Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nampirisihina Hanolotra Fanompoana Masina ny Kilasin’i Gileada Faha-108

Nampirisihina Hanolotra Fanompoana Masina ny Kilasin’i Gileada Faha-108

Nampirisihina Hanolotra Fanompoana Masina ny Kilasin’i Gileada Faha-108

MATETIKA no resahina ao amin’ny Baiboly hoe “fanompoana masina”, ny fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitra. Avy amin’ny teny grika iray manondro fanompoana an’Andriamanitra, izy io. (Romana 9:4, NW). Nisy 5 562 no nihaino ilay fandaharam-pizarana diplaoma ho an’ilay kilasy faha-108 amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower. Ireo mpandahateny dia nanome torohevitra azon’ireo nahazo diplaoma ampiharina, ka hanampy azy ireo hanolotra fanompoana masina azon’i Jehovah Andriamanitra ekena. *

I Theodore Jaracz, anisan’ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah, no mpitari-draharaha. Natomboka tamin’ilay hira faha-52 hoe “Ny anaran-dRaintsika”, ilay fandaharana. Milaza toy izao ny andininy faharoa amin’io hira io: “Karohinay izay fomba enti-manamasina ny anaranao”. Izany dia nilaza tsara ny faniriana amim-pahatsoran’ireo mpianatra nahazo diplaoma (izay avy tany amin’ny firenena 10), dia ny hampiasa ny fampiofanana azony, rehefa ho tonga any amin’ireo tany 17 hanendrena azy ho misionera izy ireo.

Tao amin’ny teny fanokafany, ny Rahalahy Jaracz dia nanintona ny saina ho amin’ilay fianarana mafy ny Baiboly nandritra ny dimy volana, izay nanomana ireo mpianatra hanompo eny amin’ny saha any an-tany hafa. Nanampy azy ireo ‘hanao ho azo antoka ny zavatra rehetra’ ilay fianarana, izany hoe, handinika lalina izay nianarany teo aloha, amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra, ka ‘hihazona mafy izay tsara’. (1 Tesaloniana 5:21, NW). Nampirisihiny hifikitra amim-pahatokiana amin’i Jehovah sy ny Teniny ary ireo asa anendrena azy, izay nahazoany fampiofanana, ireo mpianatra. Inona no hanampy azy ireo eo am-panaovany izany rehetra izany?

Torohevitra azo ampiharina mba hanolorana fanompoana masina

I Lon Schilling, anisan’ny Komitin’ny Fampandehanana ny Asa ao Amin’ny Betela, dia namelabelatra ilay foto-kevitra hoe “Ho Tafita Amin’ny Fitsapana ny Fahalalana ny Antonony ve Ianao?” Nasongadiny ny hasarobidin’ny fahalalana ny antonony, izay ahitana taratry ny fahendrena araka an’Andriamanitra. (Jakoba 3:17). Voafaoka amin’ny hoe mahalala ny antonony ny hoe mandefitra, tsy mizaha tavan’olona, tsy manao zavatra tafahoatra, maneho fiheverana, ary mahatsindry fo. “Mahay mandanjalanja ny olona mahalala ny antonony, eo amin’ny fifandraisany amin’ny hafa. Tsy manao zavatra tafahoatra izy ireo”, hoy ny Rahalahy Schilling. Inona no afaka manampy ny misionera iray hahalala ny antonony? Ilainy ny mihevi-tena araka ny antonony, ny manararaotra ny fahafahana hihaino ny hafa sy hiana-javatra avy amin’izy ireny, ary ny ho vonona handinika izay fomba fihevitry ny hafa, kanefa tsy hampandefitra ny foto-pitsipik’Andriamanitra.​—1 Korintiana 9:19-23.

“Aza Hadinoina ny Misakafo!” Izany no lohateny mahaliana nanaraka tao amin’ilay fandaharana, ka i Samuel Herd, anisan’ny Fitambara-mpitantana, no namelabelatra azy io. Nasongadiny ny hasarobidin’ny fisakafoana tsara eo amin’ny lafiny ara-panahy mba hahafahana hanolotra fanompoana masina hatrany. “Hitombo tsy ho ela ny asa ara-panahy hataonareo”, hoy ny Rahalahy Herd, “rehefa hirotsaka amin’ny asa fitoriana sy fampianarana anendrena anareo, ianareo. Noho izany, dia hilainareo ny hampitombo ny sakafo ara-panahy hohaninareo, mba hifandanja amin’ny herinareo.” Afaka manampy ny misionera tsy ho ketraka ara-panahy sy tsy hanembona ny any aminy ny sakafo ara-panahy tsy tapaka, ary koa ho afa-po sy ho tapa-kevitra ny hifikitra amin’ny fanompoana masina anendrena azy.​—Filipiana 4:13.

Nampirisika an’ireo mpianatra toy izao i Lawrence Bowen, mpampianatra ao Gileada: “Miverena eo Amin’ny Fiandohana”. Inona no tiany holazaina? Nasainy ny mpanatrika rehetra hijery tao amin’ny Ohabolana 1:7, izay manao hoe: “Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahalalana”. Hoy ny fanazavan’ilay mpandahateny: “Na inona na inona manao tsinontsinona ilay zava-dehibe indrindra, dia ny fisian’i Jehovah, dia tsy azo lazaina mihitsy ho tena fahalalana no sady tsy hahazoana tena fahatakaran-javatra.” Nampitahain’ny Rahalahy Bowen tamin’ireo singany amin’ny kilalao piozila ireo tsipiriany amin’ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly. Rehefa atambatra ireo singany, dia manome sary iray. Arakaraka ny anambarana singany maro kokoa no hahalehibe kokoa sy hampahazava kokoa ilay sary, ka hahatakaran’ilay olona hoe inona ilay izy. Manampy ny rehetra hanolotra fanompoana masina ho an’Andriamanitra izany.

Namarana ireo lahateny nisesy i Wallace Liverance, mpitan-tsoratry ny Sekolin’i Gileada. Novelabelariny ilay foto-kevitra hoe “Manatera Fanati-pisaorana ho An’Andriamanitra”. Nanintona ny saina ho amin’ilay fitantarana momba ny nanasitranan’i Jesosy boka folo izy. (Lioka 17:11-19). Iray monja no niverina mba hidera an’Andriamanitra sy hisaotra an’i Jesosy. “Tsy isalasalana fa nientam-po ireo hafa satria nadio. Faly izy ireo, kanefa ny hany nirin’izy ireo dia toa ny holazain’ny mpisorona hoe nadio”, hoy ny fanazavan’ny Rahalahy Liverance. Rehefa nanjary nadio ara-panahy ny tena noho ny fianarana ny fahamarinana, ary velom-pankasitrahana, dia tokony ho voatosika hisaotra an’Andriamanitra, noho ny hatsaram-pony. Nampirisihina hisaintsaina ny asan’Andriamanitra sy ny hatsaram-pony rehetra ireo mpianatra tao amin’ilay kilasin’i Gileada faha-108, mba hahitana taratra eo amin’ny fanompoany sy ny sorona ataony, fa velom-pankasitrahana an’Andriamanitra izy ireo.​—Salamo 50:14, 23; 116:12, 17.

Fitantarana sy fanadinadinana momba ny fomba fanaovana ilay izy

Nitarika ny tapany manaraka tamin’ilay fandaharana i Mark Noumair, mpampianatra hafa ao Gileada. Nahakasika ny zavatra hitan’ireo mpianatra teo amin’ny fanompoana teny amin’ny saha nandritra ilay fampiofanana, io tapany io. Tao amin’ny fanompoana manontolo andro nandritra ny 12 taona teo ho eo, tamin’ny antsalany, ireo mpianatra, talohan’ny nahatongavany tao Gileada. Fony izy ireo tao amin’ilay sekoly, dia nanomboka fampianarana Baiboly maro tamin’ny olona samy hafa, ka nasehon’izany fa hain’izy ireo ny fomba ‘hahatongavana ho zavatra rehetra amin’ny olona rehetra’.​—1 Korintiana 9:22.

Taorian’ny fitantaran’ireo mpianatra, dia nanadinadina mpianakavin’ny Betela sy mpiandraikitra mpitety faritany sasany izay efa nanatrika ny Sekolin’i Gileada, i Charles Molohan sy i William Samuelson. Nanompo tany Philippines i Robert Pevy, iray tamin’ireo rahalahy nadinadinina, rehefa avy nahazo diplaoma tao amin’ny kilasin’i Gileada faha-51. Nampahatsiahiviny toy izao ireo mpianatra: “Isaky ny misy olana, dia manome ny soso-keviny momba ny fomba hamahana ilay olana ny rehetra. Misy foana olona kinga saina kokoa noho ianao, dia olona hahita hevitra tsara kokoa. Raha mijery ao amin’ny Baiboly anefa ianao ka miezaka hitady ny fomba fijerin’Andriamanitra ilay raharaha, dia tsy misy hahita tsara kokoa noho izany fomba fijerin’Andriamanitra izany. Io foana no ho tena vahaolana.”

Feno ilay fandaharana ara-panahy tsara dia tsara, rehefa namelabelatra ilay foto-kevitra hoe “Manolora Fanompoana Masina Azon’i Jehovah Ekena”, i John Barr, anisan’ny Fitambara-mpitantana. Nasehony ny fomba azo anehoana taratry ny fanompoana masina eo amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, mba hanampiana ny olona mahitsy fo hanolotra fanompoam-pivavahana azon’Andriamanitra ekena. Rehefa avy namaky ireo tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 4:10 ny Rahalahy Barr, dia nilaza hoe: “Raha tiantsika ny hanolotra fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah irery ihany, dia tsy maintsy manalavitra ny fanompoan-tsampy amin’ny endriny an-kolaka rehetra isika, toy ny fitsiriritana, ny faniriana hanan-karena, sy ny fampisondrotan-tena. Endrey ny hafaliantsika rehefa mieritreritra ny laza tsara dia tsaran’ireo misionerantsika eo amin’io lafiny io, nanomboka teo am-piandohan’ireo taona 1940, isika! Ary azontsika antoka fa hanaraka ny ohatra tsara omen’izy ireny ianareo, izay hahazo diplaoma amin’ity kilasin’i Gileada faha-108 ity. Hanolotra fanompoana masina ho an’i Jehovah, izay hany mendrika izany, ianareo.”

Fiafarana tsara ho an’ilay fandaharana mampahery izany. Tamin’izay, dia tonga ny fotoana nihainoana fiarahabana avy tamin’ireo nandefa firarian-tsoa naneran-tany, nanolorana ireo diplaoma, sy namakiana taratasy iray nanehoan’ireo mpianatra ny fankasitrahany noho ilay fampiofanana azony. Nampirisihina haneho fikirizana eo amin’ny asa anendrena azy sy eo amin’ny fanompoany an’i Jehovah ilay kilasy nahazo diplaoma. Ilay fandaharana dia nifarana tamin’ny hira sy vavaka, izay nandraisan’ny mpanatrika rehetra anjara, anisan’izany ireo nasaina avy tany amin’ny tany 25.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Tao amin’ny Foibem-pampianaran’ny Watchtower any Patterson, any New York, no niantomboka ilay fandaharana, tamin’ny 11 Martsa 2000.

[Efajoro, pejy 23]

Antontan’isa Momba Ilay Kilasy

Isan’ny tany nanana solontena: 10

Isan’ny tany nanendrena: 17

Isan’ny mpianatra: 46

Salanisan’ny taona: 34

Salanisan’ny taona naha tao amin’ny fahamarinana: 16

Salanisan’ny taona naha tao amin’ny fanompoana manontolo andro: 12

[Sary, pejy 24]

Fizarana Diplaoma ho An’ny Kilasy Faha-108 Amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower

Amin’ilay lisitra eto ambany, ireo laharana dia asiana nomerao avy eo aloha mankany aoriana, ary ireo anarana dia tononina avy eo ankavia miankavanana isaky ny laharana.

1) Amadori, E.; Cook, O.; Byrne, M.; Lee, A. 2) Newsome, D.; Pederzolli, A.; Bigras, H.; Kato, T.; Gatewood, D. 3) Eade, D.; Eade, J.; Wells, S.; Jamison, J.; Gonzales, M.; Gonzales, J. 4) Kato, T.; Lohn, D.; Niklaus, Y.; Preiss, S.; Foster, P.; Ibarra, J. 5) Amadori, M.; Manning, M.; James, M.; Boström, A.; Gatewood, B.; Newsome, D. 6) Foster, B.; Jamison, R.; Hifinger, A.; Koffel, C.; Koffel, T.; Byrne, G. 7) Hifinger, K.; Manning, C.; Cook, J.; Boström, J.; Lohn, E.; Pederzolli, A. 8) James, A.; Wells, L.; Preiss, D.; Niklaus, E.; Lee, M.; Ibarra, P.; Bigras, Y.