Nahazo Fanampiana mba Handresena ny Fahasarotan-kenatro Aho
Tantaram-piainana
Nahazo Fanampiana mba Handresena ny Fahasarotan-kenatro Aho
NOTANTARAIN’I RUTH L. ULRICH
Ketraka aho ary nitomany teo an-tokonam-baravaran’ilay mpitondra fivavahana mihitsy. Vao avy nanambara fiampangana lainga sesehena an’i Charles T. Russell, prezidà voalohan’ny Watch Tower Bible and Tract Society, izy. Mamelà ahy hanazava ny fomba nanaovako fitsidihana toy izany tamin’ny olona, na dia tovovavy kely aza aho tamin’izany.
TERAKA tao amin’ny fianakaviana mpivavaka be, tao amin’ny toeram-pambolena sy fiompiana iray, tany Nebraska, any Etazonia, aho, tamin’ny 1910. Niara-namaky ny Baiboly, isa-maraina sy isan-kariva, taorian’ny sakafo, ny fianakavianay. Mpiandraikitra ny sekoly alahadin’ny Fiangonana Metodista, tao amin’ny tanàna kelin’i Winside, tokotokony ho enina kilaometatra avy teo amin’ny toerana nisy anay, i Dada. Nanana kalesy tarihin-tsoavaly izahay, izay nisy ridao teo amin’ireo varavarankeliny, ka afaka namonjy ny fiangonana alahady maraina izahay, na ratsy na tsara ny andro.
Rehefa tokony ho valo taona aho, dia narary, voan’ny poliomelita ny anadahy keliko, ary nentin’i Neny mba hotsaboina tany amin’ny toeram-pitsaboana aretina mitaiza, tany Iowa, izy. Na dia teo aza ny fikarakarana nombam-pandavan-tenan’i Neny, dia maty tany ilay anadahiko. Tamin’izay fotoana izay koa anefa, tany Iowa ihany, dia nifankahita tamina Mpianatra ny Baiboly iray, araka ny niantsoana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany, i Neny. Niresadresaka zavatra maro izy ireo, ary namonjy ny sasany tamin’ireo fivorian’ny Mpianatra ny Baiboly niaraka tamin’ilay ramatoa mihitsy aza i Neny.
Nitondra boky maromaro tamin’ny Études des Écritures, navoakan’ny Fikambanana Watch Tower, i Neny, nony niverina nody. Tsy ela izy dia niaiky fa nampianatra ny fahamarinana ny Mpianatra ny Baiboly, ary diso ny fampianarana momba ny tsy fahafatesan’ny fanahy olombelona sy ny fampijaliana mandrakizay ireo ratsy fanahy.—Genesisy 2:7; Mpitoriteny 9:5, 10; Ezekiela 18:4.
Sosotra mafy anefa i Dada, ary nanohitra ny fiezahana nataon’i Neny, mba hanatrehana ireo fivorian’ny Mpianatra ny Baiboly. Nanohy nitondra ahy sy i Clarence, zokiko lahy, tany am-piangonana, niaraka taminy, izy. Rehefa tsy tao an-trano anefa i Dada, dia nianatra ny Baiboly niaraka tamin’i Neny izahay. Ho vokany, dia nanana fahafahana tsara izahay ankizy mba hampitahana ny fampianaran’ny Mpianatra ny Baiboly tamin’ny an’ny fiangonanay.
Nanatrika tsy tapaka ny sekoly alahady izaho sy i Clarence, ary nametrahany fanontaniana ilay mpampianatra, kanefa tsy nahavaly. Nolazainay tamin’ny reninay izany nony tonga tany an-trano izahay, ary nitarika ho amin’ny adihevitra naharitra, nahakasika ireny foto-kevitra ireny, izany. Tamin’ny farany, dia nandao ny fiangonana aho ary nanomboka nanatrika ireo fivorian’ny Mpianatra ny Baiboly niaraka tamin’i Neny, ary nanao toy izany koa i Clarence, tsy ela taorian’izay.
Niezaka handresy ny fahasarotan-kenatra
Niara-nanatrika tamin’i Neny ilay fivoriambe mendrika hotsarovana tany Cedar Point, any Ohio, aho, tamin’ny Septambra 1922. Mbola hitako ilay lamba nisy soratra ngezabe nivelatra, sy i Joseph F. Rutherford, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower tamin’izany, teo am-pampirisihana ireo mpanatrika maherin’ny 18 000, tamin’ireo teny voasoratra teo amin’ilay lamba nanao hoe: “Ambarao Ilay Mpanjaka sy Ilay Fanjakana”. Tohina mafy ny foko, ary tsapako fa nilaina maika ny hanaovana fanambarana amin’ny hafa, momba ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra.—Matio 6:9, 10; 24:14.
Tao amin’ireo fivoriambe natao tamin’ny 1922 ka hatramin’ny 1928, dia nisy fitohitohizana fanapahan-kevitra nolanina, izay navoaka ho taratasy mivalona, ka nanely am-polo tapitrisany maro tamin’izany tamin’ny olona nanerana an’izao tontolo izao, ny Mpianatra ny Baiboly. Lava mahia aho tamin’izany—niantso ahy hoe lévrier (alika mpihazakazaka) ireny olona ireny—ary nihazakazaka aho nizara ireny hafatra vita an-tsoratra ireny isan-trano. Tena nahafinaritra ahy io asa io. Mbola zavatra hafa koa anefa ny firesahana teo am-baravarana, nanambara mivantana tamin’ny hafa ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.
Tena saro-kenatra be aho, ary raiki-tahotra mihitsy aza aho rehefa nanasa havana maro i Neny isan-taona. Nisitrika tao amin’ny efitrano fandriako aho, ary nijanona tao. Indray andro, dia ta haka sary ny fianakaviana manontolo i Neny, ary niantso ahy hivoaka izy. Tsy te hiaraka tamin-dry zareo anefa aho, ary nikiakiaka aho rehefa notaritaritin’i Neny hivoaka ny efitranoko.
Tonga anefa ny fotoana izay nametrahako zavatra vita an-tsoratra tao anaty kitapo tamim-pahatapahan-kevitra. Impiry impiry aho no nilaza hoe: “Tsy vitako ity”, kanefa, ny fotoana nanaraka izany, dia niteny anakampo aho hoe: “Tsy maintsy vitako ity”. Nandeha nitory aho, tamin’ny farany. Faly be aho, taorian’izay, noho ny nisikinako herim-po mba handeha. Ny fifaliako lehibe indrindra dia teo amin’ny fahavitan’ny asa, fa tsy dia teo am-panaovana azy io loatra. Tokotokony ho tamin’izany fotoana izany no nifankahitako tamin’ilay rangahy mpitondra fivavahana voalaza terỳ aloha, ka sady lasa aho no nitomany. Rehefa nandeha ny fotoana, noho ny fanampian’i Jehovah, dia afaka niresaka tamin’ny olona teo am-baravarany aho, ary nampitombo ny fifaliako izany. Nanamarika ny fanoloran-tenako ho an’i Jehovah, tamin’ny alalan’ny batisa anaty rano, aho, avy teo, tamin’ny 1925.
Ny fanombohana tao amin’ny fanompoana manontolo andro
Rehefa 18 taona aho, dia nividy fiarakodia tamin’ny vola anjara lovako tamin’ny nenitoako, ary nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana, araka ny iantsoana ny fanompoana manontolo andro. Roa taona taorian’izay, tamin’ny 1930, dia nahazo fanendrena hitory izaho sy ny namana mpisava lalana iray, ary nanaiky izany izahay. Nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana koa i Clarence, tamin’izay fotoana izay. Nanaiky ny fanasana mba hanompo ao amin’ny Betela, ny Foibe Maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ao Brooklyn, New York, izy, tsy ela taorian’izay.
Tokony ho tamin’io fotoana io, dia nisara-panambadiana ny ray aman-dreniko, noho izany dia nipetraka tao amin’ny tranofiara iray izaho sy i Neny, ary nanomboka niara-nanao ny asan’ny mpisava lalana. Tamin’ny fahatongavan’ilay Fitambotsorana Ara-toe-karena Lehibe tany Etazonia izany. Nanjary tena zava-tsarotra ny nanohy nanao ny asan’ny mpisava lalana tamin’izany, kanefa tapa-kevitra ny tsy handao izany izahay. Nanakalo zavatra vita an-tsoratra tamin’ny akoho, atody, sy vokatry ny tany izahay, ary zavatra hafa koa, toy ny bateria tranainy sy potipotika viraty. Ireo farany ireo dia namidinay, mba hahafahanay hividy lasantsy ho an’ny fiarakodia, sy mba hisahanana ireo fandaniana hafa. Nianarako koa ny fomba fikojakojana ny fiara sy ny fanoloana menaka, mba hitsitsiana vola. Hitanay ny nanokafan’i Jehovah, izay tsy mivadika amin’ny fampanantenany, ny lalana hanampiana anay handresy vato misakana.—Matio 6:33.
Fiaingana ho amin’ny asa misionera nanendrena
Nasaina hanatrika ny kilasy fahafiton’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower, izay tany akaikin’i South Lansing, any New York, aho, tamin’ny 1946. Tamin’izay, dia efa niara-nanao ny asan’ny mpisava lalana nandritra ny 15 taona mahery izaho sy i Neny, kanefa tsy nanandrana ny hisakana ahy tsy hahazo fampiofanana ho amin’ny asa misionera izy. Nampirisika ahy hanaiky ny tombontsoa hanatrika ny Sekolin’i Gileada àry izy. Taorian’ny fizarana diplaoma, dia i Martha Hess avy tany Peoria, any Illinois, sy izaho no voatendry hiaraka. Notendrena hiasa herintaona tao Cleveland, any Ohio, izahay, niaraka tamin’ny rahavavy roa hafa, teo am-piandrasanay fanendrena ho any an-tany hafa.
Tonga io fanendrena io, tamin’ny 1947. Koa satria mora ny nifindra monina tany amin’ireo nosy ireo, dia tonga tany i Neny, ary nipetraka teo akaikinay, tao amin’ny tanànan’i Honolulu. Niharatsy ny fahasalamany, noho izany, dia sady nisahana ny asako tamin’ny naha misionera aho, no nikarakara an’i Neny. Afaka nikarakara azy aho, mandra-pahafatiny tany Hawaii, tamin’ny 1956, rehefa 77 taona izy. Tamin’ny nahatongavanay tany, dia nisy Vavolombelona 130 teo ho eo tany Hawaii, kanefa nihoatra ny arivo izany tamin’ny fotoana nahafatesan’i Neny, ka tsy nilana misionera intsony.
Avy eo, dia naharay taratasy avy tamin’ny Fikambanana Watch Tower izaho sy i Martha, taratasy izay nanolotra anay fanendrena ho eto Japon. Ny zavatra nampanahy anay voalohany dia ny fahafahanay hianatra teny japoney, noho ny taonanay. Tamin’izay aho dia 48 taona, ary zandriko efa-taona monja i Martha. Napetrakay teo am-pelatanan’i Jehovah anefa ilay raharaha, ary nanaiky ilay fanendrena izahay.
Vao vita mihitsy ilay fivoriambe iraisam-pirenena tao amin’ny Yankee Stadium sy Polo Grounds, tany New York, tamin’ny 1958, dia nanainga ho atỳ Tokyo,
tamin’ny sambo, izahay. Natambolimbolin’ny rivo-doza iray ny sambonay rehefa nanakaiky ny seranana tao Yokohama. Tao izahay dia notsenain-dry Don sy Mabel Haslett, ry Lloyd sy Melba Barry, ary misionera hafa koa. Tsy nisy afa-tsy Vavolombelona 1 124 monja teto Japon, tamin’izany fotoana izany.Nanomboka nianatra avy hatrany ny teny japoney izahay, sady nanao ny fanompoana isam-baravarana. Nosoratanay tamin’ny abidy anglisy, mba hahazoanay hamaky azy, ny fomba fampiseho tamin’ny teny japoney. Ny valin-tenin’ny tompon-trano dia hoe “Yoroshii desu”, na koa hoe “Kekko desu”, izay ny dikany araka ny nianaranay azy dia hoe “Tsara izany”, na koa hoe “Mety izany”. Tsy fantatray foana anefa raha liana ilay tompon-trano na tsia, satria nampiasaina koa ho fandavana ireo teny ireo. Ny dikany dia niankina tamin’ny toetoetran’ny feon’ilay olona, na ny fiovan’ny endriny. Elaela ihany izahay vao nahavaka izany.
Zavatra niainana izay nanafana ny foko
Raha ilay mbola tsy nahay tsara ny fiteny iny aho, dia nitsidika ny efitrano fatoriana iombonana an’ny Kompania Mitsubishi, indray andro, ary nifankahita tamin’ny vehivavy iray 20 taona. Nandroso tsara tamin’ny fahalalana ara-baiboly izy, ary natao batisa tamin’ny 1966. Nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana izy, herintaona taorian’izay, ary avy eo dia voatendry ho mpisava lalana manokana. Mbola izany foana izy hatramin’izao. Zavatra namalifaly ny foko foana ny nahita ny fomba nampiasany ny fotoanany sy ny heriny efa hatramin’ny fahatanorany, tao amin’ny fanompoana manontolo andro.
Zava-tsarotra tena lehibe ho an’ny olona miaina ao amin’ny fiaraha-monina tsy kristianina ny fiandaniana amin’ny fahamarinana ara-baiboly. Na izany aza, dia an’arivony maro no afaka niatrika tamim-pahombiazana izany zava-tsarotra izany, ka anisan’izany ny ankamaroan’ireo izay nampianariko ny Baiboly. Nanary ny alitara bodista sy ny talantalana shintoista lafo vidy, izay zavatra fahita ao amin’ny tokantrano japoney, izy ireo. Koa satria raisin’ny havana amin’ny Asan’ny Apostoly 19:18-20.
fomba diso ho tsy fanomezana hasina ireo razana efa maty ny fanaovan-javatra toy izany matetika, dia mitaky herim-po ho an’ireo vaovao ny fanesorana izany. Mampahatsiaro izay nataon’ny Kristianina tany am-boalohany, tamin’ny fanariana ireo zavatra nifandray tamin’ny fanompoam-pivavahana diso, ny fanaovan’izy ireo zavatra amin-kerim-po.—Tadidiko ilay vehivavy mpikarakara tokantrano iray, nampianariko Baiboly, izay nikasa hipetraka tany ivelan’i Tokyo niaraka tamin’ny fianakaviany. Ny faniriany dia ny hamantana trano vaovao iray tsy hisy zavatra mifandray amin’ny fanompoam-pivavahan’ny mpanompo sampy. Koa niresaka tamin’ny vadiny ny amin’ny faniriany àry izy, ary vonona ny hanaraka izany io. Faly erỳ izy nitantara izany tamiko, kanefa tadidiny nony avy eo fa hay izy nanana vazy lehibe sy lafo vidy iray vita tamin’ny marbra, vazy izay novidiny, satria voalaza fa miantoka ny fahasambarana ao an-tokantrano. Koa satria nahiny ho nisy ifandraisany tamin’ny fanompoam-pivavahana diso io vazy io, dia novakiny tamin’ny marotoa, ary nariany.
Ny fahitana an’io vehivavy io sy ny hafa koa, izay nanaisotra an-tsitrapo zavatra lafo vidy nisy ifandraisany tamin’ny fanompoam-pivavahana diso, ary nanomboka tamin-kerim-po fiainana vaovao iray ho fanompoana an’i Jehovah, no famalian-tsoa sy zavatra nahafa-po ahy indrindra. Tsy tapaka ny misaotra an’i Jehovah aho noho ny nahafahako nankafy ny fanompoan’ny misionera, teto Japon, efa hatramin’ny 40 taona mahery.
“Fahagagana” amin’ny andro ankehitriny
Talanjona aho, ny amin’izay toa fahagagana amin’ny andro ankehitriny miseho amiko, rehefa manao jery todika an’ireo 70 taona mahery naha tao amin’ny fanompoana manontolo andro ahy. Fony aho tanora, nijaly noho ny fahasarotan-kenatra, dia tsy nieritreritra velively aho fa ho afaka handany ny androm-piainako manontolo amin’ny fanaovana ny dingana voalohany mba hiresahana momba ilay Fanjakana amin’ny olona, izay ny ankamaroany dia tsy ta handre na inona na inona ny amin’izany. Tsy hoe afaka nanao izany fotsiny anefa aho, fa nahita olona an-jatony maro hafa, na an’arivony maro mihitsy aza, manao toy izany koa. Ary nanao izany tamin’ny fomba mandaitra aoka izany izy ireo, hany ka ilay Vavolombelona arivo mahery kely teto Japon, fony aho
tonga teto tamin’ny 1958, dia nitombo ho 222 000 mahery, amin’izao fotoana izao!Notendrena hipetraka tao amin’ny biraon’ny sampana teto Tokyo, izaho sy i Martha, rehefa tonga voalohany teto Japon. Tamin’io toerana io ihany no nanorenana ny tranon’ny sampana vaovao misy rihana dimy, tamin’ny 1963, ary ao izahay no mipetraka hatramin’izao. Tamin’ny Novambra 1963, dia anisan’ireo olona 163 nanatrika ny lahateny fitokanana nataon’i Lloyd Barry, mpiandraikitra ny sampanay, izahay. Nahatratra 3 000 ny Vavolombelona teto Japon, tamin’izay fotoana izay.
Nahafinaritra ny nahita ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana nitombo be, nahatratra 14 000 mahery tamin’ny 1972, rehefa vita tanteraka ny fanitarana ny sampana vaovao tao amin’ny tanànan’i Numazu. Tamin’ny 1982 anefa, dia nisy mpitory ilay Fanjakana 68 000 mahery teto Japon, ary nisy tranon’ny sampana lehibe lavitra naorina tao amin’ny tanànan’i Ebina, tokony ho 80 kilaometatra avy eto Tokyo.
Nandritra izany fotoana izany, dia nohavaozina ilay tranon’ny sampana teo aloha, eto afovoan’i Tokyo. Nanjary natao tranon’ny misionera 20 mahery, izay nanompo teto Japon nandritra ny 40 na 50 taona, na mihoatra izany, izy io, rehefa nandeha ny fotoana, ka anisan’izany izaho sy i Martha Hess, namako hatramin’ny ela. Misy dokotera iray koa, miaraka amin’ny vadiny izay mpitsabo mpanampy, mipetraka ato amin’ny tranonay. Izy ireo no mikarakara anay, miahy amim-pitiavana ny amin’izay ilainay ara-pahasalamana. Tsy ela izay, dia nisy mpitsabo mpanampy hafa iray koa nanampy isa anay, ary misy rahavavy kristianina tonga manampy, mandritra ny andro. Tonga tsiroaroa, mifandimby mikarakara ny sakafo sy manadio ny tranonay, ny mpianakavin’ny Betela any Ebina. Tsara fanahy aminay tokoa i Jehovah.—Salamo 34:8, 10.
Ny zavatra nisongadina indrindra teo amin’ny fiainako, tamin’ny naha misionera ahy, dia nitranga tamin’ny Novambra farany teo, 36 taona tatỳ aorian’ny nitokanana ny trano natao ho an’ny misionera efa ela nihetezana, izay misy anay ankehitriny. Tamin’ny 13 Novambra 1999, izaho dia anisan’ireo 4 486 mahery, izay nahitana ireo Vavolombelona ela nihetezana an-jatony maro, avy tany amin’ny firenena 37, nanatrika ny fitokanana ny fanitarana ny tranon’ny sampan’ny Watch Tower Bible and Tract Society tao Ebina, eto Japon. Sahabo ho 650 ny isan’ny mpianakavin’io sampana io, amin’izao fotoana izao.
Fanampiana nanatanjaka ahy i Jehovah nandritra izay 80 taona latsaka kely izay, hatramin’ilay nanombohako nandeha isan-trano, tamin-kasarotan-kenatra, nizara ny hafatra avy ao amin’ny Baiboly. Nanampy ahy handresy ny fahasarotan-kenatro izy. Mino mafy aho fa afaka mampiasa na iza na iza, izay mametraka ny fitokisany aminy, i Jehovah, eny fa na dia ireo faran’izay saro-kenatra toa ahy aza. Ary fiainana nahafa-po toy inona moa no azoko teo am-piresahana, tamin’ireo olon-tsy fantatro, mahakasika an’i Jehovah, ilay Andriamanitsika!
[Sary, pejy 21]
Miaraka amin’i Neny sy i Clarence, izay avy any amin’ny Betela ary tonga nitsidika anay
[Sary, pejy 23]
Ireo anisan’ny kilasinay nianatra teo an-tokotanin’ny Sekolin’i Gileada, tany akaikin’i South Lansing, any New York
[Sary, pejy 23]
Ankavia: Izaho sy Martha Hess ary Neny, tany Hawaii
[Sary, pejy 24]
Ankavanana: Ireo miara-mipetraka aminay ao amin’ny tranon’ny misionera eto Tokyo
[Sary, pejy 24]
Ambany: Miaraka amin’i Martha Hess, ilay namako hatramin’ny ela
[Sary, pejy 25]
Ny tranon’ny sampanay nitarina, ao Ebina, izay notokanana tamin’ny Novambra lasa teo