“Hianareo Rehetra dia Mpirahalahy Avokoa”
“Hianareo Rehetra dia Mpirahalahy Avokoa”
“Aza mba mety hatao hoe: Raby ô; fa iray ihany no Mpampianatra anareo, ary hianareo rehetra dia mpirahalahy avokoa.”—MATIO 23:8.
1. Raharaha inona no mendrika ny hodinihintsika?
“IZA no mendrika ny hohajaina bebe kokoa: Ny misionera sa ny Betelita?”, hoy ny vehivavy kristianina iray any amin’ny firenena tatsinanana iray, raha nanontany tamim-pahatsorana ny misionera iray avy any Aostralia izy. Ta hahafantatra izy hoe iza no tokony hohajaina bebe kokoa: Ny misionera avy any an-tany hafa sa ny tompon-tany manompo ao amin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower. Tsy nampoizin’ilay misionera io fanontaniana tamim-pahatsorana io, izay tsy inona fa taratry ny kolontsaina iray manantitrantitra laharana ara-tsosialy. Ilay fanontaniana hoe iza no lehibe kokoa, anefa, dia avy amin’ny faniriana hahafantatra ny sarangan’ny olona, raha tarafina amin’ny fahefana ananany sy ny heriny eo amin’ny hafa.
2. Ahoana no tokony hiheverantsika ireo mpiara-mivavaka amintsika?
2 Tsy vaovao akory io raharaha io. Na ireo mpianatr’i Jesosy aza, dia nifanditra tsy an-kijanona momba izay lehibe indrindra. (Matio 20:20-24; Marka 9:33-37; Lioka 22:24-27). Izy ireo koa dia avy tamin’ny kolontsaina somary nanantitrantitra laharana ara-tsosialy, dia ny kolontsain’ny Jodaisma tamin’ny taonjato voalohany. Izany fiaraha-monina izany no tao an-tsain’i Jesosy raha nanoro hevitra ny mpianany toy izao izy: “Aza mba mety hatao hoe: Raby ô; fa iray ihany no Mpampianatra anareo, ary hianareo rehetra dia mpirahalahy avokoa.” (Matio 23:8). Ny anaram-boninahitra ara-pivavahana toy ny hoe “Raby”, izay midika hoe “Mpampianatra”, “dia mahatonga an’ireo mahazo azy hirehareha sy hihevi-tena ho ambony, fa mahatonga kosa an’ireo tsy mahazo azy hitsiriritra sy hihevi-tena ho ambany; ary mifanipaka amin’ilay ‘fahatsorana ao amin’i Kristy’ ny votoatin’izy io manontolo sy ny zava-kendreny”, hoy ny nomarihin’i Albert Barnes, manam-pahaizana momba ny Baiboly. Eny tokoa, ny Kristianina dia mifady ny fiantsoana mpiandraikitra amin’ny hoe “Loholona Ranona”, ka hampiasa ny teny hoe “loholona” ho toy ny anaram-boninahitra fanindrahindrana olona. (Joba 32:21, 22). Etsy an-danin’izany, dia manaja ireo mpikambana hafa ao amin’ny kongregasiona ireo loholona miaina mifanaraka amin’ny votoatin’ilay torohevitr’i Jesosy, tsy misy hafa amin’ny anajan’i Jehovah ireo mpivavaka aminy mahatoky, sy ny anajan’i Jesosy ireo mpanara-dia azy mahatoky.
Ny ohatr’i Jehovah sy i Jesosy
3. Ahoana no nanajan’i Jehovah ireo zavaboariny ara-panahy?
3 Na dia “Avo Indrindra” aza i Jehovah, dia efa hatramin’ny voalohany mihitsy izy no nanaja ny zavaboariny, tamin’ny nampandraisany anjara azy ireo tamin’ny zavatra nataony. (Salamo 83:18). Fony namorona ny olombelona voalohany i Jehovah, dia nataony “mpità-marika” tamin’io asa io ilay Zanany lahitokana. (Ohabolana 8:27-30; Genesisy 1:26). Nasain’i Jehovah haneho ny heviny mihitsy aza ireo anjeliny tany an-danitra mba hahitana izay hatao mba hahafaty an’i Ahaba mpanjaka ratsy fanahy, rehefa tapa-kevitra ny hanao izany ny tenany.—1 Mpanjaka 22:19-23.
4, 5. Ahoana no anajan’i Jehovah ny zavaboariny olombelona?
4 Manjaka amin’ny maha Tompom-piandrianana Fara Tampony eo amin’izao rehetra izao i Jehovah. (Deoteronomia 3:24). Tsy mila maka hevitra amin’ny olombelona izy. Na izany aza anefa, dia miondrika izy, raha izany no ilazana azy, mba hanehoana fiheverana azy ireo. Nihira toy izao ny mpanao salamo iray: “Iza no tahaka an’i Jehovah Andriamanitsika, Izay mipetraka any amin’ny avo, nefa miondrika mijery ny any an-danitra sy ny etỳ an-tany? Manangana ny malahelo hiala amin’ny vovoka Izy”.—Salamo 113:5-8.
5 Talohan’ny nanafoanan’i Jehovah an’i Sodoma sy i Gomora, dia nihaino ireo fanontanian’i Abrahama izy, ary nanome fahafaham-po ny fitiavan’i Abrahama ny rariny. (Genesisy 18:23-33). Na dia efa fantatr’i Jehovah aza izay hiafaran’ireo fangatahan’i Abrahama, dia nihaino azy tamim-paharetana izy ka nanaiky ny fanjohian-keviny.
6. Inona no vokatry ny nanehoan’i Jehovah fanajana rehefa nanontany i Habakoka?
6 Nohenoin’i Jehovah koa i Habakoka, izay nangataka hoe: “Mandra-pahoviana, Jehovah ô, no tsy maintsy hiantsoantsoako mba hahazoana fanampiana, nefa tsy mandre ianao?” Nihevitra an’io fanontaniana io ho fanoherana ny fahefany ve i Jehovah? Tsia, nihevitra ny fanontanian’i Habakoka ho ara-dalàna izy, ary dia nanambara ilay fikasany hanangana ny Kaldeanina mba hampiharana ny didim-pitsarany. Nanome toky an’ilay mpaminany izy fa ‘tsy maintsy ho avy io fampiharana didim-pitsarana nambara mialoha io’. (Habakoka 1:1, 2, 5, 6, 13, 14, NW; 2:2, 3, NW). Nanaja ilay mpaminany i Jehovah rehefa nihevitra ho zava-dehibe ireo fanahiany ka namaly ireo fanontaniany. Vokatr’izany, dia nanjary miramirana sy ravoravo ilay mpaminany sahiran-tsaina teo iny, natoky tanteraka an’ilay Andriamanitry ny famonjena azy. Hita taratra izany, ao amin’ilay bokin’i Habakoka ara-tsindrimandry izay manamafy ny fatokisantsika an’i Jehovah, ankehitriny.—Habakoka 3:18, 19.
7. Nahoana no zava-dehibe ny anjara asan’i Petera tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i.?
7 Ohatra tsara dia tsara hafa iray ny amin’ny fanehoana fanajana ny hafa, i Jesosy Kristy. Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Na zovy na zovy no handà Ahy eo anatrehan’ny olona, dia holaviko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko”. (Matio 10:32, 33). Tamin’ilay alina namadihana azy anefa, dia nandao azy avokoa ny mpianany, ary nanda azy intelo ny apostoly Petera. (Matio 26:34, 35, 69-75). Tsy nijery ivelany fotsiny anefa i Jesosy fa naneho fiheverana kosa ny fihetseham-pon’i Petera lalina indrindra, dia ilay fibebahany lalina. (Lioka 22:61, 62). Iraika amby dimampolo andro monja tatỳ aoriana, dia nanaja ny fahamendrehan’ilay apostoly nibebaka i Kristy, tamin’ny namelany azy hisolo tena ireo mpianatr’i Jesosy 120 tamin’ny andro Pentekosta, sy hampiasa ny voalohany tamin’ireo “fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra”. (Matio 16:19; Asan’ny Apostoly 2:14-40). Nomena fahafahana ‘hibebaka sy hampahery ireo rahalahiny’ i Petera.—Lioka 22:31-33.
Fanomezana haja ny mpianakavy
8, 9. Ahoana no ahafahan’ny lehilahy manahaka an’i Jehovah sy i Jesosy, eo amin’ny fanomezana haja ny vadiny?
8 Fahendrena ho an’ny lehilahy manambady sy ireo ray aman-dreny ny manahaka an’i Jehovah sy i Jesosy Kristy, eo amin’ny fampiharana ny fahefana nomen’Andriamanitra. Nananatra toy izao i Petera: “Ary toy izany koa, hianareo lehilahy, miaraha mitoetra [amin’ny vadinareo] araka ny marina, manaja ny vavy, tahaka ny mety hatao amin’ny fanaka malemilemy kokoa”. (1 Petera 3:7). Alao sary an-tsaina ny tenanao mandray vilia bakoly, izay mazava ho azy fa mora vaky kokoa noho ny vilia hazo. Tsy hitandrina bebe kokoa ve ianao? Afaka manao toy izany ny lehilahy, amin’ny fanahafana an’i Jehovah, ka hihaino ny hevitry ny vadiny rehefa manapa-kevitra momba ny raharaha mahakasika ny mpianakavy izy. Tsarovy fa naka fotoana niaraha-nanjohy hevitra tamin’i Abrahama i Jehovah. Mety tsy hahita ny lafiny rehetra amin’ilay raharaha ralehilahy, noho izy tsy lavorary. Koa tsy ho fahendrena ho an-dralehilahy àry ve ny manaja ny vadiny, amin’ny fanisiana fiheverana amim-pahatsorana ny heviny?
9 Tena mafy orina ny fahefan-dehilahy, any amin’ny tany sasany. Any amin’ny tany toy izany, dia tsy maintsy mitadidy ny lehilahy fa mety ho tsy maintsy mandresy sakana goavana ny vadiny vao hahavita hamboraka ny fihetseham-pony lalina indrindra. Tahafo ny nataon’i Jesosy tetỳ an-tany, teo amin’ny fifandraisany tamin’ny mpianany, izay ho anisan’ny kilasin’ny ampakariny. Niraiki-po tamin’izy ireo izy ka nanisy fiheverana ny fetran’ny mety ho vitan’izy ireo ara-batana sy ara-panahy, na dia mbola tsy nilaza akory izay nilainy aza izy ireo. (Marka 6:31; Jaona 16:12, 13; Efesiana 5:28-30). Fanampin’izany, dia makà fotoana mba handinihana akaiky izay ataon’ny vadinao ho anao sy ho an’ny mpianakavy, ka manehoa fankasitrahana amin’ny teny sy ny atao. Samy nankasitraka sy nidera ary nisaotra an’ireo mendrika izany i Jehovah sy i Jesosy. (1 Mpanjaka 3:10-14; Joba 42:12-15; Marka 12:41-44; Jaona 12:3-8). Hoy ny vehivavy kristianina iray any Atsinanana, taorian’ny nahatongavan’ny vadiny ho Vavolombelon’i Jehovah: “Nialoha ahy intelo na inefatra nandingana ny vadiko rehefa nandeha, ka namela ahy hitondra ny zavatra rehetra. Izao izy dia mitondra ireo harona ary maneho fankasitrahana ny amin’ny zavatra ataoko ao an-tokantrano!” Ny teny fankasitrahana amim-pahatsorana dia tena manampy be dia be mba hahatsapan’ny vadinao ho asiana vidiny.—Ohabolana 31:28.
10, 11. Ahoana no ahafahan’ny ray aman-dreny miana-javatra avy amin’ny ohatra tsara dia tsara navelan’i Jehovah, teo amin’ny fifandraisany tamin’ny firenen’ny Isiraely mpikomy?
10 Eo amin’ny fifandraisana amin’ny ankizy, indrindra rehefa mila fananarana izy ireo, dia tokony hanahaka ny ohatr’Andriamanitra ny ray aman-dreny. Tsy nitsahatra “nananatra ny Isiraely sy ny Joda” i Jehovah mba hialan’izy ireo tamin’ny lalan-dratsiny, saingy “nanamafy ny hatony” hatrany izy ireo. (2 Mpanjaka 17:13-15). “Namitaka azy tamin’ny teniny” mihitsy aza ireo Israelita, “ary nandainga taminy ny lelany”. Ray aman-dreny maro no mihevitra fa manao toy izany ny zanany, indraindray. “Naka fanahy an’Andriamanitra” ny Israelita ka nanome alahelo azy. “Mamindra fo” anefa i Jehovah, “mamela ny fahotana ary tsy mandringana”.—Salamo 78:36-41, Kat.
11 Niangavy an’ireo Isiraelita toy izao mihitsy aza i Jehovah: “Avia ary hifandahatra isika (...): Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka orampanala”. (Isaia 1:18). Na dia tsy diso aza i Jehovah, dia nanasa an’ilay firenena mpikomy mba ho avy hifandahatra taminy. Izany ka fihetsika tsara dia tsara tokony hotahafin’ny ray aman-dreny, eo amin’ny fifandraisany amin’ny zanany! Rehefa mitaky ny hanaovana izany ny toe-javatra, dia hajao ny fahamendrehan’izy ireo, amin’ny fihainoana izay mba fahitany ilay raharaha, ary miaraha manjohy hevitra aminy momba ny antony tsy maintsy hiovany.
12. a) Nahoana no tokony hohalavirintsika ny fanomezana voninahitra ny zanatsika mihoatra noho i Jehovah? b) Inona no takina raha tiantsika ny hanaja ny fahamendrehan’ny zanatsika rehefa mananatra azy?
12 Mazava ho azy fa mila ny anarina mafy ny ankizy, indraindray. Tsy maniry ho tahaka an’i Ely, izay ‘nanome voninahitra ny zanany mihoatra noho i Jehovah’, ny ray aman-dreny. (1 Samoela 2:29). Na izany aza anefa, dia tokony ho hitan’ireo tanora hoe fitiavana no manosika ny ray aman-dreny hanome fanitsiana. Tokony ho afaka hahatakatra izy ireo hoe tena tia azy ny ray aman-dreniny. Nananatra an’ireo raim-pianakaviana toy izao i Paoly: “Aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin’ny famaizana sy ny fananaran’ny Tompo izy.” (Efesiana 6:4). Na dia mampihatra fahefana aza ny ray, ny hevitra tiana hampitaina dia hoe mila manaja ny fahamendrehan’ny zanany izy, ka tsy hampahatezitra azy ireo noho ny fahasiahany tafahoatra. Eny, ny fanajana ny fahamendrehan’ny ankizy dia mitaky fotoana sy ezaka avy amin’ny ray aman-dreny. Mendrika ny ha naovana ny sorona rehetra anefa ny vokatra azo avy amin’izany.
13. Ahoana no fiheveran’ny Baiboly ireo zokiolona eo anivon’ny mpianakavy?
13 Tsy vitan’ny hoe manaja ny fahamendrehan’ny vady aman-janaka fotsiny ny hoe maneho fanajana ny mpianakavy. “Ankatoavy ny zanakao rehefa antitra ianao”, hoy ny ohabolana japoney iray. Ny tian’io ohabolana io holazaina dia hoe tsy tokony hihoatra ny fahefany ny ray aman-dreny zokiolona, fa tokony hanisy fiheverana kosa izay lazain’ny zanany efa lehibe. Na dia araka ny Soratra Masina aza ny hanajan’ny ray aman-dreny ny zanany amin’ny fihainoana azy ireo, dia tsy tokony hampiseho fihetsika tsy misy fanajana an’ireo be taona kokoa eo anivon’ny mpianakavy ny ankizy. “Aza manamavo ny reninao, saingy efa antitra izy”, hoy ny Ohabolana 23:22. Niaina nifanaraka tamin’io ohabolana io i Solomona Mpanjaka ka nanaja ny reniny rehefa nanatona hangataka zavatra taminy ny reniny. Nampaka seza fiandrianana iray hatao teo ankavanan’ny azy i Solomona ka nihaino izay nolazain’i Batseba, reniny zokiolona.—1 Mpanjaka 2:19, 20.
14. Ahoana no ahafahantsika manaja ireo zokiolona ao amin’ny kongregasiona?
14 Ao amin’ilay fianakaviambentsika ara-panahy, dia tsara toerana mba ‘hitari-dalana’ eo amin’ny fanehoana fanajana na fanomezam-boninahitra ireo zokiolona ao amin’ny kongregasiona isika. (Romana 12:10). Mety tsy hahavita zavatra toy izay vitany taloha izy ireny, ary mety hahakivy azy izany. (Mpitoriteny 12:1-7). Indray mandeha, dia naneho fahakiviana toy izany ny Vavolombelona voahosotra zokiolona iray, izay voatana teo am-pandriana, tao amin’ny toeram-pitsaboana iray: “Tsy andriko izay hahafatesako mba hiverenako hiasa indray.” Ho an’ny zokiolona toy ireny, dia mahasoa ny fanehoantsika fankasitrahana sy fanajana araka ny tokony ho izy. Nodidiana toy izao ireo Isiraelita: “Mitsangàna raha eo anatrehan’ny fotsy volo hianao, ka manajà ny tavan’ny anti-panahy”. (Levitikosy 19:32). Manehoa fiheverana ny zokiolona, ka ataovy izay hahatsapany hoe ilaina sy ankasitrahana izy. Mety ho tafiditra amin’ny hoe ‘mitsangana’ ny mipetraka mba hihaino azy mitantara ny zavatra vitany taona maro lasa izay. Hanaja ny fahamendrehan’ny zokiolona izany, no sady hanatsara koa ny fiainantsika ara-panahy.
‘Mitariha lalana amin’ny fanomezam-boninahitra’
15. Inona no azon’ny loholona atao mba hanajana ny fahamendrehan’ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona?
15 Mandroso tsara ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona rehefa manome azy ohatra tsara dia tsara ny loholona. (1 Petera 5:2, 3). Na dia be atao aza ny tenany, ireo loholona be fiahiana dia manao ny dingana voalohany mba hanatona ny tanora, ny loham-pianakaviana, ny reny mitaiza irery ny zanany, ny vehivavy mpikarakara tokantrano, ary ny zokiolona, na manan-java-manahirana izy ireny na tsia. Mihaino izay lazain’ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona ireo loholona, ka midera azy noho izay azony atao. Ny loholona mandinika iray, izay manao teny fankasitrahana momba ny zava-bitan’ny rahalahy na anabavy iray, dia manahaka an’i Jehovah, izay mankasitraka ireo zavaboariny eto an-tany.
16. Nahoana isika no tokony hihevitra ireo loholona ho mendrika ny hohajaina tahaka ny hafa ao amin’ny kongregasiona?
16 Amin’ny fanahafana an’i Jehovah, dia manome ohatra tsara dia tsara ireo loholona, raha ny amin’ny fampiharana ity fananaran’i Paoly ity: “Mifankatiava araka ny fifankatiavan’ny mpirahalahy; mitariha làlana amin’ny fifanomezam-boninahitra.” (Romana 12:10). Mety ho sarotra kokoa izany ho an’ireo loholona any amin’ireo firenena izay anantitranterana ny laharana ara-tsosialy. Any amin’ny firenena tatsinanana iray, ohatra, dia misy teny roa ho an’ny hoe “rahalahy”: Ny iray fanajana olona ambony, fa ny iray kosa tsotra. Vao haingana izay, dia mbola ilay teny fanajana olona ambony ihany no nampiasain’ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona rehefa niresaka tamin’ireo loholona sy ireo zokiny kokoa izy ireo, fa ilay tsotra kosa no nampiasainy tamin’ny hafa. Nampirisihina hampiasa ilay teny tsotra anefa izy ireo amin’ny fotoana rehetra, satria, araka ny nolazain’i Jesosy tamin’ireo mpanara-dia azy, ‘dia mpirahalahy avokoa ianareo’. (Matio 23:8). Na dia tsy mibaribary toy izany aza ilay fanavahana any amin’ny firenen-kafa, dia tokony ho takatsika rehetra fa eo ilay fironan’olombelona hanavaka kilasin’olona.—Jakoba 2:4.
17. a) Nahoana no tokony ho mora hatonina ireo loholona? b) Amin’ny fomba ahoana avy no azon’ireo loholona anahafana an’i Jehovah eo amin’ny fifandraisany amin’ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona?
17 Marina fa nampirisika antsika i Paoly mba hanome “fanajana roa heny” ny loholona sasany, izay mendrika izany, nefa mbola rahalahy foana izy ireo na izany aza. (1 Timoty 5:17). Raha afaka ‘manatona amim-pahasahiana ny seza fiandrianan’ny fahasoavan’ilay’ Tompom-piandrianana eo Amin’izao Rehetra Izao isika, moa ve isika tsy tokony ho afaka hanatona koa ireo loholona, izay mila manahaka an’i Jehovah? (Hebreo 4:16; Efesiana 5:1). Azon’ireo mpiandraikitra atao ny manombana hoe mora hatonina ve izy ireo, amin’ny fandinihana ny hoe impiry moa ny hafa no tonga mitady torohevitra amin’izy ireo na manome soso-kevitra azy ireo. Makà lesona avy amin’ny fomba ampandraisan’i Jehovah anjara ny hafa eo amin’ny zavatra ataony. Manaja ny fahamendrehan’ny hafa izy, amin’ny fanankinana andraikitra amin’izy ireny. Na dia mety ho toa tsy azo ampiharina aza ny soso-kevitra sasany natolotry ny Vavolombelona hafa iray, dia tokony hankasitraka ilay fiahiana nasehony ireo loholona. Tadidio izay nataon’i Jehovah teo anoloan’ireo fanontaniana nitsapan’i Abrahama ny hevitr’i Jehovah, sy ny tolokom-pahorian’i Habakoka.
18. Ahoana no azon’ireo loholona anahafana an’i Jehovah eo amin’ny fanitsiana ireo mila fanampiana?
18 Tena mila fanitsiana ny Kristianina sasany. (Galatiana 6:1). Na izany aza anefa, dia sarobidy eo imason’i Jehovah izy ireny, ka mendrika ny hoentina amim-pahamendrehana. “Rehefa mitondra ahy amim-panajana ny olona iray manome torohevitra, dia tsy misalasala manatona azy aho”, hoy ny Vavolombelona iray. Mandray tsara ny torohevitra ny ankamaroan’ny olona rehefa entina amim-pahamendrehana. Mety hitaky fotoana bebe kokoa izany, kanefa ny fihainoana tsara ireo nanao fahadisoana dia manamora kokoa ny haneken’izy ireo izay torohevitra ilaina. Tadidio fa nanjohy hevitra imbetsaka tamin’ireo Isiraelita i Jehovah, noho ny fangorahany azy ireo. (2 Tantara 36:15; Titosy 3:2). Ny torohevitra omena amim-pangorahana sy amim-pahaiza-miombom-pihetseham-po amin’ny hafa, dia hanohina ny fon’ireo mila fanampiana.—Ohabolana 17:17; Filipiana 2:2, 3; 1 Petera 3:8.
19. Ahoana no tokony hiheverantsika ny olona tsy mitovy finoana amin’ny Kristianina?
19 Ny fanehoantsika fanajana ny hafa dia mitatra hatrany amin’ireo izay mety ho tonga rahalahintsika ara-panahy amin’ny hoavy. Mety ho votsa fandray ny hafatra entintsika ny olona toy izany ankehitriny, kanefa dia mbola mila mampiseho faharetana amin’izy ireny ihany isika, ary manaja ny fahamendrehany amin’ny maha olombelona azy. ‘Tsy tian’i Jehovah hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana ny rehetra.’ (2 Petera 3:9). Tsy tokony hanana izany fiheveran’i Jehovah izany ve isika? Rehefa mihevitra ny olona amin’ny ankapobeny isika, dia afaka manomana ny lalana ho amin’ny fanaovana fanambarana raha toa isika ka miezaka foana hahay hifandray amin’ny hafa. Mazava ho azy fa hifady ny karazam-pisakaizana izay mety hitondra loza ara-panahy isika. (1 Korintiana 15:33). Na izany aza, dia mampiseho “hatsaram-panahin’olombelona” isika, ka tsy manamavo ny olona tsy mitovy finoana amintsika.—Asan’ny Apostoly 27:3, NW.
20. Tokony hanosika antsika hanao inona ny ohatr’i Jehovah sy i Jesosy Kristy?
20 Eny, mihevitra ny tsirairay amintsika ho mendrika ny hohajaina, i Jehovah sy i Jesosy. Enga anie isika ka hahatadidy mandrakariva ny fomba fanaovan’izy ireo zavatra, ka hitari-dalana koa eo amin’ny fifanomezam-boninahitra. Ary enga anie isika hahatsiaro mandrakariva ireo tenin’i Jesosy Kristy Tompontsika, manao hoe: “Hianareo rehetra dia mpirahalahy avokoa.”—Matio 23:8.
Ahoana no Havalinao?
• Ahoana no tokony hiheveranao ireo mpiara-mivavaka aminao?
• Amin’ny ahoana no manosika anao hanaja ny hafa ny ohatr’i Jehovah sy i Jesosy?
• Ahoana no azon’ny lehilahy manambady sy ny ray aman-dreny anajana ny hafa?
• Manosika ireo loholona hanao zavatra amin’ny fomba ahoana avy ny fiheverana ny Kristianina hafa ho rahalahiny?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 18]
Hajao amin’ny teny fankasitrahana ravehivavy vadinao
[Sary, pejy 18]
Hajao ny fahamendrehan’ ny zanakao, amin’ny fihainoana azy ireo
[Sary, pejy 18]
Ento amim-pahamendrehana ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona