Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ireo Filazantsara​—Tantara sa Angano?

Ireo Filazantsara​—Tantara sa Angano?

Ireo Filazantsara​—Tantara sa Angano?

MANERAN-TANY, dia tandra vadin-koditry ny fiaraha-monina ny tantaran’i Jesosy avy any Nazareta​—lehilahy tanora iray izay nanova ny fizotran’ny tantaran’ny olombelona. Anisan’ny fampianarana any an-tsekoly sy any ivelan’ny sekoly ny tantarany. Maro no mihevitra ireo Filazantsara ho loharanon’ireo fahamarinana sy fitenenana tsy tontan’ny ela toy ny hoe: “Aoka ny teninareo ho Eny, eny; Tsia, tsia”. (Matio 5:37). Eny tokoa, na Kristianina na tsia ireo ray aman-dreninao, dia mety ho fototr’ireo lesona nampianarin’izy ireo anao ireo tantara ao amin’ny Filazantsara.

Ho an’ireo olona tso-po an-tapitrisany maro mpanara-dia an’i Kristy, dia nanome filazalazana ny amin’ny lehilahy iray ireo Filazantsara. Vonona ny hijaly sy ho faty ho an’io lehilahy io izy ireo. Nanome ny fototra hananana herim-po sy fiaretana sy finoana ary fanantenana koa ireo Filazantsara, no sady hery mandrisika ho amin’izany. Koa tsy hanaiky àry ve ianao fa mitaky porofo tsy azo lavina ny fandavana ireo fitantarana ireo ho toy ny tantara noforonina? Nanan-kery lehibe teo amin’ny fisainana sy ny fitondran-tenan’ny olombelona ireo fitantaran’ny Filazantsara. Raha jerena avy amin’izany, moa ve ianao tsy hitaky porofo mampiaiky, raha misy olona mitady hampipoitra fisalasalana ny amin’ny maha azo itokisana azy ireo?

Manasa anao izahay handinika fanontaniana maromaro mampisaintsaina mahakasika ireo Filazantsara. Aoka ny tenanao mihitsy no hijery hoe inona no hevitry ny sasany amin’ireo mpandinika ny Filazantsara raha ny amin’ireo raharaha ireo, na dia tsy milaza ny tenany ho Kristianina aza ny sasany amin’izy ireo. Avy eo ianao dia afaka manatsoaka ny hevitrao manokana, miorina amin’ny fahalalana tsara ny zava-misy.

FANONTANIANA TOKONY HODINIHINA

Mety ho tantara noforonina tamim-pahakingana ve ireo Filazantsara?

Hoy i Robert Funk, mpanorina ny Semineran’i Jesosy: “Ry Matio, Marka, Lioka ary Jaona dia ‘nanao laza masaka momba ny Mesia’ mba hampifanarahana azy tamin’ny foto-pampianarana kristianina nisy taorian’ny nahafatesan’i Jesosy.” Tamin’ny fotoana nanoratana ireo Filazantsara anefa, dia mbola velona ny maro tamin’ireo nandre ny tenin’i Jesosy, sy nahita ny zavatra nataony, ary nahita azy taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty. Tsy niampanga ireo mpanoratra ny Filazantsara ho nanao hosoka na inona na inona izy ireo.

Diniho ny nahafatesan’i Kristy sy ny nitsanganany tamin’ny maty. Tsy ireo Filazantsara ihany akory no mirakitra fitantarana azo itokisana momba ny nahafatesan’i Jesosy sy ny nitsanganany tamin’ny maty, fa ny taratasy kanônika voalohany nosoratan’ny apostoly Paoly ho an’ireo Kristianina tany Korinto fahiny koa. Nanoratra toy izao izy: “Natolotro anareo ho isan’ny zavatra voalohany indrindra ilay noraisiko, dia izao: Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny Soratra Masina, dia nalevina, ary natsangana tamin’ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina; ary niseho tamin’i Kefasy Izy, dia vao tamin’ny roa ambin’ny folo lahy koa. Rehefa afaka izany, dia niseho amin’ny rahalahy tsy omby diman-jato Izy, ny ankamaroan’ireny dia mbola velona mandraka ankehitriny, fa ny sasany efa nodi-mandry. Rehefa afaka izany, dia niseho tamin’i Jakoba Izy, dia tamin’ny Apostoly rehetra. Ary faran’izy rehetra, izaho, izay toy ny tsy tonga volana aza, dia mba nisehoany koa.” (1 Korintiana 15:3-8). Ireo vavolombelona ireo no mpiaro ireo zava-nisy ara-tantara nahakasika ny fiainan’i Jesosy.

Tsy hita ao amin’ny Soratra Grika Kristianina ilay famoromporonana lazain’ny mpanao tsikera maoderina. Hita ao amin’ireo tahirin-kevitra tamin’ny taonjato faharoa am.f.i. kosa anefa izany. Teraka àry ny sasany tamin’ireo fitantarana tsy araka ny Soratra Masina momba an’i Kristy, rehefa nitombo teo anivon’ny vondron’olona tafasaraka tamin’ny kongregasiona nisy ny apostoly, ny fivadiham-pinoana avy tamin’ny Kristianisma marina.​—Asan’ny Apostoly 20:28-30.

Mety ho angano ve ireo Filazantsara?

Ilay mpanoratra sy mpanao tsikera atao hoe C. S. Lewis dia nahita fa sarotra ny mihevitra ireo Filazantsara ho toy ny angano tsotra fotsiny. “Miaiky tanteraka aho, amin’ny maha mpahay tantara momba ny asa soratra ahy, fa na inona na inona ireo Filazantsara, dia tsy angano izy ireo”, hoy ny nosoratany. “Tsy ahitana zavatra noforomporonina tamim-pahakingana izy ireo ka tsy hety ho angano. (...) Tsy fantatsika ny ampahany betsaka tamin’ny fiainan’i Jesosy, ary tsy misy olona mpamorona angano hamela izany amin’izao fotsiny.” Mahaliana koa ny manamarika fa, na dia tsy milaza ny tenany ho Kristianina aza ilay mpahay tantara fanta-daza atao hoe H. G. Wells, dia niaiky toy izao: ‘Mifanaraka tsara izy efatra mpanoratra ny Filazantsara rehefa milazalaza amintsika ny amin’ny olona iray manana ny maha izy azy voafaritra tsara; mandresy lahatra izy ireo, ka mahatonga ny tena hiaiky fa zavatra tena nisy no tantarainy.’

Diniho, ohatra, rehefa niseho tamin’ireo mpianany i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty. Azo inoana fa ny mpamorona angano mahay dia ho nampiseho an’i Jesosy ho niverina tamin’ny fomba nanaitra, nanao toriteny niavaka iray, na heniky ny hazavana sy ny famirapiratana. Mifanohitra amin’izany, fa nilaza tsotra fotsiny ireo mpanoratra ny Filazantsara hoe nijoro teo anoloan’ireo mpianany izy, ary avy eo dia nanontany hoe: “Anaka, manan-kanina va hianareo?” (Jaona 21:5). Nanatsoaka hevitra toy izao ilay manam-pahaizana atao hoe Gregg Easterbrook: “Ireo dia karazana tsipirian-javatra izay toa manondro tantara marina fa tsy angano noforonina.”

Ilay fiampangana hoe angano ireo Filazantsara, dia tojo vato misakana koa manoloana ny fomba fampianatra hentitr’ireo raby, izay tena fanao tamin’ny fotoana nanoratana ireo Filazantsara. Nifikitra akaiky tamin’ny fianarana tsianjery, izany hoe fomba fitadidiana nampiasana famerimberenana, io fomba io. Izany dia nanamora ny filazana araka ny marina sy tamim-pitandremana ny tenin’i Jesosy sy ny zavatra nataony, fa tsy famoronana tantara namboamboarina.

Raha toa ka angano ireo Filazantsara, ho azo nangonina haingana dia haingana taorian’ny nahafatesan’i Jesosy ve izy ireo?

Araka ny porofo misy, dia nosoratana teo anelanelan’ny taona 41 sy 98 am.f.i. ireo Filazantsara. Maty tamin’ny taona 33 am.f.i. i Jesosy. Midika izany fa voangona tao anatin’ny fotoana fohy ihany taorian’ny nifaranan’ny fanompoany, ireo fitantarana momba ny fiainany. Izany dia mametraka vato misakana makadiry manoloana ilay hevitra hoe angano fotsiny ihany ireo fitantarana ao amin’ny Filazantsara. Mitaky fotoana hivelarana ny angano. Raiso, ohatra, ny Iliade sy Odyssée, nosoratan’ilay poety grika fahiny atao hoe Homère. Mihevitra ny sasany fa tsy nivelatra sy nanjary tsy niovaova ireo angano roa amin’ny endrika poezia ireo raha tsy an-jatony taona maro tatỳ aoriana. Ahoana ny amin’ireo Filazantsara?

Nanoratra toy izao ilay mpahay tantara atao hoe Will Durant, ao amin’ny bokiny hoe Caesar and Christ: ‘Ny hoe nisy olon-tsotra sasantsasany nahavita namorona olona nanan-kery sy nanintona aoka izany, fitsipi-pitondran-tena ambony aoka izany ary fahitana ny amin’ny firahalahian’ny olombelona mandrisika aoka izany, dia ho fahagagana sarotra inoana lavitra noho izay voarakitra ao amin’ireo Filazantsara. Taorian’ny taonjato roa nanaovana Fitsikerana Ambony, dia mbola mazava tsara ihany ny ambangovangon’ny fiainana sy ny toetra ary ny fampianaran’i Kristy, sady lafin-javatra mahavariana indrindra eo amin’ny tantaran’ny tandrefana.’

Novana ve ireo Filazantsara, tatỳ aoriana, mba hifanaraka tamin’izay nilain’ny Kristianina tany am-boalohany?

Milaza ny mpanao tsikera sasany fa ny toe-draharaha politika nisy ny Kristianina tany am-boalohany, dia nahatonga ireo mpanoratra ny Filazantsara hanova ny tantaran’i Jesosy na hanampy azy io. Ny fandinihana akaiky ireo Filazantsara anefa dia mampiseho fa tsy nisy izany fanaovana hosoka izany. Raha toa ka novana ireo fitantaran’ny Filazantsara mahakasika an’i Jesosy, noho ny teti-dratsin’ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, nahoana no mbola ahitana fanamarihana ratsy momba ny Jiosy sy ny Jentilisa ao?

Ohatra iray amin’izany ny ao amin’ny Matio 6:5-7, izay ilazana an’i Jesosy ho niteny hoe: “Raha mivavaka hianareo, aza mba ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy; fa izy tia ny mivavaka mitsangana eo amin’ny synagoga sy eo an-joron-dàlana hahitan’ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.” Mazava fa fanamelohana ireo mpitarika ara-pivavahana jiosy izany. Nanampy teny toy izao i Jesosy: “Raha mivavaka hianareo, dia aza mba manao teny maro foana tahaka ny jentilisa; fa ataony ho ny hamaroan’ny teniny no hihainoana azy.” Tsy nanandrana nitaona olona hanaraka ny finoany akory ireo mpanoratra ny Filazantsara rehefa nanonona an’i Jesosy tamin’izany fomba izany, fa nitatitra fotsiny kosa ny teny tena nolazain’i Jesosy Kristy.

Diniho koa ireo fitantaran’ny Filazantsara mahakasika ireo vehivavy izay nitsidika ny fasan’i Jesosy ka nahita azy io babangoana. (Marka 16:1-8). Araka ny voalazan’i Gregg Easterbrook, “ao amin’ny sosiolojia momba ny Moyen-Orient fahiny, dia noheverina ho tsy azo itokisana tsotra izao ny teny vavolombelona nataon’ny vehivavy: ohatra, ampy mba hanamelohana vehivavy iray ho nanitsakitsa-bady ny vavolombelona lehilahy roa, kanefa tsy nisy teny vavolombelona avy amim-behivavy azo nanamelohana lehilahy”. Tena tsy nino an’ireo vehivavy ireo tokoa ny mpianatr’i Jesosy! (Lioka 24:11). Tena tsy azo inoana àry ny hoe fanahy iniana noforonina ny tantara toy izany.

Ny tsy fisian’ny fanoharana ao amin’ireo epistily sy ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly dia porofo mahery azo aroso mba hanamarinana fa tsy natsofok’ireo Kristianina tany am-boalohany akory ireo fanoharana hita ao amin’ireo Filazantsara, fa tena nolazain’i Jesosy mihitsy. Fanampin’izany, ny fampitahana amim-pitandremana ireo Filazantsara sy ireo epistily dia mampiharihary fa tsy hoe namboamboarina tamim-pahakingana ka nolazaina ho tenin’i Jesosy, ny tenin’i Paoly sy ny an’ireo mpanoratra hafa ao amin’ny Soratra Grika. Raha nanao izany ireo Kristianina tany am-boalohany, dia tokony ho hitantsika ao amin’ireo fitantaran’ny Filazantsara, fara fahakeliny, ny sasany amin’ireo teny avy ao amin’ny epistily. Koa satria tsy izany no izy, dia afaka manatsoaka hevitra amin’ny fomba azo antoka isika fa sady tsy avy amin’ny loharano hafa no azo itokisana ny ao anatin’ireo Filazantsara.

Ahoana ny amin’ireo toa fifanoheran-kevitra ao amin’ireo Filazantsara?

Efa hatramin’ny ela ireo mpanao tsikera no nanizingizina fa feno fifanoheran-kevitra ireo Filazantsara. I Durant mpahay tantara dia niezaka nandinika ireo fitantaran’ny Filazantsara tamin’ny saina tsy miangatra, toy ny fandinika tahirin-kevitra ara-tantara. Na dia nilaza aza izy fa toa misy fifanoheran-kevitra ao amin’izy ireo, dia nanatsoaka hevitra izy hoe: “Mahakasika tsipiriany madinika ireo fifanoheran-kevitra fa tsy mahakasika ny votoatin-kevitra; amin’ny ankapobeny, ny filazantsaran’i Matio sy i Marka ary i Lioka dia mifanaraka amin’ny fomba miavaka ary manome filazalazana mifandrindra momba an’i Kristy.”

Matetika no mora alamina ireo toa fifanoheran-kevitra ao amin’ireo fitantaran’ny Filazantsara. Indro misy ohatra: Milaza ny Matio 8:5 fa “nisy kapiteny anankiray nankao amin[’i Jesosy] ka nitaraina taminy” mba hanasitranany ny mpanompony. Ao amin’ny Lioka 7:3 anefa isika dia mamaky fa ilay kapiteny dia “naniraka loholon’ny Jiosy hankeo amin[’i Jesosy] hangataka Azy mba ho avy ka hahasitrana [ilay] mpanompony”. Naniraka an’ireo loholona ilay kapiteny mba hisolo tena azy. Nilaza i Matio fa ilay kapiteny mihitsy no nitaraina tamin’i Jesosy, satria nangataka tamin’ny alalan’ireo loholona, izay toy ny mpitondra teniny, ilay lehilahy. Io dia ohatra iray monja mampiseho fa azo alamina ireo lazaina fa fifanoherana ao amin’ireo Filazantsara.

Ahoana ny amin’ny fanizingizinan’ireo mpanao tsikera ambony fa tsy mahatratra ireo fenitra takina amin’ny tantara marina ireo Filazantsara? Nanohy ny teniny toy izao i Durant: “Tao anatin’ny hafanam-po noho ireo zavatra hitany ny Fitsikerana Ambony ka nampiharan’izy io fitsapam-pahamarinana henjana dia henjana ny Testamenta Vaovao, hany ka olo-nalaza zato tamin’ny andro fahiny, toa an-dry Hammourabi sy Davida ary Socrate, no hanjary ho angano rehefa ampiharana izany fomba izany. Na dia eo aza ireo fitsarana an-tendrony sy ireo hevitra teolojika efa masaka ao an-tsain’ireo mpanoratra filazantsara, dia nandrakitra an-tsoratra fisehoan-javatra maro izay ho nafenin’ny mpamorona tantara, izy ireo. Ohatra amin’izany ny fifaninanan’ireo apostoly hahazo toerana ambony ao amin’ilay Fanjakana, ny nandosiran’izy ireo taorian’ny nisamborana an’i Jesosy, ilay fandavan’i Petera (...) Tsy misy olona mamaky ireo fitantarana ireo ka ho afaka hisalasala ny amin’ny hoe tena nisy ilay olona tao ambadik’izy ireny.”

Misolo tena an’ilay Jesosy ao amin’ireo Filazantsara ve ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina amin’izao andro maoderina izao?

Nanambara ny Semineran’i Jesosy fa ny fikarohana ataony momba ireo Filazantsara dia “tsy voafatotr’ireo didin’ny filan-kevi-piangonana”. Takatr’ilay mpahay tantara atao hoe Wells anefa, fa misy hantsana goavana manasaraka ny fampianaran’i Jesosy, araka ny isehoany ao amin’ireo Filazantsara, sy ny fampianaran’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina. Izao no nosoratany: “Tsy misy porofo fa efa mba nandre avy tamin’i Jesosy momba izany Andriamanitra telo izay iray izany, ireo apostoly. (...) [I Jesosy] koa dia tsy nilaza na inona na inona momba ny fanompoam-pivavahana amin’i Maria reniny, izay aseho ho tahaka an’i Isis, Mpanjakavavin’ny lanitra. Izay rehetra tena mampiavaka indrindra ny Kristianina eo amin’ny fanompoam-pivavahana sy ny fombafomba, dia tsy nisy noresahin[’i Jesosy].” Noho izany, dia tsy azo tsaraina miorina amin’ireo fampianaran’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina ny hasarobidin’ireo Filazantsara.

INONA NO FANATSOAHAN-KEVITRAO?

Taorian’ny nandinihana ireo hevitra tetsy ambony, ahoana no hevitrao? Misy tena porofo mampiaiky ve fa angano fotsiny ihany ireo Filazantsara? Maro no mahita fa tsy marim-pototra sy tsy mampiaiky ireo fanontaniana sy fisalasalana napoitra mahakasika ny maha azo itokisana ireo Filazantsara. Mba hananana ny hevitrao manokana, dia mila mamaky ireo Filazantsara amin’ny saina mivelatra ianao. (Asan’ny Apostoly 17:11). Rehefa hitanao fa tsy miovaova sy milaza ny tena zava-nisy ary araka ny marina ny fomba ampisehoan’ireo Filazantsara ilay toetra maha izy an’i Jesosy, dia ho takatrao fa tsy fitambarana angano velively akory ireny fitantarana ireny. *

Raha mandinika amim-pitandremana ny Baiboly ianao ary mampihatra ny toroheviny, dia ho hitanao ny fomba hanatsarany ny fiainanao. (Jaona 6:68). Marina indrindra izany raha ny amin’ireo tenin’i Jesosy voarakitra ao amin’ireo Filazantsara. Ambonin’izany, dia afaka mianatra momba ilay hoavy mahatalanjona miandry ny olombelona mankatò, ao anatin’izy ireo, ianao.​—Jaona 3:16; 17:3, 17.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 29 Jereo ny toko faha-5 ka hatramin’ny toko faha-7 ao amin’ilay boky hoe Ny Baiboly​Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?, sy ilay bokikely hoe Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra. Samy navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania izy ireo.

[Efajoro, pejy 7]

Porofon’ny Fanaovana Tatitra Azo Itokisana

TAONA vitsivitsy lasa izay, dia niaiky toy izao ny Aostralianina iray mpanoratra tantara, izay mpanakiana ny Baiboly taloha: “Sambany aho teo amin’ny fiainako vao nanao izay zavatra voalohany tokony hataon’ny mpanangom-baovao: manamarina ny tena zava-misy. (...) Taitra aho, satria izay novakiko [tao amin’ireo Filazantsara] dia sady tsy angano no tsy tantara noforonina natao ho toy ny tena izy. Tatitra natao ilay izy. Fitantarana fisehoan-javatra hafakely, ary fitantarana avy any am-potony sy nampitaina (...) Manana marika mampiavaka azy manokana ny tatitra atao; ary hita ao amin’ireo Filazantsara izany marika izany.”

Torak’izany koa fa nilaza toy izao i E. M. Blaiklock, profesora momba ny haisoratra grika sy romanina, ao amin’ny Oniversiten’i Auckland: “Mitonona ho mpahay tantara aho. Ny lafiny ara-tantara no dinihiko amin’ireo haisoratra grika sy romanina. Ary lazaiko marina aminareo fa ny porofo ny amin’ny niainan’i Kristy sy ny nahafatesany ary ny nitsanganany tamin’ny maty dia voamarina tsara kokoa raha oharina amin’ny ankamaroan’ireo zava-nisy tamin’ny tantara fahiny.”

[Sarintany/Sary, pejy 8, 9]

(Jereo ny gazety)

FENISIA

GALILIA

Onin’i Jordana

JODIA

[Sary]

“Ny porofo ny amin’ny niainan’i Kristy sy ny nahafatesany ary ny nitsanganany tamin’ny maty dia voamarina tsara kokoa raha oharina amin’ny ankamaroan’ireo zava-nisy tamin’ny tantara fahiny.”​—PROFESORA E. M. BLAIKLOCK

[Sary nahazoan-dalana]

Sarintany eo andamosina: Based on a map copyrighted by Pictorial Archive (Near Eastern History) Est. and Survey of Israel.