Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manan-kery ny Fanantenana Fitsanganana Amin’ny Maty

Manan-kery ny Fanantenana Fitsanganana Amin’ny Maty

Manan-kery ny Fanantenana Fitsanganana Amin’ny Maty

“Niaretako ny fatiantoka ny zavatra rehetra (...) mba ho fantatro [i Jesosy Kristy ] sy ny herin’ny fitsanganany tamin’ny maty”.​—FILIPIANA 3:8-10.

1, 2. a) Taona maro lasa izay, ahoana no nilazalazan’ny mpitondra fivavahana iray ny fitsanganana amin’ny maty? b) Ahoana no ho fizotran’ny fitsanganana amin’ny maty?

TANY am-piandohan’ireo taona 1890, dia nitatitra momba ny toriteny iray hafakely nataon’ny mpitondra fivavahana iray tany Brooklyn, New York, any Etazonia, ny fampahalalam-baovao. Araka ny filazan’ilay mpitondra fivavahana, dia tsy inona, hono, ny fitsanganana amin’ny maty fa fanangonana indray sy famelomana indray ireo taolana sy nofo rehetra tamin’ny vatan’ny olona iray, na levon’ny afo ilay izy na potika tamin’ny voina nitranga, na lanin’ny biby na lasa zezika. Nihevitra io mpitory teny io fa, indray andro any​—andro iray misy 24 ora​—dia hanjary ho mainty ny rivotra, noho ireo tanana, sandry, tongotra, rantsantanana, taolana, hozatra, ary hoditry ny maty an’arivony tapitrisa maro. Hitady ny tapany hafa amin’ilay vatana nisy azy izy ireny. Avy eo, dia hisy fanahy (âme) ho tonga avy any an-danitra sy avy any amin’ny afobe mba hipetraka ao amin’ireny vatana natsangana ireny.

2 Tsy mitombina ny hoe hatsangana amin’ny alalan’ny famerenana indray ireo ataoma tany am-boalohany, ny maty. Tsy manana fanahy (âme) tsy mety maty koa ny olombelona. (Mpitoriteny 9:5, 10; Ezekiela 18:4). Tsy mila manambatambatra indray ireo ataoma nahaforona ny vatan’ny olona iray tany am-boalohany, i Jehovah, ilay Andriamanitry ny fitsanganana amin’ny maty. Afaka mamolavola vatana vaovao ho an’ireny hatsangana amin’ny maty ireny izy. I Jesosy Kristy Zanany dia nomen’i Jehovah hery hananganana ny maty, izay hanana fahafahana hiaina mandrakizay. (Jaona 5:26). Nilaza toy izao àry i Jesosy: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.” (Jaona 11:25, 26). Fampanantenana mampahery re izany! Manatanjaka antsika hiaritra fisedrana izy io, eny, hiatrika fahafatesana mihitsy aza, amin’ny maha Vavolombelon’i Jehovah mahatoky antsika.

3. Nahoana i Paoly no nila niaro ny fitsanganana amin’ny maty?

3 Ny fitsanganana amin’ny maty dia tsy mifanaraka amin’ilay hevitra hoe manana fanahy (âme) tsy mety maty ny olombelona​—fomba fijery nananan’i Platon, filozofa grika. Inona àry no nitranga rehefa nitory tamin’ny Grika ambony, teo amin’ny Areopago any Atena, i Paoly, ka niresaka an-kolaka momba an’i Jesosy, ary nilaza fa natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty izy? “Ary raha nahare ny amin’ny fitsanganan’ny maty izy, dia nihomehy ny sasany”, hoy ilay fitantarana. (Asan’ny Apostoly 17:29-34). Olona maro nahita an’i Jesosy Kristy tafatsangana tamin’ny maty no mbola velona tamin’izay fotoana izay, ka na dia teo aza ny fanesoana, dia nambaran’izy ireo fa efa natsangana tamin’ny maty i Jesosy. Nanda ny fitsanganana amin’ny maty anefa ireo mpampianatra sandoka nifandray tamin’ny kongregasiona tany Korinto. Niaro mafy an’io fampianarana kristianina io àry i Paoly, ao amin’ny 1 Korintiana toko faha-15. Ny fandinihana amim-pitandremana ny hevitra narosony dia manome porofo tsy misy isalasalana fa azo antoka sy manan-kery ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty.

Porofo marim-pototra ny amin’ny nitsanganan’i Jesosy

4. Porofo inona, avy tamin’ny vavolombelona nahita maso, no nomen’i Paoly mba hanamarinana ny nitsanganan’i Jesosy?

4 Mariho ny fomba nanombohan’i Paoly ny fiarovany ny fitsanganana amin’ny maty. (1 Korintiana 15:1-11). Hitana mafy ny vaovao tsaran’ny famonjena ireo Korintianina, raha tsy hoe tonga mpino tsy amin’ny antony angaha izy ireo. Maty noho ny fahotantsika i Kristy, dia nalevina, ary natsangana. Raha ny marina, dia niseho tamin’i Kefasy (Petera), ary avy eo “tamin’ny roa ambin’ny folo lahy”, i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty. (Jaona 20:19-23). Hitan’ny olona tokony ho 500 izy, angamba fony izy nandidy hoe: ‘Mandehana ianareo, manaova mpianatra.’ (Matio 28:19, 20). Nahita azy i Jakoba, toy ny apostoly nahatoky rehetra. (Asan’ny Apostoly 1:6-11). Teo akaikin’i Damaskosy i Jesosy dia niseho tamin’i Saoly, izay “toy ny tsy tonga volana”, izany hoe toy ny efa natsangana sahady ho amin’ny fiainana ara-panahy. (Asan’ny Apostoly 9:1-9). Tonga mpino ireo Korintianina, satria nitory tamin’izy ireo i Paoly, ary nandray ny vaovao tsara izy ireo.

5. Ahoana no fanjohian-kevitr’i Paoly, araka ny voarakitra ao amin’ny 1 Korintiana 15:12-19?

5 Diniho ny fanjohian-kevitr’i Paoly. (1 Korintiana 15:12-19). Koa satria nisy vavolombelona nahita maso nitory fa natsangana i Kristy, ahoana moa no ahafahana milaza fa tsy misy fitsanganana amin’ny maty? Raha tsy natsangana tamin’ny maty i Jesosy, dia very maina ny fitoriantsika sy ny finoantsika, ary mijoro ho vavolombelona mandainga hanohitra an’Andriamanitra isika, amin’ny filazana fa nanangana an’i Kristy tamin’ny maty izy. Raha tsy atsangana ny maty, dia ‘mbola ao amin’ny fahotantsika ihany’ isika, ary very ireo maty tao amin’i Kristy. Ankoatra izany, “raha amin’izao fiainana izao ihany no anantenantsika an’i Kristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika”.

6. a) Inona no nolazain’i Paoly ho fanamafisana fa natsangana tamin’ny maty i Jesosy? b) Inona ilay “fahavalo farany”, ary ahoana no hanafoanana azy io?

6 Nohamafisin’i Paoly fa natsangana tamin’ny maty i Jesosy. (1 Korintiana 15:20-28). Koa satria “santatr’izay” efa nodimandry i Kristy, dia hisy hafa koa hatsangana amin’ny maty. Vokatry ny tsy fankatoavan’ilay olona atao hoe Adama, ny fahafatesana. Torak’izany koa fa ny fitsanganana amin’ny maty dia amin’ny alalan’ny olona iray, dia i Jesosy. Ireo an’i Kristy dia hatsangana mandritra ny fanatrehany. ‘Hanafoana ny fanapahana rehetra sy ny fahefana rehetra ary ny hery rehetra’ manohitra ny fiandrianan’Andriamanitra i Kristy, ka hanjaka mandra-panaon’i Jehovah ny fahavalo rehetra ho eo ambanin’ny tongony. Na dia ilay “fahavalo farany”​—ny fahafatesana nolovana avy tamin’i Adama​—aza, dia hofoanana amin’ny alalan’ny vidin’ny soron’i Jesosy. Hatolotr’i Kristy an’Andriamanitra Rainy, avy eo, ny Fanjakana, ka ny tenany koa dia hanaiky an’ “Izay nampanaiky ny zavatra rehetra Azy, mba tsy hisy fototra sy antony afa-tsy Andriamanitra ihany”.

Atao batisa ho an’ny maty ve?

7. Iza no “atao batisa [mba ho faty, NW ]”, ary midika ho inona ho azy ireo izany?

7 Nametrahana izao fanontaniana izao ireo mpanohitra ny fitsanganana amin’ny maty: “Hanao ahoana izay atao batisa [mba ho faty, NW ]?” (1 Korintiana 15:29). Tsy te hilaza akory i Paoly hoe tokony hatao batisa ho an’ny maty ny velona, satria tsy maintsy mianatra sy mino ary atao batisa ny mpianatr’i Jesosy tsirairay. (Matio 28:19, 20; Asan’ny Apostoly 2:41). “Atao batisa [mba ho faty, NW ]” ireo Kristianina voahosotra, amin’ny fidirany ao amin’ny fiainana iray izay mitarika ho amin’ny fahafatesana sy ny fitsanganana amin’ny maty. Manomboka io karazana batisa io rehefa teraka ao amin’izy ireo ilay fanantenana ny ho any an-danitra, noho ny fiasan’ny fanahin’Andriamanitra. Mifarana kosa izy io rehefa atsangana amin’ny maty ho amin’ny fiainana ara-panahy any an-danitra izy ireo.​—Romana 6:3-5; 8:16, 17; 1 Korintiana 6:14.

8. Afaka mahazo antoka ny amin’ny inona ny Kristianina, na dia mamono azy ireo aza i Satana sy ny mpanompony?

8 Araka ny asehon’ireo tenin’i Paoly, ny fanantenana fitsanganana dia mahatonga ny Kristianina ho afaka hijoro hatrany rehefa miatrika loza sy fahafatesana noho ny fanaovana ny asa fitoriana ilay Fanjakana. (1 Korintiana 15:30, 31). Fantatr’izy ireo fa afaka manangana azy ireo i Jehovah, raha toa ka avelany hovonoin’i Satana sy ny mpanompony izy ireo. Andriamanitra irery ihany no afaka manafoana ny fanahy (âme) na ny ain’izy ireo, any amin’ny Gehena, izay sary mampiseho fandringanana mandrakizay.​—Lioka 12:5.

Ilaina ny ho mailo

9. Inona no tsy maintsy halavirintsika raha tiantsika ho hery manohana antsika eo amin’ny fiainantsika ny fanantenana fitsanganana?

9 Nanohana an’i Paoly ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty. Fony izy tany Efesosy, dia nety ho nanipy azy tao amin’ny kianja filalaovana mba hiady tamin’ny bibidia, ireo fahavalony. (1 Korintiana 15:32). Raha izany no izy, dia nafahana sahala amin’i Daniela, izay navotana tamin’ny liona, i Paoly. (Daniela 6:17-23; Hebreo 11:32, 33). Koa satria nanantena ny fitsanganana amin’ny maty i Paoly, dia tsy nanana ilay toe-tsain’ireo mpivadi-pinoana tao Joda, tamin’ny andron’i Isaia, izy. Hoy mantsy izy ireo: “Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty.” (Isaia 22:13). Raha tiantsika ho hery manohana antsika eo amin’ny fiainantsika ny fanantenana fitsanganana, toy izay nitranga tamin’i Paoly, dia tsy maintsy manalavitra ireo manana toe-tsaina ratsy toy izany isika. “Aza mety hofitahina hianareo”, hoy ny fampitandreman’i Paoly. “Ny fikambanana amin’ny ratsy manimba ny fitondrantena tsara.” (1 Korintiana 15:33). Mazava ho azy fa mihatra amin’ny lafim-piainana samihafa io foto-pitsipika io.

10. Ahoana no azo amelomana hatrany ny fanantenantsika fitsanganana?

10 Hoy i Paoly tamin’ireo nisalasala ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty: “Mifohaza tsara, ary aza manota; fa ny sasany tsy manana ny fahalalana an’Andriamanitra; ny hampahamenatra anareo no ilazako izany.” (1 Korintiana 15:34). Amin’izao “andro farany” izao, dia mila manao zavatra mifanaraka amin’ny fahalalana marina momba an’Andriamanitra sy i Kristy isika. (Daniela 12:4; Jaona 17:3). Hamelona hatrany ny fanantenantsika fitsanganana izany.

Hanana vatana manao ahoana izay hatsangana amin’ny maty?

11. Ahoana no nanazavan’i Paoly tamin’ny alalan’ny ohatra, ny fitsanganan’ireo Kristianina voahosotra?

11 Namaly fanontaniana sasany i Paoly, avy eo. (1 Korintiana 15:35-41). Angamba mba hamafazana fisalasalana momba ny fitsanganana amin’ny maty, dia nety ho nanontany toy izao ny olona iray: “Hatao ahoana ary no fanangana ny maty? Ary tena manao ahoana no hisehoany?” Araka ny nasehon’i Paoly, dia maty, raha ny marina, ny voa ambolena ao amin’ny tany rehefa miova ka mitsimoka. Toy izany koa fa tsy maintsy maty ny olona iray ateraky ny fanahy. Tsy misy hafa amin’ny zavamaniry iray mipoitra avy amin’ny voa iray, ka tonga vatana vaovao iray, dia hafa noho ny nofon’olombelona koa ny vatan’ny Kristianina voahosotra atsangana amin’ny maty. Na dia mitovy amin’ilay nananany talohan’ny nahafatesany aza ny maha izy azy, dia atsangana ho zavaboary vaovao izy, manana vatana ara-panahy afaka ny hiaina any an-danitra. Mazava loatra fa hatsangana hanana vatan’olombelona kosa ireo hatsangana eto an-tany.

12. Inona no tiana holazaina amin’ny hoe “tenan’ny any an-danitra” sy “tenan’ny etỳ an-tany”?

12 Araka ny voalazan’i Paoly, dia samy hafa amin’ny an’ny biby ny nofon’olombelona. Na dia ny nofom-biby aza dia samy hafa arakaraka ny karazany. (Genesisy 1:20-25). Ny “tenan’ny any an-danitra”, ananan’ireo zavaboary ara-panahy, dia samy hafa voninahitra amin’ny “tenan’ny etỳ an-tany”, izay nofo. Samy hafa koa ny voninahitry ny masoandro sy ny volana ary ny kintana. Manana voninahitra lehibe lavitra anefa ireo voahosotra atsangana amin’ny maty.

13. Araka ny 1 Korintiana 15:42-44, inona no afafy, ary inona no atsangana?

13 Hoy ny teny nanampin’i Paoly, rehefa avy niresaka ireo fahasamihafana ireo izy: “Dia toy izany koa ny fitsanganan’ny maty”. (1 Korintiana 15:42-44). Hoy izy: “Afafy amin’ny fahalòvana izy, atsangana amin’ny tsi-fahalòvana”. Eto dia mety ho ny voahosotra amin’ny fitambarany no tian’i Paoly holazaina. Afafy amin’ny fahalovana izy ireo eo amin’ny fahafatesana, fa atsangana kosa amin’ny tsy fahalovana, afaka amin’ny ota. Na dia ataon’izao tontolo izao afa-baraka aza izy ireo, dia atsangana ho amin’ny fiainana any an-danitra, ary miara-miseho amin’i Kristy amin’ny voninahitra. (Asan’ny Apostoly 5:41; Kolosiana 3:4). Eo amin’ny fahafatesana, dia afafy “tena [ara-batana, NW ] izy, ary atsangana ho “tena [ara-panahy, NW ]”. Koa satria azo atao izany raha ny amin’ireo Kristianina ateraky ny fanahy, dia afaka mahazo antoka isika fa hisy hafa ho azo atsangana ho amin’ny fiainana eto an-tany.

14. Ahoana no nampifanoheran’i Paoly an’i Kristy sy i Adama?

14 Nampifanoherin’i Paoly, avy eo, i Kristy sy i Adama. (1 Korintiana 15:45-49). “Tonga fanahy [âme] velona” i Adama, lehilahy voalohany. (Genesisy 2:7, NW ). “Natao fanahy [esprit] mahavelona” kosa ilay “Adama farany”, dia i Jesosy. Nanome ny ainy ho sorom-panavotana izy, ho an’ireo mpanara-dia azy voahosotra aloha, voalohany indrindra. (Marka 10:45). ‘Mitondra ny endrik’ilay avy amin’ny tany’ izy ireo amin’ny maha olombelona azy, fa ho tahaka ilay Adama farany kosa izy ireo rehefa atsangana amin’ny maty. Mazava ho azy fa ny soron’i Jesosy dia hitondra soa ho an’ny olombelona mankatò rehetra, anisan’izany ireo hatsangana amin’ny maty eto an-tany.​—1 Jaona 2:1, 2.

15. Nahoana no tsy atsangana amin’ny nofo ireo Kristianina voahosotra, ary amin’ny fomba ahoana no ananganana azy ireo mandritra ny fanatrehan’i Jesosy?

15 Tsy atsangana amin’ny nofo ny Kristianina voahosotra rehefa maty. (1 Korintiana 15:50-53). Tsy afaka mandova tsy fahalovana sy mandova ilay Fanjakana any an-danitra, ny vatana nofo aman-dra mety lo. Tsy voatery hatory ela be ao amin’ny fahafatesana ny voahosotra sasany. “Vetivety, toy ny indray mipì-maso”, dia “hovana” izy ireo rehefa mahavita amim-pahatokiana ny fihazakazahany eto an-tany, mandritra ny fanatrehan’i Jesosy. Hatsangana eo no ho eo ho amin’ny fiainana ara-panahy izy ireo, ka hanana ny tsy fahalovana sy ny voninahitra. Amin’ny farany, dia hiisa 144 000 ilay ‘ampakarin’i’ Kristy any an-danitra.​—Apokalypsy 14:1; 19:7-9; 21:9; 1 Tesaloniana 4:15-17.

Resy ny fahafatesana!

16. Araka ny voalazan’i Paoly sy ny mpaminany taloha kokoa, hanao ahoana ny fahafatesana nolovana avy tamin’i Adama mpanota?

16 Nanambara tamim-pandresena i Paoly fa ho resy ny fahafatesana ka ho levona. (1 Korintiana 15:54-57). Ho tanteraka ireto teny ireto, rehefa hitafy tsy fahalovana sy tsy fahafatesana ilay mety lo sy mety maty: “Ny fahafatesana noresena ka levona”. “Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao?” (Isaia 25:8; Hosea 13:14). Ny fanindronan’ny fahafatesana dia ny ota, ary ny herin’ny ota dia ny Lalàna, izay nanameloka ny mpanota ho faty. Tsy ho mpandresy intsony anefa ny fahafatesana nolovana avy tamin’i Adama mpanota, noho ny soron’i Jesosy sy ny nitsanganany tamin’ny maty.​—Romana 5:12; 6:23.

17. Ahoana no iharan’ireo teny ao amin’ny 1 Korintiana 15:58, ankehitriny?

17 “Koa amin’izany, ry rahalahy malalako”, hoy i Paoly, “dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo.” (1 Korintiana 15:58). Ireo teny ireo dia mihatra amin’ny sisa voahosotra ankehitriny, sy amin’ny ‘ondry hafan’i’ Jesosy, na dia maty amin’izao andro farany izao aza izy ireo. (Jaona 10:16). Tsy ho foana ny fikelezan’izy ireo aina amin’ny fitoriana ilay Fanjakana, satria misy fitsanganana amin’ny maty miandry azy ireo. Aoka àry isika mpanompon’i Jehovah ho be hatao hatrany amin’ny asan’ny Tompo, eo am-piandrasana ilay andro ho azontsika iantsoantsoana amim-pifaliana hoe: “Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao?”

Tanteraka ilay fanantenana fitsanganana amin’ny maty!

18. Nanao ahoana ny hamafin’ny fanantenan’i Paoly fitsanganana amin’ny maty?

18 Ahariharin’ny tenin’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana toko faha-15 fa nanan-kery teo amin’ny fiainany ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty. Azony antoka tanteraka fa natsangana tamin’ny maty i Jesosy, ary hisy hafa koa hafahana avy ao amin’ny fasana iombonan’ny olombelona. Manana fiekena mafy toy izany ve ianao? Nihevitra ny tombontsoa feno fitiavan-tena ho “taimboraka” i Paoly, ary ‘nataony ho fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra’, mba ‘hahafantarany an’i Kristy sy ny herin’ny fitsanganany tamin’ny maty’. Vonona ny hisetra fahafatesana toy ny an’i Kristy ilay apostoly, noho ny fanantenana ny hahazo “ny fitsanganana amin’ny maty aloha kokoa” (NW ). Antsoina koa hoe “ny fitsanganana voalohany” izy io, ary hahazo azy io ireo voahosotra 144 000 mpanara-dia an’i Jesosy. Eny, atsangana ho amin’ny fiainana ara-panahy any an-danitra izy ireo, fa hatsangana eto an-tany kosa “ny sisa amin’ny maty”.​—Filipiana 3:8-11; Apokalypsy 7:4; 20:5, 6.

19, 20. a) Olona iza avy, voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Baiboly, no hatsangana ho amin’ny fiainana eto an-tany? b) Ny fitsanganan’iza no tsy andrinao?

19 Nanjary zava-misy be voninahitra ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty, ho an’ireo voahosotra nahatoky hatramin’ny fahafatesana. (Romana 8:18; 1 Tesaloniana 4:15-18; Apokalypsy 2:10). Ho hitan’ireo ho tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe” fa ho tanteraka eto an-tany ilay fanantenana fitsanganana amin’ny maty, rehefa ‘hamoaka ny maty ao aminy ny ranomasina, ary hamoaka ny maty ao aminy ny fahafatesana sy ny fiainan-tsy hita’. (Apokalypsy 7:9, 13, 14; 20:13). Anisan’ireo hatsangana ho amin’ny fiainana eto an-tany i Joba, izay namoy zanakalahy fito sy zanakavavy telo. Alao sary an-tsaina ny fifalian’i Joba hitsena azy ireo, ary ho toy inona koa moa ny ho fifalian’izy ireo noho ny fananany iray tam-po hafa​—fito lahy sy telo vavy tsara tarehy!​—Joba 1:1, 2, 18, 19; 42:12-15.

20 Ho toy inona moa ny fitahiana rehefa hatsangana ho amin’ny fiainana eto an-tany ry Abrahama sy Saraha, Isaka sy Rebeka, sy ny maro hafa, anisan’izany “ny mpaminany rehetra”! (Lioka 13:28). Iray amin’ireny mpaminany ireny i Daniela, izay nampanantenaina fitsanganana amin’ny maty eo ambanin’ny fanapahan’ny Mesia. Efa hatramin’ny 2 500 taona teo ho eo i Daniela no niala sasatra tao am-pasana, nefa noho ny herin’ny fitsanganana amin’ny maty, tsy ho ela izy dia ‘hitsangana ao amin’ny anjarany’, ho iray amin’ireo “mpanapaka eny amin’ny tany rehetra”. (Daniela 12:13; Salamo 45:16). Ho toy inona moa ny fientanam-po hitsena ireo olo-nahatoky fahiny, ary tsy ireo ihany fa ny rainao, na ny reninao, na ny zanakao, na ny olon-tianao hafa, izay tafasaraka taminao noho ilay fahavalo, dia ny fahafatesana!

21. Nahoana isika no tokony hanao soa ho an’ny hafa, tsy misy hataka andro?

21 Mety ho nanompo an’Andriamanitra efa hatramin’ny am-polony taona maro ny sasany amin’ireo namantsika sy ireo havan-tiantsika, ary efa zokiolona ankehitriny. Noho ny fandroson’ny taona, dia mety ho sarotra ho azy ireo ny miatrika ireo zava-manahirana eo amin’ny fiainana. Ho fanehoam-pitiavana tokoa ny hanomezana azy ireo dieny izao izay fanampiana rehetra azontsika omena! Amin’izay isika dia tsy hanenina noho ny tsy nahavitantsika izay tokony ho nataontsika tamin’izy ireo, raha sanatria ka maty izy ireo. (Mpitoriteny 9:11; 12:1-7; 1 Timoty 5:3, 8). Afaka mahazo antoka isika fa i Jehovah dia tsy hanadino ny soa ataontsika ho an’ny hafa, na firy taona izy ireny na firy taona, ary na toy inona na toy inona tarehin-javatra misy azy. “Araka ny ananantsika andro hanaovana”, hoy ny nosoratan’i Paoly, “dia aoka isika hanao soa amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana.”​—Galatiana 6:10; Hebreo 6:10.

22. Tokony ho tapa-kevitra ny hanao inona isika, mandra-pahatanterak’ilay fanantenana fitsanganana amin’ny maty?

22 “Rain’ny famindrampo sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra” i Jehovah. (2 Korintiana 1:3, 4). Mampionona antsika ny Teniny, ary manampy antsika hampionona ny hafa amin’ny alalan’ilay fanantenana mahery ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty. Mandra-pahitantsika ny fahatanterahan’io fanantenana io, ka hananganana ny maty ho amin’ny fiainana eto an-tany, dia aoka isika ho tahaka an’i Paoly, izay nanam-pinoana ny fitsanganana amin’ny maty. Enga anie isika ka hanahaka indrindra indrindra an’i Jesosy. Efa tanteraka taminy ilay fanantenany hoe manan-kery hanangana azy amin’ny maty Andriamanitra. Tsy ho ela ireo ao amin’ny fasam-pahatsiarovana dia handre ny feon’i Kristy ka hivoaka. Enga anie izany ka hitondra fampiononana sy fifaliana ho antsika. Ambonin’ny zava-drehetra anefa, dia enga anie isika ho velom-pankasitrahana an’i Jehovah, izay nahatonga ny fandresena ny fahafatesana ho azo atao, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika!

Ahoana no Havalinao?

• Porofo inona, avy tamin’ny vavolombelona nahita maso, no nomen’i Paoly mba hanamarinana ny nitsanganan’ i Jesosy?

• Inona ilay “fahavalo farany”, ary ahoana no hanafoanana azy io?

• Inona no afafy, ary inona no atsangana, raha ny amin’ireo Kristianina voahosotra?

• Tianao ny hihaona amin’ny olona iza avy, voarakitra ao amin’ny Baiboly, rehefa hatsangana ho amin’ny fiainana eto an-tany izy ireo?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 16]

Niaro mafy ny fitsanganana amin’ny maty ny apostoly Paoly

[Sary, pejy 20]

Hiteraka fifaliana tsy omby tratra ny fitsanganan’i Joba sy ny ankohonany, ary ny maro hafa!