Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hazo Oliva Mirobona ao An-tranon’ Andriamanitra

Hazo Oliva Mirobona ao An-tranon’ Andriamanitra

Hazo Oliva Mirobona ao An-tranon’ Andriamanitra

ANY Isiraely, dia misy hazo maniry izay saiky tsy mety maty. Na dia kapaina aza izy io, tsy ela dia mamoaka solofony vaovao ny fotony. Ary rehefa jinjaina ny voany, dia ahazoan’ny tompony diloilo be dia be, izay azo ampiasaina mba hahandroan-tsakafo, hanaovana jiro, hidiovana ary hanamboarana menaka fanosotra.

Araka ny fanoharana fahiny iray voarakitra ao amin’ny bokin’ny Mpitsara, ao amin’ny Baiboly, dia “niainga, hono, ny hazo hanosotra mpanjaka hanjaka aminy”. Hazo inona tany an’ala no nofidiny voalohany? Tsy inona fa ny hazo oliva mafy aina sy mamoa be.​—Mpitsara 9:8.

Maherin’ny 3 500 taona lasa izay, i Mosesy mpaminany dia nilazalaza ny Isiraely ho ‘tany soa, dia tany misy hazo oliva ‘. (Deoteronomia 8:7, 8). Na ankehitriny aza, dia ahitana hazo oliva mitsitokotoko, avy eo am-pototry ny Tendrombohitra Hermona, any avaratra, ka hatrany amoron’i Beri-sheba, any atsimo. Mbola mandravaka ny Lemak’i Sarôna amorontsiraka, sy ny tehezan-tanin’i Samaria feno vato, ary ny lohasaha lonak’i Galilia, ihany izy ireo.

Matetika ireo mpanoratra ny Baiboly no nampiasa ny hazo oliva tamin’ny heviny an’ohatra. Ny toetoetran’io hazo io dia mampiseho ny famindram-pon’Andriamanitra sy ny fampanantenana fitsanganana amin’ny maty ary ny fananana fiainam-pianakaviana sambatra. Ny fandinihana akaiky kokoa ny hazo oliva dia hanampy antsika hahatakatra ireny fakan-teny avy ao amin’ny Soratra Masina ireny, sy handalina ny fankasitrahantsika an’io hazo hafakely io, izay miara-midera ny Mpanao azy amin’ny zavatra noforonina hafa.​—Salamo 148:7, 9.

Ilay hazo oliva marokoroko

Tsy dia manaitra ny maso loatra ny hazo oliva, raha vao jerena. Tsy manaka-danitra, tahaka ny sedera mijoalajoalan’i Libanona sasany, izy io. Tsy dia ankafizina loatra tahaka ny kypreso ny hazony, ary tsy mahafinaritra ny maso tahaka ny an’ireo hazo amandie ny voniny. (Tonon-kiran’i Solomona 1:17; Amosa 2:9). Ny zava-dehibe indrindra amin’ny hazo oliva dia tsy hitan’ny maso​—any ambanin’ny tany. Ireo fakany maro be, izay mety hahatratra hatramin’ny enina metatra ambanin’ny tany sy mahitsy kokoa no miantoka ny hakanton’ilay hazo sy ny fahavelomany.

Ireo fakany ireo dia mamela ny hazo oliva eny amin’ny tehezan-tany feno vato, ho velona ihany mandritra ny main-tany, na dia efa matin’ny hetaheta aza ireo hazo eny amin’ny lohasaha erỳ ambany. Mahatonga azy io hamokatra oliva foana, mandritra ny taonjato maro, ireo fakany, na dia mety ho toa mendrika ny hatao kitay aza ilay vatan-kazo feno tonony. Ny hany zavatra tadiavin’io hazo marokoroko io, dia toerana ampy haniriany sy tany ampy rivotra tsara mba hahafahany hiaina, sady tsy misy ahidratsy na zavamaniry hafa izay mety hisy bibikely mpanimba voly. Raha mahazo ireo zavatra tadiaviny ireo ny hazo iray, dia hahazoana menaka hatrany amin’ny 57 litatra isan-taona.

Tsy isalasalana fa tian’ireo Isiraelita ny oliva, noho ny menaka sarobidy avy aminy. Nanazava ny tranony ny lahin-jiro nisy menaka oliva. (Levitikosy 24:2). Tena nilaina teo amin’ny fandrahoan-tsakafo ny menaka oliva. Niaro ny hoditra tamin’ny masoandro izy io, ary nahazoan’ny Isiraelita savony fanasana. Ny voa madinika sy ny divay ary ny oliva no vokatra fototra tao amin’ilay tany. Araka izany, dia niteraka loza ho an’ny fianakaviana isiraelita iray ny tsy fiakaran’ny vokatra oliva.​—Deoteronomia 7:13; Habakoka 3:17.

Mazàna anefa no tondraka ny menaka oliva. I Mosesy dia niresaka ny Tany Nampanantenaina ho ‘tany misy oliva’, azo inoana fa noho ny oliva izay hazo famboly indrindra tao amin’ilay faritra. I H. B. Tristram, mpandinika zavaboary tamin’ny taonjato faha-19, dia nilaza ny oliva ho “ilay hazo nampiavaka ilay tany”. Noho ny hasarobidiny sy ny habetsahany, dia nampiasaina toy ny vola fifanakalozana iraisam-pirenena nanerana ny faritr’i Mediterane mihitsy aza ny menaka oliva. Na i Jesosy Kristy aza dia niresaka momba ny trosa iray, izay notombanana ho “[menaka oliva, NW ] injaton’ny famarana”.​—Lioka 16:5, 6.

“Tahaka ny zanak’oliva”

Ilay hazo oliva mahasoa dia mampiseho tsara ny fitahian’Andriamanitra. Ahoana no hamaliana soa ny olona iray matahotra an’Andriamanitra? “Ny vadinao dia tahaka ny voaloboka mahavokatra ao anatin’ny tranonao”, hoy ny hiran’ny mpanao salamo. “Ny zanakao dia tahaka ny zanak’oliva manodidina ny latabatrao.” (Salamo 128:3). Inona moa ireo “zanak’oliva” ireo, ary nahoana ny mpanao salamo no nampitaha azy ireo tamin’ny zanaka?

Hafakely ny hazo oliva, noho ny fisian’ny solofony vaovao mitsimoka tsy an-kijanona avy eo amin’ny fotony. * Rehefa tsy mamoa tahaka ny taloha intsony ilay vatabeny, noho ny fahanterana, ireo mpamboly dia mety hamela zanany maromaro, na solofony vaovao, haniry mandra-pahatongan’izy ireo ho tapany tsy misaraka amin’ilay hazo. Rehefa mandeha ny fotoana, dia hisy vatan-kazo tanora sady matanjaka telo na efatra hanodidina an’ilay hazo voalohany, tahaka ny zanaka manodidina ny latabatra iray. Iray ihany ny fototr’ireny zanany ireny, ary samy mamokatra oliva be dia be izy ireo.

Io toetran’ny hazo oliva io dia mampiseho tsara fa afaka mitombo sy miorina mafy ao amin’ny finoana ny zanakalahy sy ny zanakavavy, noho ny fototra ara-panahy matanjaka ananan’ny ray aman-dreniny. Rehefa mihalehibe ny zanaka, dia manome vokatra sy manohana ny ray aman-dreniny koa, izay faly mahita ny zanany manompo an’i Jehovah miaraka aminy.​—Ohabolana 15:20.

“Misy fanantenana na dia ho an’ny hazo aza”

Miravoravo, noho ny zanany tia an’Andriamanitra, ny ray iray efa antitra, izay manompo an’i Jehovah. Ireo zanaka ireo anefa dia halahelo, rehefa “handeha amin’ny làlan-kalehan’ny tany rehetra” ny rainy, amin’ny farany. (1 Mpanjaka 2:2). Mba hanampiana antsika hiatrika izany loza mahazo ny fianakaviana izany, dia manome toky antsika ny Baiboly fa hisy fitsanganana amin’ny maty.​—Jaona 5:28, 29; 11:25.

Nahafantatra tsara ny hafohin’ny androm-piainan’ny olombelona i Joba, ilay raim-pianakaviana maro anaka. Nampitaha azy io tamin’ny voninkazo iray, mora malazo, izy. (Joba 1:2; 14:1, 2). Naniry mafy ny ho faty i Joba, mba handosirany ny fijaliany, ka nihevitra ny fasana ho toeram-piafenana, izay mbola hahafahany hivoaka. “Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy?”, hoy ny fanontanian’i Joba. Avy eo dia namaly tamin-toky izy hoe: “Raha izany, dia hiandry mandritra ny andro fanafihako aho, mandra-pahatongan’ny fahafahako. Dia hiantso Hianao [Jehovah], ary izaho hamaly anao; ary mba halahelo ny asan’ny tànanao hianao.”​—Joba 14:13-15.

Ahoana no nampisehoan’i Joba ny fiekeny mafy fa hiantso azy avy ao am-pasana Andriamanitra? Tamin’ny alalan’ny hazo iray, ka ny filazalazany azy io dia mahatonga hino fa niresaka momba ny hazo oliva izy. “Misy fanantenana na dia ho an’ny hazo aza”, hoy i Joba. “Raha voakapa izy, dia mbola hitsimoka indray”. (Joba 14:7, NW ). Azo kapaina ny hazo oliva, nefa tsy hamono azy izany. Raha ongotana ihany ilay hazo vao ho faty. Raha tsy voakasika ireo fakany, dia hitsimoka indray ilay hazo, ka hanana hery vaovao.

Na dia mampahalazo be ny hazo oliva iray efa antitra aza ny hain-tany maharitra, dia afaka ny ho velona indray ilay foto-kazo efa nikainkona. “Na dia efa tonga antitra ao amin’ny tany aza ny fàkany, ary maty ao amin’ny vovoka ny fotony, raha mahare ny fofon-drano izy, dia hitsimoka indray, ka handrahaka tahaka ny hazo tanora nambolena.” (Joba 14:8, 9). Niaina tany amin’ny tany maina sy be vovoka i Joba, ka tsy maintsy ho nahita fototr’oliva maro efa antitra, izay toa maina sy maty, izy tany. Rehefa tonga anefa ny orana, dia nahazo aina indray izany hazo “maty” izany, ary nisy vatany vaovao nivoaka avy teo amin’ny fakany, toy ny hoe “hazo tanora nambolena”. Io fahaiza-miarina miavaka io dia nahatonga ny mpanao zaridaina tonizianina iray hilaza hoe: “Azo atao tsara ny milaza hoe tsy mety maty ny hazo oliva.”

Toy ny mpamboly iray maniry hahita ny hazo olivany malazo hitsimoka indray, i Jehovah koa dia maniry hanangana ny mpanompony mahatoky amin’ny maty. Miandry ny fotoana hahatafaverina indray ho amin’ny fiainana ny olona nahatoky, toa an’i Abrahama sy i Saraha, i Isaka sy i Rebeka ary ny maro hafa, izy. (Matio 22:31, 32). Tena hahafinaritra tokoa ny hitsena an’ireo nodimandry sy hahita azy ireo hanana indray fiainana lavorary sy hahitam-bokatra!

Ilay hazo oliva ara-panoharana

Ny famindram-pon’Andriamanitra dia miseho amin’ny tsy fizahany tavan’olona, ary koa amin’ny fandaharana nataony momba ny fitsanganana amin’ny maty. Nampiasa ny hazo oliva ny apostoly Paoly, mba hampisehoana fa maneho famindram-po amin’ny olona i Jehovah, na manao ahoana na manao ahoana firazanany sy fiaviany. Nandritra ny taonjato maro, dia nirehareha ireo Jiosy, noho izy ireo vahoaka voafidin’Andriamanitra, “taranak’i Abrahama”.​—Jaona 8:33; Lioka 3:8.

Tsy zavatra notakina mba hahazoana ny fankasitrahan’Andriamanitra, ny hoe teraka tao amin’ny firenena jiosy. Ireo mpianatr’i Jesosy voalohany indrindra anefa dia Jiosy avokoa, ary nanana ilay tombontsoa ho anisan’ny olombelona voalohany nofidin’Andriamanitra mba hahaforona ilay taranaka nampanantenaina an’i Abrahama. (Genesisy 22:18; Galatiana 3:29). Nampitovin’i Paoly tamin’ny sampan’ny hazo oliva ara-panoharana ireny mpianatra jiosy ireny.

Nanda an’i Jesosy ny ankamaroan’ireo Jiosy ara-nofo, ka tsy nahafeno fepetra ho anisan’ny “ondry vitsy”, na “ny Isiraelin’Andriamanitra”, amin’ny hoavy. (Lioka 12:32; Galatiana 6:16). Araka izany, dia nanjary toy ny sampan’oliva ara-panoharana izay notapahina, izy ireo. Iza no haka ny toerany? Tamin’ny taona 36 am.f.i., dia nisy Jentilisa nofidina mba ho tonga anisan’ny taranak’i Abrahama. Toy ny hoe nanao grefy sampan’oliva dia tamin’ny hazo oliva tsara i Jehovah. Anisan’ireo izay hahaforona an’ilay taranaka nampanantenaina an’i Abrahama ny olona tany amin’ireo firenena. Ireo Kristianina jentilisa izao dia afaka ny ho tonga ‘mpiombona amin’ny fakan’ny menaky ny hazo oliva’.​—Romana 11:17.

Ho an’ny mpamboly iray, ny fanaovana grefy sampan’oliva dia iray amin’ny hazo oliva tsara, dia tsy ho azo eritreretina sady ‘tsy ho araka ny natiora’. (Romana 11:24, NW ). “Ataovy grefy amin’ilay dia ilay tsara, ary araka ny filazan’ny Arabo, dia handresy ilay dia izy”, hoy ny hazavain’ny boky The Land and the Book, “nefa tsy afaka manao amim-pahombiazana ny mifamadika amin’izany ianao.” Talanjona koa ireo Kristianina jiosy, rehefa ‘nitsinjo ny jentilisa i Jehovah tamin’ny voalohany, hanalany olona aminy hankalazana ny anarany’. (Asan’ny Apostoly 10:44-48; 15:14). Izany anefa dia famantarana mazava, fa tsy niankina tamin’ny firenena iray na iza na iza ny fahatanterahan’ny fikasan’Andriamanitra. Tsia, satria “amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany”.​—Asan’ny Apostoly 10:35.

Nilaza i Paoly fa raha nisy ‘sampan’ny’ hazo oliva notapahina, dia ny Jiosy tsy nahatoky, dia mety hitranga amin’ny olon-kafa rehetra tsy mahazo ny fankasitrahan’i Jehovah, noho ny avonavona sy ny tsy fankatoavana, koa izany. (Romana 11:19, 20). Izany dia tena mampiseho fa tsy tokony hoheverina ho toy ny mandeha ho azy ny hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory.​—2 Korintiana 6:1.

Fanosorana diloilo

Ny Soratra Masina dia manisy firesahana ara-bakiteny sy an’ohatra ny amin’ny fampiasana ny menaka oliva. Tamin’ny andro fahiny, ny ratra sy ny mangana dia “[nohalefahina tamin’ny, NW ] diloilo” mba hahasitrana azy. (Isaia 1:6). Araka ny iray tamin’ny fanoharan’i Jesosy, ilay Samaritanina tia namana dia nandraraka menaka oliva sy divay teo amin’ny ferin’ilay lehilahy hitany teny an-dalana ho any Jeriko.​—Lioka 10:34.

Mamelombelona sy mampitony ny fanosorana menaka oliva amin’ny lohan’ny olona iray. (Salamo 141:5). Ary rehefa mikarakara raharaha momba ny aretina ara-panahy ireo loholona kristianina, dia mety “hanosotra diloilo [ny mpikambana iray ao amin’ny kongregasiona] amin’ny anaran’ny Tompo”. (Jakoba 5:14). Ny torohevitra feno fitiavana miorina amin’ny Soratra Masina, sy ny vavaka amim-pahatsorana ataon’ireo loholona ho an’ny mpiray finoana aminy, izay marary ara-panahy, dia ampitahaina amin’ny menaka oliva mampitony. Mahaliana fa amin’ny fomba fiteny andavanandro hebreo, ny lehilahy tsara iray dia lazaina ho “menaka oliva madio”, indraindray.

“Hazo oliva maitso ao an-tranon’Andriamanitra”

Rehefa heverina ireo hevitra vao avy nolazaina teo, dia tsy mahagaga raha azo ampitahaina amin’ny hazo oliva ny mpanompon’Andriamanitra. Naniry ny ho tahaka ny “hazo oliva maitso ao an-tranon’Andriamanitra” i Davida. (Salamo 52:8). Tsy nisy hafa tamin’ny nisian’ny hazo oliva nanodidina ny tranon’ny fianakaviana isiraelita matetika, no nanirian’i Davida ny ho eo akaikin’i Jehovah sy hamoa mba ho fiderana azy.​—Salamo 52:9.

Fony nahatoky teo anatrehan’i Jehovah ny fanjakan’ireo foko roan’ny Joda, dia tahaka ny “hazo oliva maitso sady misy voany maha-te-hizaha”. (Jeremia 11:15, 16). Namoy izany tombontsoa izany anefa ny vahoakan’ny Joda, rehefa ‘tsy nety nihaino ny tenin’i Jehovah, ka nanaraka andriamani-kafa’.​—Jeremia 11:10.

Mba hahatongavana ho hazo oliva maitso ao an-tranon’Andriamanitra, dia tsy maintsy mankatò an’i Jehovah isika, ka ho vonona hanaiky ilay fifehezana, izay “handrantsanany” antsika, mba hahafahantsika hamoa vokatra kristianina bebe kokoa. (Hebreo 12:5, 6). Fanampin’izany, toy ny hazo oliva ara-bakiteny izay mila fakany maro be mba tsy hahafatesana mandritra ny hain-tany, isika koa dia mila mampiorina mafy ny fakantsika ara-panahy, mba hiaretana fisedrana sy fanenjehana.​—Matio 13:21; Kolosiana 2:6, 7.

Ny hazo oliva dia mampiseho tsara ny Kristianina mahatoky, izay mety ho tsy fantatr’izao tontolo izao, nefa eken’Andriamanitra. Raha toa ka maty amin’izao fandehan-javatra izao izany olona izany, dia ho velona indray izy, ao amin’ny tontolo vaovao ho avy.​—2 Korintiana 6:9; 2 Petera 3:13.

Ny hazo oliva, izay saiky tsy mety maty sy mamokatra foana isan-taona, dia mampahatsiahy antsika ny fampanantenan’Andriamanitra manao hoe: “Tahaka ny andron’ny hazo ny andron’ny oloko, ary ireo voafidiko dia hanaram-po amin’ny asan’ny tànany.” (Isaia 65:22). Ho tanteraka ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra izany fampanantenana ara-paminaniana izany.​—2 Petera 3:13.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 13 Mazàna no rantsanana isan-taona ireny solofony vaovao ireny, mba tsy hakany ny herin’ilay vatabeny.

[Sary, pejy 25]

Vatan-kazo feno tonony tranainy, hita ao Jávea, any amin’ny Provans’i Alicante, any Espaina

[Sary, pejy 26]

Hazo oliva any amin’ny Provans’i Grenade, any Espaina

[Sary, pejy 26]

Hazo oliva tranainy iray, eo ivelan’ny mandan’i Jerosalema

[Sary, pejy 26]

Manisy firesahana ny amin’ny fanaovana grefy sampan-kazo amin’ny hazo oliva iray ny Baiboly

[Sary, pejy 26]

Io hazo oliva antitra io dia voahodidin’ny sampan’oliva tanora