Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Mampiasa izay mety ho fanafody rehetra azo avy amin’ny ra ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Ny valiny lehibe indrindra dia ny hoe tsy mandray ra ny Vavolombelon’i Jehovah. Mino mafy isika fa tsy natao hampifanarahina amin’ny fomba fihevitra miovaova ny lalàn’Andriamanitra momba ny ra. Na izany aza, dia misy zava-manahirana vaovao mipoitra, satria ny ra ankehitriny dia azo tsinjaraina ho taharo fototra efatra ary mbola azo tsinjaraina indray ireo taharo ireo. Rehefa manao fanapahan-kevitra ny Kristianina iray raha handray amin’izany na tsia, dia tokony hanombana izay any ambadiky ny mety ho soa na loza ara-pitsaboana hoentin’izany izy. Izay lazain’ny Baiboly sy ny mety ho vokatr’izany eo amin’ny fifandraisany amin’Andriamanitra Tsitoha no tokony hahiny.

Tsotra ihany ireo raharaha iadian-kevitra. Ho fanampiana mba hahitana hoe nahoana no izany no izy, dia diniho ny sasantsasany amin’ny zava-nitranga ara-baiboly sy ara-tantara ary ara-pitsaboana.

Nilaza tamin’i Noa, razambe iombonantsika, i Jehovah Andriamanitra fa tsy maintsy heverina ho toy ny zavatra manokana ny ra. (Genesisy 9:3, 4). Tatỳ aoriana, ny lalàn’Andriamanitra nomena ny Isiraely dia nahitana taratry ny fahamasinan’ny ra: “Ary na iza na iza amin’ny taranak’Isiraely, na amin’ny vahiny (...) no mihinan-dra, ny Tavako dia hanandrina ny olona izay mihinan-dra”. Afaka nanimba ny hafa ny Isiraelita iray tamin’ny fanilihana ny lalàn’Andriamanitra; nanampy teny toy izao àry Andriamanitra: “Hofongorana tsy ho amin’ny fireneny izy.” (Levitikosy 17:10). Tatỳ aoriana, tao amin’ny fivoriana iray tao Jerosalema, dia namoaka didy ny apostoly sy ny loholona fa tsy maintsy ‘mifady ny ra’ isika. Tena lehibe, toy ny fifadiana ny fahalotoam-pitondran-tena sy ny fanompoan-tsampy, ny fanaovana izany.​—Asan’ny Apostoly 15:28, 29.

Nidika ho inona ny hoe ‘fifadiana’, tamin’izany fotoana izany? Tsy nihinan-dra ny Kristianina, na ra velona izany na efa notahirizina; tsy nihinan-kenam-biby tsy nalatsa-dra koa izy ireo. Hanilika ihany koa ny fihinanana sakafo naharo tamin’ny ra, toy ny saosisy voasesika ra, izy ireo. Ho fandikana ny lalàn’Andriamanitra ny fihinanana na inona na inona tamin’ireo sakafo nisy ra ireo.​—1 Samoela 14:32, 33.

Tsy ho nampikorontan-tsaina ny ankamaroan’ny olona tamin’ny andro taloha ny fihinanan-dra, araka ny ahitantsika azy avy ao amin’ireo asa soratr’i Tertullien (taonjato faharoa sy fahatelo am.f.i.). Rehefa namaly ny fiampangana lainga natao tamin’ny Kristianina, izay nolazaina fa nihinan-dra, i Tertullien, dia nanonona ireo foko izay nanao fifanekena tamin’ny fisotroana ra. Nanamarika koa izy fa “rehefa nisy fampisehoana natao teo amin’ny kianja filalaovana, [ny sasany] dia nifandrombaka nisotro ny ra velon’ireo olo-meloka (...) ho toy ny fanafody hanasitranana ny androben’izy ireo”.

Ireny fanao ireny (na dia noho ny antony ara-pahasalamana aza no nanaovan’ny Romanina sasany azy) dia ratsy ho an’ny Kristianina: “Tsy ampidirinay ao amin’ny sakafonay andavanandro na dia ny ram-biby aza”, hoy ny nosoratan’i Tertullien. Nampiasain’ny Romanina hitsapana ny tsy fivadihan’ny tena Kristianina ny sakafo nasiana ra. Nanampy teny toy izao i Tertullien: “Manontany anareo àry aho ankehitriny hoe karazan-javatra manao ahoana moa izy ity, fa ianareo manizingizina hoe haharikoriko [an’ireo Kristianina] ny ram-biby, nefa dia lazainareo fa mirangorango misotro ran’olona izy ireo?”

Vitsy ankehitriny ny olona hihevitra fa mifanohitra amin’ny lalàn’Andriamanitra Tsitoha ny fanasan’ny dokotera azy ireo handray ra. Na dia azo antoka aza fa te ho velona isika Vavolombelon’i Jehovah, dia tsy maintsy mankatò ny lalàn’i Jehovah momba ny ra isika. Inona no dikan’izany, raha ny fomba fitsaboana amin’izao fotoana izao no jerena?

Rehefa nanjary fomba nahazatra ny fampidiran-dra manontolo, taorian’ny Ady Lehibe Faharoa, dia hitan’ny Vavolombelon’i Jehovah fa nifanohitra tamin’ny lalàn’Andriamanitra izany​—ary mbola izany ihany ny fomba fijerintsika. Niova anefa ny fitsaboana, rehefa nandeha ny fotoana. Tsy ny ra manontolo intsony no ilaina amin’ny ankamaroan’ny fampidiran-dra, amin’izao andro izao, fa ny iray amin’ireo taharony fototra: 1) ny sela mena; 2) ny sela fotsy; 3) ny kapila bitika; 4) ny ranon-dra, ilay tapany mitsiranoka. Miankina amin’izay manjo an’ilay marary no mety hanomezan’ny dokotera azy sela mena, sela fotsy, kapila bitika, na ranon-dra. Ny fampidirana ireo taharo lehibe indrindra ireo dia ahafahana mitsinjarazara ra iray ho an’ny marary maro. Mino ny Vavolombelon’i Jehovah fa fandikana ny lalàn’Andriamanitra, na ny fandraisana ra manontolo, na ny fandraisana na inona na inona amin’ireo taharo fototra efatra ireo. Tsara homarihina fa izany toerana tanany miorina amin’ny Baiboly izany dia niaro azy ireo tamin’ny loza maro, ka tafiditra amin’izany ny aretina toy ny hépatite sy ny SIDA, izay mety hifindra amin’ny alalan’ny ra.

Koa satria anefa ny ra mbola azo tsinjaraina ankoatra ireo taharo fototra ireo, dia mipetraka ny fanontaniana, mahakasika ny ampahany azo avy amin’ireo taharo fototra ao amin’ny ra ireo. Ahoana no ampiasana ny ampahany toy izany, ary inona no tokony ho fanapahan-kevitry ny Kristianina rehefa tojo izany izy?

Zavatra be kojakojany ny ra. Na dia ny ranon-dra aza​—izay rano ny 90 isan-jato aminy​—dia mitondra zavatra be dia be toy ny hôrmônina, sira mineraly, anzima, ary zavatra mahavelona ahitana mineraly sy siramamy. Ny ranon-dra koa dia ahitana prôteinina toy ny albiminina, mpampandry ra, ary mpisetra iadiana amin’ny aretina. Manokan-toerana sy mampiasa prôteinina maro avy amin’ny ranon-dra ny manam-pahaizana. Ohatra, ny mpampandry ra (facteur VIII) dia nomena ireo hemôfila, olona mora mandeha ra. Na koa raha mitady ho voan’ny aretina sasany (toy ny viriosin’ny hépatite na ny tetanosy) ny olona, dia mety homen’ny dokotera tsindrona immunoglobuline, nalaina avy tamin’ny ranon-dran’ny olona efa vita fanefitra. Misy prôteinina hafa koa, avy amin’ny ranon-dra, entina hitsaboana, kanefa io voalaza eo ambony io dia mampiseho tsara ny fomba mety hahazoana ampahany avy amin’ny taharo fototra ao amin’ny ra (ranon-dra). *

Ny ranon-dra ihany no tena azo akana ampahany isan-karazany, fa ny taharo fototra hafa (ny sela mena, ny sela fotsy, ny kapila bitika) dia tsy ahazoana afa-tsy ampahan-javatra kelikely fotsiny. Mety hahazoana interférons sy interleukines ka ampiasaina hitsaboana ny aretina sasany entin’ny virosy sy ny kansera sasany, ohatra, ny sela fotsin’ny ra. Azo amboarina mba hahazoana zavatra manasitrana fery ny kapila bitika. Ary misy fanafody hafa amboarina izay mahatafiditra (fara fahakeliny, amin’ny voalohany) zavatra avy amin’ny taharon’ny ra. Tsy fampidirana ireo taharo fototra ireo akory ny fitsaboana toy izany; mazàna kosa izany no mahatafiditra tapany, na ampahany, amin’izy ireo. Tokony handray ireo ampahany ireo ve ny Kristianina rehefa tsaboina? Tsy afaka mamaly izany isika. Tsy manome ny tsipirian’izany ny Baiboly, noho izany, dia tsy maintsy manao ny fanapahan-keviny manokana, eo anatrehan’Andriamanitra, ny Kristianina isam-batan’olona.

Handa tsy handray na inona na inona avy amin’ny ra ny sasany (na dia ny ampahany natao hanaovana hery fanefitra aza). Izany no fahatakarany ny didin’Andriamanitra momba ny ‘fifadiana ny ra’. Manjohy hevitra izy ireo fa ny lalàn’Andriamanitra nomena ny Isiraely dia nitaky ny ‘hanidinana amin’ny tany’ ny ra izay mivoaka amin’ny vatana iray. (Deoteronomia 12:22-24). Nahoana izany no manamarina ny fandavan’izy ireo? Mba hanomanana ny immunoglobuline, ny mpampandry ra nalaina avy tamin’ny ra, sy ny sisa, dia ilaina hangonina sy hokarakaraina aloha ny ra. Izany no andavan’ny Kristianina sasany ny fanafody toy ireny, sahala amin’ny andavany ny fampidiran-dra, na manontolo izany, na ireo taharo fototra efatra ao aminy. Tokony hohajaina ny fahatsorany sy ny feon’ny fieritreretany.

Manapa-kevitra amin’ny fomba hafa kosa ny Kristianina sasany. Mandà tsy hampidiran-dra koa izy ireo, na manontolo izany na sela mena na sela fotsy na kapila bitika na ranon-dra. Mety hamela ny dokotera hitsabo azy ireo amin’ny fanafody misy ampahany azo avy tamin’ny taharo fototra anefa izy ireo. Na eto koa aza dia mety hisy fahasamihafana. Mety hanaiky hotsindronina immunoglobuline ny Kristianina iray, kanefa mety hanaiky na tsy hanaiky tsindrona misy zavatra nalaina avy tamin’ny sela mena na fotsy, izy. Inona anefa, amin’ny ankapobeny, no mety hitarika ny Kristianina sasany hanatsoaka hevitra fa afaka mandray ampahan-dra izy ireo?

Nanamarika ny “Fanontanian’ny Mpamaky”, tao amin’Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Septambra 1990, fa ny prôteinina (ny ampahany) ao amin’ny ranon-dra, dia mifindra avy ao amin’ny ran’ny vehivavy bevohoka iray, mankany amin’ny rafi-pikorianan’ny ra, mitokana, an’ny tsaika ao an-kibony. Noho izany, dia mamindra immunoglobuline amin’ny zaza ao an-kibony ny reny iray, ka manome azy hery fanefitra sarobidy. Amin’ny fomba mitokana, rehefa mahafeno ny androm-piainany ara-dalàna ireo sela menan’ny tsaika iray, dia mivoatra ny tapany mpitondra ôksizenin’izy ireo. Manjary bilirubine ny sasany amin’izy io, izay miampita ny tavony, ka mankany amin’ilay reny, ary very miaraka amin’ny maloto avy amin’ny vatany. Mety hanatsoaka hevitra ny Kristianina sasany fa, satria afaka mifindra amin’ny olona iray amin’izany fomba voajanahary izany ireo ampahan-dra, dia azon’izy ireo atao ny mandray ampahan-dra nalaina avy tamin’ny ranon-dra na ny selan’ny ra.

Moa ve ny mety hisian’ny fomba fihevitra sy ny feon’ny fieritreretana samy hafa midika fa zavatra tsy mampaninona io raharaha io? Tsia. Zava-dehibe izy io. Na izany aza, dia misy fototra tsotra iaingana. Asehon’ireo zavatra nodinihina teo ambony fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia mandà fampidiran-dra, na manontolo izany, na ireo taharo fototra ao amin’ny ra. Omen’ny Baiboly toromarika ny Kristianina mba ‘hifady ny hena aterina amin’ny sampy sy ny ra ary ny fijangajangana’. (Asan’ny Apostoly 15:29). Ny ankoatra an’ireo, izany hoe ny ampahany amin’ireo taharo fototra ireo, dia anjaran’ny Kristianina tsirairay no manapa-kevitra amim-pieritreretana madio, rehefa avy nandinika tamim-pitandremana sy tamim-pahatsorana izy.

Ho vonona handray fitsaboana izay toa hanasitrana azy vetivety ny ankamaroan’ny olona, na dia fantatra fa mety hitondra loza ho an’ny fahasalaman’ny tena aza ilay fitsaboana, toy izay hita amin’ny fampiasana fanafody misy ra. Miezaka ny hanana fomba fijery malalaka sy voalanjalanja kokoa, mihoatra noho izay hita ivelany fotsiny, ny Kristianina tso-po. Mankasitraka ny fiezahana hanome fikarakarana ara-pitsaboana tsara ny Vavolombelon’i Jehovah, ary mandinika amim-pitandremana ny loza sy ny soa mety hoentin’ny fitsaboana izy ireo. Raha ny amin’ireo fanafody avy amin’ny ra kosa, dia lanjalanjainy amim-pitandremana izay nambaran’Andriamanitra sy ny fifandraisany manokana amin’ilay Mpanome aina antsika.​—Salamo 36:9.

Fitahiana toy inona ho an’ny Kristianina moa ny fananana fatokisana sahala amin’ilay mpanao salamo izay nanoratra hoe: “Masoandro sy Ampinga Jehovah Andriamanitra; fahasoavana sy voninahitra no homen’i Jehovah; tsy hiaro zava-tsoa amin’izay mandeha amin’ny fahitsiana Izy. Jehovah (...) ô, sambatra izay olona matoky Anao”!​—Salamo 84:11, 12.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 12 Jereo ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ao amin’Ny Tilikambo Fiambenana 9 Septambra 1978 (frantsay) sy 1 Oktobra 1994. Orinasa mpanamboatra fanafody maro no mampitombo ireo fanafody tsy nalaina avy tamin’ny ra, ary azo omena ho solon’ireo ampahan-dra nampiasaina tamin’ny lasa.

[Efajoro, pejy 30]

FANONTANIANA AZO APETRAKA AMIN’NY DOKOTERA

Raha miatrika fandidiana na fitsaboana mety hampiasana fanafody misy ra ianao, dia anontanio hoe:

Moa ve fantatry ny mpiasan’ny fitsaboana rehetra, izay hitsabo ahy, fa noho izaho Vavolombelon’i Jehovah, ny fanapahan-kevitro dia ny tsy hampidiran-dra (ra manontolo, sela mena, sela fotsy, kapila bitika, na ranon-dra) na inona na inona tarehin-javatra hitranga?

Raha mety ho namboarina avy tamin’ny ranon-dra na ny sela mena na fotsy na ny kapila bitika avy amin’ny ra ny fanafody anoroana hevitra, dia anontanio hoe:

Moa ve namboarina avy tamin’ny iray amin’ireo taharo fototra efatry ny ra io fanafody io? Raha izany no izy, mba azonao hazavaina ve ny tapany mahaforona azy io?

Mety ho ampahany manao ahoana amin’io fanafody nalaina tamin’ny ra io no ampiasaina, ary amin’ny fomba ahoana?

Inona no loza ara-pahasalamana misy, raha mamela ahy ny feon’ny fieritreretako ka handray an’io ampahany io aho?

Raha mandà tsy handray an’io ampahany io ny feon’ny fieritreretako, dia fitsaboana hafa inona no mety ho azo ampiasaina?

Handinika misimisy an’io raharaha io aho, ka rahoviana no hampahafantariko anao ny fanapahan-kevitro?