Fikatsahana ny Lavorary—Nahoana no Ilaina Horesena?
Fikatsahana ny Lavorary—Nahoana no Ilaina Horesena?
Moa ve ianao milofo mafy foana hanao izay tsara indrindra vitanao? Mazava fa amin’ny lafiny maro, dia afaka mitondra soa ho anao sy ho an’ny manodidina anao ny fanaovanao izany. Etsy an-danin’izany anefa, dia nanao zavatra tafahoatra ny sasany ka tonga mpikatsaka ny lavorary. Inona no tiana holazaina amin’izany?
NY HEVINY iray ananan’ny teny hoe “fikatsahana ny lavorary” dia ny hoe “fironana hihevitra fa tsy azo ekena izay rehetra tsy lavorary”. Azo inoana fa efa tojo olona manana izany fironana izany ianao. Hitanao fa miteraka zava-manahirana maro ireo fitakiana tafahoatra ataon’ireny olona ireny amin’ny hafa, satria mahatonga tsy fahafaham-po sy fahakiviana. Ny ankamaroan’ny olona mahay mandanjalanja dia miaiky fa tena tsy faniry ny fikatsahana ny lavorary, raha fitakiana zavatra tafahoatra sy tsy araka ny antonony eo amin’ny raharaha rehetra eo amin’ny fiainana. Zavatra ilaina horesena izy io. Ny zava-manahirana anefa dia izao: Rehefa ny toe-tsaintsika na ny fironana ao amintsika no asian-teny, dia mety ho sarotra ny hanekena fa manana fironana ho amin’ny fikatsahana ny lavorary isika, hany ka zava-tsarotra ny mandresy azy io.
Be andraikitra sy manan-java-manahirana maro tokony halamina i Nelson. Mamakafaka tsy tapaka ireo antontan’isa izy, ary ny famokarana no omeny ny laharam-pahamehana. Heverina matetika ho tena ilaina mba hahombiazana ny fikatsahana ny lavorary, eo amin’ny tsenan’asa anjakan’ny fifaninanana. Na dia mety ho nankasitrahan’ny sasany aza ny fahaiza-miasa mahomby nananan’i Nelson, dia niteraka zava-manahirana ara-batana ho azy izany, toy ny aretin’andoha sy ny fihenjanana. Mitovy amin’i Nelson ve ianao?
Manan-kery eo amin’ny tanora ihany koa ny fikatsahana ny lavorary. Fony fahazaza, dia tia nankany an-tsekoly i Rita, avy any Rio de Janeiro. Niezaka ny tsy hiseho ho feno fanirian-daza izy, kanefa dia kivy tanteraka rehefa tsy nahazo ny naoty ambony indrindra. Hoy i Rita: “Hatramin’ny fahazazako, dia nampitaha ny tenako tamin’ny hafa izay nanam-potoana be dia be aho. Izaho kosa anefa dia tao anatin’ny fihenjanana foana sy nanao zavatra maimaika foana. Tsy nahatsapa mihitsy aho hoe mba nanam-potoana nialana sasatra, satria nisy zavatra tsy maintsy natao foana.”
Fony i Maria mbola ankizivavy kely, dia nitomany noho ny fahakiviana izy rehefa tsy nahavita sary tsara toy izay vitan’ny hafa. Ankoatra izany, teo am-pikatsahany ny tonga lafatra teo amin’ny sehatry ny mozika, dia matetika izy no tratran’ny fihenjanana sy ny fanahiana, fa tsy nankafy ny fitendreny zavamaneno na ny fihirana. Ny ankizivavy brezilianina hafa iray, antsoina hoe Tânia, izay niezaka ny ho tsotra sy tsy hifaninana amin’ny hafa, dia niaiky fa mbola nametra fari-pitsipika ambony loatra ho an’ny tenany izy, tany an-tsekoly sy tao an-trano. Nieritreritra izy fa raha tsy tonga lafatra ny asany, dia tsy ho tena tian’ny olona izy. Ankoatra izany, dia nanantena zavatra be loatra avy tamin’ny hafa i Tânia, indraindray, ka nahatonga azy ho diso fanantenana sy nalahelo izany.
Na dia zava-dehibe aza ny fahaizana sy ny fahazotoana ary ny fahatsapan’ny tena fahafaham-po, dia mety hiteraka fihetseham-po ratsy toy ny tahotra ny tsy hahomby, ny famerana tanjona tsy azo tratrarina. Ireo ray aman-dreny na ny hafa dia mety hitady zavatra tonga lafatra eo amin’ny entimody na ny fanatanjahan-tena, dia zavatra hitan’ireo tanora ho sarotra tratrarina. Ny renin’i Ricardo, ohatra, dia nanantena zavatra betsaka taminy, satria naniry ny hahatongavany ho dokotera, hahay hitendry piano sy hahay fiteny maromaro. Hitanao ve fa vao mainka mety hiteraka zava-manahirana sy fahadisoam-panantenana ny fihetsika toy izany rehefa lasa lavitra loatra?
Nahoana no ilaina hohalavirina ny fikatsahana ny lavorary?
Be mpitady ny asa vita ambony karazana izay maharaka fari-pitsipika ambony momba ny atao hoe asa marina amin’ny an-tsipiriany sy faran’izay tsara. Noho izany, dia tsy maintsy mifaninana eo amin’ny tsenan’asa ny olona. Ny tahotra sao tsy hanana antom-pivelomana intsony no anton-javatra hafa iray mahatonga ny maro hilofo mafy kokoa hatrany. Ny mpiasa sasany dia lasa mitovy amin’ny atleta izay manao sorona faran’izay betsaka mba hanatsarana ny zava-bita tsara indrindra. Avy eo, rehefa hiatrika fifaninanana henjana izy, dia vao mainka mety hahatsiaro ho voatery hanao fanazaran-tena bebe kokoa, ka angamba aza hampiasa fanafody simika mihitsy mba hihatsarana sy handresena, araka izay antenainy. Tsy fikatsahana ara-dalàna ny tena tsara intsony ny fikatsahana ny lavorary, fa mahatonga ny olona kosa ho “voatosiky ny tahotra sao tsy hahomby” na ho “voatery hanao izay hahatonga ny tenany ho voalohany”.—The Feeling Good Handbook.
Ekena aloha fa mahatsapa ny sasany hoe azony hatsaraina foana ny zava-bitany eo amin’ny zavakanto na ny fanatanjahan-tena. Na izany aza anefa, dia “fanantenana tsy ho tanteraka na oviana na oviana ny fikatsahana ny lavorary”, araka ny tenin’ny Dr. Robert S. Eliot. Hoy ny nanampiny: “Ny mahaforona azy io dia ny fahatsapana ho meloka, ny fiarovana ny tena, sy ny tahotra sao hahazo fanarabiana.” Noho izany, dia marina tokoa ireo tenin’i Solomona Mpanjaka hoe: “Hitako ny fisasarana rehetra sy ny fahaizan-javatra rehetra, fa avy amin’ny fifampialonan’ny olona izany. Zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.”—Mpitoriteny 4:4.
Inona no azonao atao raha mirona ho mpikatsaka ny lavorary ianao? Marina ve fa arakaraka ny ilofosanao mafy kokoa no hahatonga anao ho diso fanantenana kokoa? Ho tianao ve ny tsy hitaky zavatra be loatra sady tsy ho hentitra loatra? Inona no dikan’ny hoe lavorary? Moa ve ianao tsy maniry fatratra ny hampiasa amin’ny fomba feno ny fahafahanao hanao zavatra, kanefa hanalavitra ny fikatsahana ny lavorary? Raha ny olombelona tsy lavorary aza afaka mampiasa ireo fahaizana nomen’Andriamanitra azy mba hahitana zavatra vaovao ho tombontsoan’ny hafa, dia alao sary an-tsaina izay ho azon’ny olombelona tanterahina eo ambanin’ny toe-piainana tonga lafatra sy eo ambany fitarihan’Andriamanitra!
[Sary, pejy 4]
Mety hitaky zavatra tonga lafatra, izay tsy ho azon’ny tanora tratrarina, ny ray aman-dreny na ny hafa