Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mino Izay Tsy Hitanao ve Ianao?

Mino Izay Tsy Hitanao ve Ianao?

Mino Izay Tsy Hitanao ve Ianao?

REHEFA misy olona miteny hoe: ‘Tsy mino afa-tsy izay hitan’ny masoko aho’, dia tsy hoe tena izany tokoa akory no izy. Raha ny marina, isika rehetra dia mino zavatra izay tsy hitantsika.

Ohatra, nety ho nanao fanandramana ianao tany an-tsekoly mba hanaporofoana ny fisian’ny sahan’andriamby. Toy izao no fandehan’ilay fanandramana: Aparitaho eo ambonin’ny ravin-taratasy ny vovo-by. Avy eo, dia apetraho eo ambonin’ny andriamby ilay ravin-taratasy. Rehefa ahetsiketsika ilay ravin-taratasy, dia miangona eo akaikin’ny tendron’ilay andriamby, toy ny misy majika, ireo vovo-by, ary manome endrika mifanaraka amin’ilay sahan’andriamby. Raha toa ianao ka nanao izany, moa ve ianao, tena nahita ilay sahan’andriamby? Tsia, fa ny vokany teo amin’ireo vovo-by no tena hitanao, ka izany no porofo nampiaiky anao fa misy ny herin’andriamby.

Ekentsika tsy amim-pisalasalana ny fisian’ny zavatra hafa maro tsy hitan’ny masontsika. Rehefa mijery sary hoso-doko tsara tarehy, na mitolagaga eo anoloan’ny sary sokitra vita tsara iray, isika, dia tsy isalasalantsika ny fisian’ny mpanao hoso-doko iray sy ny mpanao sokitra iray. Noho izany, rehefa variana mitazana rian-drano iray isika, na sondriana mijery masoandro mody, moa ve isika tsy tokony ho voatosika, fara fahakeliny, hihevitra fa mety ho sangan’asan’ny Mpanakanto na Mpanao sokitra Lehibe iray izany?

Ny antony tsy inoan’ny sasany

Mahatsikaiky fa misy olona nitsahatra tsy nino an’Andriamanitra, noho izay nampianarina azy ireo tany am-piangonana. Izany indrindra no nitranga tamin’ny lehilahy norvezianina iray, izay nilazana fa mandoro ny ratsy fanahy any amin’ny afobe mirehitra Andriamanitra. Tsy azon’io lehilahy io tsotra izao hoe karazan’Andriamanitra inona koa izany mampijaly olona toy izany, hany ka nanjary tsy nino an’Andriamanitra izy.

Tatỳ aoriana anefa, dia nanaiky hamotopototra momba ny Baiboly io olona io, nampian’ny iray tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Gaga izy nahafantatra fa, hay, ny Baiboly tsy mampianatra hoe ampijalina any amin’ny afobe mirehitra ny ratsy fanahy. Oharin’ny Baiboly amin’ny torimaso ny fahafatesana. Tsy mahatsapa fangirifiriana isika ao am-pasana; tsy mahatsiaro na inona na inona. (Mpitoriteny 9:5, 10). Nianaran’io lehilahy io koa fa ny olona izay tsarain’Andriamanitra ho mpanota matevin-koditra, dia hitoetra ao am-pasana mandrakizay. (Matio 12:31, 32). Hatsangan’Andriamanitra amin’ny fotoana maha mety azy ny sisa amin’ny maty, amin’ny fanantenana ny hahazo fiainana mandrakizay, ao anatin’ny toe-piainana paradisa. (Jaona 5:28, 29; 17:3). Nisy heviny taminy izany fanazavana izany. Izy io dia nifanaraka tsara tamin’izay nolazain’ny Baiboly hoe “Andriamanitra dia fitiavana”. (1 Jaona 4:8). Nanohy ny fianarany ny Tenin’Andriamanitra io lehilahy tso-po io, ary rehefa nandeha ny fotoana, dia nanjary tia ilay Andriamanitry ny Baiboly izy.

Mandà ny fisian’ny Mpamorona be fitiavana iray ny hafa, noho ny fahabetsahan’ny fahoriana sy ny tsy rariny. Izy ireo dia miombon-kevitra amin’ilay lehilahy soedoà iray, izay zatra nanondro ny lanitra sady nanontany hoe: “Ahoana no isian’ny Andriamanitra iray tsitoha sy malala-tanana aoka izany ao ambony ao, nefa isika etỳ ambany etỳ tototry ny fahasimbana ara-pitondran-tena sy ny faharatsiana?” Koa satria tsy nisy nahavaly ny fanontaniany, dia nanjary tsy nino an’Andriamanitra koa izy. Nanomboka nianatra ny Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy, tatỳ aoriana. Nianarany fa ny Tenin’Andriamanitra dia manome ny valiny mahafa-po ho an’ilay fanontaniana tranainy hoe “Nahoana Andriamanitra no mamela ny faharatsiana hisy?” *

Nianaran’io lehilahy tso-po io fa ny fisian’ny faharatsiana dia tsy porofon’ny tsy fisian’Andriamanitra. Indro misy ohatra: Manamboatra antsy iray mba ho fandidian-kena ny lehilahy iray. Mety hisy olona hividy izany antsy izany, ary hampiasa izany hamonoana olona, fa tsy handidian-kena. Ny nampiasana tamin’ny fomba ratsy an’io antsy io dia tsy porofo velivelin’ny tsy fisian’ny mpanao azy. Tahaka izany koa, fa ny tsy fampiasana ny tany mifanaraka amin’ny tanjona nikendrena azy, dia tsy porofon’ny tsy fananany Mpamorona iray.

Mampianatra ny Baiboly fa lavorary ny asan’Andriamanitra. “Tsy misy ratsy ao aminy; marina sy mahitsy Izy.” (Deoteronomia 32:4). Fanomezana tsara no nomen’Andriamanitra ny olona, nefa dia nampiasaina tamin’ny fomba ratsy ny sasany tamin’ireny fanomezana ireny, ka nahatonga fijaliana tsy hay lazaina. (Jakoba 1:17). Hamarana ny fijaliana anefa Andriamanitra. Aorian’izay, ‘ny mpandefitra dia handova ny tany, ka honina eo aminy mandrakizay’.​—Salamo 37:11, 29.

Nalahelo ilay lehilahy soedoà, voalaza terỳ aloha, rehefa nahita ny fijalian’ny mpiara-belona taminy. Raha ny marina, ny fiahiany feno fitiavana ny hafa dia manamafy ny fisian’Andriamanitra. Amin’ny fomba ahoana?

Ho an’ny olona maro, ny hany azo asolo ny finoana an’Andriamanitra dia ny finoana ny evôlisiôna. Ireo evôlisiônista dia mampianatra ny “fahatafitan’ireo matanjaka indrindra”​—izay ifaninanan’ny olona sy ny biby ao amin’ny sokajy misy azy avy, ho an’ny fahatafitany. Tafavoaka velona ireo matanjaka indrindra; maty kosa ireo osa indrindra. Izany no fandaharana voajanaharin’ny zavatra rehetra, hoy ny filazany. Kanefa, raha toa ka “voajanahary” ho an’ny osa ny ho faty mba hahavelona ny matanjaka, dia ahoana no hanazavantsika ny amin’ireo olona matanjaka sasany, toy ilay lehilahy soedoà, halahelo eo am-pahitana ny fijalian’ny mpiara-belona aminy?

Fahazoana fahalalana momba an’Andriamanitra

Tsy afaka mahita an’Andriamanitra isika, noho izy tsy manana bikan’olombelona. Tian’Andriamanitra anefa ny hahazoantsika fahalalana momba azy. Fomba iray ahafahantsika mahafantatra tsara azy ny fandinihana ny asany mahatalanjona​—ireo “hoso-doko sy asa sokitry” ny famoronana. Milaza toy izao ny Baiboly, ao amin’ny Romana 1:20: “Ny fombany [ny an’Andriamanitra] tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah’Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin’ny zavatra nataony”. Eny, tsy misy hafa amin’ny ahazoanao fahatakarana hevi-dalina momba ny maha izy ny mpanakanto iray, amin’ny fandinihana ny sary hoso-doko na ny asa sokitra nataony, no ahafantaranao tsara ny maha izy an’Andriamanitra, amin’ny fisaintsainana ireo asany mahatalanjona.

Mazava ho azy fa tsy afaka mamaly ireo fanontaniana manelingelina rehetra eo amin’ny fiainana ny fibanjinana fotsiny ny zavatra noforonin’Andriamanitra. Hahita ny valin’ny fanontaniana toy izany anefa isika amin’ny fanaovana fikarohana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly. Ny famakiana ny Baiboly, tamin’ny saina mivelatra, no nahatongavan’ireo lehilahy roa, voalaza terỳ aloha, tamin’ny fanatsoahan-kevitra fa misy Andriamanitra, ary koa fa miahy ny amin’izay manjo antsika izy.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Mba hahazoana fanazavana fanampiny ny amin’ny antony amelan’Andriamanitra ny faharatsiana hisy, dia jereo ilay boky hoe Y a-t-il un Créateur qui se soucie de vous?, eo amin’ny toko faha-10, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 28]

J. Hester sy P. Scowen (AZ State Univ.), NASA