Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpitondra Fahazavana ho An’ny Firenena Maro

Mpitondra Fahazavana ho An’ny Firenena Maro

Tantaram-piainana

Mpitondra Fahazavana ho An’ny Firenena Maro

NY TANTARAN’I GEORGE YOUNG NOTANTARAIN’I RUTH YOUNG NICHOLSON

“Nahoana àry no dia mangina toy izao ny polipitrantsika? (...) Tokony ho karazan’olona manao ahoana moa isika, raha mangina, rehefa avy nanaporofo fa marina ireo zavatra nosoratako ireo? Aoka isika tsy hihazona ny olona ao anatin’ny tsy fahalalana, fa hanambara ny fahamarinana, tsy amin’ny fialan-tsiny na an-kinafinafina.”

NALAINA tao amin’ny taratasin’i Dada nisy pejy 33 ireo teny ireo, dia taratasy nangatahany ny hanesorana ny anarany avy tamin’ny bokin’ny fiangonana. Ny taona 1913 tamin’izay. Nanomboka tamin’izay, ny fiainany dia feno fisehoan-javatra, izay nitarika azy ho tonga mpitondra fahazavana ho an’ny firenena maro. (Filipiana 2:15). Mbola ankizivavy kely aho, dia efa nanomboka nanangona tantara momba ny zavatra niainan’i Dada, avy tamin’ny havana sy ny filazana ara-tantara, ary nisy namanay nanampy ahy hanambatra ny tantaram-piainany. Mampahatsiahy ahy ny fiainan’ny apostoly Paoly ny fiainan’i Dada, amin’ny lafiny maro. Toy io “Apostolin’ny jentilisa” io, dia vonona ny hanao dia lavitra foana i Dada, mba hizarana ny hafatr’i Jehovah tamin’ny olona tany amin’ny tany sy ny nosy rehetra. (Romana 11:13; Salamo 107:1-3). Aoka hotantaraiko aminareo ny momba an’i George Young, raiko.

Ireo taona tany am-boalohany

Faralahin’i John sy i Margaret Young, presbyterianina ekosey, i Dada. Teraka tamin’ny 8 Septambra 1886 izy, taoriana kelin’ny nifindran’ny fianakaviana avy tany Édimbourg, any Ekosy, nanketo Kolombia Britanika, atỳ amin’ny faritra andrefan’i Kanada. Ny zokiny telo lahy​—i Alexander sy i John ary i Malcolm​—dia teraka tany Ekosy, taona vitsivitsy talohan’io. I Marion, zandrin’izy ireo vavy, izay nantsoiny tamim-pitiavana hoe Nellie, dia zandrin’i Dada roa taona.

Tao amin’ny toeram-pambolena sy fiompiana iray tao Saanich no nahabe ireo ankizy ireo, tsy lavitra an’i Victoria, atỳ Kolombia Britanika, ary nahafinaritra azy ireo tany. Tetsy an-danin’izany, dia nianatra niantsoroka andraikitra izy ireo. Noho izany, rehefa niverina avy tany Victoria ny ray aman-dreniny, dia efa vita daholo ny raharaha tany ivelany ary nilamina sy nadio ny trano.

Tatỳ aoriana kely, dia nanjary liana tamin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany sy ny fikapana hazo i Dada sy ny rahalahiny. Nanjary nalaza ho mpitady hazo nahay (olona mikaroka tany mety hanirian’ny hazo tsara) sy ho mpivarotra sy mpividy hazo nahay ry Young mirahalahy. I Dada no nitantana ny raharaha ara-bola.

Tamin’ny farany, ny fitiavany zavatra ara-panahy dia nahatonga an’i Dada hanapa-kevitra ny ho tonga mpitondra fivavahana presbyterianina. Tokony ho tamin’io fotoana io anefa, dia nisy fiantraikany lalina teo amin’ny fiainany ireo lahateny nivoaka an-gazety nataon’i Charles Taze Russell, prezidà voalohan’ny Zion’s Watch Tower Tract Society. Ny zavatra nianarany dia nanosika an’i Dada hanoratra sy handefa ilay taratasy nilaza ny fialany, voalaza tetsy am-piandohana.

Nampiasa andinin-teny ara-baiboly tamin-katsaram-panahy, nefa tamin’ny fomba mazava, i Dada mba hanaporofoana fa diso ny fampianaran’ny fiangonana momba ny fanahy tsy mety maty sy ny fampijalian’Andriamanitra mandrakizay ny fanahin’ny olombelona ao anaty afobe mirehitra. Nalany sarona koa ny fampianarana momba ny Andriamanitra Telo Izay Iray, ary noporofoiny fa tsy kristianina ny fiavian’izy io, ary tsy tohanan’ny Soratra Masina velively. Hatramin’izay fotoana izay, dia nanatontosa ny fanompoana kristianina izy, ho fanahafana an’i Jesosy Kristy, ka nampiasa ny fahaizany sy ny heriny rehetra tamim-panetren-tena, ho voninahitr’i Jehovah.

Taminy 1917, teo ambanin’ny fitarihan’ny Fikambanana Watch Tower, dia nanomboka nanao ny fanompoan’ny pèlerin i Dada, araka ny niantsoana ny mpiandraikitra ny fizaran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany andro izany. Nanao lahateny sy nampiseho ilay horonan-tsary sy diapositives hoe “Photo-Drame de la création” izy, tany amin’ny tanàna lehibe sy kely kokoa teto Kanada. Hipoka ny sinema, tamin’ny fitsidihan’i Dada. Hatramin’ny taona 1921, dia nivoaka tao amin’Ny Tilikambo Fiambenana ny fandaharan’ny fitsidihan’ny pèlerin nataony.

Nilaza ny gazety iray tao Winnipeg fa niteny tamin’ny olona 2500 ny Mpitory ny Filazantsara Young, ary betsaka no tsy afaka niditra, satria feno loatra ilay efitrano. Tao Ottawa, ny foto-kevitra noresahiny dia hoe “Fiverenana avy any Amin’ny Afobe”. Nisy lehilahy zokiolona iray tao nilaza hoe: “Rehefa nifarana ilay izy, dia nanasa mpitondra fivavahana maromaro nipetraka tamin’ny laharana iray ho eny amin’ny lampihazo i George Young, mba hiara-midinika momba ilay foto-dresaka aminy, nefa tsy nisy nihetsika na dia ny iray taminy aza. Fantatro tamin’izay fa nahita ny fahamarinana aho.”

Niezaka nampiditra asa ara-panahy faran’izay betsaka tao amin’ireo fitsidihan’ny pèlerin nataony, i Dada. Avy eo, dia nihazakazaka izy hanatratra ny lamasinina ho any amin’ny toerana iray hafa voalaza tao amin’ny fandaharany. Nanainga ela be talohan’ny sakafo maraina izy matetika, rehefa nandeha fiara ho any amin’ny toerana nanaraka nanendrena azy. Tsy vitan’ny hoe be zotom-po fotsiny i Dada, fa nalaza ho nanam-piheverana ny hafa koa, ary fantatra noho ny asa kristianina nataony sy ny fahalalahan-tanany.

Tamin’ireo fivoriamben’ny distrika voalohany maro be natrehiny, ny fivoriambe iray tena tsy hay hadinoana dia natao tao Edmonton, any Alberta, tamin’ny 1918. Tonga daholo ny fianakaviany hanatrika ny batisan’ i Nellie. Tamin’izay koa no farany niarahan’izy mirahalahy avy. Roa taona tatỳ aoriana mantsy, dia matin’ny pnemonia i Malcolm. Toy ny rahalahiny telo sy ny rainy, dia nanana fanantenana ny ho any an-danitra i Malcolm, ary tsy nivadika tamin’Andriamanitra hatramin’ny fahafatesany izy rehetra.​—Filipiana 3:14.

Nandeha nanompo tany an-tany hafa

Rehefa tapitra ny dia fitoriana nataon’i Dada nanerana an’i Kanada, tamin’ny Septambra 1921, dia nasain’i Joseph F. Rutherford, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower tamin’izany, hankany amin’ny nosin’i Caraïbes, izy. Izay toerana rehetra nampisehoan’i Dada ny “Photo-Drame de la création” dia nandray izany tsara. Nanoratra toy izao izy, avy tany Trinité: “Hipoka ilay toerana, ary maro be no tsy maintsy naverina nody. Ny alina nanaraka, dia feno olona ilay trano.”

Voatendry ho any Brezila i Dada avy eo, tamin’ny 1923. Niteny tamin’ny mpanatrika maro be izy tany, ary nanakarama mpandika teny indraindray. Nanao izao tatitra izao Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Desambra 1923: “Nanomboka tamin’ny 1 Jona ka hatramin’ny 30 Septambra, dia nanao fivoriana ampahibemaso 21 ny Rahalahy Young, ary 3 600 ny tontalin’isan’ny mpanatrika; nanao fivorian’ny kongregasiona 48 izy, ary 1 100 ny mpanatrika; nizara zavatra vita an-tsoratra maimaim-poana, tamin’ny fiteny portogey, hatramin’ny 5 000, izy. Maro no nandray tsara sy naneho fahalianana, rehefa nanao ilay lahateny hoe “Olona An-tapitrisany Maro Velona Ankehitriny no Tsy ho Faty Mihitsy” i Dada.

Tamin’ny fitokanana ny tranon’ny Sampana vaovao tany Brezila, tamin’ny 8 Marsa 1997, dia nanao izao tatitra izao ilay bokikely fitokanana: “1923: tonga teto Brezila i George Young. Nandamina ny hisian’ny biraon’ny sampana tao afovoan’i Rio de Janeiro izy.” Na dia nisy tamin’ny fiteny espaniola aza ny zavatra vita an-tsoratra, dia nilaina tamin’ny fiteny portogey koa, izay ny fiteny fampiasa indrindra ao Brezila. Noho izany, dia nanomboka navoaka tamin’ny fiteny portogey Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Oktobra 1923.

Nifankahalala tamin’olona maro tsy hay hadinoina i Dada tany Brezila. Ny iray tamin’izany dia lehilahy portogey nanankarena natao hoe Jacintho Pimentel Cabral, izay nanome ny tranony mba hanaovana fivoriana. Tsy ela dia nanaiky hianatra ny fahamarinana avy tao amin’ny Baiboly i Jacintho, ary tonga mpiasan’ny Betela tany Brezila izy tatỳ aoriana. Ny hafa iray dia i Manuel da Silva Jordão, tanora portogey iray mpanao zaridaina. Nahare lahateny ampahibemaso iray nataon’i Dada izy, ary nanosika azy hiverina tany Portogaly izany, mba ho colporteur, araka ny niantsoana ny mpanompo manontolo andro eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany andro izany.

Nanao dia be dia be tamin’ny lamasinina, nanerana an’i Brezila, i Dada, ary nahita olona liana. Indray mandeha, dia nifankahita tamin’i Bony sy i Catarina Green izy, ka nijanona tany aminy nandritra ny tapa-bolana teo ho eo, ary nanazava taminy ny Soratra Masina. Olona tokony ho fito tao amin’ilay fianakaviana avy eo no nanamarika ny fanoloran-tenany ho an’i Jehovah tamin’ny batisa anaty rano.

I Sarah Bellona Ferguson no olon-kafa hitany tamin’ny 1923. Mbola tovovavy izy tamin’ny 1867, fony nifindra avy tany Etazonia nankany Brezila, niaraka tamin’i Erasmus Fulton Smith, zokiny lahy, sy ny sisa tamin’ny fianakaviany. Nandray tsy tapaka ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny alalan’ny paositra izy, nanomboka tamin’ny 1899. I Sarah sy ny zanany efatra ary ny havany iray, nantsoin’i Dada hoe Nenitoa Sallie, dia efa niandry hatramin’ny ela ny fahafahana hatao batisa, ka ny fitsidihan’i Dada no nahatanteraka izany. Tamin’ny 11 Martsa 1924 izany.

Tsy ela, dia nitory tany amin’ny tany hafa tany Amerika Atsimo i Dada. Izao no nosoratany avy tany Peroa, tamin’ny 1 Novambra 1924: “Vao avy nizara taratasy mivalona 17 000 aho, tao Lima sy tao Callao.” Avy eo, dia nankany Bolivia izy, mba hizara taratasy mivalona tany koa. Izao no nosoratany, momba iny fitsidihana iny: “Mitahy ilay ezaka ny Raintsika. Nanampy ahy ny Indianina Mena Hoditra iray. Eo amin’ny loharanon’i Amazone no misy ny tranony. Nitondra taratasy mivalona 1 000 sy boky sasany nody izy.”

Noho ny ezak’i Dada, dia niely tany amin’ny tany maro tany Amerika Afovoany sy Atsimo ny voan’ny fahamarinana ara-baiboly. Nanao izao tatitra izao Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Desambra 1924: “Efa roa taona mahery izao no naha teto Amerika Atsimo an’i George Young. (...) Nahita tombontsoa tokoa io rahalahy malala io, nitondra ny hafatry ny fahamarinana tany Punta Arenas, eo amin’ny Andilan-dranomasin’i Magellan.” Nitarika ny asa fitoriana tany Costa Rica sy Panama ary Venezoela koa i Dada. Nanohy ihany izy, na dia voan’ny tazomoka aza, ka nanimba ny fahasalamany izany.

Nankany Eoropa ny diany nanaraka

Tamin’ny Marsa 1925, dia nandeha sambo nankany Eoropa i Dada; nanantena ny hizara taratasy mivalona ara-baiboly 300 000 tany Espaina sy Portogaly izy, sy hanao fandaharana mba hanaovan’ny Rahalahy Rutherford lahateny ampahibemaso. Rehefa tonga tany Espaina anefa i Dada, dia nisalasala raha hampanao lahateny ny Rahalahy Rutherford na tsia, noho ny tsy fileferana ara-pivavahana nanjaka tany.

Ho valiny, dia nanoratra izao teny ao amin’ny Isaia 51:16 izao ny Rahalahy Rutherford: “Nataoko eo am-bavanao ny teniko, ary ao amin’ny aloky ny tànako no nanaronako anao, hanao ny lanitra sy hanorina ny tany aho ary hanao an’i Ziona hoe: Oloko hianao.” Noho izany, dia hoy i Dada: “Tsy maintsy ho sitrapon’ny Tompo ny hirosoako amin’ilay izy sy ny hamelako azy hanome ny vokatra.”

Nanao ny lahateniny, tamin’ny alalan’ny mpandika teny, ny Rahalahy Rutherford, tamin’ny 10 May 1925, tao amin’ny Sinema Novedades, tany Barcelone. Nihoatra ny 2 000 ny isan’ny mpanatrika, ary anisan’izany ny olona ambony iray tao amin’ny fitondrana sy ny mpiambina manokana iray teo ambonin’ny lampihazo. Nitovy tamin’izany ihany ny fandaharana narahina tany Madrid, izay nahitana mpanatrika 1 200. Noho ny fahalianana naterak’ireny lahateny ireny, dia nisy biraon’ny sampana naorina tany Espaina, ary araka ny lazain’ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1978, dia napetraka “teo ambanin’ny fitantanan’i George Young izy io”.

Nandalo tany Lisbonne, any Portogaly, ny Rahalahy Rutherford, tamin’ny 13 May 1925. Nahita fahombiazana be koa ny fitsidihany tany, na dia teo aza ny fanandraman’ny mpitondra fivavahana hanakorontana ilay fivoriana, tamin’ny kiakiaka sy ny famotehana seza. Taorian’ny lahatenin’ny Rahalahy Rutherford tany Espaina sy Portogaly, dia nanohy nampiseho ny “Photo-Drame” i Dada, ary nanao fandaharana mba hanaovana pirinty sy hizarana zavatra vita an-tsoratra tany amin’ireny toerana ireny. Tamin’ny 1927, dia nanao tatitra izy fa “nampahafantarina nanerana ny tanàna kely sy lehibe rehetra tany Espaina” ny vaovao tsara.

Fitoriana tany amin’ny Firaisana Sovietika

Notendrena hanohy ny asan’ny misionera tany amin’ny Firaisana Sovietika izy nanaraka izany, ka tonga tany tamin’ny 28 Aogositra 1928. Milaza toy izao ny taratasy iray nosoratany tamin’ny 10 Oktobra 1928:

“Hatramin’ny nahatongavako teto Rosia, dia afaka mivavaka marina, amin’ny foko manontolo, aho hoe: ‘Ho tonga anie ny Fanjakanao.’ Mianatra ny fiteny eto aho, nefa miadana be izany. Olona faran’izay miavaka ilay mpandika teny ho ahy; Jiosy izy, nefa mino an’i Jesosy ary tia ny Baiboly. Nanana fanandraman-javatra mahaliana maro aho, nefa tsy fantatro hoe hafiriana no mbola afaka hijanona eto. Tamin’ny herinandro lasa, dia nampahafantarina aho fa tsy maintsy niala teto tao anatin’ny 24 ora, nefa voalamina ilay raharaha, ka afaka nijanona elaela kokoa aho.”

Nifandray tamin’ny Mpianatra ny Baiboly sasany tao Kharkov, tanàn-dehibe any Ukraine amin’izao fotoana izao, i Dada, ary ny fiarahana mafana naterak’izany dia nahatonga azy ireo ho latsa-dranomasom-pifaliana. Nisy fivoriambe kely natao isan’alina, hatramin’ny misasakalina. Nanoratra momba iny nifankahitany tamin’ireo rahalahy iny i Dada, ka nanao hoe: “Indrisy! nampalahelo ireo rahalahy, ny boky vitsy mba nananany dia mbola nalaina an-keriny ihany, ary tsy tia azy ny manam-pahefana; na izany aza, dia faly izy.”

Ny fanompoan’i Dada tany amin’ny Firaisana Sovietika dia nasongadina tao amin’ny bokikely manokana iray natao ho an’ny mpanatrika ny fitokanana ny tranon’ny Sampana tao Saint-Pétersbourg, any Rosia, tamin’ny 21 Jona 1997. Milaza ilay bokikely fa nalefa tany Moscou i Dada, ary nahazo lalana “hamoaka 5 000 tamin’ny bokikely Fahafahana ho An’ny Vahoaka Maro sy Aiza moa Ireo Maty? [rosianina], hozaraina tany Rosia”.

Rehefa niverina avy tany Rosia i Dada, dia notendrena hanao ny asan’ny pèlerin tany Etazonia. Tany Dakota Atsimo izy dia nitsidika an’i Nellena sy i Verda Pool, mpirahavavy ara-nofo lasa misionera tany Peroa tatỳ aoriana. Nampiseho fankasitrahana feno firaiketam-po ny fanompoan’i Dada, izay tsy nety sasatra, izy ireo, ary nilaza hoe: “Ny anadahy tamin’izany andro izany dia tena nanana ny toe-tsain’ny mpisava lalana mihitsy, satria nankany an-tany hafa izy ireo, tsy nanan-javatra firy teo amin’ity tontolo ity, fa ny fony feno fitiavana an’i Jehovah kosa. Izany no nanosika azy ireo hanatanteraka izay nataony.”

Fanambadiana sy dia faharoa

Nifanoratra tamin’i Clara Hubbert, tany amin’ny Nosy Manitoulin, any Ontario, i Dada, nandritra ny taona maro. Samy nanatrika ilay fivoriamben’ny distrika natao tao Columbus, any Ohio, tamin’ny 26 Jolay 1931, nandraisan’ny Mpianatra ny Baiboly ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah, izy ireo. (Isaia 43:10-12). Herinandro tatỳ aoriana, dia nivady izy roa. Tsy ela, dia lasa indray i Dada, nanao ny diany misionera faharoa, mba hitetezana ireo nosin’i Caraïbes. Nanampy mba handamina ireo fivoriana sy hampiofana ny hafa teo amin’ny fanompoana isan-trano izy tany.

Naharay sary sy cartes postales ary taratasy avy tany Suriname sy Saint-Christophe ary toerana maro hafa i Neny. Nitantara ny fandrosoan’ny asa fitoriana ireny taratasy ireny, ary indraindray dia nilazalaza momba ny vorona sy ny biby ary ny zavamaniry hitany tany amin’ilay tany nisy azy. Tapitra tamin’ny 1932 ny asa nanendrena an’i Dada tany Caraïbes, ary niverina teto Kanada izy, nandeha sambo tao amin’ny toerana mora vidy indrindra, toy ny mahazatra. Taorian’izay, dia niara-nanao ny fanompoana manontolo andro izy sy i Neny, ary niaraka tamin’ny mpitory manontolo andro maro hafa, tao amin’ny faritr’i Ottawa, tamin’ny ririnin’ny 1932/1933.

Fiainam-pianakaviana fohy

Teraka tamin’ny 1934 i David, anadahiko. Fony izy mbola tena kely, dia nipetraka teo ambonin’ny fitoeran-tsatrok’i Neny izy, ary mody nanao “lahateny”. Nandritra ny fiainany manontolo, dia nampiseho zotom-po ho an’i Jehovah izy, toy ny rainy. Nandeha fiara nisy fanamafisam-peo teo amin’ny tafony, izy telo mianaka, nitsidika ireo kongregasiona avy teo amin’ny morontsiraka avaratra ka hatreo amin’ny morontsiraka andrefan’i Kanada. Teraka tamin’ny 1938 aho, fony nanao ny fanompoany teto Kolombia Britanika i Dada. Tadidin’i David fa napetrak’i Dada teo ambonin’ny fandriana aho, ary nandohalika nanodidina ilay fandriana izy sy i Neny ary i David, ary nanao vavaka fisaorana noho ny amiko izy.

Nipetraka tao Vancouver izahay tamin’ny ririnin’ny 1939, fony nitsidika ireo kongregasiona tao amin’io faritra io i Dada. Anisan’ny taratasy maro be nangoninay tao anatin’ireo taona maro lasa ny taratasy iray nosoratany tamin’ny 14 Janoary 1939, fony izy tao Vernon, eto Kolombia Britanika. Nosoratan’i Dada ho an’i Clara sy i David ary i Ruth ilay izy, nilaza hoe: “Ba kely fotsiny”. Nisy hafatra ho an’ny tsirairay avy taminay ilay izy. Nilaza izy fa be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy.​—Matio 9:37, 38.

Herinandro taorian’ny niverenany avy tamin’ny asa nanendrena azy tany Vancouver, dia torana tao am-pivoriana i Dada. Rehefa avy nozahana izy taorian’izay, dia hita fa nisy kansera tao amin’ny atidohany. Nahavita ny fihazakazahany teto an-tany izy, tamin’ny 1 May 1939. Sivy volana aho tamin’izay, ary efa ho dimy taona kosa i David. Nitoetra ho nahatoky teo anatrehan’Andriamanitra hatramin’ny nahafatesany, tamin’ny 19 Jona 1963, i Neny malalanay, izay nanana ny fanantenana ho any an-danitra koa.

Nisongadina tsara tao amin’ny taratasy iray nosoratany ho an’i Neny ny fihetseham-pon’i Dada momba ny tombontsoany nitondra ny vaovao tsara tany amin’ny tany maro. Hoy izy tao: “Namela ahy tamin-katsaram-panahy ho any amin’ireny tany ireny i Jehovah, mba ho fahazavana nitondra ny hafatra momba ilay Fanjakana. Hoderaina anie ny anarany masina. Rehefa misy kilema sy tsy fahaizana ary fahalemena indrindra no amirapiratan’ny voninahiny.”

Ankehitriny, dia manompo an’i Jehovah, Andriamanitsika be fitiavana, koa ny zanaka sy zafikely ary zafiafin’i George sy i Clara Young. Nisy nilaza tamiko fa nanonona matetika ireto tenin’i Hebreo 6:10 ireto i Dada: “Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany”. Izahay koa tsy nanadino ny asan’i Dada.

[Sary, pejy 23]

Ny raiko, eo an-kavanana, miaraka amin’ireo rahalahiny telo

[Sary, pejy 25]

Dada (mijoro) miaraka amin’ny Rahalahy Woodworth sy Rutherford ary Macmillan

Ambany: Dada (sisiny havia) miaraka amin’ny Rahalahy Russell

[Sary, pejy 26]

Dada sy Neny

Eo ambany: Tamin’ny andron’ny fampakaram-badiny

[Sary, pejy 27]

Miaraka amin’i David sy i Neny, taona vitsivitsy taorian’ny nahafatesan’i Dada