Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Vonjeo ny Tenanao sy Izay Mihaino Anao’

‘Vonjeo ny Tenanao sy Izay Mihaino Anao’

‘Vonjeo ny Tenanao sy Izay Mihaino Anao’

“Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao (...); fa raha manao izany hianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.”​—1 TIMOTY 4:16.

1, 2. Inona no manosika ny Kristianina marina hanohy ilay asany famonjena aina?

TANY amin’ny vohitra mitokana iray any amin’ny faritra avaratr’i Tailandy, dia nanandrana nampiasa izay hainy tamin’ilay fiteny vao nianarany ireto mpivady Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny firesahana tamin’ireo anisan’ny foko iray monina any amin’ny havoana. Vao haingana izay, dia nanomboka nianatra ny fiteny lahu izy mivady mba hiresahana ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ireo mponina ao amin’ilay vohitra.

2 “Tsy hitanay ny teny hilazana ny fifaliana sy ny fahafaham-po tsapanay mivady, miasa eo anivon’ireo olona mahafinaritra ireo”, hoy ny nohazavain-dralehilahy. “Tena mahatsapa ny tenanay ho mandray anjara amin’ny fahatanterahan’ny Apokalypsy 14:6, 7 izahay, amin’ny fanambarana ny vaovao mahafaly amin’ny ‘firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny rehetra’. [Izahay no manao sora-mandry.] Vitsy ny faritany mbola tsy tafiditry ny vaovao tsara, ary azo antoka fa iray amin’ireny ity. Saika mihoatra noho izay azonay atao ny fampianarana Baiboly anananay.” Mazava fa tsy manantena ny hamonjy ny tenany ihany io mpivady io fa manantena ny hamonjy an’izay mihaino azy koa. Tsy manantena ny hanao toy izany koa ve isika rehetra, amin’ny maha Kristianina antsika?

“Tandremo ny tenanao”

3. Mba hamonjena ny hafa, inona no tsy maintsy ataontsika aloha?

3 Nanoro hevitra an’i Timoty ny apostoly Paoly mba ‘hitandrina ny tenany sy ny fampianarany’, ary mihatra amin’ny Kristianina rehetra izany. (1 Timoty 4:16). Eny tokoa, mba hanampiana ny hafa hahazo famonjena, dia tsy maintsy mitandrina ny tenantsika aloha isika. Ahoana no ahafahantsika manao izany? Voalohany aloha, dia tsy maintsy mitoetra ho mailo isika raha ny amin’ny fotoana iainantsika. Nanome famantarana misy lafiny maro i Jesosy mba hahafantaran’ireo mpanara-dia azy ny fotoana hahatongavan’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”. Nilaza koa anefa i Jesosy fa tsy ho fantatsika hoe rahoviana marina no ho tonga ny farany. (Matio 24:3, 36, NW). Ahoana no tokony ho fihetsitsika manoloana izany?

4. a) Toe-tsaina manao ahoana no tokony hananantsika, manoloana ny fotoana sisa tavela ho an’ity fandehan-javatra ity? b) Toe-tsaina manao ahoana no tokony hohalavirintsika?

4 Azontsika tsirairay atao ny manontany tena toy izao: ‘Ampiasaiko mba hamonjeko ny tenako sy izay mihaino ahy ve izay fotoana rehetra sisa tavela ho an’ity fandehan-javatra ity? Sa mihevitra kosa aho hoe: “Koa satria tsy fantatsika hoe rahoviana marina no ho tonga ny farany, dia tsy hiraharaha ny amin’izay farany any aho”?’ Mampidi-doza io toe-tsaina farany io, satria mifanohitra mivantana amin’izao fananaran’i Jesosy izao: “Miomàna (...) hianareo; fa amin’izay ora tsy ampoizinareo no hihavian’ny Zanak’olona.” (Matio 24:44). Azo antoka fa tsy izao no fotoana tokony hanariantsika ny hafanam-pontsika amin’ny fanompoana an’i Jehovah, na hitodihantsika any amin’izao tontolo izao, mba hitadiavana filaminan-tsaina na fahafaham-po.​—Lioka 21:34-36.

5. Ohatra inona avy no navelan’ireo vavolombelon’i Jehovah talohan’ny andro kristianina?

5 Ny fomba hafa iray azontsika ampisehoana fa mitandrina ny tenantsika isika, dia ny fiaretana amim-pahatokiana amin’ny maha Kristianina antsika. Niaritra hatrany ireo mpanompon’Andriamanitra tamin’ny lasa, na nanantena hahazo fanafahana avy hatrany izy ireo na tsia. Nanamarika toy izao i Paoly rehefa avy nanonona ny ohatr’ireo vavolombelona talohan’ny andro kristianina, toa an-dry Abela, Enoka, Noa, Abrahama, ary Saraha: ‘Tsy mbola [nahita ny fahatanterahan’ireo fampanantenana, NW ] izy ireo; fa nahatazana azy eny lavitra eny ka ravoravo niarahaba azy, dia nanaiky fa vahiny sy mpivahiny tetỳ ambonin’ny tany izy ireo.’ Tsy nanaiky ho resin’izay rehetra nety ho faniriana hanana fiainana niadana izy ireo, no sady tsy nety ho voataonan’ireo fanerena haloto fitondran-tena nanodidina azy ireo, fa niandrandra tamim-pahadodonana kosa ny “fahatanterahan’ireo fampanantenana”.​—Hebreo 11:13, NW; 12:1.

6. Tamin’ny ahoana no nanan-kery teo amin’ny fomba fiainan’ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany ny fomba fiheviny ny famonjena?

6 Nihevitra ny tenany ho “vahiny” teto amin’ity tontolo ity koa ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. (1 Petera 2:11). Na dia taorian’ny namonjena ny Kristianina marina tamin’ny nandravana an’i Jerosalema tamin’ny 70 am.f.i. aza, dia tsy nitsahatra nitory na niverina indray ho amin’ny fomba fiainan’izao tontolo izao izy ireo. Fantatr’izy ireo fa nisy famonjena lehibe niandry an’ireo nitoetra ho nahatoky. Raha ny marina, dia nanoratra toy izao ny apostoly Jaona, tatỳ aoriana be, tamin’ny 98 am.f.i.: “Mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.”​—1 Jaona 2:17, 28.

7. Tamin’ny ahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no nampiseho fiaretana, tamin’izao andro maoderina izao?

7 Amin’izao andro maoderina izao, dia naharitra tamin’ny asa kristianina koa ny Vavolombelon’i Jehovah, na dia niharam-panenjehana feno halozana aza izy ireo. Very maina ve ny fiaretana nasehon’izy ireo? Tsy izany velively, satria nanome toky antsika toy izao i Jesosy: “Izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena”, na amin’ny faran’ity fandehan-javatra tranainy ity izany, na amin’ny faran’ny fiainan’ny tena ankehitriny. Hahatsiaro sy hamaly soa an’ireo mpanompony rehetra maty nahatoky i Jehovah, amin’ny fitsanganana amin’ny maty.​—Matio 24:13; Hebreo 6:10.

8. Ahoana no ahafahantsika mampiseho fa ankasitrahantsika ny fiaretan’ireo Kristianina tamin’ny lasa?

8 Ankoatra izany, dia faly isika fa tsy niahy ny amin’ny famonjena ny tenany fotsiny ireo Kristianina nahatoky tamin’ny lasa. Azo antoka fa isika izay nianatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny ezaka nataon’izy ireo, dia velom-pankasitrahana noho ny naharetan’izy ireo tamin’ny fanatanterahana izao asa nanirahan’i Jesosy izao: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, (...) sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako”. (Matio 28:19, 20). Raha mbola misy fahafahana misokatra hatrany eo anoloantsika, dia afaka maneho ny fankasitrahantsika isika, amin’ny fitoriana amin’ny hafa mbola tsy nandre ny vaovao tsara. Vao dingana voalohany fotsiny ho amin’ny fanaovana mpianatra anefa ny fitoriana.

‘Tandremo ny fampianaranao’

9. Amin’ny ahoana no afaka manampy antsika hanomboka fampianarana Baiboly ny toe-tsaina mety?

9 Tsy ny fitoriana ihany no asa nanendrena antsika, fa eo koa ny fampianarana. Nirahin’i Jesosy hampianatra ny olona hitandrina izay rehetra nandidiany isika. Marina aloha fa toa vitsy ny olona maniry hianatra momba an’i Jehovah, any amin’ny faritany sasany. Mety hanakantsakana ny fiezahantsika hanomboka fampianarana Baiboly anefa ny fananana fomba fijery tsy mety momba ny faritanintsika. Voamarik’i Ivette, mpisava lalana ao amin’ny faritany iray lazain’ny sasany ho tsy ahitam-bokatra, fa nanomboka fampianarana Baiboly tao ireo mpitsidika an’ilay faritra, izay tsy mba nanana izany toe-tsaina tsy mety izany. Rehefa nanana fomba fijery mety kokoa i Ivette, dia nahita olona naniry hianatra ny Baiboly koa.

10. Inona no anjara asa fototra tanantsika amin’ny maha mpampianatra ny Baiboly antsika?

10 Mety hisalasala ny hanolotra fampianarana Baiboly amin’ny olona liana ny Kristianina sasany, satria tsy mihevitra ny tenany ho afaka hitarika fampianarana izy ireo. Marina aloha fa samy hafa ny fari-pahaizantsika, nefa tsy voatery hahay be isika vao ho mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra mahita fahombiazana. Mahery ilay hafatra madio avy ao amin’ny Baiboly, ary araka ny filazan’i Jesosy, dia fantatr’ireo olona toy ny ondry ny feon’ilay tena Mpiandry rehefa mandre ny feony izy ireo. Ny asantsika àry dia ny mampita fotsiny ihany ny hafatr’i Jesosy, ilay Mpiandry Tsara, amin’ny fomba mazava araka izay azontsika atao.​—Jaona 10:4, 14.

11. Ahoana no ahafahanao mahita vokatra kokoa rehefa manampy mpianatra ny Baiboly?

11 Ahoana no ahafahanao mampita amin’ny fomba mandaitra kokoa ny hafatr’i Jesosy? Voalohany, dia ataovy izay hahafantaranao tsara izay lazain’ny Baiboly momba ilay foto-kevitra dinihina. Tsy maintsy ho ny tenanao aloha no mahatakatra ilay foto-kevitra, alohan’ny hahafahanao hampianatra azy amin’ny hafa. Afa-tsy izany koa, dia miezaha hihazona rivo-piainana mendri-kaja nefa feno fisakaizana, mandritra ilay fianarana. Mora miana-javatra kokoa ny mpianatra, anisan’izany ireo tena mbola kely, rehefa tsy saikatsaikatra izy ireo, ary manaja azy sy tsara fanahy aminy ilay mpampianatra azy.​—Ohabolana 16:21.

12. Ahoana no ahafahanao mahazo antoka fa azon’ilay mpianatra izay ampianarinao azy?

12 Amin’ny maha mpampianatra anao, dia tsy irinao ny hanome fotsiny ny fanazavana, mba hataon’ilay mpianatra tsianjery. Ampio izy hahazo ny hevitr’izay ianarany. Hisy akony eo amin’ny fahazoan’ny mpianatra iray izay lazainao ny fanabeazana azony, ny zavatra niainany, ary ny fahaizany tsara ny Baiboly. Azonao atao àry ny manontany tena hoe: ‘Takany ve ny hevitr’ireo andinin-teny voatonona ao amin’ilay fianarana?’ Afaka manampy azy hamosaka ny heviny ianao, amin’ny fametrahana fanontaniana izay tsy azo valiana amin’ny hoe eny na tsia fotsiny, fa fanontaniana mitaky fanazavana kosa. (Lioka 9:18-20). Etsy an-danin’izany, dia misalasala ny hanontany ny mpampianatra azy ny mpianatra sasany. Noho izany, dia mety havelany handeha fotsiny ny fianarana, nefa tsy azony tsara akory izay ampianarina azy. Ampirisiho ilay mpianatra mba hametraka fanontaniana sy hilaza aminao rehefa misy hevitra tsy azony tsara.​—Marka 4:10; 9:32, 33.

13. Ahoana no azonao anampiana ilay mpianatra mba ho tonga mpampianatra?

13 Ny zava-kendrena lehibe iray amin’ny fitarihana fampianarana Baiboly dia ny fanampiana ilay mpianatra mba ho tonga mpampianatra. (Galatiana 6:6). Ho fikendrena izany, dia azonao atao ny manasa azy hanazava aminao hevitra iray amin’ny teny tsotra, ho famerenana ny fianaranareo, toy ny hoe hazavainy amin’ny olona iray sambany vao nandre azy ilay izy. Any aoriana, rehefa mahafeno fepetra handray anjara amin’ny fanompoana izy, dia azonao atao ny manasa azy hiaraka aminao eny amin’ny saha. Azo inoana fa hahazo aina tsara izy miara-miasa aminao, ary hanampy azy hatoky tena kokoa izany, mandra-pahavonony hivoaka eny amin’ny fanompoana, tsy hila fanampiana avy amin’olon-kafa.

Ampio ilay mpianatra mba ho tonga sakaizan’i Jehovah

14. Inona no tanjonao lehibe indrindra amin’ny maha mpampianatra anao, ary inona no ho anisan’ny hanampy anao hanatratra izany?

14 Ny tanjona lehibe indrindra hotratrarin’ny mpampianatra kristianina rehetra dia ny fanampiana ilay mpianatra mba ho tonga sakaizan’i Jehovah. Ho vitanao izany, tsy amin’ny teninao ihany, fa amin’ny ohatra omenao koa. Misy heriny lehibe eo amin’ny fon’ny mpianatra ny fampianarana amin’ny alalan’ny ohatra omena. Tena afaka ny handaitra kokoa noho ny teny ny atao, indrindra rehefa mampiditra tsikelikely toetra tsara ara-pitondran-tena ho ao am-pon’ilay mpianatra, sy mampirisika azy hanana zotom-po. Raha hitany fa ny fifandraisanao tsara amin’i Jehovah no manosika anao hiteny sy hanao zavatra, dia mety ho voatosika kokoa hamboly izany fifandraisana izany koa ny tenany.

15. a) Nahoana no zava-dehibe ny hananan’ilay mpianatra ny antony manosika tsara hoenti-manompo an’i Jehovah? b) Ahoana no ahafahanao manampy ilay mpianatra hanohy hanao fandrosoana ara-panahy?

15 Irinao hanompo an’i Jehovah noho ny fitiavana azy ilay mpianatra, fa tsy noho ny faniriany fotsiny ny tsy ho ringana ao amin’i Haramagedona. Rehefa manampy azy hanana izany antony manosika madio izany ianao, dia hanorina amin’ny fitaovana tsy mety may izay ho afaka hisetra ny fitsapana ny finoany. (1 Korintiana 3:10-15). Ny antony manosika ratsy, toy ny faniriana tafahoatra hanahaka anao na olon-kafa na iza na iza, dia sady tsy hanome azy ny tanjaka hoenti-manohitra ny fitaomana tsy kristianina, no tsy hanome azy ny herim-po hanaovana izay mahitsy. Tadidio fa tsy ho mpampianatra azy mandrakizay ianao. Raha mbola manana fahafahana hampianatra azy ianao, dia afaka mampirisika azy hanatona akaiky kokoa hatrany an’i Jehovah, amin’ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra isan’andro sy amin’ny fisaintsainana azy io. Amin’izany fomba izany no hanohizany handray “ny mariky ny teny tsy misy kilema” avy ao amin’ny Baiboly sy ireo zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly, ela be any aorian’ny hahavitan’ny fianaranareo.​—2 Timoty 1:13.

16. Ahoana no ahafahanao mampianatra ilay mpianatra hivavaka amin’ny fo?

16 Afaka manampy an’ilay mpianatra mba ho akaiky kokoa an’i Jehovah ianao, amin’ny fampianarana azy hivavaka amin’ny fo. Ahoana no ahafahanao manao izany? Azonao atao angamba ny misarika ny sainy ho amin’ilay vavaka modely nampianarin’i Jesosy, sy ireo vavaka maro natao tamim-pahatsorana voarakitra ao amin’ny Baiboly, toy ireo ao amin’ny salamo. (Salamo 17, 86, 143; Matio 6:9, 10). Rehefa mandre anao koa manao vavaka fanokafana sy famaranana ilay fianarana ilay olona ampianarinao, dia ho tsapany ny fihetseham-ponao amin’i Jehovah. Tokony ho hita taratra foana amin’ny vavaka ataonao àry ny fahatsoram-ponao, sy ny fahasalamanao ara-panahy sy ara-pihetseham-po.

Fiezahana hamonjy ny zanakao

17. Ahoana no ahafahan’ny ray aman-dreny manampy ny zanany hitoetra eo amin’ny lalan’ny famonjena?

17 Mazava ho azy fa anisan’ireo irintsika hovonjena ny mpianakavintsika. Ny ankabeazan’ireo zanaky ny ray aman-dreny kristianina dia tso-po sy “miorina tsara amin’ny finoana”. Ny hafa kosa anefa mety ho tsy namela ny fahamarinana hamaka lalina ao am-pony. (1 Petera 5:9; Efesiana 3:17; Kolosiana 2:7). Maro amin’ireny tanora ireny no mandao ny lalana kristianina rehefa manatona na miditra amin’ireo taona maha olon-dehibe. Raha ray na reny ianao, inona no azonao atao mba ho kely kokoa ny mety hitrangan’izany? Voalohany, dia afaka miezaka hampisy rivo-piainana mahasoa eo anivon’ny ankohonanao ianao. Ny fiainam-pianakaviana vanona dia mametraka ny fototra ho amin’ny fananana fomba fijery tsara momba ny fahefana, ny fankasitrahana fitsipi-pitondran-tena mety, ary ny fananana fifandraisana tsara amin’ny hafa. (Hebreo 12:9). Mety hanampy ny ankizy hampiroborobo ny fisakaizany amin’i Jehovah àry ny fifandraisana akaiky eo amin’ny mpianakavy. (Salamo 22:10). Miara-manao zavatra toy ny ekipa iray ny fianakaviana matanjaka, na dia tsy maintsy manao sorona fotoana izay azony ampiasaina ho amin’ny tombontsoany manokana aza ireo ray aman-dreny. Amin’izany fomba izany no ahafahanao mampianatra ny zanakao handray fanapahan-kevitra tsara eo amin’ny fiainana, amin’ny alalan’ny ohatra omenao. Ry ray aman-dreny, ny tena ilain’ny zanakareo aminareo, dia tsy tombontsoa ara-nofo, fa ianareo, dia ny fotoananareo sy ny herinareo ary ny fitiavanareo. Omenareo ny zanakareo ve ireo zavatra ireo?

18. Karazana fanontaniana inona avy no tsy maintsy anampian’ny ray aman-dreny ny zanany ny famaliana azy?

18 Tsy tokony hieritreritra na oviana na oviana ireo ray aman-dreny kristianina hoe ho tonga Kristianina ho azy eo ny zanany. Nanamarika toy izao i Daniel, loholona iray manan-janaka dimy: “Tsy maintsy maka fotoana hanesorana ireo fisalasalana tsy maintsy ho azon’ny zanany any an-tsekoly sy any an-toeran-kafa ny ray aman-dreny. Tsy maintsy manampy amim-paharetana ny zanany mba hahita ny valin’ny fanontaniana toy ireto izy ireo: ‘Tena miaina amin’ny fotoan’ny farany ve isika ankehitriny? Tena tsy misy afa-tsy fivavahana marina iray monja ve? Nahoana no tsy tsara ifaneraserana ny mpiara-mianatra iray izay toa mahafinaritra? Ratsy foana ve ny manao firaisana alohan’ny fanambadiana?’ ” Ry ray aman-dreny, afaka manantena ny hitahian’i Jehovah ny ezaka ataonareo ianareo, satria liana koa ny amin’izay mahasoa ny zanakareo izy.

19. Nahoana no tsara indrindra raha ny ray aman-dreny mihitsy no mampianatra ny zanany?

19 Mety hahatsiaro ny tenany ho tsy mahay ny ray aman-dreny sasany, raha ny amin’ny fampianarana ny zanany. Tsy tokony hanana izany fihetseham-po izany anefa ianareo, satria tsy misy olona tsara toerana kokoa noho ianareo mba hampianatra ny zanakareo. (Efesiana 6:4). Ny fampianaranareo ny zanakareo dia hahatonga anareo hahafantatra mivantana izay ao am-pony sy ao an-tsainy. Tena vokatry ny fo ve ny tenin’izy ireo sa atao amim-pahazarana fotsiny? Tena mino an’izay ianarany ve izy ireo? Tena misy ve i Jehovah eo imason’izy ireo? Tsy afaka mahita ny valin’ireo, sy ny fanontaniana lehibe hafa, ianareo, raha tsy miara-mianatra manokana amin’ny zanakareo.​—2 Timoty 1:5.

20. Ahoana no ahafahan’ny ray aman-dreny manao ny fianaram-pianakaviana ho mahafinaritra sy mahasoa?

20 Ahoana no ahafahanao mihazona ilay fandaharana anaovana fianaram-pianakaviana, rehefa natombokao ilay izy? Hoy i Joseph, loholona iray manan-janaka kely mianadahy: “Sahala amin’ny fampianarana Baiboly rehetra, dia tokony hahafinaritra ny fianaram-pianakaviana, tokony ho zavatra tsy andrin’ny rehetra. Mba hahatratrarana izany tanjona izany ao amin’ny fianakavianay, dia tsy afaka ny ho henjana loatra izahay raha ny amin’ny fotoana. Mety haharitra adiny iray ny fianaranay, kanefa na dia tsy manana afa-tsy folo minitra aza izahay indraindray, dia mbola mianatra ihany izahay. Ny zavatra iray mahatonga ny fianaranay ho anisan’ny zava-mahafinaritra indrindra ny ankizy ao anatin’ny herinandro, dia satria lalaovinay toy ny fampisehoana an-tsehatra ireo tantara avy ao amin’Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly. * Zava-dehibe lavitra noho ny isan’ny fehintsoratra vitanay ny soritra lalina avelan’izany ao an-tsaina, sy ny fahatakaran-javatra azo avy amin’izany.”

21. Amin’ny fotoana inona no azon’ny ray aman-dreny ampianarana ny zanany?

21 Mazava ho azy fa tsy voafetra ho amin’ny fotoam-pianarana mahazatra ihany akory ny fampianarana ny ankizy. (Deoteronomia 6:5-7). Hoy ilay Vavolombelona any Tailandy, voatonona erỳ am-piandohana: “Tadidiko tsara ny nitondran’i Dada ahy niaraka taminy tany am-pitoriana. Nandeha bisikileta izahay mba hankanesana tany amin’ny faritra lavitra tamin’ny faritanin’ny kongregasionanay. Azo antoka fa ny ohatra tsara dia tsara navelan’ny ray aman-dreninay sy ny nampianarany anay tao anatin’ny tarehin-javatra rehetra no nanampy anay ho tapa-kevitra ny hiditra tamin’ny fanompoana manontolo andro. Ary tsy maintsy mbola mandaitra foana ireo zavatra nampianariny matoa mbola miasa foana atỳ amin’ny faritra lavitra amin’ny saha aho ankehitriny!”

22. Inona no ho vokany raha ‘mitandrina ny tenanao sy ny fampianaranao’ ianao?

22 Amin’ny andro iray ho avy tsy ho ela, dia ho tonga hampihatra ny didim-pitsaran’Andriamanitra amin’ity fandehan-javatra ity i Jesosy, amin’ny fotoana tena mety. Avy eo, dia hivalona ho anisan’ny tantaran’izao rehetra izao io fisehoan-javatra lehibe io, fa ireo mpanompo mahatokin’i Jehovah kosa dia tsy hitsahatra ny hanompo azy, ho fitsinjovana ny famonjena mandrakizay eo anoloan’izy ireo. Manantena ny ho anisan’izy ireo ve ianao, miaraka amin’ireo zanakao sy ireo olona ampianarinao Baiboly? Raha izany no izy, dia izao no tadidio: “Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ka mahareta amin’izany; fa raha manao izany hianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.”​—1 Timoty 4:16.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 20 Navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.

Hainao Hazavaina Ve?

• Ahoana no tokony ho toe-tsaintsika, satria tsy fantatsika ny fotoana marina hampiharana ny didim-pitsaran’Andriamanitra?

• Amin’ny fomba ahoana avy no azontsika ‘itandremana ny fampianarantsika’?

• Ahoana no ahafahanao manampy mpianatra iray ho tonga sakaizan’i Jehovah?

• Nahoana no zava-dehibe ny hakan’ny ray aman-dreny fotoana hampianarana ny zanany?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 15]

Manatsara ny fianarana, ny rivo-piainana mendri-kaja nefa feno fisakaizana

[Sary, pejy 18]

Manjary mahafinaritra ny fianaram-pianakaviana rehefa lalaovina toy ny fampisehoana an-tsehatra ny tantara ao amin’ny Baiboly, toy ny nitsaran’i Solomona an’ireo vehivavy janga roa