Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanambarana ny Vaovao Tsara any Amin’ny Tanimbarin’i Taïwan

Fanambarana ny Vaovao Tsara any Amin’ny Tanimbarin’i Taïwan

Karazan’izay Manam-pinoana Isika

Fanambarana ny Vaovao Tsara any Amin’ny Tanimbarin’i Taïwan

MAZÀNA no be dia be ny rotsakorana any Taïwan, ka mahatonga azy ho afaka hijinja vary betsaka indroa ao anatin’ny taona. Tsy tonga amin’ny fotoana tokony hiaviany anefa ny orana indraindray, ka maty ny ketsa. Kivy ve ny mpamboly, rehefa mitranga izany? Tsia. Fantany fa ilaina ny fikirizana. Mamafy ketsa vaovao izy ary mamerina manetsa. Avy eo, raha mihatsara ny tarehin-javatra, dia mampaka-bokatra betsaka ilay mpamboly. Tena mitovy amin’izany indraindray ny fambolena sy ny fijinjana ara-panahy.

Fanehoana fikirizana eo amin’ny fijinjana ara-panahy

Tao anatin’ireo taona maro lasa, dia niasa mafy ireo Vavolombelon’i Jehovah any Taïwan, mba hamafazana sy hijinjana ny masombolin’ny fahamarinana ara-baiboly tany amin’ny faritra sasany, izay toa tsy nahavokatra. Ohatra iray ny amin’izany ny Faritanin’i Miao-li. Tsy nisy vokany firy ireo ezaka natao tsindraindray mba hitoriana tao amin’ilay faritra. Koa notendrena ho mpitory ilay Fanjakana manontolo andro hiasa tany àry ny mpivady mpisava lalana manokana iray, tamin’ny 1973. Naneho fahalianana tamin’ny vaovao tsara ny sasany tamin’ny voalohany. Tsy ela anefa, dia nihena tsikelikely izany fahalianana izany. Koa notendrena ho any amin’ny faritra iray hafa ireo mpisava lalana manokana ireo.

Nisy mpisava lalana manokana roa hafa notendrena ho any, tamin’ny 1991. Teo indray koa anefa, dia hita fa mbola tsy vonona ho amin’ny fitomboana ara-panahy ny toe-javatra. Rehefa afaka taona vitsivitsy, dia notendrena ho any amin’ny faritany nantenaina fa hamokatra kokoa ireo mpisava lalana manokana ireo. Noho izany, dia tsy novolena ilay tany nandritra ny fotoana kelikely.

Nahitana fahombiazana ny fanaovana ezaka vaovao

Tamin’ny Septambra 1998, dia tapaka ny hevitra fa hisy ezaka hatao mba hikarohana ireo faritra mamokatra kokoa tao amin’ilay faritany nidadasika tsy nanendrena mpitory tany Taïwan. Ahoana no hanatanterahana izany? Amin’ny fanendrena mpisava lalana manokana tsy maharitra 40 teo ho eo, mba hiasa tany amin’ireo faritany be mponina kokoa, izay tsy nisy tompony.

Anisan’ireo faritany nofantenana hanaovana ilay ezaka manokana ny tanàna roa nifanakaiky, tany amin’ny Faritanin’i Miao-li. Anabavy mpitovo efatra no tokony hitory tany, nandritra ny telo volana, hitsapana ilay faritany. Tsy ela taorian’ny nahatongavany, dia nanoratra fitantarana feno hafanam-po momba ny isan’ny olona liana hitany, izy ireo. Nitarika fampianarana Baiboly maro izy ireo, tamin’ny faran’ireo telo volana nanaovany ny asan’ny mpisava lalana tao amin’ilay faritra. Afa-tsy izany koa, dia nanorina antokon’olona niara-nianatra ny boky izy ireo, noho ny fanampian’ny loholona iray avy tany amin’ny kongregasiona iray teo akaiky.

Nasehon’ny telo tamin’ireo anabavy mazava tsara fa tiany ny hanohy hikarakara ireo “tsimoka” mbola marefo, izay naniry tsara aoka izany. Ho vokany, dia voatendry ho mpisava lalana manokana raikitra ny roa tamin’izy ireo, ary ny fahatelo kosa nanohy ny asan’ny mpisava lalana maharitra. Nifindra tao amin’ilay faritra ny loholona iray avy tao amin’ny kongregasiona teo akaiky, mba hanampy azy ireo. Mihoatra ny 60 no nanatrika ny lahateny ampahibemaso voalohany natao tao amin’io faritra io. Ankehitriny, ny kongregasiona iray eo akaiky dia manampy an’io antokon’olona mbola zazavao io hanao fivoriana tsy tapaka ny alahady, ankoatra ny fianarana ny boky maromaro. Tsy ho ela, dia mety hisy kongregasiona vaovao iray hiforona ao amin’io faritra io.

Mitondra fitahiana ny fikirizana, any amin’ny faritra hafa any Taïwan

Nandray tsara toy izany koa ny faritra hafa. Tao amin’ny Faritanin’i I-lan, any amin’ny tapany avaratratsinanan’ilay nosy, dia naorina ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona vaovao iray, tao amin’ilay toerana niasan’ireo mpisava lalana manokana tsy maharitra.

Indray takariva, raha nitory isan-trano ny mpisava lalana manokana tsy maharitra iray, dia nihaona tamin’ny tovolahy iray ary nampiseho azy taratasy fanasana nisy ny lisitry ny fivorian’ny kongregasiona. Nanontany avy hatrany izy hoe: “Mahazo manatrika fivoriana ve aho, rahampitso alina? Raha mahazo aho, dia inona no tokony hanaovako?” Nitarika fampianarana Baiboly valo isan-kerinandro tamin’ny olona liana, io mpisava lalana io. Tsy ela, dia nanao fandaharana mba ho tonga mpitory ny vaovao tsara ny maromaro tamin’ireo mpianatra ny Baiboly, ho fikendrena ny hatao batisa.

Efa mpiangona hatramin’ny taona maro ny olona hafa iray tao amin’io tanàna io, saingy tsy nahita olona hampianatra azy ny Baiboly. Koa rehefa reny ilay fandaharana fampianarana Baiboly, dia nohararaotiny. Nampirisihina hanomana ny fianarany mialoha izy. Rehefa tonga hitarika ilay fampianarana ilay mpisava lalana, dia nahita fa nanao ny “entimodiny” ilay ramatoa, izay nividy kahie, mba hanoratana ireo fanontaniana tao amin’ilay boky fianarany. Avy eo, dia nosoratany daholo ny valin’ny fanontaniana tsirairay. Nadikany tao anaty kahieny koa ny andinin-teny voatonona rehetra tao amin’ilay fianarany. Tamin’ny fotoana nahatongavan’ilay anabavy hitarika ny fianarana voalohany, dia efa nanomana ny fianarana telo voalohany ilay ramatoa!

Vokatra mitovy amin’izany no hita tao amin’ny tanànan’i Dongshih, any afovoan-tanin’i Taïwan. Nahapetraka bokikely 2 000 mahery ireo mpisava lalana manokana tsy maharitra, nandritra ireo telo volana niasany tany. Fampianarana Baiboly 16 no efa notarihin’izy ireo teo am-piandohan’ny volana fahatelo. Rava be ilay tanàna, vokatry ny horohoron-tany iray namely ny afovoan-tanin’i Taïwan tamin’ny 21 Septambra 1999. Manohy mandroso ara-panahy anefa ireo olona liana sasany, na dia tsy maintsy manao dia hatramin’ny adiny iray aza, mba hanatrehana fivoriana any amin’ilay Efitrano Fanjakana akaiky indrindra. Eny tokoa, ilaina ny fikirizana, mba hijinjana vokatra betsaka, na ara-nofo izany, na ara-panahy.

[Sarintany, pejy 8]

CHINE

Andilan-dranomasin’i Taïwan

TAÏWAN

[Sary nahazoan-dalana]

Mountain High Maps® Copyright © 1997 Digital Wisdom, Inc.