Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aiza no Azonao Itodihana mba Handraisana Torohevitra Tsara?

Aiza no Azonao Itodihana mba Handraisana Torohevitra Tsara?

Aiza no Azonao Itodihana mba Handraisana Torohevitra Tsara?

Tonga fandraharahana mampiditra dolara an’arivo tapitrisany maro isan-taona, ankehitriny, ny “indostrian’ny torohevitra”. Ta hahazo fanampiana ny olona. Nanamarika toy izao i Heinz Lehmann, matihanina amin’ny fitsaboana aretin-tsaina: “Misy lesoka ara-panabeazana sy ara-tsosialy [ao amin’ny fiaraha-monina amin’izao fotoana izao]. Tsy toy ny taloha intsony ireo zava-tsarobidy ara-pivavahana. Tsy dia mafy orina ireo fianakaviana (...), ary vokatr’izany, dia mihilangilana ny olona.” Nilaza toy izao ilay mpanoratra atao hoe Eric Maisel: “Ireo izay nanatona ny ombiasiny, na ny pastorany, na ny dokoteran’ny fianakaviany taloha, mba hila fanampiana noho ny olana ara-tsaina sy ara-panahy ary ara-batana nahazo azy ireo, dia mampiasa boky fampianaran-tena ankehitriny, mba hamahana ny olana.”

NANANGANA antokon’olona iray, mba hamotopototra ny amin’io indostria miroborobo io, ny Fikambanana Amerikanina Momba ny Psikolojia. Nilaza izy ireo fa na dia misy aza “fahafahana goavana ho enti-manampy ny isam-batan’olona hahafantatra ny tenany sy ny hafa (...), dia manjary tafahoatra sy natao hanaitaitra fotsiny ny fampahafantarana sy ny lohatenin’ireny fandaharam-panampiana ireny.” Izao no nambaran’ny mpanoratra iray ao amin’ny Toronto Star: “Fantaro ny habetsahan’ny hosoka ara-pivavahana sy ara-panahy. (...) Mitandrema indrindra indrindra amin’ireo boky sy kasety ary seminera rehetra, izay milaza fa hanampy be dia be, ao anatin’ny fotoana fohy dia fohy, ary tsy ilana ezaka na fifehezan-tena be.” Marina aloha fa maro be no mitady hanampy amim-pahatsorana ireo izay mila fanampiana. Ny zava-misy mampalahelo anefa, dia olona maty eritreritra maro no manararaotra ireo izay mahatsapa ho manirery sy mijaly, ka tsy manolotra tena fanampiana na vahaolana.

Rehefa heverina ny amin’izany, boky inona no manome fanampiana azontsika itokisana? Aiza no mety hahitantsika torohevitra mahasoa, izay ho azo ampiharina foana?

Boky misy tari-dalana azo antoka

Nilaza toy izao ilay mpitoriteny amerikanina, velona tamin’ny taonjato faha-19, atao hoe Henry Ward Beecher: “Ny Baiboly dia toro lalan’Andriamanitra ho anao, mba tsy ho very eny afovoan-dranomasina ianao, sy mba tsy ho rendrika, ary mba hanoro anao izay misy ny seranana sy ny fomba hahatongavana any, ka tsy hidona amin’ny vato na amin’ny antsangam-pasika.” Nilaza toy izao momba ny Baiboly ny lehilahy hafa iray: “Tsy misy mihitsy olona tsy mila ny Soratra Masina intsony; mihamidadasika sy mihalalina, miaraka amin’ny taona misy antsika, io boky io.” Nahoana ianao no tokony handinika amim-pitandremana an’io loharanon-kevitra io?

Milaza toy izao momba ny tenany ny Baiboly: “Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.” (2 Timoty 3:16, 17). Avy amin’i Jehovah Andriamanitra, ilay loharanon’ny fiainana mihitsy, ny zavatra raketin’ny Baiboly. (Salamo 36:9). Amin’ny maha toy izany azy, dia mahafantatra tsara ny momba antsika izy, araka ny ampahatsiahivin’ny Salamo 103:14 antsika toy izao: “Izy mahalala ny toetsika ka mahatsiaro fa vovoka isika.” Afaka ny hanana fatokisana tanteraka ny hasarobidin’ny Baiboly àry isika.

Raha ny marina, ny Baiboly dia mirakitra foto-pitsipika sy toro lalana maro dia maro azo ampiharina, amin’ny fomba ahitan-tsoa, na inona na inona tarehin-javatra mety hisy anao. Milaza toy izao amintsika, amin’ny alalan’izy io, Andriamanitra: “Ity no làlana, ka andehano.” (Isaia 30:21). Afaka manome izay ilain’ny tsirairay tokoa ve ny Baiboly amin’izao andro izao? Andeha hojerentsika ny amin’izany.

Manome izay ilaintsika ny Baiboly ...

Rehefa miezaka handresy ny tebiteby isika. Milaza izao amintsika ny Baiboly: “Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.” (Filipiana 4:6, 7). Hita ho nandaitra ve ny vavaka natao mba handresena tebiteby ara-pihetseham-po, noho ny tsy fananam-bola, na ny fametavetana sy ny fanevatevana, na ny fahafatesan’ny havan-tiana iray? Diniho ity zavatra niainana manaraka ity.

Niaiky toy izao ny vehivavy iray atao hoe Jackie, rehefa fantany ny fametavetana natao tamin-janany vavy: “Tsy hay lazaina ny fahatsapan-tena ho meloka, noho ny tsy nananana hery mba hiarovana ny zanaky ny tena. Tsy maintsy niady tamin’ny fahatsapana lonilony sy lolompo ary fahatezerana aho. Nanomboka nanapoizina ny fiainako izany fihetseham-po izany. Nila an’i Jehovah mafy dia mafy aho mba hiaro ny foko.” Rehefa avy namaky sy namerimberina namaky ny Filipiana 4:6, 7 izy, dia niezaka mafy hampihatra ny torohevitra nomena tao. “Nivavaka isan’andro aho, nangataka imbetsaka mba tsy hamela ny tenako ho simban’ny fihetseham-po tsy tsara, ary dia nanampy ahy hanana fo tony sy falifaly i Jehovah. Tsapako fa tena manana fahatoniana anaty aho”, hoy ny notantarain’i Jackie.

Mety ho ao anatin’ny toe-javatra izay tsy azonao anoarana sy tsy ahitana hirika ivoahana koa ianao, ary miteraka fitebitebena izany. Raha ny tena izy anefa, dia afaka miatrika izany amim-pahombiazana ianao, amin’ny fanarahana ny fananaran’ny Baiboly mba hivavaka. Mampirisika antsika amin’ireto teny ireto ny mpanao salamo: “Ankino amin’i Jehovah ny làlanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka.”​—Salamo 37:5.

Mba ho fampaherezana antsika. Nanao izao teny fankasitrahana izao ny mpanao salamo: “Jehovah ô, tiako ny trano itoeranao, dia ny fonenan’ny voninahitrao. Ny tongotro mijoro eo amin’ny tany marina; [eo anivon’ireo vahoaka maro be tafavory, NW ] no isaorako an’i Jehovah.” (Salamo 26:8, 12). Mahazo fampirisihana ao amin’ny Baiboly isika mba hiara-mivory tsy tapaka, hanolotra fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah. Ahoana no ahafahan’izany fiarahana izany hanome fahafaham-po amin’izay ilainao? Ahoana no nahitan’ny hafa izany?

Mitantara toy izao i Becky: “Tsy manompo an’i Jehovah ny ray aman-dreniko, noho izany, dia mampiferinaina ahy izy ireo rehefa ta hanao zavatra mahakasika ny fanompoana an’Andriamanitra, aho. Mitaky fiezahana be ho ahy ny hanatrehana ireo fivoriana.” Nahatsapa i Becky fa maro ireo fitahiana noraisiny, noho izy niezaka mafy nanatrika tsy tapaka ireo fivoriana kristianina. “Manatanjaka ny finoako ireo fivoriana, ary ahafahako mahatohitra ireo fanerena miseho isan’andro, amin’ny maha mbola mpianatra sy maha zanakavavy ary maha mpanompon’i Jehovah ahy. Tena samy hafa be amin’ireo mpianatra any an-tsekoly ireo olona any amin’ny Efitrano Fanjakana! Olona be fiahiana sady vonon-kanampy izy ireo, ary mampahery foana ny resadresaka ifanaovanay. Tena namana izy ireo.”

Eny, amin’ny fanarahana ny toromariky ny Baiboly mba hiarahana mivory tsy tapaka, dia afaka ny hanana an’i Jehovah, mba hanome izay ilaintsika ho fampaherezana, isika. Hitantsika eto ny fahamarinan’ireto tenin’ny mpanao salamo ireto: “Andriamanitra no aro sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy.”​—Salamo 46:1.

Mba hanatontosana asa mahafa-po sy mendrika ny hatao. “Miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo”, hoy ny fampirisihan’ny Baiboly. (1 Korintiana 15:58). Tena mahafa-po ve ny fanaovana “ny asan’ny Tompo”? Manatontosa zavatra mendrika ny hatao ve ny fanompoana kristianina?

Milaza izay tsapany i Amelia: “Nampianatra Baiboly mpivady teo an-dalam-pisaraham-panambadiana aho. Nanampy vehivavy iray izay namoy ny zanany vavy, novonoina tamin-kerisetra, koa aho. Nijaly eritreritra noho ny tsy fahafantarany marina izay manjo ny olona nodimandry ilay ramatoa. Tamin’ireo toe-javatra roa ireo, dia nitondra fiadanana sy fanantenana teo amin’ny fiainan’izy ireo ny fampiharana ny foto-pitsipika ara-baiboly. Mahatsapa fifaliana anaty sy fahafaham-po lehibe aho, satria nanana anjara tamin’ny fanampiana azy ireo.” Nilaza toy izao i Scott: “Raha mahita zavatra tsara eny amin’ny saha fanompoana ianao, na manomboka fampianarana Baiboly vaovao, na mahita fahombiazana amin’ny fanaovana fanambarana tsy ara-potoana, dia horesahinao mandritra ireo taona ho avy izany. Fihetseham-po sy fientanam-po mitovy ihany no ho tsapanao, isaky ny mitantara azy io ianao! Avy amin’ny fanompoana no ahazoana ny fifaliana lehibe sy maharitra indrindra.”

Mazava fa nanome izay nilain’ireo olona ireo, momba ny asa mahafa-po sy mendrika ny hatao, ny fampiharana ny toromariky ny Baiboly mba hahatongavana ho mpanompo marisika. Asaina koa ianao mba handray anjara amin’io asa fampianarana ny hafa momba ny lalana sy ny foto-pitsipik’Andriamanitra io, ka amin’izay dia handray soa koa ny tenanao.​—Isaia 48:17; Matio 28:19, 20.

Mandray soa avy amin’ny Tenin’Andriamanitra

Tsy isalasalana fa loharanon-kevitra mendri-pitokisana, misy toromarika azo ampiharina eo amin’izao tontolo izao ankehitriny, ny Baiboly. Mba handraisan-tsoa avy amin’izy io, dia mila ny manao ezaka mitohy isika. Tsy maintsy mamaky azy io sy mianatra azy io ary misaintsaina azy io tsy tapaka isika. Nananatra toy izao i Paoly: “Mazotoa hihevitra izany zavatra izany, dia mikeleza aina fatratra amin’izany, mba hiseho amin’ny olona rehetra ny fandrosoanao.” (1 Timoty 4:15; Deoteronomia 11:18-21). Manome antoka Andriamanitra fa raha miezaka hampihatra ny toroheviny, hita ao amin’ny Baiboly, ianao, dia hahita fahombiazana. Mampanantena toy izao izy: “Matokia an’i Jehovah (...); maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao”.​—Ohabolana 3:5, 6.

[Sary, pejy 31]

Mahatonga ny fiainana hahafa-po sy hahafaly ny fanarahana ny torohevitry ny Baiboly