Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mozika Mampifaly An’Andriamanitra

Mozika Mampifaly An’Andriamanitra

Mozika Mampifaly An’Andriamanitra

Nolazalazaina ho “ny tranainy indrindra sy voajanahary indrindra amin’ireo zavakanto rehetra” ny mozika. Toy ny fiteny, izy io dia fanomezana iray miavaka, izay mampiavaka ny olona amin’ny biby. Manentana ny fihetseham-po ny mozika. Afaka mitondra fahafinaretana ho an’ny sofina sy mitoetra maharitra ao an-tsaina izy io, ary ambonin’ny zava-drehetra, dia afaka mampifaly an’Andriamanitra ny mozika.

ARAKA ny asehon’ny Baiboly, dia vahoaka tia mozika ny Isiraelita. “Zavakanto nitana toerana niavaka tamin’ny andron’ny Baiboly fahiny” ny mozika, hoy ny fanazavan’ny Unger’s Bible Dictionary. Tamin’ny naha anisan’ny fiainana andavanandro azy, dia samy nampidirina tao amin’ny fanompoam-pivavahan’izy ireo na ny hira na ny zavamaneno. Ny feon’olombelona anefa no tena nampiasaina betsaka indrindra.

Nanendry solontena, avy tamin’ireo Levita, “ho mpiventy hira” tao amin’ny tabernakely, i Davida Mpanjaka, talohan’ny fitokanana ny tempoly naorin’i Solomona zanany lahy. (1 Tantara 6:16, 17). Rehefa tonga tao Jerosalema ny fiaran’ny fanekena, izay nampiseho ny fanatrehan’i Jehovah, dia nataon’i Davida ny fandaharana mba hisian’ny Levita sasany “hankalaza sy hisaotra ary hidera an’i Jehovah”. Sady nanao ny hira fiderany izy ireo no ‘nitendry ny valiha sy ny lokanga, ary nampaneno ny kipantsona sy nitsoka ny trompetra’. Ireo lehilahy ireo no “voatonona anarana hidera an’i Jehovah, fa mandrakizay ny famindrampony”.​—1 Tantara 16:4-6, 41; 25:1.

Miseho imbetsaka ao amin’ny Salamo, izay ny boky ao amin’ny Baiboly misy ifandraisany be indrindra amin’ny mozika, ny fiverenan-teny hoe: “Fa mandrakizay ny famindrampony [ny an’i Jehovah ].” Izy io, ohatra, no mahaforona ny tapany faharoa amin’ny andininy rehetra, miisa 26, ao amin’ny Salamo faha-136. “Noho izy fohy, dia mora amin’ny olona ny manonona azy”, hoy ny fanamarihana nataon’ny manam-pahaizana iray momba ny Baiboly. “Afaka mitadidy azy io mora foana izay rehetra nandre azy.”

Manondro ny fielezan’ny fampiasana zavamaneno ny teny fampidirana an’ireo salamo. Ny Salamo faha-150 dia manonona ny anjomara, ny lokanga, ny ampongatapaka, ny sodina, ary ny kipantsona, ho fanampin’ireo zavamaneno kitihin-tady. Na dia izany aza, ny fiangaviana dia nalefa voalohany ho an’ny feon’olombelona. Nampirisika toy izao ny andininy faha-6: “Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an’i Jehovah. Haleloia.”

Koa satria milaza ireo fihetseham-pontsika ny mozika, dia navoaka tamin’ny fanaovana hira fisaonana sy hira miverimberina ny alahelo, tamin’ny andron’ny Baiboly. Tsy dia fahita firy tao amin’ny mozikan’ny Isiraely anefa ny karazan-kira toy izany. “Tao amin’ny hira fisaonana, na fitomaniana ihany, no naleo ny fomba fihira niverimberina toy izay ny feon’ny mozika na ny kabary misy fiovaovam-peo araka ny hevitra ambara sy misy fanamafisana”, hoy ny fanamarihana ao amin’ilay rakipahalalana ara-baiboly hoe Étude perspicace des Écritures. *

Tamin’ny alina talohan’ny nahafatesan’i Jesosy, izy sy ireo apostoliny mahatoky dia nihira fiderana ho an’i Jehovah, izay tsy isalasalana fa ny fiventesana ireo teny ao amin’ireo Salamo Hallel. (Salamo 113-118). Toy inona moa no tsy maintsy ho nanatanjahan’izany an’ireo mpianatr’i Jesosy, izay hiatrika ny famoizana ny Tompon’izy ireo! Mihoatra noho izany aza fa, ny fihirana indimy ilay fiverenan-teny hoe “mandrakizay ny famindrampony”, dia tsy maintsy ho nanamafy ny fahatapahan-kevitr’izy ireo hitoetra ho mahatoky eo anatrehan’i Jehovah, ilay Tompom-piandrianana Tampony eo amin’ izao rehetra izao.​—Salamo 118:1-4, 29.

Ireo Kristianina tany am-boalohany tao Efesosy sy Kolosia dia nihira “ny salamo sy ny fihirana” ho an’Andriamanitra (ara-bakiteny, dia midika hoe “hira fiderana”). Nampian’izy ireo “tonon-kiram-panahy” izany, izay nohirainy tao am-pony. (Efesiana 5:19; Kolosiana 3:16). Nampiasa tsara ny vavany mba hilazana teny fiderana izy ireo, na tamin’ny hira izany, na tamin’ny resaka. Tsy nilaza ve i Jesosy fa “avy amin’ny haben’ny ao am-po no itenenan’ny vava”?​—Matio 12:34.

Mozika tsy mampifaly an’Andriamanitra

Tsy ny mozika rehetra voalaza ao amin’ny Baiboly no nampifaly an’Andriamanitra. Diniho ilay fitrangan-javatra tao amin’ny tendrombohitra Sinay, toerana nandraisan’i Mosesy ny Lalàna, anisan’izany ny didy folo. Inona no ren’i Mosesy rehefa nidina ilay tendrombohitra izy? “Tsy feo fihobian’ny mahery na feo fitomanian’ny resy”, fa “feon’ny mihira”. Mozika nifandray tamin’ny fanompoan-tsampy izy io, fanao izay tsy nahafaly an’Andriamanitra, ary nahatonga ny fahafatesan’ny olona sahabo ho 3 000, tamin’ireo mpanao mozika.​—Eksodosy 32:18, 25-28.

Na dia afaka mamorona sy mitendry ary mankafy ny karazana mozika rehetra aza ny olombelona, dia tsy midika izany fa mampifaly an’Andriamanitra avokoa izy rehetra. Fa nahoana? Nanazava toy izao i Paoly, apostoly kristianina: “Samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra”. (Romana 3:23). Matetika no atao foto-kevitra ao amin’ny feon-kira ny fombafomba fankalazan’ny mpanompo sampy ny fahavokarana, sy ny foto-pinoana momba ny tsy fahafatesan’ny fanahy olombelona, ary ny fankamasinana an’i Maria ho “renin’Andriamanitra”. Manala baraka an’ilay Andriamanitry ny fahamarinana anefa ireny zavatra inoana sy fanao ireny, satria izy ireny dia mifanohitra amin’izay voalaza ao amin’ny Teniny ara-tsindrimandry, ny Baiboly.​—Deoteronomia 18:10-12; Ezekiela 18:4; Lioka 1:35, 38.

Fifidianana amim-pahendrena ny mozika

Mahavaka ny saina ny fifidianana an’ireo mozika maro izay misy. Natao mba hanintonana ny mpividy hividy izao karazana mozika noraisim-peo rehetra izao ny fonon’ireny kapila mangilatra ireny. Raha ta hampifaly an’Andriamanitra anefa ny mpivavaka Aminy, dia haneho fitandremana tokoa izy, ka hifantina amim-pahendrena, hanalavitra ny hira sy ny feon-kira izay mifandray amin’ny finoana ara-pivavahan-diso, na mifantoka amin’ny fahalotoam-pitondran-tena sy ny demonisma.

Niaiky i Albert, izay misionera kristianina tatsy Afrika teo aloha, fa tsy nanam-potoana firy nitendrena piano izy tany. Na izany aza, dia namerimberina nihaino ireo kapila vitsivitsy nentiny nanaraka azy tany izy. Niverina any amin’ny tany niaviany i Albert, ary mitsidika ireo kongregasiona kristianina amin’ny maha mpiandraikitra mpitety faritany izy ankehitriny. Voafetra ny fotoana ahafahany mihaino mozika. “I Beethoven no mpamoron-kira ankafiziko indrindra”, hoy ny nomarihiny. “An-taonany maro no nanangonako ireo kapila misy ny amboaram-peon-kirany, ny concerto sy ny sonate ary ny quartet nataony.” Nahadibo-kafaliana azy ny fihainoana ireo zavatra ireo. Mazava ho azy fa samy manana ny mozika tiany ny olona tsirairay, kanefa amin’ny maha Kristianina, dia ataontsika ao an-tsaina izao torohevitr’i Paoly izao: “Na mihinana na misotro hianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany.”​—1 Korintiana 10:31.

Mozika sy fanoloran-tena

Ny mozika no mba zavatra nahafinaritra an’i Susie. “Nanomboka nitendry piano aho teo amin’ny faha-6 taonako, nitendry lokanga teo amin’ny faha-10 taonako, ary tamin’ny farany, dia nitendry harpa, teo amin’ny faha-12 taonako”, hoy ny fanazavany. Niofana tao amin’ny Royal College of Music any Londres, any Angletera, i Susie tatỳ aoriana, mba hianatra momba ny harpa. Nianatra niaraka tamin’ny mpitendry harpa espaniola malaza iray nandritra ny efa-taona izy, ary ny herintaona fanampiny dia tao amin’ny Conservatoire an’i Paris, ka nahazoany mari-pankasitrahana momba ny mozika sy diplaoma tamin’ny fitendrena harpa sy ny fampianarana piano izany.

Nanjary niaraka tamin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Londres i Susie. Hitany tao, teo amin’ireo Vavolombelona namany, ny tena fifanehoam-piheverana sy fifankatiavana. Nitombo tsikelikely ny fitiavany an’i Jehovah, ary nanosika azy hitady ny fomba hoenti-manompo an’i Jehovah ny zotom-pony ho an’ny fanompoana azy. Nitarika ho amin’ny fanoloran-tena sy ny batisa izany. “Ny asa fanaovana mozika dia fomba fiaina iray mitaky fanoloran-tena, noho izany, dia tsy vaovao tamiko ny fanoloran-tena eo amin’ny fiainana”, hoy ny nomarihin’i Susie. Nihena ny fotoana fanaovany rindran-kira, rehefa nirotsaka hanao ny fanompoana kristianina izy, dia ny fitoriana ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra, ho fankatoavana ny toromarik’i Jesosy.​—Matio 24:14; Marka 13:10.

Inona no tsapany ankehitriny, rehefa voafetra ny fotoana ahafahany manao mozika? “Misy alahelo kely ihany, tsindraindray, noho ny tsy fananako fotoana bebe kokoa mba hanaovana fampiharana”, hoy ny fiekeny, “kanefa mbola mitendry ny zavamanenoko sy mankafy mozika ihany aho. Fanomezana avy amin’ i Jehovah ny mozika. Amin’izao nametrahako ny fanompoana an’i Jehovah ho eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainako izao, no vao mainka hankafizako kokoa ny mozika.”​—Matio 6:33.

Mozika midera an’Andriamanitra

Midera tsy tapaka an’i Jehovah Andriamanitra amin’ny mozika i Albert sy i Susie, miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah hafa, efa ho enina tapitrisa. Any amin’ireo fivoriana kristianina atao ao amin’ny Efitrano Fanjakana, any amin’ny tany 234, dia manomboka sy mamarana ny fivoriany, any amin’ireo tany azo anaovana izany, amin’ny fanaovana hira ho an’i Jehovah, izy ireo. Amin’ny feo feno (clé majeure) sy ny fielanelanam-peo iray sy sasany (clé mineure), ireo feon-kira kanto dia ampiarahina amin’ny tonon-kira miorina amin’ny Soratra Masina, ho fiderana an’i Jehovah Andriamanitra.

Manandratra ny feony ny mpanatrika rehetra mba hihirana amin-kafanana fa Andriamanitra miahy i Jehovah (Hira faha-44). Mikalo hira fiderana ho an’i Jehovah izy ireo (Hira faha-190). Ahitana taratry ny fifaliana sy ny andraikitra entin’ny firahalahiana kristianina, ny fomba fiaina kristianina, ary ny toetra kristianina, ny hiran’izy ireo. Mampitombo ny fahafinaretan’izy ireo ny fahasamihafan’ny fomba namoronan’ireo Vavolombelona avy any Amerika avaratra sy atsimo, Aostralia sy Azia ary Eoropa, ireo feon-kira. *

“Mihirà fihiram-baovao ho an’i Jehovah; mihirà ho an’i Jehovah, ry tany rehetra. Mihirà ho an’i Jehovah, misaora ny anarany”; toy izany no teny fanokafana ny hira fiderana kanto indrindra voasoratra tamin’ny andron’ny mpanao salamo. “Lazao isan-andro isan-andro ny famonjeny mahafaly. Ambarao any amin’ny jentilisa ny voninahiny, ary any amin’ny firenena rehetra ny fahagagana ataony.” (Salamo 96:1-3). Izany no ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny faritra misy anao, ary manasa anao handray anjara amin’ny fanaovana io hira fiderana io izy ireo. Horaisina an-tanan-droa ianao ao amin’ny Efitrano Fanjakanany, toerana izay ahafahanao mahafantatra hoe ahoana no hiderana an’i Jehovah amin’ny mozika mampifaly azy.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.

^ feh. 22 Ireo hira ireo dia asongadina ao amin’ny boky Mihirà Fiderana ho An’i Jehovah, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.

[Sary, pejy 28]

Mihira fiderana ho an’i Jehovah