Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fivoriana Fanao Isan-taona 7 Oktobra 2000

Fivoriana Fanao Isan-taona 7 Oktobra 2000

Fivoriana Fanao Isan-taona 7 Oktobra 2000

NY FIVORIANA FANAO ISAN-TAONA ho an’ireo mpikambana ao amin’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania dia hatao ny 7 Oktobra 2000, ao amin’ny Efitrano Fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah, 2932 Kennedy Boulevard, any Jersey City, any New Jersey. Ny fivoriana mialoha hataon’ireo mpikambana ihany, dia hatao amin’ny 9.15 maraina, harahin’ny fivoriambe fanao isan-taona amin’ny 10.00 maraina.

Tokony hampandre ny Biraon’ny Mpitan-tsoratra dieny izao ny amin’izay fiovan’ny adiresiny tao anatin’ny taona lasa ireo mpikambana, mba ho voarain’izy ireo mandritra ny volana Jolay ny fiantsoana sy ny fanomezam-pahefana mahazatra.

Ireo fanomezam-pahefana izay halefa any amin’ireo mpikambana, miaraka amin’ny fiantsoana azy hanatrika ny fivoriana fanao isan-taona, dia tokony haverina mba ho tonga any amin’ny Biraon’ny Mpitan-tsoratry ny Fikambanana ny 1 Aogositra, raha ela indrindra. Ny mpikambana tsirairay dia tokony hameno ny fanomezam-pahefana sy hamerina izany haingana, amin’ny filazana raha ho tonga hanatrika ilay fivoriana ny tenany na tsia. Tokony ho voafaritra tsara ireo filazana homena ao amin’ny fanomezam-pahefana tsirairay momba io lafin-javatra io, satria izy io no hianteherana mba hamantarana izay ho tonga.

Antenaina ho vita amin’ny 1.00 antoandro, na aoriana kelin’izay, ny fotoam-pivoriana manontolo, ao anatin’izany ny fivoriana sy ny tatitra fanao momba ny raharaha. Tsy hisy fotoam-pivoriana ny tolakandro. Koa satria voafetra ny isan’ny toerana, dia izay mampiseho karatra fanasana ihany no ho afaka hiditra. Tsy hisy fandaharana hatao mba hampifandraisana an-telefaonina an’io fivoriana fanao isan-taona io amin’ny efitrano fivoriana hafa.