Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ry Mpiandry Kristianina, ‘Sokafy Malalaka ny Fonareo’!

Ry Mpiandry Kristianina, ‘Sokafy Malalaka ny Fonareo’!

Ry Mpiandry Kristianina, ‘Sokafy Malalaka ny Fonareo’!

“JEHOVAH no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho.” Tamin’ireo teny ireo no nilazan’i Davida ny fatokisany tanteraka ny Andriamaniny. Teo amin’ny lafiny ara-panahy, dia nitarika azy ho eo “amin’ny ahi-maitso” sy ho eo “amoron’ny rano fialan-tsasatra”, ary nanoro azy ny “làlan’ny fahamarinana”, i Jehovah. Nahazo fanohanana sy fampaherezana i Davida, fony izy voahodidin’ny mpanohitra, ka izany dia nanosika azy hiteny tamin’i Jehovah hoe: “Tsy hatahotra ny loza aho; fa Hianao no amiko”. Noho ny fananana Mpiandry Fara Tampony toy izany, dia tapa-kevitra ny “hitoetra ao an-tranon’i Jehovah andro lava” i Davida.​—Salamo 23:1-6.

Ilay Zanaka lahitokan’Andriamanitra koa dia nahatsapa izany fiahiana feno fitiavana nasehon’i Jehovah izany, ary nanome taratra tamin’ny fomba tonga lafatra an’izany fiahiana izany izy, teo amin’ny fifampiraharahany tamin’ireo mpianany, nandritra ny fandalovany teto an-tany. Araka izany, ny Soratra Masina dia milaza azy hoe “ny Mpiandry Tsara”, “Mpiandry ondry lehibe”, ary “ny Lohan’ny mpiandry”.​—Jaona 10:11; Hebreo 13:20; 1 Petera 5:2-4.

Manohy miandry an’ireo izay tia azy i Jehovah sy i Jesosy Kristy. Ny fiandrasan’izy ireo ny ondry dia miseho, amin’ny ampahany, amin’ny alalan’ny fandaharana mampiseho fitiavana momba ireo mpiandry lefitra ao amin’ny kongregasiona. Ny mpiandry lefitra toy izany no noresahin’i Paoly, rehefa nilaza izy hoe: “Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanaovan’ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina, hiandrasanareo ny fiangonan’Andriamanitra, izay novidiny tamin’ny [ran’ny Zanany, NW ].”​—Asan’ny Apostoly 20:28.

Tsy zavatra mora ny fiandrasana ny andian’ondry, mifanaraka amin’ny modely navelan’i Jehovah sy i Kristy Jesosy, kanefa dia zava-dehibe kokoa noho ny hatramin’izay izy io ankehitriny. Eritrereto fotsiny ny amin’ireo Vavolombelona maherin’ny iray tapitrisa natao batisa tato anatin’ireo telo taona farany! Mbola tsy manana fahazaran-draharaha eo amin’ny lafiny ara-panahy, izay azo avy amin’ny taona maro niasana, ny olona vaovao toy izany. Eritrereto koa ny amin’ireo Vavolombelona mbola ankizy na zatovo. Mila fiheverana izy ireo, tsy avy amin’ny ray aman-dreniny ihany, fa avy amin’ireo mpiandry lefitra ao amin’ny kongregasiona koa.

Iharam-panerena avy any ivelany tokoa, tafiditra amin’izany ny faneren’ireo mitovy taona aminy, ny Kristianina tsirairay. Tsy maintsy miady mafy ny rehetra mba hanoherana ny fitaomana mahery, hanaraka ny lalana feno fanaranam-pon’izao tontolo izao. Mety ho kivy ny mpitory ilay Fanjakana, any amin’ny tany sasany, noho ny tsy firaikan’ny olona amin’ny hafatra entiny. Mpitory maro no miatrika tsy fahasalamana lehibe. Mety hanala amin’ny sasany ny faharisihana hikatsaka voalohany an’ilay Fanjakana ny fahasahiranana ara-bola. Raha ny marina, isika rehetra​—tafiditra amin’izany ireo izay efa ela tao amin’ny fahamarinana​—dia mila, ary mendrika, ny hahazo fanampiana avy amin’ny mpiandry be fitiavana.

Antony manosika araka ny tokony ho izy

Nanarina toy izao ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany: ‘Sokafy malalaka ny fonareo’! (2 Korintiana 6:11-13). Tsara ny hanarahan’ireo loholona kristianina an’io torohevitra io, eo am-piantsorohana ny andraikiny amin’ny asa fiandrasana. Ahoana no ahafahan’izy ireo manao izany? Ary ahoana ny amin’ireo mpanampy amin’ny fanompoana, izay ho tonga mpiandry ondry koa ny maro aminy?

Raha tiana ny hahatonga an’ireo loholona kristianina ho fitahiana ho an’ny andian’ondry, dia tsy tokony hatosiky ny fahatsapana andraikitra fotsiny izy ireo. Toroana hevitra toy izao izy ireo: “Andraso ny ondrin’Andriamanitra izay eo aminareo, mitandrina azy tsy an-tery, fa amin’ny sitrapo [araka an’Andriamanitra]; tsy amin’ny fitiavana harena maloto, fa amin’ny zotom-panahy”. (1 Petera 5:2, izahay no manao sora-mandry.) Tafiditra ao amin’ny asa fiandrasana mahomby àry ny fanompoana an-tsitrapo sy amin-jotom-panahy ny hafa. (Jaona 21:15-17). Midika ho fahitana izay ilain’ny ondry izany, ary fanaovana zavatra haingana. Midika ho fanehoana ireo toetra tsara kristianina izany, dia ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra, rehefa mifampiraharaha amin’ny hafa.​—Galatiana 5:22, 23.

Tafiditra amin’ny asa fiandrasana, indraindray, ny fitsidihana an’ireo rahalahy any an-tokantranony. * Ireo mpiandry ‘manokatra malalaka ny fony’ anefa, dia mahafoy tena. Milaza izany fa manao mihoatra noho ny fanaovana fitsidihan’ny mpiandry tsindraindray fotsiny izy ireo. Manararaotra ny fahafahana rehetra hahazoana mikarakara ny hafa, ao amin’ny andian’ondry, izy ireo.

Fampiofanana ny hafa mba ho tonga mpiandry ny ondry

Ny rahalahy rehetra, na firy taona izy na firy taona, ka “[miezaka handroso ho amin’ny anjara raharahan’ny mpiandraikitra, NW ], dia maniry asa tsara”. (1 Timoty 3:1). Maro ny mpanampy amin’ny fanompoana no nampiseho ny fahavononany handroso ho amin’ny tombontsoa fanampiny. Araka izany, dia mahafaly ireo loholona ny manampy rahalahy feno fahavononana toy izany, mba hanao io dingana lehibe io, dia ny “handroso ho amin’ny anjara raharahan’ny mpiandraikitra”. Izany dia midika ho fampiofanana azy ireo ho tonga mpiandry ondry mahita vokatra.

Noho ny fanarahany akaiky ny fari-pitsipika ambonin’Andriamanitra, ny kongregasiona kristianin’i Jehovah dia tsy manjary malemy noho ny ataon’ireo mpiandry ondry sandoka, toy ireo voalazalaza ao amin’ny Ezekiela 34:2-6. Tsinontsinona tokoa izy ireny teo imason’i Jehovah. Toy izay hamahana ny andian’ondry, dia ny tenany no nofahanan’izy ireny. Tsy nanatanjaka ny malemy izy ireny, tsy nanasitrana ny marary, tsy namehy ny folaka, na nampody ny niely na ny very. Nampiseho kokoa ny tenany ho toy ny amboadia izy ireny, fa tsy ho toy ny mpiandry ondry, ka nampahory ny ondry. Nihahaka ireo ondry tsy noraharahaina, nivenjivenjy tsy nanana tanjona hotratrarina sy tsy nisy mpiahy izy ireo.​—Jeremia 23:1, 2; Nahoma 3:18; Matio 9:36.

Tsy mitovy amin’ireny mpiandry ondry tsy nahatoky ireny ny mpiandry kristianina, fa manaraka ny ohatr’i Jehovah kosa izy ireo. Manampy amin’ny fitarihana ny ondry ho eo amin’ny “ahi-maitso” ara-panahy, sy ho “eo amoron’ny rano fialan-tsasatra”, izy ireo. Miezaka mafy manoro ny ondry “ny làlan’ny fahamarinana” izy ireo, amin’ny fanampiana azy hahatakatra ny Tenin’i Jehovah sy hampihatra izany amin’ny tenany manokana. Azon’izy ireo atao amim-pahombiazana izany, noho izy ireo “mahay mampianatra”.​—1 Timoty 3:2.

Eny amin’ny lampihazo, mandritra ny fivorian’ny kongregasiona, no anomezana ny ankabeazan’ny fampianaran’ireo loholona. Mampianatra ny isam-batan’olona koa anefa ny loholona. Mazava ho azy fa ny sasany dia mahay kokoa mitarika fampianarana olona iray, ary ny hafa dia havanana kokoa amin’ny fanaovana lahateny. Tsy voatery ho tsy hahafeno fepetra mba ho mpampianatra anefa akory ny olona iray, raha tsy dia kinga loatra amin’ny lafim-pampianarana iray izy. Ireo loholona dia mampianatra amin’ny fampiasana ny fomba rehetra misokatra ho azy ireo, tafiditra amin’izany ny asa fiandrasana. Atao amin’ny fomba ofisialy ny asa fiandrasana sasany, toy ny fitsidihana voalamina, ohatra. Azo atao tsy ara-potoana koa anefa ny maro amin’ny asa fiandrasana, ary andraisan-tsoa lehibe koa izany.

Mpiandry sy mpampianatra amin’ny fotoana rehetra

Mila manana fahalalana sy traikefa ny dokotera iray, mba hanatontosany ny asany. Mankasitraka izany anefa ny marary tsaboiny, rehefa mampiseho hatsaram-panahy sy fangoraham-po sy fiahiana ary fahalianana amim-pahatsorana izy. Tokony ho toetra tena maha izy azy ireo toetra ireo. Mitovy amin’izany, fa tokony ho tonga toetra tena maha izy ny mpampianatra mahay, sady mpiandry koa, eo amin’ny toetrany andavanandro, ny toetra toy izany. Ny tena mpampianatra dia ho vonona ny hampianatra ny manodidina azy, isaky ny misy hilana izany. “Endrey ny hatsaran’ny teny atao amin’izay andro mahamety azy!”, hoy ny Ohabolana 15:23. Mety ho amin’ny fotoana itenenany eny amin’ny lampihazo, na rehefa mitory isan-trano, na koa rehefa miresadresaka ao amin’ny Efitrano Fanjakana na an-telefaonina, ilay “andro mahamety”. Ny mpiandry ondry mahay iray koa dia miezaka mafy hampiseho toetra tsara sy feno fiahiana amin’ny fotoana rehetra, fa tsy rehefa manao fitsidihan’ny mpiandry ihany. Amin’ny ‘famohana malalaka ny fony’, dia hanararaotra ny fahafahana rehetra izy mba hikarakarana ny ondry, ka hanome azy, amin’ny fotoana mety, ny fiahiana ilainy. Izany no mahatonga azy ho malala eo imason’ny ondry.​—Marka 10:43.

Mahatsiaro ny fitsidihana tamim-pisakaizana, nataon’ny mpanampy amin’ny fanompoana iray sy ny vadiny tamin’ny fianakaviany, i Wolfgang, izay loholona ankehitriny. Hoy izy: “Faly erỳ ireo zanakay noho ny fahatongavan-dry zareo sy ny fotoana nahafinaritra niarahanay. Mbola resahin’izy ireo ihany izany.” Eny, nasehon’io mpanampy amin’ny fanompoana io fa nanana fiahiana tokoa izy; ‘nanokatra malalaka ny fony’ izy.

Fahafahana hafa ‘hanokafana malalaka ny fon’ny tena’ koa ny fitsidihana ireo tsy salama, ny fandefasana taratasy fohy ho fampaherezana azy ireo, na ny fiantsoana azy ireo an-telefaonina​—izay rehetra azo atao, mba hahafantaran’izy ireo fa olona be fiahiana ianao! Aoka ianao ho vonona hanampy, rehefa ilaina izany. Henoy tsara izy ireo, rehefa mba te hiresaka. Miresaha momba ny asa teokratika manorina sy mampientam-po ataon’ny kongregasiona eo an-toerana sy any an-toeran-kafa. Ampio izy ireo hifantoka amin’ny hoavy be voninahitra, voatahiry ho an’ireo izay tia an’i Jehovah.​—2 Korintiana 4:16-18.

Ho fanampin’ny fanaovana fitsidihan’ny mpiandry

Rehefa eritreretina ny zava-kendren’ny asa fiandrasana, dia miharihary fa ny fanaovana fitsidihan’ny mpiandry amin’ny fomba ofisialy any an-tokantranon’ireo rahalahy, na dia tena zava-dehibe aza, dia tapany kely amin’izay tafiditra fotsiny. ‘Manokatra malalaka ny fony’ ny mpiandry iray rehefa mora hatonina izy, amin’ny tarehin-javatra rehetra sy amin’ny fotoana rehetra. Ny fananany fifandraisana mafana amin’ireo rahalahiny dia manome antoka azy ireo fa tsy hatahotra ny loza izy ireo, ao anatin’ny vanim-potoana mampidi-doza, noho ny fahafantarany fa miahy azy ny rahalahiny be fitiavana: ireo mpiandry kristianina.​—Salamo 23:4.

Eny, ‘sokafy malalaka ny fonareo’ ry mpiandry kristianina rehetra. Manehoa fitiavana tsy misy fihatsarambelatsihy amin’ireo rahalahinareo​—ampaherezo sy velombelomy ary ampioreno amin’ny ara-panahy amin’ny fomba rehetra, araka izay azonareo atao, izy ireo. Ampio hiorina tsara ao amin’ny finoana izy ireo. (Kolosiana 1:23). Notahina noho ireo mpiandry kristianina, izay ‘nanokatra malalaka ny fony’, ireo ondry, ka tsy hanan-java-mahory. Toa an’i Davida, dia tapa-kevitra ny hitoetra ao an-tranon’i Jehovah andro lava izy ireo. (Salamo 23:1, 6). Inona indray no tadiavin’ny mpiandry ondry be fitiavana mihoatra noho izany?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Hita ao amin’Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Septambra 1993, pejy faha-20-23, sy ny 15 Martsa 1996, pejy faha-24-27, ireo fanoloran-kevitra momba ny fanaovana fitsidihan’ny mpiandry.

[Efajoro, pejy 30]

Mpiandry Kristianina

• Manompo amin-jotom-po sy an-tsitrapo

• Mamahana sy mikarakara ny andian’ondry

• Manampy ny hafa mba hiezaka handroso ho tonga mpiandry

• Mitsidika ny marary sy mikarakara azy ireo

• Mailaka ny hanampy an’ireo rahalahiny amin’ny fotoana rehetra

[Sary, pejy 31]

Na eny amin’ny saha fanompoana, na any amin’ireo fivoriana, na any amin’ny fotoam-pikoranana, dia mpiandry foana ireo loholona