoy ny fireharehan’i Nebokadnezara indray andro. Araka ny Daniela 4:27-33 anefa, “raha mbola teo am-bavan’ny mpanjaka ihany ny teny”, dia lasa adala izy. Tsy afaka nanjaka izy, nandritra ny fito taona, ary nihinana ahitra, tsy nisy hafa tamin’izay efa nambaran’i Daniela mialoha. Naverina taminy, avy eo, ny fanjakany. Fantatrao ve ny hevitra ara-paminaniana fonosin’izany rehetra izany? Hainao hazavaina ve hoe amin’ny ahoana ny fahatanterahan’izy io amin’ny ambaratonga lehibe no mitondra antsika hatratỳ amin’ny fotoan’ny farany?
Tapany ara-paminaniana nosinganina
17. Ahoana no ilazalazanao ilay nofy ara-paminaniana nomen’Andriamanitra an’i Nebokadnezara tamin’ny taona faharoa nanjakany, tamin’ny naha mpanapaka nahery indrindra teto an-tany azy?
17 Andeha hosinganintsika izao ireo tapany ara-
paminaniana sasany ao amin’ny bokin’i Daniela. Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Nebokadnezara, mpanapaka nahery indrindra teto an-tany tao amin’ny faminaniana ara-baiboly (606/605 al.f.i.), dia nanome azy nofy nampahatahotra iray Andriamanitra. Araka ny Daniela toko faha-2, ilay nofy dia momba ny sariolona goavana iray nanana loha volamena, tratra sy sandry volafotsy, kibo sy fe varahina, ranjo vy ary tongotra vy nifangaro tanimanga. Sary nampiseho inona ireo tapany maro samihafa tamin’ilay sariolona?18. Sary nampiseho inona ny loha volamena, ny tratra sy sandry volafotsy, ary ny kibo sy fe varahin’ilay sariolona tao amin’ilay nofy?
18 Hoy ilay mpaminanin’Andriamanitra tamin’i Nebokadnezara: “Hianao, ry mpanjaka ô, (...) hianao izany loha volamena izany.” (Daniela 2:37, 38). I Nebokadnezara no voalohany tamin’ny tarana-mpanjaka iray izay nanjaka teo amin’ny Empira Babylonianina. Resin’i Media-Persia, izay nasehon’ilay tratra sy sandry volafotsin’ilay sariolona, izy io. Tonga, avy eo, ny Empira Grika, nasehon’ilay kibo sy fe varahina. Ahoana no niandohan’io firenena natanjaka indrindra io?
19, 20. Iza moa i Aleksandra Lehibe, ary inona no anjara asany tamin’ny nahatongavan’i Gresy ho firenena natanjaka indrindra?
19 Tamin’ny taonjato fahefatra al.f.i., dia nanana anjara asa lehibe teo amin’ny fahatanterahan’ny faminanian’i Daniela ny tovolahy iray. Teraka tamin’ny 356 al.f.i. izy io, ary nanjary niantso azy hoe Aleksandra Lehibe izao tontolo izao. Rehefa maty novonoin’olona i Philippe rainy tamin’ny 336 al.f.i., dia nandova ny seza fiandrianan’i Macédoine i Aleksandra, teo amin’ny faha-20 taonany.
20 Tany amin’ny voalohandohan’ny volana May 334 al.f.i., dia nanomboka fanafihana nifampitohitohy hakana tanin’olona i Aleksandra. Nanana tafika kely nefa nahomby, izy, dia miaramila nandeha an-tongotra 30 000 sy miaramila nitaingin-tsoavaly 5 000. Teo amin’ny Ony Granique, any amin’ny faritra avaratrandrefan’i Azia Minora (Torkia ankehitriny), no voalohany nandresen’i Aleksandra ny Persanina, tamin’ny 334 al.f.i. Tamin’ny 326 al.f.i., dia efa nandresy tanteraka ny Persanina io mpandresy be fikirizana io, ary tonga hatrany amin’ny Ony Indus, tany atsinanana, any amin’ny misy an’i Pakistan ankehitriny. Resy tamin’ny ady farany nataony anefa i Aleksandra, fony izy tany Babylona. Tamin’ny 13 Jona 323 al.f.i., rehefa niaina 32 taona sy 8 volana monja i Aleksandra, dia resin’ilay fahavalo nampahatahotra indrindra, dia Rafahafatesana. (1 Korintiana 15:55). Noho ireo fandresena azon’i Aleksandra anefa, dia tonga firenena natanjaka indrindra i Gresy, araka ny nambaran’ny faminanian’i Daniela mialoha.
21. Ankoatra ny Empira Romanina, iza koa no fanjakana matanjaka nasehon’ireo ranjo vin’ilay sariolona tao amin’ilay nofy?
21 Sary mampiseho inona ireo ranjo vin’ilay sariolona goavana? Tsy inona akory fa i Roma, izay toy ny vy nanorotoro sy nanamontsana ny Empira Grika. Tsy nanaja velively ny Fanjakan’Andriamanitra notorin’i Jesosy Kristy ny Romanina, ka namono azy io teo amin’ny hazo fijaliana tamin’ny 33 am.f.i. Nitady hanamontsana ny Kristianisma marina i Roma, ka nanenjika ny mpianatr’i Jesosy. Tsy ny Empira Romanina ihany anefa no nasehon’ ireo ranjo vin’ilay sariolona nonofisin’i Nebokadnezara, fa ny rantsany ara-politika koa, dia ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina.
22. Amin’ny ahoana ilay sariolona tao amin’ilay nofy no manampy antsika hahita fa efa lasa lavitra ao anatin’ny fotoan’ny farany isika ankehitriny?
22 Ny fandinihana amim-pitandremana ataontsika dia manaporofo fa efa lasa lavitra ao anatin’ny fotoan’ny farany isika ankehitriny, satria efa tonga eo amin’ireo tongotra vy sy tanimangan’ilay sariolona tao amin’ilay nofy isika. Toy ny vy, na tsy refesi-mandidy, ny fitondram-panjakana sasany ankehitriny, fa ny hafa kosa toy ny tanimanga. Marefo ny tanimanga, izay nanaovana ny “taranak’olombelona”. Na izany aza anefa, ireo fanapahana toy ny vy dia voatery namela ny sarambaben’olona hilaza ny heviny momba ireo fitondram-panjakana mitondra azy. (Daniela 2:43; Joba 10:9). Mazava ho azy fa tsy mety mitambatra ny fanapahana tsy refesi-mandidy sy ny sarambaben’olona, toy ny tsy hetezan’ny vy sy ny tanimanga hitambatra. Tsy ho ela anefa dia hamarana ity tontolo voazarazara ara-politika ity ny Fanjakan’Andriamanitra.—Daniela 2:44.
23. Ahoana no ilazalazanao ilay nofy sy ireo fahitana hitan’i Daniela tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Belsazara?
23 Mitondra antsika ho amin’ny fotoan’ny farany koa ny toko faha-7 ao amin’ny faminanian’i Daniela, izay mahaliana aoka izany. Mitantara fisehoan-javatra iray teo amin’ny taona voalohany nanjakan’i Belsazara, mpanjakan’i Babylona, io toko io. Tamin’izay, i Daniela izay efa maherin’ny 70 taona, dia ‘nanonofy sy nahita fahitana tao am-pandriany’. Tena naharaiki-tahotra azy tokoa ireo fahitana ireo! “Indreo”, hoy ny fihiakany, “ny rivotra efatry ny lanitra nibosesika teny amin’ny ranomasina lehibe. Ary nisy biby efatra lehibe samy hafa niakatra avy tamin’ny ranomasina.” (Daniela 7:1-8, 15). Hafakely izany raha biby! Ny voalohany dia liona nanana elatra, ary ilay faharoa dia tahaka ny bera na orsa. Avy eo dia iny nisy leoparda iray nanana elatra efatra sy loha efatra! Ilay biby fahefatra nanan-kery tsy fahita kosa dia nanana nify vy lehibe sy tandroka folo. Avy teo amin’ireo tandrony folo no nipoiran’ny tandroka “kely” iray, izay nanana “maso toy ny mason’olona” sy ‘vava niteny zavatra nihoa-pampana’. Sampontsampona avokoa izany raha biby!
24. Araka ny Daniela 7:9-14, inona no hitan’i Daniela tany an-danitra, ary manondro inona izany?
24 Ny any an-danitra indray izao no hitan’i Daniela. (Daniela 7:9-14). Hita mipetraka amim-boninahitra ho Mpitsara eo amin’ny seza fiandrianany “ny Fahagola”, dia i Jehovah Andriamanitra. ‘Arivoarivo no manompo azy, ary alinalina no mitsangana eo anatrehany.’ Manameloka ireo biby Andriamanitra, ka manaisotra ny fanapahana amin’izy ireo, ary mamono an’ilay biby fahefatra. Omena fanapahana maharitra itondrana ny “fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny” ny olona iray “toy ny zanak’olona”. Izany dia manondro ny fotoan’ny farany sy ny fandraisan’ny Zanak’olona—Jesosy Kristy—ny seza fiandrianana, tamin’ny 1914.
25, 26. Fanontaniana inona avy no mety hipoitra rehefa mamaky ny bokin’i Daniela isika, ary boky inona no afaka manampy antsika hamaly azy ireny?
25 Azo antoka fa manana fanontaniana ireo mpamaky ny bokin’i Daniela. Ohatra, sary mampiseho inona ireo biby efatra voalazan’ny Daniela toko faha-7? Ahoana no hanazavana ilay “fito-polo herinandro” ara-paminaniana, voalaza ao amin’ny Daniela 9:24-27? Ahoana ny amin’ny Daniela toko faha-11 sy ilay fifandonana nambaran’ny faminaniana fa hisy eo amin’ny “mpanjakan’ny avaratra” sy ny “mpanjakan’ny atsimo”? Inona no azontsika ampoizina ny amin’ireo mpanjaka ireo amin’ny fotoan’ny farany?
26 Nomen’i Jehovah fahaiza-mahatakatra ireo raharaha ireo ny mpanompony voahosotra eto an-tany, dia “ny olo-masin’ny Avo Indrindra”, araka ny iantsoana azy ireo ao amin’ny Daniela 7:18. Ankoatra izany, dia nisy zavatra nomanin’ny “mpanompo mahatoky sy malina” mba hahatakarantsika misimisy kokoa ireo soratra ara-tsindrimandry nosoratan’i Daniela mpaminany. (Matio 24:45, NW ). Azo raisina izany ankehitriny, amin’ny alalan’ilay boky navoaka vao haingana hoe Diniho ny Faminanian’i Daniela! Manazava ny tapany rehetra ao amin’ny bokin’i Daniela io boky voaravaka sary tsara tarehy 320 pejy io. Izy io dia mivaofy momba ny faminaniana tsirairay mampitombo finoana sy ny fitantarana rehetra nosoratan’i Daniela, ilay mpaminany malala.
Ny tena heviny ho an’ny androntsika
27, 28. a) Inona no marina mahakasika ny fahatanterahan’ireo faminaniana ao amin’ny bokin’i Daniela? b) Miaina amin’ny fotoana inona isika ankehitriny, ary inona no tokony hataontsika?
27 Hevero izao hevitra lehibe izao: Efa tanteraka avokoa ny faminaniana rehetra ao amin’ny bokin’i Daniela, afa-tsy ny tsipiriany sasantsasany. Ohatra, efa hitantsika ankehitriny ilay toe-draharaha maneran-tany nasehon’ireo tongotr’ilay sariolona tao amin’ilay nofy, voalaza ao amin’ny Daniela toko faha-2. Nesorina ny fehin’ilay foto-kazo voalaza ao amin’ny Daniela toko faha-4, rehefa nandray ny seza fiandrianana i Jesosy Kristy, ilay Mpanjaka Mesianika, tamin’ny taona 1914. Eny, araka ny nambara mialoha ao amin’ny Daniela toko faha-7, dia nanome fanapahana ny Zanak’olona ilay Fahagola tamin’izay fotoana izay.—Daniela 7:13, 14; Matio 16:27–17:9.
28 Samy efa lasa avokoa ireo 2 300 andro ao amin’ny Daniela toko faha-8 sy ireo 1 290 andro ary ireo 1 335 andro ao amin’ny toko faha-12. Ny fandinihana ny Daniela toko faha-11 dia mampiseho fa efa tonga eo amin’ny ambaratonga farany ilay fifandonana eo amin’ny “mpanjakan’ny avaratra” sy ny “mpanjakan’ny atsimo”. Izany rehetra izany dia porofo fanampiny omen’ny Soratra Masina ny amin’ny hoe efa lasa lavitra ao anatin’ny fotoan’ny farany isika ankehitriny. Rehefa heverina ny toerana tsy manam-paharoa misy antsika eo amin’ny fandehan’ny fotoana, tokony ho tapa-kevitra ny hanao inona isika? Tsy isalasalana fa tokony handinika ny teny ara-paminanian’i Jehovah Andriamanitra isika.
Ahoana no Havalinao?
• Inona no irin’Andriamanitra ho fantatry ny olombelona rehetra momba ny androntsika?
• Amin’ny ahoana ny bokin’i Daniela no mampitombo ny finoantsika?
• Inona avy ireo lafiny nisongadina tamin’ilay sariolona tao amin’ny nofin’i Nebokadnezara, ary sary nampiseho inona izy ireo?
• Inona no tsara homarihina momba ny fahatanterahan’ireo faminaniana ao amin’ny bokin’i Daniela?
[Fanontaniana]