Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hajao Ireo Nomena Fahefana

Hajao Ireo Nomena Fahefana

Hajao Ireo Nomena Fahefana

“Manajà ny olona rehetra. Tiava ny rahalahy. Matahora an’Andriamanitra. Manajà ny mpanjaka.”​—1 PETERA 2:17.

1, 2. Ahoana no fiheveran’ny olona ny fahefana ankehitriny? Nahoana?

“MANANA ny zo rehetra ny ankizy. Tsy misy fanajana ny ray aman-dreny”, hoy ny fitarainan’ny reny iray. “Tohero ny Fahefana”, hoy ny taratasy kely iray fametaka amin’ny fiarakodia. Ireo dia hevitra roa monja mampiseho taratry ny toe-javatra manjaka ankehitriny, araka ny tsy maintsy ho fantatrao. Fahita maneran-tany ny tsy fanajan’ny besinimaro ray aman-dreny, mpampianatra, mpampiasa, ary manam-pahefana.

2 Mety hanainga soroka fotsiny ny sasany, amin’ny filazana hoe: ‘Ka tsy mendrika ny hohajaina kosa ange ireo manana fahefana e!’ Mety ho sarotra, indraindray, ny mandà izany, satria isika dia maharay vaovao tsy tapaka mahakasika manam-pahefana mandray tsolotra, mpampiasa matim-bola, mpampianatra tsy mahay, ray aman-dreny mpampijaly. Soa ihany fa vitsy ny Kristianina mihevitra toy izany an’ireo manana fahefana ao amin’ny kongregasiona.​—Matio 24:45-47.

3, 4. Nahoana ny Kristianina no tokony hampiseho fanajana an’ireo manana fahefana?

3 Amin’ny maha Kristianina antsika, dia manana antony “tsy maintsy” anajana ireo manana fahefana tsy ara-pivavahana isika. Nananatra ny Kristianina ny apostoly Paoly mba “hanaiky ny fahefana lehibe. Fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin’Andriamanitra; fa izay misy dia voatendrin’Andriamanitra”. (Romana 13:1, 2, 5; 1 Petera 2:13-15). Nanome antony marim-pototra tokony hanekena ireo manana fahefana eo anivon’ny fianakaviana koa i Paoly, tamin’ny filazana hoe: “Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo araka izay mety hatao ao amin’ny Tompo. Hianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin’ny zavatra rehetra; fa ankasitrahana ao amin’ny Tompo izany.” (Kolosiana 3:18, 20). Mendrika ny fanajantsika ireo loholon’ny kongregasiona, satria ‘nataon’ny Fanahy Masina ho mpitandrina, hiandry ny fiangonan’Andriamanitra’, izy ireo. (Asan’ny Apostoly 20:28). Ho fanajana an’i Jehovah no anajantsika ireo olona manana fahefana. Mazava ho azy fa loha laharana foana eo amin’ny fiainantsika ny fanajana ny fahefan’i Jehovah.​—Asan’ny Apostoly 5:29.

4 Amin’ny fitadidiana fa manana ny fahefana fara tampony i Jehovah, dia aoka isika handinika ny ohatry ny olona sasany izay nanaja ireo nanana fahefana, sy ny sasany izay tsy mba nanao izany.

Mitarika ho amin’ny tsy fankasitrahana ny tsy fanajana

5. Fihetsika tsy nisy fanajana nanao ahoana no nasehon’i Mikala tamin’i Davida, ary nitarika ho amin’ny inona izany?

5 Raha tarafina avy amin’ny tantaran’i Davida Mpanjaka, dia azontsika atao ny mahita hoe ahoana no fiheveran’i Jehovah an’ireo manao tsinontsinona ny fahefana nomen’Andriamanitra. Rehefa nasain’i Davida nalaina ho any Jerosalema ny fiaran’ny fanekena, dia “nahita an’i Davida mpanjaka nibitaka sy nitsinjaka teo anatrehan’i Jehovah [i Mikala vadiny] ka dia nikizaka azy tao am-pony”. Tokony ho nanaiky an’i Davida ho loham-pianakaviana i Mikala, ary tsy vitan’izany ihany fa tokony ho nanaiky azy koa ho mpanjakan’ilay tany. Nilaza ny fihetseham-pony tamim-panesoana toy izao anefa izy: “Akory ity voninahitry ny mpanjakan’ny Isiraely andro-any! ilay nanary lamba anikeheo teo imason’ny zanakavavin’ny mpanompony, tahaka ny adala manary lamba ka tsy manan-kenatra.” Vokatr’izany, dia tsy niteraka mihitsy i Mikala.​—2 Samoela 6:14-23.

6. Ahoana no niheveran’i Jehovah ny tsy fanajan’i Kora ny voahosony?

6 Ny ohatra iray tena manafintohina, mahakasika tsy fanajana mpitarika teokratika voatendrin’Andriamanitra, dia ny an’i Kora. Tombontsoa toy inona moa no nananany, nanompo an’i Jehovah tao amin’ny tabernakely, tamin’ny naha taranak’i Kehata azy! Na izany aza anefa, dia nanakiana an’i Mosesy sy i Arona, izay voahosotr’Andriamanitra hitarika ny Isiraelita, izy. Niara-nivondrona tamin’ny filoha hafa teo amin’ny Isiraely izy, ary sahisahy ratsy niteny toy izao tamin’i Mosesy sy Arona: “Masina avokoa ny fiangonana rehetra, sady Jehovah no eo aminy; koa nahoana no dia manandra-tena ho ambonin’ny fiangonan’i Jehovah hianareo?” Ahoana no niheveran’i Jehovah ny fihetsik’i Kora sy ireo mpanohana azy? Araka ny fiheveran’i Jehovah, dia izy mihitsy no tsy nohajain’izy ireo tamin’io zavatra nataony io. Rehefa avy nahita ny niteleman’ny tany an’izay rehetra niandany taminy i Kora sy ireo filoha 250, dia matin’ny afo avy tamin’i Jehovah.​—Nomery 16:1-3, 28-35.

7. Nanana antony hanakianana ny fahefan’i Paoly ve ireo “Apostoly ambony indrindra”?

7 Nisy tsy niraharaha fahefana teokratika koa tao amin’ny kongregasiona kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Nampiseho fihetsika tsy nisy fanajana an’i Paoly ireo “Apostoly ambony indrindra” tao amin’ny kongregasionan’i Korinto. Nokianin’izy ireo ny fahaizany nandaha-teny, tamin’ny nilazany hoe: “Malemy (...) ny fanatrehan’ny tenany, ary tsinontsinona ny teniny.” (2 Korintiana 10:10; 11:5). Na mpandahateny niavaka i Paoly na tsia, dia mendrika ny hohajaina izy, tamin’ny naha apostoly azy. Tena tsinontsinona marina anefa ve ny lahatenin’i Paoly? Ny lahateny ampahibemaso nataony, voarakitra ao amin’ny Baiboly, dia porofo fa mpandahateny nahay nandresy lahatra izy. Vokatry ny resaka fohy nifanaovan’i Paoly tamin’i Heroda Agripa II, izay ‘nahafantatra tsara ny ady hevitra rehetra tamin’ny Jiosy’, dia tonga tamin’ny filazana toy izao mihitsy ilay mpanjaka: “Kely sisa dia haharesy lahatra ahy ho tonga Kristianina ianao”! (Asan’ny Apostoly 13:15-43; 17:22-34; 26:1-28, NW). Ireo apostoly ambony indrindra tao Korinto anefa, dia niampanga azy tamin’ny hoe tsinontsinona ny lahateniny! Ahoana no niheveran’i Jehovah ny fihetsik’izy ireo? Rehefa nandefa hafatra ho an’ireo mpiandraikitra tao amin’ny kongregasionan’i Efesosy i Jesosy Kristy, dia nilaza ny fankasitrahany an’ireo tsy nanaiky ho voasarik’ireo ‘nilaza ny tenany ho Apostoly, kanjo tsy izy’.​—Apokalypsy 2:2.

Fanajana na dia eo aza ny tsy fahalavorariana

8. Ahoana no nampisehoan’i Davida fa nanaja ny fahefana nomen’i Jehovah an’i Saoly izy?

8 Misy ohatra maro ao amin’ny Baiboly, ny amin’ireo nanaja olona nanana fahefana, na dia nampiasa tamin’ny fomba ratsy ny fahefany aza izy ireny, na koa nanampatra ny fahefany. I Davida no ohatra iray tsara dia tsara momba izany. Nanompo teo ambany fahefan’i Saoly Mpanjaka i Davida, ary nanjary nialona ny zava-bitan’i Davida i Saoly, ka nitady hamono azy. (1 Samoela 18:8-12; 19:9-11; 23:26). Na dia nanana fahafahana hamono an’i Saoly aza anefa i Davida, dia nilaza toy izao: “Sanatria amiko eo anatrehan’i Jehovah, raha haninjitra ny tànako hamely ny voahosotr’i Jehovah aho”. (1 Samoela 24:3-6; 26:7-13). Fantatr’i Davida fa diso i Saoly, nefa navelany ho an’i Jehovah ny fitsarana azy. (1 Samoela 24:13, 16; 26:22-24). Tsy niteny ratsy an’i Saoly izy na nanevateva azy.

9. a) Nanao ahoana ny fihetseham-pon’i Davida rehefa nentin’i Saoly tamin’ny fomba ratsy izy? b) Ahoana no ahafahantsika milaza fa tamim-pahatsorana no nanajan’i Davida an’i Saoly?

9 Ory ve i Davida rehefa nentina tamin’ny fomba ratsy? “Olon-dozabe no mitady ny aiko”, hoy ny fitarainan’i Davida tamin’i Jehovah. (Salamo 54:3). Namboraka ny tao am-pony tamin’i Jehovah izy, tamin’ny filazana hoe: “Afaho amin’ny fahavaloko aho, Andriamanitro ô; (...) miangona hanohitra ahy ny mahery, nefa tsy fahadisoako ary tsy fahotako, Jehovah ô. Tsy heloko no ihazakazahany sy iomanany, koa mifohaza hitsena ahy, ka jereo.” (Salamo 59:1-4). Efa mba nanana fihetseham-po mitovy amin’izany ve ianao: Tsy nanao ratsy tamin’ny olona iray manana fahefana ianao, nefa tsy mitsahatra ny mila vaniny aminao izy? Nanaja an’i Saoly foana i Davida. Tamin’ny nahafatesan’i Saoly, dia tsy mba nifaly i Davida, fa nanao kosa izao hira fisaonana izao: “Saoly sy Jonatana, izay tiana sady mahate-ho-tia fony fahavelony, (...) faingana noho ny voromahery izy ary mahery noho ny liona. Ry zanakavavin’Isiraely, mitomania an’i Saoly”. (2 Samoela 1:23, 24). Izany ka ohatra tsara dia tsara ny amin’ny fanajana tamim-pahatsorana ny voahosotr’i Jehovah, na dia nasian’i Saoly ratsy aza i Davida!

10. Ohatra tsara dia tsara nanao ahoana no navelan’i Paoly, raha ny amin’ny fanajana ny fahefana nomen’Andriamanitra ny fitambara-mpitantana, ary nitarika ho amin’ny inona izany?

10 Mahita ohatra miavaka ny amin’ireo nanaja ny fahefana nomen’Andriamanitra koa isika teo amin’ny Kristianina. Raiso, ohatra, i Paoly. Nampiseho fanajana ireo fanapahan-kevitry ny fitambara-mpitantan’ny kongregasiona kristianina tamin’ny taonjato voalohany izy. Nandritra ny fitsidihan’i Paoly farany an’i Jerosalema, dia notoroan’ny fitambara-mpitantana hevitra izy mba hanadio ny tenany araka ny fombafomba fanao, mba hampisehoana tamin’ny hafa fa tsy nankahala ny Lalàn’i Mosesy akory ny tenany. Ho azon’i Paoly natao ny nanjohy hevitra toy izao: ‘Teo aloha, dia nasain’ireo rahalahy ireo nandao an’i Jerosalema aho rehefa notandindomin-doza ny aiko. Izao indray dia tian’izy ireo hampiseho ampahibemaso aho fa manaja ny Lalàn’i Mosesy. Efa nanoratra taratasy ho an’ny Galatianina anefa aho, ka nanoro hevitra azy ireo mba tsy hiverina hitandrina ny Lalàna intsony. Raha mankao amin’ny tempoly aho, dia mety handika vilana ny zavatra hataoko ny hafa, ka hihevitra fa nanaiky lembenana teo anatrehan’ireo anisan’ny voafora aho.’ Miharihary anefa fa tsy nanjohy hevitra toy izany i Paoly. Koa satria tsy nisy fampandeferana foto-pitsipika kristianina tamin’io raharaha io, dia nanaja sy nanaraka ny torohevitry ny fitambara-mpitantana tamin’ny taonjato voalohany izy. Ny vokany teo no ho eo, dia ny tsy maintsy namonjena an’i Paoly teo an-tanan’ny Jiosy nirotaka, sy ny nandaniany roa taona tany am-ponja taorian’izay. Tamin’ny farany anefa, dia tanteraka ny sitrapon’Andriamanitra. Nanao fanambarana teo anatrehan’ireo manam-pahefana tany Kaisaria izy, ary avy eo dia nentina tany Roma mba hanao fanambarana teo anatrehan’i Kaisara mihitsy, ary ny fanjakana no niantoka ny lany tamin’izany.​—Asan’ny Apostoly 9:26-30; 21:20-26; 23:11; 24:27; Galatiana 2:12; 4:9, 10.

Mampiseho fanajana ve ianao?

11. Ahoana no ahafahantsika mampiseho fanajana ny manam-pahefana?

11 Mampiseho fanajana tokony haseho amin’ireo manana fahefana ve ianao? Ny Kristianina dia didiana mba ‘handoa amin’izy rehetra izay tokony ho azy avy: haja ho an’izay tokony hohajaina’. Eny tokoa, tsy ny fandoavantsika ny hetrantsika ihany no tafiditra amin’ny fanekentsika ny “fahefana lehibe”, fa ny fanajantsika ny fahefana amin’ny ataontsika sy ny tenintsika koa. (Romana 13:1-7). Ahoana no tokony ho fihetsitsika eo anoloan’ny manam-pahefana izay mety ho sarotiny? Tany amin’ny fanjakan’i Chiapas, any Meksika, dia nalain’ny manam-pahefana tao amin’ny faritra iray ny tanimbolin’ny fianakaviana Vavolombelon’i Jehovah 57, noho ireo Kristianina ireo tsy nandray anjara tamin’ny fankalazana ara-pivavahana sasany. Tamin’ireo fivoriana natao handaminana ilay raharaha, dia niteny tamim-pahamendrehana sy tamim-panajana foana ireo Vavolombelona, izay nanao akanjo madio sy milamina. Herintaona mahery tatỳ aoriana, dia navoaka ny didy ho tombontsoan’ireo Vavolombelona. Ny fihetsik’izy ireo, dia nahatonga azy hahazo ny fanajan’ny mpitazana sasany, hany ka naniry ho tonga Vavolombelon’i Jehovah mihitsy izy ireny!

12. Nahoana no zava-dehibe ny hananan’ny vehivavy “fanajana lalina” ny vadiny tsy mpino?

12 Ahoana no ahafahanao mampiseho fanajana ny fahefana nomen’Andriamanitra eo anivon’ny fianakaviana? Rehefa avy niresaka ny amin’ny ohatr’i Jesosy tamin’ny fizakana fahoriana ny apostoly Petera, dia nilaza hoe: “Ary toy izany koa, hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, mba ho voataonan’ny fitondrantenan’ny vavy izy, na dia tsy amin’ny teny aza (raha tàhiny misy tsy manaiky ny teny), rehefa hitany ny fahadiovan’ny fitondrantenanareo [omban’ny fanajana lalina, NW].” (1 Petera 3:1, 2; Efesiana 5:22-24). Eto i Petera dia nanantitrantitra ny maha zava-dehibe ny haneken’ny vavy ny vadiny ‘amim-panajana lalina’, na dia mety ho tsy mendrika firy izany fanajana izany aza ny lehilahy sasany. Ny fihetsika feno fanajana asehon’ny vehivavy iray dia mety hahazo ny fon’ny vadiny tsy mpino.

13. Ahoana no ahafahan’ny vehivavy manaja ny vadiny?

13 Ao amin’ny teny manodidina ireo andininy ireo, i Petera dia manintona ny saintsika ho amin’ny ohatr’i Saraha, vadin’i Abrahama, izay oha-pinoana niavaka. (Romana 4:16, 17; Galatiana 3:6-9; 1 Petera 3:6). Tokony ho kely kokoa noho ny fanajana omen’ny vehivavy ny vadiny tsy mpino ve ny omen’ny vehivavy ny vadiny mpino? Ahoana raha tsy miombon-kevitra amin’ny vadinao ianao amin’ny raharaha iray? I Jesosy dia nanome izao torohevitra izao, izay azo ampiharina eto, amin’ny ankapobeny: “[Raha misy olona manam-pahefana, NW] hanery anao handeha maily iray, mandehana miaraka aminy maily roa.” (Matio 5:41). Manaja ny vadinao ve ianao, ravehivavy, amin’ny fanekena hanaraka ny faniriany? Raha hitanao ho toa sarotra loatra izany, dia lazao aminy ny fihetseham-ponao momba ilay raharaha. Aza mihevitra hoe fantany ny ao am-ponao. Rehefa mampahafantatra ny fanirianao aminy anefa ianao, dia ataovy amim-panajana izany. Mananatra antsika toy izao ny Baiboly: “Aoka ny fiteninareo ho amin’ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra.”​—Kolosiana 4:6.

14. Mahafaoka inona ny fanehoana fanajana ny ray aman-dreny?

14 Ahoana ny aminareo, rankizy? Mandidy toy izao ny Tenin’Andriamanitra: “Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo ao amin’ny Tompo, fa marina izany. ‘Manajà ny ray sy ny reninao’ (fa izany no didy voalohany misy teny fikasana)”. (Efesiana 6:1-3). Mariho fa ny fanekena ny ray aman-dreninao dia heverina ho toy ny ‘fanajana ny ray sy ny reninao’. Ilay teny grika nadika hoe “manajà” dia mifono heviny hoe “mihevitra ho sarobidy” na “manisy vidiny ny”. Ny hoe manaiky àry dia mitaky mihoatra noho ny fanarahana tsy satry ny fitsipika ataon’ny ray aman-dreny, izay mety ho toa tsy ara-drariny aminao. Andriamanitra dia mangataka anao mba hihevitra ho sarobidy ny ray aman-dreninao, sy hanisy vidiny ny tari-dalana omen’izy ireo.​—Ohabolana 15:5.

15. Ahoana no ahafahan’ny ankizy mampiseho fanajana hatrany, na dia heveriny ho nanao fahadisoana aza ny ray aman-dreniny?

15 Ahoana àry raha manao zavatra izay mitady hampihena ny fanajanao azy ny ray aman-dreninao? Miezaha hanana ny fomba fijerin’izy ireo. Tsy “niteraka anao” sy namelona anao ve izy ireo? (Ohabolana 23:22). Tsy ny fitiavana anao ve no manosika azy ireo? (Hebreo 12:7-11). Miresaha amim-panajana amin’ny ray aman-dreninao, ka hazavao amin’ny toe-tsaina maneho fahalemem-panahy ny fihetseham-ponao. Na dia tsy araka izay tianao aza no asetriny izany, dia fadio ny miteny tsy amim-panajana amin’izy ireo. (Ohabolana 24:29). Tadidio fa nanaja hatrany an’i Saoly i Davida, na dia efa nivily tsy nanaraka ny torohevitr’Andriamanitra aza i Saoly Mpanjaka. Mangataha amin’i Jehovah mba hanampy anao hifehy ny fihetseham-ponao. “Loary eo anatrehany ny fonareo”, hoy i Davida. “Andriamanitra no aro ho antsika.”​—Salamo 62:8; Fitomaniana 3:25-27.

Hajao ireo mitari-dalana

16. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny ohatr’ireo mpampianatra sandoka sy ireo anjely?

16 Voatendrin’ny fanahy masina ireo loholon’ny kongregasiona, nefa mbola tsy lavorary sy manao fahadisoana izy ireo. (Salamo 130:3; Mpitoriteny 7:20; Asan’ny Apostoly 20:28; Jakoba 3:2). Vokatr’izany, dia mety hahatsiaro ho tsy afa-po amin’ireo loholona ny sasany eo anivon’ny kongregasiona. Ahoana no tokony ho fihetsitsika rehefa heverintsika fa misy zavatra tsy voakarakara araka ny tokony ho izy ao amin’ny kongregasiona, na, fara faharatsiny, toa izany no fahitana azy? Mariho ny fifanoherana nisy teo amin’ireo mpampianatra sandoka tamin’ny taonjato voalohany sy ireo anjely: “Ireo [mpampianatra sandoka] dia olona sahisahy, mitompo teny fantatra sady tsy matahotra hiteny ratsy ny manana voninahitra. Fa ny anjely aza, izay mihoatra amin’ny tanjaka sy ny hery, tsy mitondra fiampangana hitenenan-dratsy azy [ho fanajana an’i Jehovah, NW].” (2 Petera 2:10-13). Ireo mpampianatra sandoka dia niteny ratsy an’ireo “manana voninahitra”, dia ireo loholona nomena fahefana tao amin’ny kongregasiona kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Ireo anjely kosa anefa dia tsy mba niteny ratsy an’ireo mpampianatra sandoka izay nahatonga fisaraham-bazana teo amin’ireo rahalahy. Manana toerana ambony ireo anjely ary matsilo kokoa noho ny an’ny olombelona ny fahaizany manavaka ny rariny, ka fantatr’izy ireo izay nitranga tao amin’ny kongregasiona. Na izany aza anefa, dia navelany ho an’Andriamanitra ny fitsarana, “ho fanajana an’i Jehovah”.​—Hebreo 2:6, 7; Joda 9.

17. Inona no idiran’ny finoanao amin’ny zava-manahirana izay heverinao fa maha diso ireo loholona?

17 Na dia misy zavatra tsy voakarakara araka ny tokony ho izy aza, moa ve isika tsy tokony hanam-pinoana an’i Jesosy Kristy ho Loha velon’ny kongregasiona kristianina? Tsy mahafantatra izay mitranga ao amin’ny kongregasionany maneran-tany ve izy? Tsy tokony hanaja ny fomba ikarakarany ilay zava-manahirana ve isika ka hiaiky ny amin’ny fahaizany mitondra ny raharaha? ‘Iza marina tokoa moa isika no mitsara ny namantsika?’ (Jakoba 4:12; 1 Korintiana 11:3; Kolosiana 1:18). Nahoana raha entina eo anatrehan’i Jehovah ao amin’ny vavaka ny fanahianao?

18, 19. Inona no azonao atao raha mihevitra ianao fa nanao zavatra tsy mety ny loholona iray?

18 Mety hisy zava-tsarotra na zava-manahirana hipoitra, noho ny tsy fahalavorarian’olombelona. Hisy fotoana mihitsy aza angamba hanaovan’ny loholona iray zavatra tsy mety, ka hampikorontan-tsaina ny sasany. Tsy hanova inona akory ny fanaovantsika zavatra maimaika ao anatin’ny tarehin-javatra toy izany, fa vao mainka kosa mety hampitombo ilay zava-manahirana. Ireo manana fahaiza-manavaka ara-panahy dia hiandry ny handaminan’i Jehovah ny raharaha sy ny hanomezany izay fifehezana rehetra mety hilaina, amin’ny fotoana mety aminy sy araka ny fombany manokana.​—2 Timoty 3:16; Hebreo 12:7-11.

19 Ahoana raha malahelo noho ny raharaha iray ianao? Nahoana moa raha manatona amim-panajana ireo loholona mba hahazoana fanampiana, toy izay hiresaka amin’ny hafa ao amin’ny kongregasiona? Aza be fanakianana, fa hazavao kosa hoe inona no akon’ilay izy teo aminao. ‘Mahaiza foana mipetraka eo amin’ny toeran’izy ireo’, ary aoka ianao haneho fanajana hatrany rehefa mamboraka ny ao am-ponao aminy. (1 Petera 3:8, NW). Aza manesoeso, fa mitokia kosa amin’ny fahamatorana kristianina ananany. Ankasitraho izay fampaherezana araka ny Soratra Masina mety hatolony amin-katsaram-panahy. Ary raha hita fa toa ilaina ny hanaovana fanitsiana hafa, dia matokia fa hitarika ireo loholona hanao izay tsara sy mahitsy i Jehovah.​—Galatiana 6:10; 2 Tesaloniana 3:13.

20. Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

20 Mbola misy lafiny hafa tokony hodinihina anefa, mahakasika ny fanajana ireo manana fahefana. Tsy tokony hanaja an’ireo eo ambany fiahiany ve ireo nomena fahefana? Andeha hodinihintsika ny amin’izany, ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

Ahoana no Havalinao?

• Inona no antony tsara tokony hanajantsika ireo manana fahefana?

• Ahoana no fiheveran’i Jehovah sy i Jesosy an’ireo tsy manaja ny fahefana nomen’Andriamanitra?

• Ohatra tsara dia tsara inona avy no ananantsika, raha ny amin’ireo nanaja an’ireo nomena fahefana?

• Inona no azontsika atao raha hita ho toa nanao zavatra tsy mety ny olona iray manana fahefana amintsika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 12]

Nanaja lalina ny fahefan’i Abrahama i Saraha ka sambatra

[Sary, pejy 13]

Tsy nanaja ny fahefan’i Davida tamin’ny naha loham-pianakaviana sy mpanjaka azy, i Mikala

[Sary, pejy 15]

“Sanatria amiko (...), raha haninjitra ny tànako hamely ny voahosotr’i Jehovah aho”

[Sary, pejy 16]

Nahoana raha entina eo anatrehan’i Jehovah ao amin’ny vavaka ny fanahianao?