Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Afaka Mahita Fiadanana Anaty ve Ianao?

Afaka Mahita Fiadanana Anaty ve Ianao?

Afaka Mahita Fiadanana Anaty ve Ianao?

Tamin’ny 1854, dia nanoratra toy izao ilay mpanoratra amerikanina atao hoe Henry Thoreau: “Miaina ao anatin’ny famoizam-po mangina ny ankabeazan’ny olona.”

Miharihary fa tsy nanana fiadanana anaty ny ankamaroan’ny olona tamin’ny androny. Efa ho 150 taona lasa anefa izany. Hafa ve ny tarehin-javatra amin’izao andro izao, sa mbola mihatra kosa ny tenin’i Thoreau? Ahoana ny amin’ny tenanao manokana? Afa-po sy milamin-tsaina ve ianao, sa velom-panahiana, tsy mahazo antoka ny amin’ny hoavy, ‘mamoy fo mangina’, raha lazaina amin’ny fomba hafa ny tenin’i Thoreau?

MAMPALAHELO fa misy zavatra maro eo amin’izao tontolo izao izay mahatonga ny olona tsy hanana fiadanana anaty. Andeha àry isika hanonona vitsivitsy monja. Any amin’ny tany maro, ny tsy fananana asa sy ny karama kely dia mahatonga fahantrana, mbamin’ny fahasahiranana mafy ara-toe-karena miara-dalana aminy. Any amin’ny tany hafa, dia maro no mandany saika ny heriny rehetra mba hikatsahana harena sy fananana ara-nofo. Matetika anefa io fomba fiaina anjakan’ny fifaninanana io no mitondra fanahiana, fa tsy filaminan-tsaina. Mahatonga ny olona tsy hilamin-tsaina koa ny aretina, ny ady, ny heloka bevava sy ny tsy rariny ary ny fampahoriana.

Nitady ny fiadanana anaty izy ireo

Maro no tsy mahatanty ny toe-piainana misy eo amin’izao tontolo izao. Lehiben’ny sendikan’ny mpiasa tao amin’ny orinasa goavana iray tany São Paulo, any Brezila, i Antônio. * Nandray anjara tamin’ny fihetsiketsehana ho fanoherana izy, satria nanantena fa hanatsara ny toe-piainana izany, kanefa dia tsy nitondra fiadanan-tsaina ho azy izany.

Manantena ny sasany fa hitondra filaminan-tsaina eo amin’ny fiainany ny fanambadiana, kanefa mety ho diso fanantenana izy ireo. Mpandraharaha nahomby i Marcos. Nirotsaka tamin’ny politika izy ka tonga ben’ny tanàna, tao amin’ny faritra be indostria iray. Tsy nahomby tanteraka anefa ny tokantranony. Rehefa nandao ny tokantrano ny zanany, dia nisara-toerana izy mivady noho ny tsy fifanarahana tsy azo nalamina.

Ta hanao zavatra nanaitaitra i Gerson, ankizy tsy nanan-kialofana, tany Salvador, any Brezila. Nirenireny nitety tanàna, nanaraka ireo mpamily kamiao izy. Tsy ela izy dia nandevozin’ny zava-mahadomelina ka nangalatra mba handoavana izay nilainy tamin’ny fahazaran-dratsiny. Imbetsaka izy no tratran’ny polisy. Na dia teo aza anefa ny toetra nila ady sy nahery setra nananan’i Gerson, dia naniry mafy fiadanana anaty izy. Ho afaka ny hahita izany ve izy indray andro any?

Maty ny renin’i Vania fony izy mbola kely, ka izy no nanjary tompon’andraikitra tamin’ny tao an-trano, anisan’izany ny fikarakarana ny rahavaviny tsy salama. Nankany am-piangonana i Vania, kanefa nahatsiaro ho nafoin’Andriamanitra. Azo antoka fa tsy nanana fiadanan-tsaina izy.

Ankoatra izany, dia teo koa i Marcelo. Ny fahafinaretana no hany notadiavin’i Marcelo. Tia namonjy lanonana niaraka tamin’ny tanora hafa izy: nandihy sy nisotro ary nidoroka zava-mahadomelina. Tafiditra tamina ady izy indray mandeha, ka nandratra tanora iray hafa. Taorian’izay, dia nanenina mafy noho izay nataony izy ka nivavaka tamin’Andriamanitra mba hahazoana fanampiana. Nitady fiadanan-tsaina koa izy.

Ireo fitantarana ireo dia ohatra mampiseho toe-javatra sasany izay mety tsy hampisy fiadanan-tsaina. Nisy fomba ve nahafahan’ilay lehiben’ny sendikan’ny mpiasa, ilay mpanao politika, ilay ankizy tsy nanan-kialofana, ilay zanakavavy tototry ny raharaha, ary ilay mpamonjy lanonana, nahazo ilay fiadanana anaty notadiavin’izy ireo? Mampiana-javatra antsika ve izay nitranga tamin’izy ireo? Eny ny valin’ireo fanontaniana roa ireo, araka ny ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Novana ny anarana sasany.

[Sary, pejy 3]

Maniry fatratra fiadanana anaty ve ianao?