Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Tandremo ny Fonao”

“Tandremo ny Fonao”

“Tandremo ny Fonao”

NILAZA toy izao tamin’i Samoela mpaminany i Jehovah: “Tsy mba toy ny fijerin’ny olona no fijerin’i Jehovah; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo.” (1 Samoela 16:7). Nihira toy izao i Davida mpanao salamo, raha nampifantoka ny sainy koa tamin’ny fo ara-panoharana: “Nizaha toetra ny foko Hianao [Jehovah], namantatra ahy nony alina; nizaha toetra ahy tamin’ny memy Hianao, fa tsy nahita na inona na inona”.​—Salamo 17:3.

Eny, mijery ny ao am-po i Jehovah mba hamaritana marina ny tena maha isika antsika. (Ohabolana 17:3). Noho ny antony tsara àry no nanomezan’i Solomona, mpanjakan’ny Isiraely fahiny, ny torohevitra hoe: “Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; fa avy ao aminy no ihavian’ny aina.” (Ohabolana 4:23). Ahoana no azontsika iarovana ny fontsika ara-panoharana? Manome ny valin’izany fanontaniana izany ho antsika ny Ohabolana toko faha-4.

Henoy ny anatry ny ray

Manomboka amin’izao teny izao ny toko faha-4 amin’ny Ohabolana: “Ry zanaka, henoy ny anatry ny ray, ary tandremo mba hahazoanareo ny fahalalana tsara. Fa anatra tsara no omeko anareo; aza mahafoy ny lalàko.”​Ohabolana 4:1, 2.

Ny torohevitra ho an’ny tanora dia ny hihainoan’izy ireo ny fampianarana tsara omen’ny ray aman-dreniny tia an’Andriamanitra, indrindra fa izay omen’ny ray. Izy mantsy no manana ny andraikitra araka ny Soratra Masina hanome izay ilain’ny fianakaviany, eo amin’ny lafiny ara-nofo sy ara-panahy. (Deoteronomia 6:6, 7; 1 Timoty 5:8). Raha tsy misy ny tari-dalana toy izany, dia tena ho sarotra mihitsy ho an’ny tanora iray ny hahatratra ny fahamatorana! Moa àry ve tsy tokony hanaiky amim-panajana ny anatra omen-drainy ny ankizy iray?

Ahoana kosa ny amin’ny tanora iray tsy manan-dray mba hampianatra azy? I Jason, 11 taona, ohatra, dia tonga kamboty ray fony izy efa-taona. * Rehefa nanontany azy izay zavatra nanelingelina azy indrindra teo amin’ny fiainany ny loholona kristianina iray, dia namaly avy hatrany toy izao i Jason: “Malahelo noho ny tsy fananako ray aho. Tena mahaketraka ahy izany indraindray.” Misy anefa ny torohevitra, mitondra fampiononana, ho an’ny tanora tsy mahazo ny fitarihan-dray aman-dreny. Afaka mitady sy mahazo torohevitry ny ray, avy amin’ireo loholona sy olona matotra hafa ao amin’ny kongregasiona kristianina, i Jason sy ny hafa mitovy aminy.​—Jakoba 1:27.

Nanohy ny teniny toy izao i Solomona, raha namisavisa ny lasa momba ny fanabeazana azony: “Zanak’ikaky aho, sady tiana no hany malala teo imason’ineny.” (Ohabolana 4:3). Miharihary fa nahatadidy tamim-piraiketam-po ny fanabeazana azony ilay mpanjaka. Tamin’ny naha “zanak’ikaky” azy, izay nandray am-po ny torohevitry ny ray, i Solomona tanora dia tsy maintsy ho nanana fifandraisana mafana sy akaiky tamin’i Davida rainy. Ankoatra izany, i Solomona dia ilay “hany malala”, na tiana dia tiana. Zava-dehibe toy inona ho an’ny ankizy moa izany hoe mihalehibe ao amin’ny tokantrano misy rivo-piainana mafana sy fifampiresahana misokatra amin’ny ray aman-dreny izany!

Mahazoa fahendrena sy fahalalana

Nahatsiaro ny torohevitra feno fitiavana nomen-drainy azy i Solomona, ka nitantara toy izao: “Nampianatra ahy izy ka nanao tamiko hoe: Aoka ny fonao hitana ny teniko; tandremo ny didiko, dia ho velona hianao. Mahazoa fahendrena, mahazoa fahatakarana hevi-javatra, “NW” ]; fa aza hadinoina na ihemorana ny teny aloaky ny vavako. Aza mahafoy azy [ny fahendrena], fa hiaro anao izy; tiavo izy, dia hitandrina anao. [Ny fahendrena no zava-dehibe indrindra, “NW” ]. Mahazoa fahendrena; eny, lanio ny fanananao rehetra hamidy fahalalana tsara.”​Ohabolana 4:4-7.

Nahoana no “zava-dehibe indrindra” ny fahendrena? Ny fahendrena dia ny fampiasana ny fahalalana sy ny fahatakarana hevi-javatra amin’ny fomba ahitam-boka-tsoa. Ny fahalalana​—ny fahafantarana na ny fifankazarana amin’ireo zava-misy, izay azo avy amin’ny fandinihana natao sy ny andrana natao, na azo avy amin’ny famakian-teny sy ny fianarana​—dia tena zava-dehibe ho an’ny fahendrena. Tsy hisy vidiny firy anefa ny fahalalantsika, raha toa ka tsy manana ny fahaiza-mampiasa azy io amin’ny fomba tsara isika. Tsy vitan’ny hoe tokony hamaky tsy tapaka ny Baiboly sy ny zavatra vita an-tsoratra avoakan’ny “mpanompo mahatoky sy malina” fotsiny isika, fa tokony hiezaka koa hampihatra izay ianarantsika avy amin’izany.​—Matio 24:45, NW.

Tena ilaina koa ny fahazoana fahatakarana hevi-javatra. Raha tsy eo izy io, moa ve isika afaka hahita marina hoe ahoana no ifandraisan’ireo zava-misy amin’izy samy izy, sy hahatakatra amin’ny fomba feno ilay raharaha dinihina? Ahoana no ahafahantsika mahatakatra ireo anton-javatra, ka hananana fahaiza-mahataka-javatra sy fahaiza-manavaka, raha toa isika ka tsy manana fahaiza-mahazo hevi-javatra? Eny, mba hahafahantsika hampifanara-javatra sy ho tonga amin’ny fanatsoahan-kevitra marina, dia mila fahaiza-mahatakatra hevi-javatra isika.​—Daniela 9:22, 23.

Nilaza toy izao i Solomona, ho fanohizana ny fitantarana ny tenin-drainy: “Asandrato izy, dia hanandratra anao kosa; eny, hanome voninahitra anao izy, raha tànanao. Dia hasiany fehiloha mahafinaritra ny lohanao; eny, satroboninahitra tsara tarehy no homeny anao.” (Ohabolana 4:8, 9). Miaro ny olona izay manaiky azy ny fahendrena araka an’Andriamanitra. Ambonin’izany, dia mitondra voninahitra sy hatsaran-tarehy ho azy izy io. Tena mila mahazo fahendrena àry isika.

“Tano mafy ny fifehezana”

Nilaza toy izao manaraka izao ilay mpanjakan’ny Isiraely, raha namerina indray ny fampianaran-drainy: “Anaka, mihainoa, ka raiso ny teniko; dia hihamaro ny taona hiainanao. Làlam-pahendrena no atoroko anao; eny, mitarika anao amin’ny làlana mahitsy aho. Raha mandeha hianao, dia tsy ho ety ny làlanao; ary raha mihazakazaka hianao, dia tsy ho tafintohina. Tano mafy ny [fifehezana, “NW” ] ka aza avela hiala; hazòny izy, fa ainao.”​Ohabolana 4:10-13.

Tamin’ny naha tena zanakalahin-drainy azy, dia tsy maintsy ho nankasitraka ny hasarobidin’ny fifehezana tamim-pitiavana, izay mampianatra sy manitsy, i Solomona. Ahoana no ahafahantsika manantena ny handroso ho amin’ny fahamatorana ara-panahy, na hanatsara ny fiainantsika, raha tsy misy ny fifehezana voalanjalanja? Raha tsy mianatra avy amin’ireo fahadisoana nataontsika isika, na raha tsy manitsy ireo hevi-diso, dia tena ho kely dia kely mihitsy ny fandrosoana ara-panahy vitantsika. Mitarika ho amin’ny fitondran-tena araka an’Andriamanitra, ka hanampy antsika handeha “amin’ny làlana mahitsy”, ny fifehezana araka ny antonony.

Afa-tsy izany koa, ny karazam-pifehezana hafa dia ‘hahamaro ny taona hiainantsika’. Amin’ny ahoana? Nilaza toy izao i Jesosy Kristy: “Ary izay mahatoky amin’ny kely indrindra dia mahatoky koa amin’ny be; ary izay tsy marina amin’ny kely indrindra dia tsy marina koa amin’ny be.” (Lioka 16:10). Tsy ny fananantsika fifehezan-tena amin’ny zavatra kely ve no hanamora kokoa ny hananantsika izany amin’ny zavatra lehibe, izay mety hiankinan’ny aintsika mihitsy? Rehefa manazatra ny masontsika tsy ‘hijery vehivavy hila azy’ isika, ohatra, dia azo inoana fa tsy ho latsaka ao amin’ny fahalotoam-pitondran-tena. (Matio 5:28). Mazava ho azy fa mihatra amin’ny lehilahy sy ny vehivavy io foto-pitsipika io. Tsy dia atahorana firy ny hoe hanaovantsika fahotana lehibe, na amin’ny teny na amin’ny atao, raha mifehy ny fisainantsika ‘hamaboana ny hevitra rehetra’ isika.​—2 Korintiana 10:5.

Marina aloha fa mazàna no sarotra ny manaiky fifehezana, ary mety ho toa mangeja izany. (Hebreo 12:11). Manome toky antsika anefa ilay mpanjaka hendry, fa raha mihazona mafy ny fifehezana isika, dia hitarika antsika ho amin’ny fandrosoana ny lalantsika. Vokatry ny fanazaran-tena araka ny tokony ho izy, dia afaka mihazakazaka mafy, tsy mianjera na maratra, ny mpihazakazaka iray, ary tsy misy hafa amin’izany koa fa vokatry ny fihazonana ny fifehezana, dia afaka manohy mandeha amin’ny lalana mitarika ho amin’ny fiainana isika, tsy mampiadam-pandeha na tafintohina. Mazava ho azy fa tsy maintsy mitandrina isika raha ny amin’ny lalana fidintsika.

Halaviro “ny alehan’ny ratsy fanahy”

Noho ny fahatsapana fahadodonana, dia nampitandrina toy izao i Solomona: “Aza mankany amin’ny alehan’ny ratsy fanahy, ary aza mizotra amin’ny làlan’ny ratsy. Manalavira azy; aza mandalo eo akory; mivilia azy, ka mizora. Fa tsy matory ireny, raha tsy efa nanao ratsy; ary tsy mahita torimaso izy, raha tsy efa nanafintohina ny sasany. Fa mihinana ny mofon’ny faharatsiana izy, sy misotro ny divain’ny fahalozana.”​Ohabolana 4:14-17.

Mamelon-tena amin’ny fanaovan-dratsy ireo olona ratsy fanahy, izay irin’i Solomona hohalavirintsika ny lalany. Toy ny sakafo sy ny zava-pisotro ny fanaovan-dratsy ho azy ireo. Tsy mahita tory izy ireo raha tsy manao zavatra feno herisetra. Ratsy fitondran-tena aoka izany izy ireo! Afaka miaro marina ny fontsika ve isika raha mbola miaraka koa amin’izy ireo? Tena hadalana mihitsy ny “mizotra amin’ny làlan’ny ratsy”, amin’ny famelana ny herisetra, izay fahita be dia be ao amin’ny fialam-bolin’ity tontolo ankehitriny ity, hisy fiantraikany eo amintsika! Tsy mifanaraka tsotra izao ny hoe miezaka mafy mba hanana fangoraham-po feno fitiavana, nefa mijery faharatsiana be dia be ao amin’ny televiziona, na ny sarimihetsika, ka mahatonga ny tena tsy hiraika.

Mitoera ao amin’ny fahazavana

Mbola nampiasa ny lalana ho fampitahana ihany i Solomona, ary nanambara toy izao: “Fa ny làlan’ny marina dia toy ny fipoak’andro maraina, izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ny andro.” (Ohabolana 4:18). Azo ampitovina amin’ny fiaingana vao maraina, mbola maizina, hanao dia lavitra iray, ny firotsahana hianatra ny Baiboly sy ny fiezahana hampihatra izay lazainy eo amin’ny fiainana. Mila tsy hahita na inona na inona mihitsy isika, raha vao manomboka misinda ny haizin’ny alina. Rehefa mihamiposaka anefa ny masoandro, dia manomboka haintsika avahana tsikelikely ireo zavatra manodidina antsika. Amin’ny farany, dia mibaliaka ny masoandro, ary afaka mahita ny zava-drehetra amin’ny an-tsipiriany isika. Eny, manjary mihamazava amintsika ny fahamarinana, arakaraka ny ikirizantsika amin’ny fianarana ny Soratra Masina amim-paharetana sy amim-pahazotoana. Tena ilaina ny mamatsy sakafo ara-panahy ny fo, raha tiantsika ny hiaro azy amin’ny fomba fisaina diso.

Azo miandalana koa ny hevitra na ny dikan’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly. Manjary miharihary amintsika ireo faminaniana, noho ny fanahy masin’i Jehovah manazava azy ireo, sy noho ny fisehoan-javatra maneran-tany, na ny zavatra niainan’ny vahoakan’Andriamanitra, manamarina ny fahatanterahan’izy ireo. Mila miandry azy ireny ‘hihamazava’ hatrany isika, fa tsy hoe tsy hanana faharetana ka hanao fanombantombanana mahakasika ny fahatanterahany.

Ahoana ny amin’ireo izay mandà ny fitarihan’Andriamanitra, amin’ny tsy fetezana handeha ao amin’ny mazava? “Ny alehan’ny ratsy fanahy dia toy ny aizim-pito”, hoy i Solomona. “Tsy fantany akory izay manafintohina azy.” (Ohabolana 4:19). Ireo ratsy fanahy dia toy ny olona tafintohina ao amin’ny haizina, nefa tsy fantany akory izay nahatafintohina azy. Na dia toa ambinina noho ny fanaovany ny tsy marina aza ny olona tsy tia an’Andriamanitra, dia mihelina ihany izany toa fahombiazany izany. Nihira toy izao ny mpanao salamo, mahakasika ny olona toy izany: “Eo amin’izay mahasolafaka tokoa no ametrahanao azy, ary aripakao [Jehovah] ho ringana izy.”​—Salamo 73:18.

Mitoera ho mailo

Nanohy nilaza toy izao ilay mpanjakan’ny Isiraely: “Anaka, tandremo ny teniko; atongilano ny sofinao hihaino ny filazako. Aza avela hiala eo imasonao izy, fa raketo ao am-ponao. Fa aina ho an’ny mahazo azy izy ary fahasalamana ho an’ny nofony rehetra. Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; fa avy ao aminy no ihavian’ny aina.”​Ohabolana 4:20-23.

Manamarina ny maha sarobidy ny torohevitra mba hiarovana ny fo ny ohatra ny amin’i Solomona mihitsy. Marina fa tena “zanak’ikaky” tokoa izy tamin’ny andro fahatanorany, ary nitoetra ho nahatoky teo anatrehan’i Jehovah tamin’ny zava-drehetra, nandritra ny naha olon-dehibe azy. Mitantara toy izao anefa ny Baiboly: “Nony efa antitra Solomona, dia navilin’ny vadiny [hafa firenena] ny fony hanaraka andriamani-kafa, ka ny fony tsy mba nahitsy tamin’i Jehovah Andriamaniny tahaka ny fon’i Davida rainy.” (1 Mpanjaka 11:4). Raha tsy mailo mandrakariva, na dia ny fo tsara indrindra aza dia mety ho voasarika hanao ratsy. (Jeremia 17:9). Tsy maintsy hazonintsika ho akaikin’ny fontsika​—‘raketintsika ao am-pontsika’​—ny fampahatsiahivana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Tafiditra amin’izany ny tari-dalana omena ao amin’ny Ohabolana toko faha-4.

Diniho ny toe-ponao

Moa ve isika miaro ny fontsika ara-panoharana amim-pahombiazana? Ahoana no ahafahantsika mahafantatra ny toetoetran’ilay olona anaty? “Avy amin’ny haben’ny ao am-po no itenenan’ny vava”, hoy i Jesosy Kristy. (Matio 12:34). Nilaza toy izao koa izy: “Avy amin’ny fo no ivoahan’ny sain-dratsy, dia ny vonoan-olona, ny fakam-badin’olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampanga lainga, ny fitenenan-dratsy”. (Matio 15:19, 20). Eny, milaza zavatra be dia be momba ny ao am-pontsika, ny tena maha isika antsika tokoa, izay lazaintsika sy ataontsika.

Mety indrindra ny nananaran’i Solomona antsika toy izao: “Esory aminao ny vava mandainga, ary ampanalaviro anao ny molotra mamitaka. Aoka ny masonao hijery mahitsy, ary ny hodimasonao hibanjina eo anoloanao. Ataovy marina ny alehan’ny tongotrao, dia ho voalamina ny alehanao rehetra; aza mivily, na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia; esory amin’ny ratsy ny tongotrao.”​Ohabolana 4:24-27.

Rehefa heverina ny fananaran’i Solomona, dia mila mandinika izay lazaintsika sy ataontsika isika. Raha te hiaro ny fontsika sy hampifaly an’Andriamanitra isika, dia tsy maintsy manalavitra ny fampiasana lainga sy fitaka. (Ohabolana 3:32). Noho izany, dia tokony hosaintsainintsika amim-pahatsorana izay ahariharin’ny tenintsika sy ny ataontsika momba ny tenantsika. Avy eo, dia aoka isika hitady ny fanampian’i Jehovah mba hanitsiana izay fahalemena rehetra tsikaritsika.​—Salamo 139:23, 24.

Ambonin’ny zava-drehetra, dia enga anie ka ‘hijery mahitsy ny masontsika’. Aoka isika hihazona azy ireo hifantoka amin’ny tanjona hotratrarina, dia ny hanompo ilay Raintsika any an-danitra amin’ny fanahy rehetra. (Kolosiana 3:23). Raha mbola manaraka lalam-pitondran-tena mahitsy toy izany koa ianao, dia enga anie i Jehovah hanome anao fahombiazana eo amin’izay “alehanao rehetra”, ary enga anie izy hanome anao fitahiana tondraka, noho ianao manaraka ilay torohevitra ara-tsindrimandry hoe: “Tandremo ny fonao”.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Tsy tena anarany.

[Teny notsongaina, pejy 22]

Manalavitra ny fialam-boly manasongadina herisetra ve ianao?

[Sary, pejy 21]

Mandraisa soa avy amin’ny torohevitra omen’ny olona efa za-draharaha

[Sary, pejy 23]

Tsy mampiadam-pamindra anao ny fifehezana

[Sary, pejy 24]

Manàna fikirizana amin’ny fianaranao ny Baiboly