Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Torio Amim-pahadodonana ny Vaovao TsaraTorio Amim-pahadodonana ny Vaovao Tsara

Torio Amim-pahadodonana ny Vaovao TsaraTorio Amim-pahadodonana ny Vaovao Tsara

Torio Amim-pahadodonana ny Vaovao Tsara

“Aoka [harehitry ny fanahy, “NW”] amin’ny fanompoana ny Tompo.”​—ROMANA 12:11.

1, 2. Inona no toe-tsaina tokony hiezahan’ny Kristianina mafy hananana hatrany, amin’ny maha mpitory ny vaovao tsara azy?

MIENTAM-PO erỳ ny tovolahy iray fa nahazo asa vaovao. Amin’ny andro voalohany iasany, dia mitaintaina izy miandry ny toromariky ny mpampiasa azy. Tsy andriny izay hanombohana ny asa hampanaovina azy voalohany, izay heveriny ho tena zava-dehibe. Dodona ny hanao araka izay fara heriny izy.

2 Torak’izany koa fa azontsika Kristianina heverina ho toy ny mpiasa vaovao ny tenantsika. Koa satria ny hiaina mandrakizay no fanantenantsika, dia azo lazaina ho vao nanomboka niasa ho an’i Jehovah isika. Azo antoka fa manana asa maro be tiany hampanaovina antsika ilay Mpamorona antsika, ka ho be atao foana isika ho mandrakizay. Ny asa nanirahany antsika voalohany indrindra anefa, dia ny hanambara ny vaovao tsaran’ny Fanjakany. (1 Tesaloniana 2:4). Ahoana no fiheverantsika io asa nanendren’Andriamanitra antsika io? Sahala amin’ilay tovolahy, dia maniry ny hanatontosa ilay asa araka izay fara fahaizantsika, amin-jotom-po sy amim-pifaliana, eny, amim-pahadodonana, isika!

3. Inona no ilain’ny mpitory ny vaovao tsara mba hahombiazany?

3 Marina aloha fa sarotra ny manana hatrany izany toe-tsaina tsara izany. Ankoatra ny fanompoantsika, dia manana andraikitra maro hafa isika, ary mety handreraka antsika ara-batana sy ara-pihetseham-po ny sasany amin’izy ireny. Amin’ny ankapobeny, dia mahavita misahana ireo zavatra ireo isika no sady mahavita tsara ny fanompoantsika. Na izany aza, dia ady mafy tsy an-kijanona izany. (Marka 8:34). Nantitranterin’i Jesosy fa mila milofo mafy isika Kristianina mba hahitantsika fahombiazana.​—Lioka 13:24.

4. Inona no mety ho vokatr’ireo fanahiana isan’andro, eo amin’ny fomba fijerintsika ny zavatra ara-panahy?

4 Koa satria maro be aoka izany ny zavatra tokony hatao, dia mety hahatsapa mora foana ho tototra na ketraka isika, indraindray. Mety hangeja ny zotom-pontsika sy ny fankasitrahantsika ny asa teokratika, ireo “fanahiana eo amin’ny fiainana”. (Lioka 21:34, 35, NW; Marka 4:18, 19). Olombelona tsy lavorary isika, koa mety hiala ‘amin’ny fitiavantsika voalohany’. (Apokalypsy 2:1-4). Mety hanjary ho somary fahazarana ny lafiny sasany amin’ny fanompoantsika an’i Jehovah. Ahoana no anomezan’ny Baiboly ny fampaherezana ilaintsika mba tsy ho lefy mihitsy ny zotom-pontsika ho an’ny fanompoana?

Toy ny “afo mandoro” ao am-pontsika

5, 6. Ahoana no niheveran’ny apostoly Paoly ny tombontsoany nitory?

5 Sarobidy loatra ny fanompoana nankinin’i Jehovah tamintsika, ka tsy tokony havelantsika ho tonga zavatra tsy mahaliana intsony. Nihevitra ny fitoriana ny vaovao tsara ho tombontsoa tena lehibe ny apostoly Paoly, ary nihevi-tena ho tsy mendrika ny hanankinana izany. Hoy izy: “Eny, izaho, izay kely noho ny kely indrindra amin’ny olona masina rehetra, no nomena izao fahasoavana izao, dia ny hitory amin’ny jentilisa ny haren’i Kristy tsy hita lany, ary ny hampahazava ny olona rehetra mba hahalalany izay fitondrana ny zava-miafina, dia ilay voàfina hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao tao amin’Andriamanitra, Izay nanao ny zavatra rehetra”.​—Efesiana 3:8, 9.

6 Ohatra tsara dia tsara ho antsika ny toe-tsaina tsara nananan’i Paoly manoloana ny fanompoany. Hoy izy tao amin’ny taratasiny ho an’ny Romanina: “Dodona aho hanambara ny vaovao tsara”. Tsy menatra ny vaovao tsara izy. (Romana 1:15, 16, NW ). Nanana ny toe-tsaina mety izy, ary dodona ny hanatontosa ny fanompoany.

7. Nampitandrina ny amin’ny inona i Paoly, ao amin’ny taratasiny ho an’ny Romanina?

7 Takatry ny apostoly Paoly fa ilaina ny manana fomba fijery tsara, dia ny ho be zotom-po hatrany, koa nananatra ny Kristianina tany Roma toy izao izy: “Mazotoa, fa aza malaina, ary aoka [harehitry ny fanahy, NW ] amin’ny fanompoana ny Tompo.” (Romana 12:11). Ilay teny grika nadika hoe “malaina”, dia mifono heviny hoe “kamo hanao zavatra, tsy ta hanao na inona na inona”. Na dia mety ho tsy tena malaina aza isika eo amin’ny fanompoantsika, dia ilaintsika rehetra ny ho mailo mba hahatsikaritra izay mety ho soritry ny fahakamoana ara-panahy vao miandoha. Ilaintsika avy eo ny manitsy izay tokony hahitsy eo amin’ny fihetsitsika sy ny toe-tsaintsika, raha mahatsikaritra ireny soritra ireny eo amin’ny tenantsika isika.​—Ohabolana 22:3.

8. a) Inona no nanjary ‘afo nirehitra’ tao am-pon’i Jeremia, ary nahoana? b) Inona no fianarana azontsika raisina avy amin’izay niainan’i Jeremia?

8 Afaka manampy antsika koa ny fanahin’Andriamanitra, rehefa kivy isika. Ohatra, kivy i Jeremia mpaminany, indray mandeha, ka nieritreritra ny hitsahatra tsy haminany intsony. Nilaza toy izao mihitsy aza izy, momba an’i Jehovah: “Tsy hanonona Azy aho na hiteny intsony amin’ny anarany.” Moa ve izany nanaporofo fa nanana fahalemena ara-panahy lehibe i Jeremia? Tsia. Raha ny marina, ny fahatanjahan’i Jeremia ara-panahy sy ny fitiavany an’i Jehovah ary ny zotom-pony ho an’ny fahamarinana, dia nanome azy hery hanohizana haminany. Hoy ny fanazavany: “[Ny tenin’i Jehovah] dia tonga toy ny afo mirehitra ato am-poko, voahidy ato amin’ny taolako; ary sasatra ny niaritra aho ka tsy mahazaka.” (Jeremia 20:9). Ara-dalàna raha mahatsiaro ho kivy ny mpanompon’Andriamanitra mahatoky indraindray. Rehefa mivavaka amin’i Jehovah anefa izy ireo, ka mangataka ny fanampiany, dia hamantatra ny ao am-pon’izy ireo izy, ka hanome malalaka ny fanahiny masina, raha toa izy ireo ka manana ny tenin’i Jehovah ao am-pony, toa an’i Jeremia.​—Lioka 11:9-13; Asan’ny Apostoly 15:8.

‘Aza mamono ny afon’ny Fanahy ’

9. Inona no mety hanakantsakana ny fiasan’ny fanahy masina ho tombontsoantsika?

9 Nananatra ny Kristianina tany Tesalonika toy izao ny apostoly Paoly: “Aza mamono ny [afon’ny, NW ] Fanahy.” (1 Tesaloniana 5:19). Eny, mety hanakantsakana ny fiasan’ny fanahy masina ho tombontsoantsika, ny fanaovan-javatra sy ny fihetsika mifanohitra amin’ny foto-pitsipik’Andriamanitra. (Efesiana 4:30). Notendrena hitory ny vaovao tsara ny Kristianina amin’izao andro izao. Manaja lalina io tombontsoa io isika. Tsy mahagaga antsika raha manamavo ny asa fitoriantsika ireo olona tsy mahalala an’Andriamanitra. Rehefa minia manao tsirambina ny fanompoany anefa ny Kristianina iray, izany dia mety hamono ny afon’ny fanahin’Andriamanitra, izay mandrisika azy.

10. a) Inona no mety ho vokatry ny fomba fihevitry ny mpiara-belona amintsika eo amintsika? b) Inona no fomba fihevitra ambony momba ny fanompoantsika, voalaza ao amin’ny 2 Korintiana 2:17?

10 Mety hihevitra ny fanompoantsika ho fizarana boky fotsiny ny olona sasany any ivelan’ny kongregasiona kristianina. Ny hafa mety hanao fanatsoahan-kevitra diso hoe mandeha isan-trano isika mba hahazoana fanomezana ara-bola fotsiny. Raha avelantsika hanan-kery eo amin’ny toe-tsaintsika ny fomba fihevitra tsy mahasoa toy izany, dia mety hampihena ny fahitantsika vokatra eny amin’ny fanompoana. Tsy tokony havelantsika hanan-kery eo amintsika ny fomba fisaina toy izany, fa aoka kosa isika hanana hatrany ny fomba fihevitr’i Jehovah sy i Jesosy momba ny fanompoantsika. Nilaza izany fomba fihevitra ambony izany ny apostoly Paoly, rehefa nanambara hoe: “Tsy mba toy ny maro izay manatsatso ny tenin’Andriamanitra hahazoam-bola izahay; fa toy ny amin’ny fahadiovam-po kosa, dia avy amin’Andriamanitra sady eo anatrehan’Andriamanitra no itenenanay ao amin’i Kristy.”​—2 Korintiana 2:17.

11. Inona no nanampy ny Kristianina voalohany ho be zotom-po hatrany, na dia tao anatin’ny fanenjehana aza, ary inona no tokony ho vokatry ny ohatra navelany, eo amintsika?

11 Fotoana fohy taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, dia niatrika fotoam-panenjehana ny mpianany tao Jerosalema. Norahonana izy ireo, ary nodidiana tsy hitory intsony. Na izany aza, dia milaza ny Baiboly fa “feno ny Fanahy Masina [izy ireo] ka nitory ny tenin’Andriamanitra tamin’ny fahasahiana”. (Asan’ny Apostoly 4:17, 21, 31). Nasehon’ny tenin’i Paoly tamin’i Timoty, taona vitsivitsy tatỳ aoriana, ilay toe-tsaina tsara tokony hananan’ny Kristianina hatrany. Hoy i Paoly: “Tsy nomen’Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena. Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika, na ahy mpifatony hianao; fa aoka hianao ho mpiombona ny fahoriana noho ny filazantsara araka ny herin’Andriamanitra”.​—2 Timoty 1:7, 8.

Inona no adidintsika amin’ny mpiara-belona amintsika?

12. Inona no antony lehibe indrindra itoriantsika ny vaovao tsara?

12 Mba hananantsika toe-tsaina mety manoloana ny fanompoantsika, dia tsy maintsy manana ilay antony manosika tsara isika. Nahoana moa isika no mitory? Hita ao amin’ireto tenin’ny mpanao salamo ireto ny antony lehibe indrindra: “Ny olonao masina misaotra Anao [Jehovah ô]. Milaza ny voninahitry ny fanjakanao izy sady miresaka ny herinao, mba hampahafantarina ny zanak’olombelona ny herinao sy ny haben’ny voninahitry ny fanjakanao.” (Salamo 145:10-12). Eny, mitory isika mba hiderana an’i Jehovah eny imason’ny besinimaro sy mba hanamasinana ny anarany eo anatrehan’ny olombelona rehetra. Na dia rehefa vitsy aza ny mihaino antsika, dia mitondra fiderana ho an’i Jehovah ny fitoriantsika amim-pahatokiana ny hafatra momba ny famonjena.

13. Inona no manosika antsika hiresaka amin’ny hafa momba ny fanantenana famonjena?

13 Mitory koa isika noho ny fitiavantsika ny olona, ary koa mba tsy hananantsika trosan-dra. (Ezekiela 33:8; Marka 6:34). Mifandray amin’izany ireto tenin’i Paoly momba ireo any ivelan’ny kongregasiona kristianina ireto: “Ananan’ny Grika sy ny firenena hafa rehetra, ny hendry sy ny tsy hendry, trosa aho”. (Romana 1:14). Nihevitra i Paoly fa adidiny tamin’ny olona ny nanambara ny vaovao tsara tamin’izy ireo, satria sitrapon’Andriamanitra ny ‘hahavoavonjy ny karazan’olona rehetra’. (1 Timoty 2:4, NW ). Ankehitriny dia manana izany fitiavana izany sady mahatsapa izany adidy izany amin’ny mpiara-belona amintsika, isika. Nanosika an’i Jehovah handefa ny Zanany ho faty ho an’ny olombelona ny fitiavany azy ireo. (Jaona 3:16). Sorona lehibe izany. Manahaka ny fitiavan’i Jehovah isika, rehefa tsy mitsitsy fotoana sy manao ezaka mafy hiresahana amin’ny hafa momba ny vaovao tsara momba ny famonjena, izay miorina amin’ny soron’i Jesosy.

14. Ahoana no ilazalazan’ny Baiboly an’izao tontolo izao ivelan’ny kongregasiona kristianina?

14 Mihevitra ny mpiara-belona aminy ho mety ho tonga rahalahiny kristianina ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy maintsy mitory amim-pahasahiana isika, kanefa tsy filana ady akory ny fahasahiantsika. Raha ny marina, dia tena mampiasa teny mahery ny Baiboly, rehefa miresaka momba an’izao tontolo izao amin’ny ankapobeny. Tsy tamin’ny heviny tsara no nampiasan’i Paoly ilay teny hoe “izao tontolo izao”, rehefa niresaka momba ny “fahendren’izao tontolo izao” sy ny “filan’izao tontolo izao” izy. (1 Korintiana 3:19; Titosy 2:12). Nampahatsiahivin’i Paoly an’ireo Kristianina tany Efesosy koa fa ‘maty’ ara-panahy izy ireo, fony nandeha “araka ny fomban’izao tontolo izao”. (Efesiana 2:1-3). Ireo teny ireo sy ny hafa toy izany dia mifanaraka amin’ireto tenin’ny apostoly Jaona ireto: “Izao tontolo izao (...) dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa.”​—1 Jaona 5:19.

15. Inona no tsy ataontsika, raha ny amin’ny olona any ivelan’ny kongregasiona kristianina, ary nahoana?

15 Tadidio anefa fa ireo teny ireo dia manondro an’izao tontolo izao amin’ny ankapobeny, izay tafasaraka amin’Andriamanitra, fa tsy manondro ny isam-batan’olona. Tsy sahin’ny Kristianina ny hitsara mialoha izay mety ho fihetsiky ny olona na iza na iza, manoloana ny asa fitoriana. Tsy manana antony ilazana olona na iza na iza ho osy izy ireo. Tsy anjarantsika ny milaza izay hiafaran’izy ireny, rehefa ho tonga hanavaka ny “ondry” amin’ny “osy” i Jesosy. (Matio 25:31-46). I Jesosy no ilay mpitsara voatendry, fa tsy isika. Ankoatra izany, dia asehon’ny zava-nitranga fa nisy olona ratsy fitondran-tena be mihitsy aza teo aloha, kanefa nanaiky ny hafatra ao amin’ny Baiboly, ka niova, ary tonga Kristianina madio fiaina. Noho izany, na dia mety tsy hitady hifanerasera amin’ny olona sasany aza isika, dia tsy misalasala miresaka aminy momba ny fanantenana ny amin’ilay Fanjakana, isaky ny mipoitra ny fahafahana hanao izany. Resahin’ny Soratra Masina ny amin’ny olona sasany, izay “nirona araka ny mety ho amin’ny fiainana mandrakizay”, na dia mbola tsy mpino aza. Tonga mpino izy ireo tamin’ny farany. (Asan’ny Apostoly 13:48, NW ). Tsy afaka ny hahafantatra mihitsy isika hoe iza no mirona araka ny mety toy izany, mandra-pitorintsika tamin’izy ireny, angamba imbetsaka. Mitadidy izany isika, ka maneho “fahamoram-panahy” amin’ireo olona mbola tsy nanaiky ny hafatra momba ny famonjena sy maneho “fanajana” azy ireo, satria antenaintsika fa mbola mety hisy handray ny hafatra momba ny fiainana ny sasany aminy.​—2 Timoty 2:25; 1 Petera 3:15.

16. Inona no antony iray aniriantsika hanatsara ny “fahaiza-mampianatra”?

16 Vao mainka ho dodona hanambara ny vaovao tsara isika, rehefa manatsara ny fahaizantsika mampianatra. Indro misy ohatra: Ny lalao na ny fanatanjahan-tena iray mahavariana be, dia mety tsy hahaliana ny olona iray tsy mahay milalao azy io. Tena mahafinaritra anefa ilay izy, ho an’ny olona iray mahay azy tsara. Torak’izany koa fa mampitombo ny fifaliany eny amin’ny fanompoana ny Kristianina izay manatsara ny “fahaiza-mampianatra”. (2 Timoty 4:2, NW; Titosy 1:9). Nanoro hevitra an’i Timoty toy izao i Paoly: “Mazotoa manolotra ny tenanao amin’Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara ny teny fahamarinana.” (2 Timoty 2:15). Ahoana no ahafahantsika manatsara ny fahaizantsika mampianatra?

17. Ahoana no ahafahantsika ‘manao izay hananana faniriana mafy’ ny fahalalana ara-baiboly, ary inona no soa hoentin’izany fahalalana izany eo amin’ny fanompoantsika?

17 Fomba iray anatsarana ny fahaiza-mampianatra ny fampitomboana ny fahalalana araka ny marina. Mampirisika antsika toy izao ny apostoly Petera: “Tahaka ny zaza vao teraka, dia ataovy izay hananana faniriana mafy ny ronono tsy misy fangarony izay an’ny teny, mba hitomboanareo amin’izany ho amin’ny famonjena”. (1 Petera 2:2, NW ). Maniry mafy hahazo ronono ny zazakely iray salama tsara, ary voajanahary aminy izany. Mety hilain’ny Kristianina iray anefa ny ‘hanao izay hananana faniriana mafy’ ny fahalalana ara-baiboly. Azo atao izany, amin’ny fambolena fahazarana tsara mianatra sy mamaky teny. (Ohabolana 2:1-6). Tena ilaina ny fanaovana ezaka sy ny fahaiza-manitsy tena, raha tiantsika ny ho tonga mpampianatra mahay ny Tenin’Andriamanitra, kanefa mitondra valisoa ny ezaka toy izany. Hahatonga antsika harehitry ny fanahin’Andriamanitra ny fahafinaretana azontsika avy amin’ny fandinihana ny Teniny, ka ho dodona isika ny hizara amin’ny hafa ireo zavatra ianarantsika.

18. Ahoana no anomanan’ireo fivoriana kristianina antsika hampiasa tsara ny tenin’ny fahamarinana?

18 Tena manampy antsika koa hahay hampiasa tsara ny Tenin’Andriamanitra ireo fivoriana kristianina. Rehefa misy andinin-teny ao amin’ny Baiboly vakina mandritra ny lahateny ampahibemaso sy ny fiaraha-midinika hafa miorina amin’ny Soratra Masina, dia fahendrena ny hanarahantsika ao amin’ny Baibolintsika. Fahendrena koa ny hihainoantsika tsara ireo anjara any amin’ny fivoriana, anisan’izany ireo mahakasika manokana ny asa fitoriantsika. Tsy tokony hohamaivanintsika na oviana na oviana ny hasarobidin’ireo fampisehoana, angamba amin’ny famelana ny saintsika hiriorio. Eto indray koa, dia ilaina ny fahaiza-manitsy tena sy ny fahaiza-mifantoka. (1 Timoty 4:16). Ireo fivoriana kristianina dia mampitombo ny finoantsika sy manampy antsika hanana faniriana mafy ny Tenin’Andriamanitra ary mampiofana antsika ho dodona hitory ny vaovao tsara.

Afaka miantehitra amin’ny fanohanan’i Jehovah isika

19. Nahoana no tena zava-dehibe ny fandraisana anjara tsy tapaka amin’ny asa fitoriana?

19 Milofo mandray anjara tsy tapaka amin’ny fanompoana ny Kristianina, izay ‘arehitry ny fanahy’ no sady dodona ny hanambara ny vaovao tsara. (Efesiana 5:15, 16). Marina aloha fa samy hafa ny tarehin-javatra misy ny tsirairay, ary tsy ny rehetra no afaka manokana fotoana mitovy eo amin’io asa famonjena aina io. (Galatiana 6:4, 5). Na izany aza, dia angamba zava-dehibe kokoa noho ny tontalin’ny fotoana lanintsika eo amin’ny asa fitoriana, ny firesahantsika matetika amin’ny hafa momba ny fanantenantsika. (2 Timoty 4:1, 2). Arakaraka ny itoriantsika no hahatakarantsika bebe kokoa ny maha zava-dehibe ilay asa. (Romana 10:14, 15). Hahay hangoraka kokoa isika, ary hahay hahatakatra bebe kokoa ny fihetseham-pon’ny hafa, rehefa mifandray tsy tapaka amin’ny olona tso-po, izay misento sy mitaraina ary tsy manana fanantenana.​—Ezekiela 9:4; Romana 8:22.

20, 21. a) Inona no asa mbola miandry antsika? b) Amin’ny fomba ahoana no anohanan’i Jehovah ny ezaka ataontsika?

20 Nankinin’i Jehovah tamintsika ny vaovao tsara. Izy io no asa voalohany anirahany antsika, amin’ny maha “mpiara-miasa” aminy antsika. (1 Korintiana 3:6-9). Dodona isika ny hanatanteraka amin’ny fanahintsika rehetra, araka izay fara fahaizantsika, io andraikitra nomen’Andriamanitra antsika io. (Marka 12:30; Romana 12:1). Mbola maro ny olona mirona araka ny mety ho amin’ny fiainana, ka mangetaheta ny fahamarinana, eo amin’izao tontolo izao. Mbola be ny asa tokony hatao, kanefa afaka miantehitra amin’ny fanohanan’i Jehovah isika, eo am-panatontosantsika amin’ny fomba feno ny fanompoantsika.​—2 Timoty 4:5.

21 Manome antsika ny fanahiny sy ny “sabatry ny Fanahy”, dia ny Tenin’Andriamanitra, i Jehovah. Noho ny fanampiany, dia afaka miloa-bava ‘amim-pahasahiana hampahafantatra ny zava-miafina momba ny filazantsara’ isika. (Efesiana 6:17-20). Aoka isika no holazaina toy izao nosoratan’ny apostoly Paoly ho an’ny Kristianina tany Tesalonika izao: “Ny filazantsaranay tsy tonga teo aminareo tamin’ny teny ihany, fa tamin’ny hery koa sy ny Fanahy Masina ary ny fahatokiana be”. (1 Tesaloniana 1:5). Eny, aoka isika hanambara ny vaovao tsara amim-pahadodonana!

Famerenana Fohy

• Noho ireo fanahiana eo amin’ny fiainana, inona no mety hitranga amin’ny zotom-pontsika eo amin’ny fanompoana?

• Amin’ny ahoana no tokony ho toy ny “afo mandoro” ao am-pontsika ny faniriantsika hanambara ny vaovao tsara?

• Inona avy no toe-tsaina tsy tokony hananantsika manoloana ny fanompoana?

• Amin’ny ankapobeny, ahoana no tokony hiheverantsika an’ireo tsy mpiray finoana amintsika?

• Amin’ny fomba ahoana no anampian’i Jehovah antsika ho be zotom-po hatrany eo amin’ny asa fitoriana?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 9]

Manahaka ny zotom-pon’i Paoly sy i Jeremia ny Kristianina

[Sary, pejy 10]

Ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona no manosika antsika ho dodona eo amin’ny fanompoana