Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Famafazana Voan’ny Fahamarinana Momba Ilay Fanjakana

Famafazana Voan’ny Fahamarinana Momba Ilay Fanjakana

Famafazana Voan’ny Fahamarinana Momba Ilay Fanjakana

“Amin’ny maraina dia afafazo ny voanao, ary amin’ny hariva dia aza atsahatra ny tànanao”.​—MPITORITENY 11:6.

1. Amin’ny heviny ahoana ny Kristianina no mamafy voa ankehitriny?

NITANA toerana tena lehibe teo amin’ny Hebreo fahiny ny fambolena. I Jesosy, tamin’ny naha olombelona azy, dia nandany ny androm-piainany rehetra tany amin’ny Tany Nampanantenaina. Izany no antony nampidirany foto-kevitra momba ny fambolena, tao amin’ireo fanoharany. Ohatra, nampitahainy tamin’ny famafazam-boa ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. (Matio 13:1-9, 18-23; Lioka 8:5-15). Mandraka ankehitriny, dia ny famafazana voa ara-panahy amin’izany fomba izany no asa lehibe indrindra ataon’ny Kristianina, na ao anatin’ny fiaraha-monina mpamboly isika na tsia.

2. Nahoana no zava-dehibe ny asa fitoriantsika, ary inona avy no zavatra sasany atao ankehitriny mba hanatontosana azy io?

2 Tombontsoa lehibe ny mandray anjara amin’ny famafazana voan’ny fahamarinana ara-baiboly, amin’izao fotoan’ny farany izao. Milaza tsara ny maha zava-dehibe io asa io ny Romana 10:14, 15, manao hoe: “Ary hataony ahoana no fandre, raha tsy misy mpitory? Ary hataony ahoana no fitory, raha tsy nirahina? araka ny voasoratra hoe: ‘Akory ny hatsaran’ny tongotr’iry mitondra teny soa mahafaly!’ ” Mbola tsy zava-dehibe mihitsy noho ny amin’izao fotoana izao ny hirosoana hatrany amin’ny fanatanterahana io asa nanirahan’Andriamanitra antsika io, amin’ny fananana toe-tsaina tsara. Izany no antony mahatonga ny Vavolombelon’i Jehovah ho revo tanteraka amin’ny famokarana sy ny fizarana Baiboly sy boky fianarana Baiboly amin’ny fiteny 340. Mpiasa an-tsitrapo maherin’ny 18 000 no ilaina mba hanomanana ireo fitaovana ireo, any amin’ny foibeny sy ny biraon’ny sampany any amin’ny tany maro samihafa. Ary Vavolombelona efa ho enina tapitrisa no mandray anjara amin’ny fizarana ireo zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly ireo, maneran-tany.

3. Inona no tontosa amin’ny alalan’ny famafazana voan’ny fahamarinana momba ilay Fanjakana?

3 Inona no vokatr’izany asa mafy izany? Olona maro ankehitriny no manaiky ny fahamarinana, toy ny tany am-piandohan’ny Kristianisma. (Asan’ny Apostoly 2:41, 46, 47). Maro be ireo mpitory ilay Fanjakana natao batisa vao haingana. Mbola zava-dehibe kokoa noho izany anefa ny hoe manamasina ny anaran’i Jehovah sy manamarina azy ho ilay hany Andriamanitra marina, izany fanambarana lehibe izany. (Matio 6:9). Manatsara koa ny fiainan’ny olona maro ny fahazoan’izy ireo fahalalana ny Tenin’Andriamanitra, ary afaka mitarika ho amin’ny famonjena azy.​—Asan’ny Apostoly 13:47.

4. Hatraiza ny fiahian’ireo apostoly ny olona nitoriany?

4 Takatr’ireo apostoly tsara ny maha zava-dehibe ny vaovao tsara, izay manome fiainana, ary feno fangorahana an’ireo olona nitoriany izy ireo. Mazava izany avy amin’ireto teny nosoratan’ny apostoly Paoly ireto: “Toy izany no nahazoto anay, noho ny fitiavanay anareo indrindra, hanome anareo, tsy ny filazantsaran’Andriamanitra ihany, fa ny ainay koa aza, satria efa malalanay hianareo.” (1 Tesaloniana 2:8). Nanahaka an’i Jesosy sy ireo anjely any an-danitra, izay tafiditra lalina amin’io asa famonjena aina io, ny apostoly Paoly sy ireo apostoly hafa, tamin’ny nanehoany fiahiana tamim-pahatsorana toy izany ny olona. Andeha isika hijery ireo anjara asa lehibe tanan’ireny mpanompon’Andriamanitra any an-danitra ireny, eo amin’ny famafazana voan’ny fahamarinana momba ilay Fanjakana. Ary andeha hojerentsika ny hoe amin’ny ahoana ny ohatra omen’izy ireny no mandrisika antsika hanatontosa ny anjara asantsika.

Jesosy​Ilay Mpamafy voan’ny fahamarinana momba ilay Fanjakana

5. Asa inona no naharevo an’i Jesosy voalohany indrindra, fony izy teto an-tany?

5 Nanana fahefana hanome zava-tsoa ara-nofo maro ho an’ny olona tamin’ny androny i Jesosy, lehilahy lavorary. Ohatra, azony natao ny nanome fanazavana izay nanaisotra ny hevi-diso ara-pitsaboana maro tamin’ny androny, na azony natao ny nampandroso ny fahatakaran-dRaolombelona ny siansa hafa. Nasehony mazava anefa, dieny teo am-piandohan’ny fanompoany, fa ny asa nanirahana azy dia ny hitory ny vaovao tsara. (Lioka 4:17-21). Ary izao no nohazavainy, teo am-pifaranan’ny fanompoany: “Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina.” (Jaona 18:37). Koa revo tamin’ny famafazana voan’ny fahamarinana momba ilay Fanjakana àry izy. Ny fampianarana ny mpiara-belona taminy momba an’Andriamanitra sy ny fikasany, dia zava-dehibe kokoa noho izay fampianarana hafa azony nomena azy ireo.​—Romana 11:33-36.

6, 7. a) Inona no fampanantenana mahatalanjona nomen’i Jesosy, talohan’ny niakarany ho any an-danitra, ary amin’ny fomba ahoana no anatanterahany izany? b) Inona no vokatry ny fihetsik’i Jesosy manoloana ny asa fitoriana, eo amin’ny tenanao manokana?

6 Nilaza tsy nivantana i Jesosy fa ny tenany no ilay Mpamafy voan’ny fahamarinana momba ilay Fanjakana. (Jaona 4:35-38). Namafy voan’ny vaovao tsara izy, isaky ny nisy fahafahana hanao izany. Na dia rehefa niala aina teo amin’ny hazo fijaliana aza izy, dia mbola nanambara vaovao tsara momba ny paradisa an-tany iray ho avy ihany. (Lioka 23:43, NW ). Ankoatra izany, dia tsy nifarana teo am-pahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana ny fiahiany lalina ny amin’ny hitoriana ny vaovao tsara. Talohan’ny niakarany ho any an-danitra, dia nandidy an’ireo apostoly hanohy hamafy voan’ny fahamarinana momba ilay Fanjakana sy hanao mpianatra i Jesosy. Nampanantena zavatra mahatalanjona izy nony avy eo, rehefa nilaza hoe: “Indro! Miaraka aminareo aho amin’ny andro rehetra, hatramin’ny fifaranan’ny fandehan-javatra.”​—Matio 28:19, 20, NW.

7 Tamin’ireo teny ireo i Jesosy dia nampanantena ny hanohana sy hitarika ary hiaro ny asa fitoriana ny vaovao tsara “amin’ny andro rehetra, hatramin’ny fifaranan’ny fandehan-javatra”. Manohy maneho fiheverana manokana ny asa fitoriana ny filazantsara i Jesosy, mandraka ankehitriny. Izy no Mpitarika antsika, izay miandraikitra ny famafazana voan’ny fahamarinana momba ilay Fanjakana. (Matio 23:10). Izy no Lohan’ny kongregasiona kristianina, ka izy no tompon’andraikitra eo anatrehan’i Jehovah ny amin’io asa atao maneran-tany io.​—Efesiana 1: 22, 23; Kolosiana 1:18.

Manambara vaovao mahafaly ireo anjely

8, 9. a) Ahoana no nampisehoan’ny anjely fa liana tokoa amin’ny raharahan’ny olombelona izy ireo? b) Amin’ny heviny ahoana no azo lazaina hoe eo ambonin’ny sehatra isika ka zahan’ny anjely?

8 Fony namorona ny tany i Jehovah, dia ‘niara-nihira sy nihoby avokoa’ ireo anjely. (Joba 38:4-7). Nanomboka hatramin’izay, dia liana mafy tamin’ny raharahan’ny olombelona ireny zavaboary any an-danitra ireny. Nampiasa azy ireny hampita fanambaran’Andriamanitra tamin’ny olombelona i Jehovah. (Salamo 103:20). Marina indrindra izany, raha ny amin’ny fampielezana ny vaovao tsara amin’izao androntsika izao. Tao amin’ilay fanambarana nomena ny apostoly Jaona, dia nahita ‘anjely iray manidina eo afovoan’ny lanitra’ izy, dia anjely ‘manana filazantsara mandrakizay hotorina amin’izay monina ambonin’ny tany sy amin’ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra, manao amin’ny feo mahery hoe: Matahora an’Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro fitsarany’.​—Apokalypsy 14:6, 7.

9 Resahin’ny Baiboly ho “fanahy manompo, (...) nirahina hanao fanompoana ho an’izay handova famonjena”, ireo anjely. (Hebreo 1:14). Manana fahafahana handinika antsika sy ny asantsika ireo anjely, eo am-panatontosany amim-pahadodonana ny asa nanendrena azy. Toy ny hoe eo ambonin’ny sehatra iray misongadina tsara isika, manatontosa ny asantsika eo anatrehan’ireo mpijery any an-danitra. (1 Korintiana 4:9). Mampieritreritra sy mampientam-po tokoa ny mahafantatra fa tsy miasa irery isika eo am-pamafazana voan’ny fahamarinana momba ilay Fanjakana!

Manatontosa ny anjara asantsika amim-pahadodonana isika

10. Ahoana no azo ampiharana ilay torohevitra mahasoa ao amin’ny Mpitoriteny 11:6, amin’ny asa fitoriantsika ny filazantsara?

10 Nahoana no liana aoka izany amin’ny asantsika i Jesosy sy ireo anjely? Nilaza antony iray i Jesosy, nanao hoe: “Lazaiko aminareo fa misy fifaliana (...) eo anatrehan’ny anjelin’Andriamanitra ny amin’ny mpanota iray izay mibebaka.” (Lioka 15:10). Isika koa dia maneho fiahiana amim-pahatsorana toy izany ny olona. Koa manao araka izay fara herintsika àry isika mba hampielezana voan’ny fahamarinana momba ilay Fanjakana hatraiza hatraiza. Azo ampiharina amin’ny asantsika ireto teny ananaran’ny Baiboly antsika, ao amin’ny Mpitoriteny 11:6, ireto: “Amin’ny maraina dia afafazo ny voanao, ary amin’ny hariva dia aza atsahatra ny tànanao; fa tsy fantatrao izay ho vanona, na ny teo aloha, na ny teo aoriana, na angamba samy ho vanona avokoa izy roa tonta.” Marina aloha fa isaky ny olona iray manaiky ny hafatra entintsika, dia mety hisy olona an-jatony maro, eny, an’arivony maro mihitsy aza, mandà azy io. Sahala amin’ireo anjely anefa, dia faly isika, na dia “mpanota iray” monja aza no manaiky ny hafatra momba ny famonjena.

11. Ahitam-bokatra ve ny fampiasana zavatra vita an-tsoratra miorina amin’ny Baiboly?

11 Be dia be ny zavatra tafiditra amin’ny fitoriana ny vaovao tsara. Ireo zavatra vita pirinty miorina amin’ny Baiboly no fitaovana iray lehibe ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’io asa io. Amin’ny lafiny sasany, dia toy ny voa afafy hatraiza hatraiza koa ireny zavatra vita an-tsoratra ireny. Tsy fantatsika hoe aiza izy ireny no ho vanona, na hahita vokatra. Indraindray dia mety hifindrafindra tanana ny zavatra vita an-tsoratra iray vao hisy hamaky. Mety hitarika ny zava-mitranga mihitsy aza i Jesosy sy ireo anjely, amin’ny toe-javatra sasany, mba hitrangan’izany ho tombontsoan’ny olona mahitsy fo. Diniho ireto fitantarana vitsivitsy ireto, izay mampiseho ny fomba itarihan’i Jehovah ny toe-javatra mba hahitana vokatra tsy ampoizina nefa mahatalanjona, amin’ny alalan’ny zavatra vita an-tsoratra napetraka tamin’ny olona.

Ny asan’ilay Andriamanitra marina

12. Ahoana no nanampian’ny gazety tranainy iray ny fianakaviana iray hanjary hahafantatra an’i Jehovah?

12 Niala avy tany an-tanàn-dehibe i Robert sy i Lila mbamin’ireo zanany, tamin’ny taona 1953, ka nifindra monina nankany ambanivohitra, tao amin’ny trano tranainy iray efa hirodana, teo amin’ny toeram-pambolena sy fiompiana iray, any Pennsylvania, any Etazonia. Nanapa-kevitra ny hanisy efitra fandroana tao ambanin’ny tohatra voafefy iray i Robert, tsy ela taorian’ny nifindran’izy ireo. Rehefa avy nanaisotra hazo fisaka maromaro izy, dia nahita rovidrovitra taratasy sy hodi-boankazo mafy ary potipoti-javatra hafa notahirizin’ny totozy tao ambadik’ilay rindrina. Teo afovoan’izany rehetra izany, dia nisy gazety L’Âge d’Or iray. Nahaliana indrindra an’i Robert ny lahatsoratra iray momba ny fitaizana zanaka. Nampiaiky volana azy tokoa ilay toromarika mazava miorina amin’ny Baiboly tao amin’ilay gazety, hany ka nilazany i Lila fa hanaraka “ny fivavahan’ny L’Âge d’Or” izy ireo. Tao anatin’ny herinandro vitsivitsy monja, dia tonga teo am-baravarany ny Vavolombelon’i Jehovah, kanefa nilaza tamin’izy ireo i Robert fa “ny fivavahan’ny L’Âge d’Or” ihany no nahaliana azy mianakavy. Nohazavain’ireo Vavolombelona fa efa niova anarana hoe Mifohaza! ny L’Âge d’Or. Nanomboka nianatra ny Baiboly tsy tapaka niaraka tamin’ny Vavolombelona àry i Robert sy i Lila, ary natao batisa tatỳ aoriana. Namafy voan’ny fahamarinana tao amin’ny zanany indray kosa izy mivady, ary nijinja be dia be. Ankehitriny, dia maherin’ny 20 amin’io fianakaviana io no mpanompon’i Jehovah Andriamanitra vita batisa, anisan’izany ireo zanak’i Robert sy i Lila fito.

13. Inona no nanosika ny mpivady iray tany Porto Rico hanjary ho liana amin’ny Baiboly?

13 Tokony ho 40 taona lasa izay, dia tsy liana mihitsy tamin’ny fianarana ny Baiboly i William sy i Ada, mpivady iray tany Porto Rico. Isaky ny nandondòna teo am-baravarany ny Vavolombelon’i Jehovah, dia mody nanao toy ny tsy tao an-trano izy mivady. Nitsidika toeram-pivarotana entana tonta an-kalamanjana i William indray andro, mba hividy zavatra iray nilainy hanamboaran-javatra simba tao an-tranony. Rehefa iny izy hiala iny, dia nahamarika boky mavo manopy maitso mangirana tao anaty fitoeram-pako lehibe iray izy. Ilay boky hoe Religion izy io, izay navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny taona 1940. Nentin’i William nody ilay boky, ary nientam-po izy namaky momba ny fahasamihafan’ny fivavahan-diso sy ny fivavahana marina. Nony nitsidika azy ireo ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny manaraka, dia nihaino tamim-pifaliana ny hafatra nentin’izy ireo i William sy i Ada, ary nanomboka nianatra ny Baiboly. Volana vitsivitsy tatỳ aoriana, dia natao batisa tao amin’ny Fivoriambe Iraisam-pirenena Ny Sitrapon’Andriamanitra, tamin’ny 1958, izy ireo. Nanomboka tamin’izay, dia nanampy olona maherin’ny 50 ho tonga rahalahintsika kristianina izy ireo.

14. Araka ny asehon’ny fitantarana iray, inona no mety ho vitan’ny zavatra vita an-tsoratsika miorina amin’ny Baiboly?

14 Vao 11 taona monja i Karl, ary somary naditra. Toa tsy nety foana izay nataony ka nahabedy azy, araka ny fahitany azy. Ny rainy, izay mpitory teny metodista alemà, dia nampianatra azy fa hodorana any amin’ny afobe ny ratsy fanahy, rehefa maty. Koa natahotra mafy ny afobe àry i Karl. Indray andro, tamin’ny taona 1917, dia nahamarika taratasy iray teo amin’ny arabe i Karl, ka naka ilay izy. Nifantoka avy hatrany tamin’izao fanontaniana izao ny masony, teo am-pamakiana ilay izy: “Inona moa ny afobe?” Fanasana hihaino lahateny ampahibemaso iray momba ny afobe ilay taratasy, ka ny Mpianatra ny Baiboly, fantatra ankehitriny hoe Vavolombelon’i Jehovah, no nandamina ilay lahateny. Tokony ho herintaona taorian’izay, rehefa avy nianatra ny Baiboly imbetsaka i Karl, dia natao batisa, ka tonga Mpianatra ny Baiboly. Nasaina hiasa tao amin’ny foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy tamin’ny 1925, ary mbola manompo ao ankehitriny. Taratasy iray teo amin’ny arabe no nanombohan’ny fiainany amin’ny maha Kristianina azy, izay naharitra 80 taona mahery.

15. Afaka manao inona i Jehovah, rehefa hitany fa mety izany?

15 Marina fa tsy hain’ny olombelona fantarina raha nandray anjara nivantana tamin’ireo zava-niseho ireo ny anjely na tsia, ary raha kely na be izany fandraisana anjara izany. Na izany aza, dia tsy tokony hisalasala ny amin’izao mihitsy isika: Tena mandray anjara amin’ny asa fitoriana i Jesosy sy ireo anjely, ary afaka mitarika ny toe-javatra i Jehovah, rehefa hitany fa mety izany. Asehon’ireo fitantarana ireo sy ny maro hafa toy ireo fa mety hitondra soa ny zavatra vita an-tsoratsika, rehefa eny am-pelatanan’ny olona.

Nanankinana harena sarobidy isika

16. Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo teny ao amin’ny 2 Korintiana 4:7?

16 Niresaka ny amin’ny ‘harena sarobidy ao anaty vilany tany’ ny apostoly Paoly. Izany harena izany dia ny fanirahan’Andriamanitra hitory, ary ny vilany tany dia ny olombelona nanankinan’i Jehovah io harena sarobidy io. Tsy lavorary ireo olombelona ireo, sady voafetra ny mety ho vitany, koa nanohy ny teniny toy izao i Paoly, momba ny vokatry ny nanirahana azy ireo hanao io asa io: “Mba ho ny an’Andriamanitra ny hery mihoatra noho ny mahazatra fa tsy ilay avy amin’ny tenanay.” (2 Korintiana 4:7, NW ). Eny, afaka miantehitra amin’ i Jehovah isika mba hanomezany antsika ny hery ilaintsika hoenti-manatontosa ilay asa.

17. Ho tojo inona isika eo am-pamafazantsika voan’ny fahamarinana momba ilay Fanjakana, ary na dia eo aza izany, nahoana isika no tokony hanana toe-tsaina tsara hatrany?

17 Matetika isika no tsy maintsy manao sorona. Mety hananosarotra na ho sahirankirana isika miasa eo amin’ny faritany sasany. Misy faritra ahitana fa toa tsy miraharaha mihitsy, eny, manohitra mafy mihitsy aza, ny ankamaroan’ny olona. Mety hanao ezaka mafy isika ao amin’ireny toerana ireny, kanefa toa tsy misy vokany. Tsy misy ezaka azo lazaina hoe be loatra anefa, rehefa zava-dehibe tokoa no tafiditra. Tadidio fa afaka manome fahasambarana ho an’ny olona dieny izao, ary koa fiainana mandrakizay amin’ny hoavy, ny voa afafinao. Imbetsaka no hita fa marina ireto teny ao amin’ny Salamo 126:6 ireto: “Mandeha mitomany mitondra ny voa afafiny izy, fa hiverina mitondra ny amboarany amin’ny fihobiana kosa.”

18. Ahoana no ahafahantsika mitandrina lalandava ny fanompoantsika, ary nahoana isika no tokony hanao izany?

18 Aoka isika hanararaotra ny fahafahana mety rehetra mba hamafazana voan’ny fahamarinana momba ilay Fanjakana amim-pahalalahan-tanana. Enga anie isika tsy hanadino na oviana na oviana fa, na dia isika aza no mamboly sy manondraka ireo voa, dia i Jehovah no mampitombo azy ireny. (1 Korintiana 3:6, 7). Antenain’i Jehovah anefa ny hanatontosantsika ny fanompoantsika amin’ny fomba feno, tsy misy hafa amin’ny anatontosan’i Jesosy sy ireo anjely ny anjarany amin’ilay asa. (2 Timoty 4:5). Enga anie isika hitandrina lalandava ny fampianarantsika sy ny toe-tsaintsika ary ho dodona mandrakariva hanao ny fanompoana. Nahoana? Hoy ny navalin’i Paoly: “Raha manao izany hianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.”​—1 Timoty 4:16.

Inona no Nianarantsika?

• Vokatra tsara inona avy no azo avy amin’ny asa famafazantsika?

• Inona no anjara asan’i Jesosy Kristy sy ireo anjely amin’ilay asa fitoriana ny filazantsara ankehitriny?

• Nahoana isika no tokony halala-tanana eo amin’ny famafazana voan’ny fahamarinana momba ilay Fanjakana?

• Rehefa tojo olona tsy miraharaha na manohitra mafy isika eo amin’ny fanompoantsika, inona no tokony hanosika antsika haneho fikirizana?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 15]

Sahala amin’ ireo mpamboly teo amin’ny Isiraely fahiny, dia mamafy voan’ny fahamarinana momba ilay Fanjakana amim-pahalalahan- tanana ny Kristianina ankehitriny

[Sary, pejy 16, 17]

Mamokatra sy mizara zavatra vita an-tsoratra maro samihafa miorina amin’ny Baiboly, amin’ny fiteny 340, ny Vavolombelon’i Jehovah