Ireo Filazantsara—Mitohy ny Adihevitra
Ireo Filazantsara—Mitohy ny Adihevitra
Marina ve ny fitantaran’ny Filazantsara momba ny nahaterahan’i Jesosy Kristy?
Nanao ilay Toriteny teo An-tendrombohitra ve izy?
Tena natsangana tamin’ny maty tokoa ve i Jesosy?
Tena nilaza ve izy hoe: “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana”?—JAONA 14:6.
FOTO-KEVITRA karazan’izany no nodinihina manam-pahaizana 80 teo ho eo, tao amin’ny Semineran’i Jesosy, izay atao indroa isan-taona nanomboka tamin’ny1985. Namaly ireo fanontaniana ireo tamin’ny fomba hafakely io antokona manam-pahaizana io. Nanaovan’ireo mpandray anjara tao amin’ilay seminera latsa-bato ny fanambarana tsirairay izay heverina ho nataon’i Jesosy, ao amin’ireo Filazantsara. Ny vato mena dia manondro ny hevitra hoe tena nataon’i Jesosy tokoa ilay fanambarana. Ny vato volomparasy tanora dia midika fa mitovy amin’ny zavatra
nety ho nolazain’i Jesosy ilay fanambarana. Ny vato volondavenona dia mampiseho fa mety ho mitovitovy amin’ny an’i Jesosy ireo hevitra, kanefa tsy avy aminy ilay fanambarana. Ny vato mainty dia fandavana tanteraka, satria midika fa avy tamin’ny lovantsofina tatỳ aoriana ilay fanambarana.Tamin’izany fomba izany no nanilihan’ireo mpandray anjara tao amin’ny Semineran’i Jesosy, ireo hevitra efatra rehetra miendrika fanontaniana, voalaza tetsy amim-piandohana. Raha ny marina, dia 82 isan-jaton’ireo fanambarana heverina ho nataon’i Jesosy ao amin’ireo Filazantsara no nandatsahan’izy ireo vato mainty. Araka ny hevitr’izy ireo, dia 16 isan-jato monja amin’ireo fisehoan-javatra tantaraina momba an’i Jesosy ao amin’ireo Filazantsara sy ao amin’ireo asa soratra hafa no toa azo itokiana.
Tsy vaovao akory ny fanakianana ireo Filazantsara tahaka izany. Efa nisy famelezana ireo Filazantsara tamin’ny 1774, rehefa navoaka taorian’ny nahafatesan’ilay mpanoratra azy, ny sora-tanana iray 1 400 pejy. I Hermann Reimarus, mpampianatra teny tatsinanana tany Hambourg, any Alemaina, no nanoratra azy io. Nasehon’i Reimarus tao anatin’izy io fa nanana fisalasalana lalina izy ny amin’ny hoe tena nisy ve ireo zavatra tantarain’ny Filazantsara. Nifototra tamin’ny famakafakan-teny sy ireo toa fifanoheran-kevitra hita ao amin’ireo fitantaran’ny Filazantsara efatra momba ny fiainan’i Jesosy, ny fanatsoahan-keviny. Nanomboka hatreo, dia matetika ireo mpanao tsikera no nisalasala ny amin’ny maha azo itokisana ireo Filazantsara, hany ka nampihena ihany ny fatokisan’ny sarambabembahoaka ireny asa soratra ireny.
Ny zavatra iombonan’ireo manam-pahaizana ireo, dia ny fiheveran’izy ireo ny fitantaran’ny Filazantsara ho toy ny tantara ara-pivavahana noforonina izay nampitampitain’ny olona maro samihafa. Ny fanontaniana fametrak’ireo manam-pahaizana be fisalasalana dia hoe: Nety ho ny zavatra ninoan’ireo mpanoratra an’ireo Filazantsara efatra ve no nahatonga azy ireo hanamboamboatra ny tena zava-nisy? Moa ve ny toe-draharaha politika nisy an’ireo Kristianina tany am-boalohany, no nahatonga azy ireo hanova na hanampy ny tantaran’i Jesosy? Tapany aiza ao amin’ireo Filazantsara no azo inoana fa manao tatitra araka ny marina fa tsy mamorona angano?
Olona maro nobeazina tao amin’ny fiaraha-monina tsy mino an’Andriamanitra na tsy miraharaha fivavahana no mino fa boky feno angano sy arira ny Baiboly, anisan’izany ireo Filazantsara. Ny hafa kosa tsiravina noho ny fandatsahan-dra, ny fampahoriana, ny fisaratsarahana, sy ny fihetsika tsy tia an’Andriamanitra, izay nanamarika ny tantaran’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina. Tsy mahita antony hitandremana asa soratra heverin’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina fa masina ireny olona ireny. Araka ny fiheveran’izy ireo, dia tsy inona akory fa angano tsy misy ilana azy ny boky namokatra fivavahana mpihatsaravelatsihy.
Ahoana ny hevitrao? Tokony havelanao hampipoitra fisalasalana toy izany ao aminao ve ny manam-pahaizana sasany izay misalasala raha tena nisy marina ireo zavatra tantarain’ny Filazantsara? Rehefa mandre fanambarana ny amin’izay lazaina fa angano noforonin’ireo mpanoratra ny Filazantsara ianao, moa ve izany tokony havelanao hanozongozona ny fatokisanao ireo asa soratr’izy ireo? Tokony hahatonga anao hisalasala ny amin’ny maha azo itokisana ireo Filazantsara ve ny tsy fitiavana an’Andriamanitra nanamarika ny tantaran’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina? Manasa anao izahay handinika ny sasany amin’ireo zava-misy.
[Sary, pejy 4]
Angano sa zava-nisy no raketin’ireo Filazantsara?
[Sary nahazoan-dalana]
Jesosy Mandeha eny Ambonin’ny Ranomasina/The Doré Bible Illustrations/Dover Publications
[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]
Eo andamosina, pejy faha-3-5 sy faha-8: Courtesy of the Freer Gallery of Art, Smithsonian Institution, Washington, D.C.