Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fiainana Lavorary—Tsy Nofinofy Fotsiny!

Fiainana Lavorary—Tsy Nofinofy Fotsiny!

Fiainana Lavorary​—Tsy Nofinofy Fotsiny!

Tontolo lavorary​—inona no hevitr’izany ho anao? Alao sary an-tsaina ny fitambaran’olona iray izay tsy ahitana heloka bevava, na fidorohana zava-mahadomelina, na mosary, na fahantrana, na tsy rariny. Manana fahasalamana ara-pihetseham-po sy ara-batana tsara dia tsara ny rehetra. Tsy misy alahelo na tsy fahasambarana, satria na ny fahafatesana aza dia efa nofoanana. Mihevitra ny zava-misy ve ny faniriana fatratra tontolo iray toy izany?

NA DIA tsy manakimpy ny masony eo anoloan’ireo fandrosoana ara-tsiansa sy ara-teknolojia aza ny ankamaroan’ny olona, dia tsy tena mino izy ireo fa ny fahaizana sy ny fahalalan’olombelona dia hampisy tontolo lavorary, izay hiainan’ny rehetra ao anatin’ny fiadanana sy ny fahasambarana. Etsy an-danin’izany anefa, dia tsy azo lavina fa fironan’olombelona ny maniry hanatsara zavatra sy hanarina ny tsy mety. Mazava loatra fa ny fanaovana ariary zato am-pandriana fotsiny dia sady tsy hanampy ny tsy manan-kialofana sy ny mahantra, no tsy hanome fahafaham-po ny kilemaina sy ny marary, izay maniry mafy ny mba hahamaivana ny fahoriany. Tsy hisy tsotra izao izany tontolo lavorary izany raha avy amin’ny fahaizan’olombelona mamorona. Na dia eo aza anefa ny fijaliana sy ny fampahoriana misy ankehitriny, dia misy antony marim-pototra inoana fa efa tena antomotra ny tontolo iray izay azonao antsoina hoe lavorary.

Rehefa mieritreritra momba an’izany fiainana lavorary izany ianao, dia mety ho tonga ao an-tsainao ny fiainan’i Jesosy Kristy. Tsy i Jesosy ihany akory no olombelona lavorary niaina teto ambonin’ny tany hatramin’izay. I Adama sy i Eva, izay noforonina araka ny endrik’Andriamanitra, dia nanana fiainana lavorary tao amin’ny paradisa iray. Verin’izy ireo anefa izany toe-piainana tsara dia tsara izany noho ny nikomian’izy ireo tamin’ilay Rainy tany an-danitra. (Genesisy 3:1-6). Nanisy faniriana hiaina mandrakizay tao amin’ny olombelona anefa ny Mpamorona. Hamarinin’ny Mpitoriteny 3:11 toy izao izany: “Ny zavatra rehetra samy nataon’[Andriamanitra] ho miendrika amin’ny fotoany avy; ary ny mandrakizay dia efa nataony tao am-pon[’izy ireo], kanefa tsy hitan’ny olona ny asan’Andriamanitra hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany.”

Noho ny tsy fahalavorariana sy ny fahotana, dia nanjary “zava-poana” sy tao anatin’ny “fahandevozana, dia ny fahalòvana” ny fiainan’olombelona. Na izany aza anefa, dia mariho ireto teny mampionona nataon’ny apostoly Paoly ireto: “Izao zavatra ary rehetra izao dia samy maniry fatratra ka miandry ny fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra; fa izao zavatra ary rehetra izao dia nampanekena ho zava-poana, nefa tsy noho ny sitrapony, fa noho Izay nampanaiky azy, sady nahazo fanantenana koa fa izao zavatra ary rehetra izao aza dia hovotsorana amin’ny fahandevozana, dia ny fahalòvana, ho amin’ny fahafahana izay momba ny voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.” (Romana 8:19-21). Manambara mazava ny Baiboly fa azo raisina amin’ny alalan’i Jesosy Kristy ireo fandaharana nataon’Andriamanitra mba hamerenana ny olombelona ho amin’ny fiainana lavorary.​—Jaona 3:16; 17:3.

Ambonin’izany fanantenana mahatalanjona momba ny hoavy izany, dia manana fahafahana handroso ara-panahy isika rehetra, ka hampiharihary ny fandrosoantsika dieny izao.

Miezaha mba hahalala ny antonony

Nihevitra ny fahalavorariana ho zava-dehibe aoka izany i Jesosy Kristy, hany ka nilaza toy izao tamin’ireo mpihaino azy maro be: “Koa aoka ho lavorary hianareo tahaka ny fahalavorarian’ny Rainareo izay any an-danitra.” (Matio 5:48, Fandikan-teny Katolika). Tena nanantena ve i Jesosy fa tsy hanan-tsiny isika eo amin’izao fandehan-javatra ratsy ankehitriny izao? Tsia. Azo antoka fa tokony hilofo hamboly toetra tsara toy ny fahalalahan-tanana sy ny hatsaram-panahy ary ny fitiavana ny mpiara-belona isika. Na izany aza anefa, dia matetika isika no tsy mahavita manao izay mahitsy. Na dia ny iray tamin’ireo apostolin’i Jesosy aza dia nanoratra toy izao: “Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsi-fahamarinana rehetra. Raha hoy isika: Tsy nanota isika, dia mampandainga Azy, ary ny teniny tsy ato anatintsika.”​—1 Jaona 1:9, 10.

Na izany aza anefa, dia afaka manatsara ny fomba fijerintsika ny tenantsika sy ny fomba fitondrantsika ny hafa isika, amin’ny fanalavirana ny fanaovan-javatra tafahoatra. Raha ny tari-dalana momba ny fomba hahaizana mandanjalanja sy mahalala ny antonony no resahina, iza no ho afaka hahita tsara kokoa noho izay hita ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia ny Baiboly? Ny fambolena toetra toy ny fifaliana sy ny fahalalana ny antonony dia hanampy antsika hifanaraka tsara amin’ny hafa any am-piasana sy amin’ny vadintsika ary amin’ireo ray aman-drenintsika na ireo zanatsika. Nananatra ny Kristianina toy izao ny apostoly Paoly: “Mifalia mandrakariva amin’ny Tompo; hoy izaho indray: Mifalia. Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny [fahalalanareo ny antonony, NW].”​—Filipiana 4:4, 5.

Soa azo rehefa mahalala ny antonony

Mitondra soa ho an’ny tenanao sy ho an’ny hafa ianao rehefa mahalala ny antonony eo amin’ireo zavatra antenainao amin’ny tenanao, ka manalavitra ny fikatsahana ny lavorary izay sady mahatonga ny tena hijaly no misy vokany mifanohitra amin’ny kendrena aminy. Tafiditra amin’ny fahafantarana ny tena mety ho vitanao ny fijerena ny zava-misy sy ny fahalalana ny antonony rehefa misy tianao hatao. Tadidio fa Andriamanitra dia namorona antsika hiaina eto an-tany sy hahita fahafaham-po amin’ny fanaovana asa misy heviny, izay hitondra soa ho antsika sy ho an’ny hafa.​—Genesisy 2:7-9.

Nahoana raha mitodika amim-bavaka any amin’i Jehovah raha mitaky zavatra be loatra amin’ny tenanao ianao? Hitondra fanamaivanana lehibe ho anao ny fahazoana sitraka amin’Andriamanitra. Fantatr’i Jehovah izay mahaforona antsika sy ny tsy fahalavorariantsika, ka tsy mila voatsiary izy na sarotra ampifalina. Manome toky antsika toy izao ny mpanao salamo: “Tahaka ny fiantràn’ny ray ny zanany no fiantràn’i Jehovah izay matahotra Azy; fa Izy mahalala ny toetsika ka mahatsiaro fa vovoka isika.” (Salamo 103:13, 14). Velom-pankasitrahana toy inona moa isika noho ny fifampiraharahan’Andriamanitra amin’ny olombelona amim-pamindram-po toy izany! Fantany ny fetran’ny mety ho vitantsika, kanefa dia afaka ny ho sarobidy eo imasony toy ny zanany malalany isika.

Fahendrena lavitra ny mamboly fahaiza-manavaka ara-panahy sy fomba fijery mahay mandanjalanja, toy izay hikatsaka ny lavorary! Ankoatra izany, dia afaka matoky isika fa tsy misy afaka hanakana an’i Jehovah tsy hanatanteraka ny fikasany hanandratra ny olombelona ho amin’ny fahalavorariana, eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Inona anefa no dikan’ny hoe fahalavorarian’olombelona?

Tsara kokoa noho ny fikatsahana ny lavorary ny fiainana lavorary

Ny fahalavorariana akory tsy midika hoe fikatsahana ny lavorary. Azo antoka fa tsy ho olona hitaky zavatra be loatra sy hanamarin-tena ireo hanana tombontsoa ny hiaina ao amin’ny Paradisa an-tany eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Iray amin’ireo fepetra takina amin’ny fahatafitana velona amin’ny fahoriana lehibe ny fankasitrahana amim-pahatsorana ny sorom-panavotana, araka ny nambaran’ilay vahoaka be iraisam-pirenena izay nolazalazain’ny apostoly Jaona toy izao: “Ny famonjena dia azonay avy amin’Andriamanitray, izay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana, sy avy amin’ny Zanak’ondry.” (Apokalypsy 7:9, 10, 14, NW). Ho velom-pankasitrahana ireo rehetra ho tafita velona amin’ilay fahoriana lehibe mihamanatona, noho i Kristy vonona ny ho faty ho azy ireo sy ho an’ireo rehetra maneho finoana azy. Ny sorona mampiseho fitiavana nataony dia mametraka fototra ho amin’ny fanafoanana amin’ny fomba maharitra ny tsy fahalavorarian’izy ireo sy ny fahalemeny.​—Jaona 3:16; Romana 8:21, 22.

Hanao ahoana izany fiainana lavorary izany? Tsy hisy fifaninanana sy fanirian-daza feno fitiavan-tena. Ny fitiavana sy ny hatsaram-panahy eo amin’ny samy olona kosa dia hahatonga ny fiainana ho mendrika ny hiainana, satria hanafoana ny fanahiana sy ny fiheveran-tena ho tsinontsinona.Tsy hankaleo sy tsy ho dridralava ny fiainana lavorary. Tsy manome ny tsipiriany rehetra momba ny Paradisa ny Tenin’Andriamanitra, kanefa kosa milazalaza ny karazam-piainana azontsika antenaina: “Hanao trano ny olona ka hitoetra ao; ary hanao tanimboaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy. Tsy hanao trano hitoeran’olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin’olon-kafa; fa ho tahaka ny andron’ny hazo ny andron’ny oloko, ary ireo voafidiko dia hanaram-po amin’ny asan’ny tànany. Tsy hisasatra foana izy, na hitera-jaza ho tratry ny loza tampoka”.​—Isaia 65:21-23.

Aza manontany tena momba izay karazana fialam-boly, trano fiantsenana, teknolojia, na fitaterana, hatolotr’ilay Fanjakana, fa aoka kosa ianao haka sary an-tsaina ny tenanao mahita ny fahatanterahan’ireto teny ireto: “Ny amboadia sy ny zanak’ondry hiara-komana, ary ny liona hihina-mololo tahaka ny omby, ary ny menarana, dia vovoka no ho fihinany; ary tsy handratra na hanimba eran’ny tendrombohitro masina izy, hoy Jehovah.” (Isaia 65:25). Tena ho hafa noho izay hitanao amin’izao fotoana izao ny fiainana lavorary! Raha ho isan’ireo mendrika hiaina amin’izany fotoana izany ianao, dia hanana antony hatokisana fa hiahy anao sy ny fianakavianao ilay Rainao be fitiavana any an-danitra. “Miravoravoa amin’i Jehovah hianao, dia homeny anao izay irin’ny fonao.”​—Salamo 37:4.

Tsy nofinofy fotsiny ny fiainana lavorary. Ho tanteraka amin’ny fomba feno ny fikasan’i Jehovah feno fitiavana mahakasika ny olombelona. Afaka ny ho anisan’ireo hasandratra ho amin’ny fahalavorarian’olombelona sy hiaina mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra ianao sy ny fianakavianao. Manambara mialoha ny Baiboly hoe: “Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.”​—Salamo 37:29.

[Sary, pejy 6]

Afaka manatsara ny fomba fijerintsika ny tenantsika sy ny hafa isika, rehefa tsy mikatsaka ny lavorary na tsy sarotsarotiny amin-javatra madinika

[Sary, pejy 7]

Nahoana raha maka sary an-tsaina ny tenanao ho efa ao anatin’ny toe-piainana miadana sy marina ao amin’ny Paradisa?