Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fomba Hampisy Heviny Kokoa ny Fiainanao

Ny Fomba Hampisy Heviny Kokoa ny Fiainanao

Ny Fomba Hampisy Heviny Kokoa ny Fiainanao

HOY ny ohabolana fahiny iray: “Aza manasa-tena hanan-karena, aza entina amin’izany ny fahendrenao. Moa hampanarahinao azy va ny masonao, nefa tsy ao intsony izy? Fa maniry elatra tokoa izy ka manidina toy ny voromahery eny amin’ny lanitra.” (Ohabolana 23:4, 5). Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia tsy fahendrena ny mandrera-tena amin’ny fiezahana hanankarena, satria afaka manidina toy ny elatry ny voromahery ny harena.

Araka ny asehon’ny Baiboly, dia afaka ny hanjavona vetivety ny harena ara-nofo. Mety hanjavona tampoka izy io, noho ny loza voajanahary, ny fitambotsorana ara-toe-karena, na ny fitrangan-javatra tsy ampoizina. Ankoatra izany, dia matetika no diso fanantenana na dia ireo izay mahita fanambinana ara-nofo aza. Raiso ny ohatr’i John, izay nampiala voly ny mpanao politika sy ny olo-malazan’ny fanatanjahan-tena ary ny fianakavian’ny mpanjaka no asany.

Hoy i John: “Nanokan-tena ho an’ny asako aho. Nambinim-bola aho, nipetraka tao amin’ny hotely faran’izay tsara tarehy ary ny fiaramanidiko manokana mihitsy aza indraindray no nandehanako niasa. Tiako ilay izy tamin’ny voalohany; tsikelikely anefa dia nanjary tsy nahaliana ahy ilay izy. Ny olona nomeko fahafaham-po tamin’izay tiany dia toa maivan-tsaina. Tsy nisy heviny ny fiainako.”

Araka ny hitan’i John, dia tsy mahafa-po ny fiainana tsy misy zava-tsarobidy ara-panahy. Tao amin’ilay Toriteniny malaza teo An-tendrombohitra, dia nampiseho ny fomba hahitana fahasambarana maharitra i Jesosy Kristy. Hoy izy “Sambatra ireo mahatsapa izay ilainy ara-panahy, satria azy ny fanjakan’ny lanitra.” (Matio 5:3, NW ). Mazava àry fa fahendrena ny mametraka ny zavatra ara-panahy ho eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainana. Kanefa, misy lafin-javatra hafa koa afaka manampy mba hampisy heviny kokoa ny fiainana.

Tena zava-dehibe ny fianakavianao sy ny namanao

Hahafinaritra anao ve ny fiainana, raha tsy mifandray amin’ny fianakavianao sy tsy mana-namana akaiky ianao? Miharihary fa tsia. Noforonin’ny Mpamorona antsika mba ho tia sy hotiavina isika. Izany no antony iray nanasongadinan’i Jesosy ny maha zava-dehibe ny ‘hitiavana ny namantsika tahaka ny tenantsika’. (Matio 22:39). Ny fianakaviana dia fanomezana avy amin’Andriamanitra, ary toerana tsara dia tsara mba hampisehoana fitiavana tsy misy fitiavan-tena.​—Efesiana 3:14, 15.

Ahoana no ahafahan’ny fianakaviantsika mampisy heviny kokoa ny fiainantsika? Ny fianakaviana tafaray dia mety ho azo ampitahaina amin’ny zaridaina tsara tarehy iray, izay manome fialofana mamelombelona amin’ny fihenjanan’ny fiainana andavanandro. Toy izany koa fa afaka mahita fisakaizana sy firaiketam-po mamelombelona, izay manaisotra ny fahatsapana ho manirery, isika, eo anivon’ny fianakaviana. Mazava ho azy fa tsy ho toeram-pialofana avy hatrany akory ny fianakaviana. Rehefa manatanjaka hatrany ny fatoram-pianakaviana anefa isika, dia manjary mifanakaiky kokoa, ka mahatonga ny fiainana hisy heviny kokoa. Ohatra, ny fotoana sy ny fiheverana omentsika mba hanehoana fitiavana sy fanajana ny vadintsika dia toy ny fampiasam-bola isan’andro, izay mety hahazoana tombony be dia be amin’ny farany.​—Efesiana 5:33.

Raha manan-janaka isika, dia tokony hiezaka mafy hampisy ilay rivo-piainana mety tsara hitaizana azy ireo. Mety hitaky be amintsika ny fiaraha-mandany fotoana amin’izy ireo, sy ny fihazonana ny lalan’ny fifampiresahana hisokatra, ary ny fanomezana azy ireo fampianarana ara-panahy. Afaka mitondra fahafaham-po lehibe ho antsika anefa ny fotoana sy ny ezaka toy izany. Ny ray aman-dreny mahay mitaiza dia mihevitra ny zanaka ho fitahiana, sy ho lova avy amin’Andriamanitra izay tokony hokarakaraina tsara.​—Salamo 127:3.

Mahatonga ny fiainana hahafa-po sy hisy heviny koa ny namana tsara. (Ohabolana 27:9). Afaka mahazo namana maro isika amin’ny fanehoana fahaiza-mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa. (1 Petera 3:8). Ny tena namana dia manampy antsika hiarina, rehefa lavo isika. (Mpitoriteny 4:9, 10). Ary “izay tena sakaiza tokoa dia (...) miseho ho rahalahy hamonjy amin’ny fahoriana”.​—Ohabolana 17:17.

Mahafa-po erỳ ny fananana tena sakaiza! Kanto kokoa ny masoandro mody, matsiro kokoa ny sakafo, ary mahafinaritra kokoa ny mozika, rehefa miaraka amin’ny namana iray isika. Mazava ho azy fa ny fianakaviana sy ny namana mendri-pitokisana dia lafiny roa monja amin’ny fananana fiainana misy heviny. Fandaharana hafa nataon’Andriamanitra inona avy no afaka mampisy heviny kokoa ny fiainantsika?

Fanomezana fahafaham-po ny zavatra ilaintsika ara-panahy

Araka ny nomarihina tetsy aloha, dia nampifandray ny fahasambarana tamin’ny fahatsapantsika ny zavatra ilaintsika ara-panahy i Jesosy Kristy. Noforonina hanana fiainana ara-panahy sy ara-pitondran-tena isika. Noho izany, dia manisy firesahana ny amin’ny “olona araka ny Fanahy” sy “ilay olona miafin’ny fo” ny Baiboly.​—1 Korintiana 2:15; 1 Petera 3:3, 4, NW.

Araka ny An Expository Dictionary of New Testament Words nataon’i W. E. Vine, ny fo ara-panoharana dia mampiseho ny “zavatra rehetra ataon’ny olona eo amin’ny ara-tsaina sy ny ara-pitondran-tena, ny fahaiza-misaina sy ny fihetseham-po”. Nanampy teny toy izao i Vine, mba hanazavana ny antony: “Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny fo dia ampiasaina ara-panoharana mba hampisehoana ny loharanon’ny fiainan’ny tena manokana miafina.” Manamarika koa io boky io fa “ny fo, noho izy mipetraka ao anatiny lalina indrindra ao, dia mirakitra ‘ilay olona miafina’, (...) ilay tena olona”.

Ahoana no ahafahantsika manome fahafaham-po ny zavatra ilain’ilay “olona araka ny Fanahy”, na “ilay olona miafina”, izany hoe “ilay olona miafin’ny fo”? Manao dingana lehibe isika amin’ny fanaovana izany sy amin’ny fanomezana fahafaham-po ny zavatra ilaintsika ara-panahy, rehefa manaiky ilay hevitra navoakan’ny mpanao salamo nahazo tsindrimandry, izay nihira toy izao: “Aoka ho fantatrareo fa Jehovah no Andriamanitra ; Izy no nanao antsika, ary Azy isika, dia olony sy ondry fiandriny.” (Salamo 100:3). Ny fanekena izany dia mahatonga antsika hanatsoaka hevitra ara-drariny fa ampamoahina eo anatrehan’Andriamanitra isika. Raha irintsika ny ho anisan’ny “olony sy ondry fiandriny”, dia tsy maintsy manao zavatra mifanaraka amin’ny Teniny, dia ny Baiboly, isika.

Mahafaty antoka ve ny fanaovana izany? Tsia, satria ny fahafantarana fa zava-dehibe amin’Andriamanitra ny fitondran-tenantsika dia mampisy heviny ny fiainantsika. Izany dia mampirisika antsika ho tonga olona tsara kokoa​—zava-kendrena tena mendrika. “Sambatra ny olona izay matahotra an’i Jehovah sady mankasitraka ny didiny indrindra”, hoy ny Salamo 112:1. Ny tahotra miharo fanajana an’Andriamanitra sy ny fankatoavana amim-pahatsoram-po ny didiny dia afaka mampisy heviny kokoa ny fiainantsika.

Nahoana no mahafa-po antsika ny fankatoavana an’Andriamanitra? Satria manana feon’ny fieritreretana isika, dia fanomezana natolotr’Andriamanitra ho an’ny olombelona rehetra. Ny feon’ny fieritreretana dia mpandinika ny fitondran-tena, izay milaza fankasitrahana na tsy fankasitrahana izay nataontsika na izay kasaintsika hatao. Isika rehetra dia samy efa nahatsapa ny fahorian-tsaina ateraky ny feon’ny fieritreretana tsy mandry. (Romana 2:15). Afaka mamaly soa antsika koa anefa ny feon’ny fieritreretantsika. Mahatsapa ho afa-po isika, rehefa manao zavatra tsy amim-pitiavan-tena ho an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona amintsika. Manjary hitantsika fa “mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray”. (Asan’ny Apostoly 20:35). Misy antony lehibe ny amin’izany.

Ny Mpamorona antsika dia nanao antsika tamin’ny fomba izay hahatonga ny fanirian’ny mpiara-belona amintsika sy ny zavatra ilainy hisy vokany eo amintsika. Miteraka fifaliana ao am-pontsika ny fanampiana ny hafa. Fanampin’izany, dia manome toky antsika ny Baiboly hoe rehefa manome an’ireo olona mahantra isika, dia heverin’Andriamanitra ho soa atao aminy izany.​—Ohabolana 19:17.

Ankoatra ny fanomezana antsika fahafaham-po anaty, moa ve ny fiheverana izay ilaintsika ara-panahy manampy antsika amin’ny fomba azo tsapain-tanana? Mino izany ny mpandraharaha iray any Moyen-Orient, antsoina hoe Raymond. “Ny hahazo vola no hany zava-nokendreko”, hoy izy. “Niova anefa aho, hatramin’ny fotoana nanekeko tao am-poko fa misy Andriamanitra, ary milaza ny sitrapony ny Baiboly. Toerana faharoa eo amin’ny fiainako ankehitriny ny fitadiavam-bola. Amin’ny fiezahana hampifaly an’Andriamanitra, dia voaro amin’ny fahatsapana fankahalana tena manimba aho. Na dia maty aza ny raiko nandritra ny fifandonana iray, dia tsy naniry ny hamaly faty tamin’ireo nahatonga izany aho.”

Araka ny hitan’i Raymond, dia afaka manasitrana ratra ara-pihetseham-po lalina ny fikarakarana tsara ny zavatra ilain’ny “olona araka ny Fanahy”. Kanefa, raha tsy miatrika ireo zava-manahirana entin’ny andro tsirairay isika, dia tsy hitondra fahafaham-po feno ny fiainana.

Afaka mahazo “ny fiadanan’Andriamanitra” isika

Eo amin’ity tontolo feno fikorontanana ity, dia andro vitsy no tsy ahitana zava-manahirana. Mitranga ny loza, tsy mandeha tsara ny zavatra kasaina hatao, ary mandiso fanantenana antsika ny olona. Mety hanaisotra ny fahasambarantsika ireo fahavoazana ireo. Ho an’ireo izay manompo an’i Jehovah Andriamanitra anefa, dia mampanantena fahafaham-po anaty​—“ny fiadanan’Andriamanitra”​—ny Baiboly. Ahoana no ahazoantsika io fiadanana io?

Hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly: “Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.” (Filipiana 4:6, 7). Tsy hanandrana hitondra samirery ny zava-manahirana antsika isika, fa mila mivavaka mafy kosa, ka hametraka ny enta-mavesatsika isan’andro amin’Andriamanitra. (Salamo 55:22). Ny finoana fa hamaly ny fitalahoana toy izany, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Zanany, izy, dia hitombo, rehefa mitombo ara-panahy sy mahafantatra ny fomba hanampian’Andriamanitra antsika isika.​—Jaona 14:6, 14; 2 Tesaloniana 1:3.

Rehefa avy nampiorina ny fatokisantsika amin’i Jehovah Andriamanitra, ilay “Mpihaino vavaka”, isika, dia afaka miatrika tsara kokoa ny fisedrana, toy ny aretina maharitra, ny fahanterana, na ny famoizana olon-tiana amin’ny fahafatesana. (Salamo 65:2). Mba hananana fiainana tena misy heviny anefa, dia tsy maintsy manisy fiheverana ny hoavy koa isika.

Mifalia amin’ny fanantenana ho avy

Ny Baiboly dia mampanantena “lanitra vaovao sy tany vaovao”, dia fitondram-panjakana marina sy miahy any an-danitra, izay hanapaka eo amin’ny fianakavian’olombelona mpankatò. (2 Petera 3:13). Ao amin’izany tontolo vaovao nampanantenain’Andriamanitra izany, dia hisolo toerana ny ady sy ny tsy rariny ny fiadanana sy ny rariny. Tsy faniriana mihelina fotsiny akory izany, fa fiekena mafy izay afaka ny hihamafy orina isan’andro. Vaovao tsara tokoa izany, no sady tena antom-pifaliana.​—Romana 12:12; Titosy 1:2.

I John, izay noresahina tetsy am-piandohana, dia mahatsapa ankehitriny fa misy heviny kokoa ny fiainany. “Na dia tsy tena mpivavaka be mihitsy aza aho, dia nino an’Andriamanitra foana”, hoy izy. “Tsy nanao na inona na inona momba io finoana io anefa aho, raha tsy rehefa tonga nitsidika ahy ny Vavolombelon’i Jehovah roa. Nototofako fanontaniana izy ireo hoe: ‘Nahoana isika no eto? Inona no miandry antsika amin’ny hoavy?’ Ny valiny ara-baiboly nahafa-po nomen’izy ireo no zavatra voalohany nampisy zava-kendrena teo amin’ny fiainako. Vao fiandohana fotsiny tamin’izay. Nampitombo hetaheta ho amin’ny fahamarinana, izay nitarika ahy hanova ny zavatra rehetra noheveriko ho sarobidy, aho. Na dia tsy manankarena ara-nofo intsony aza aho, dia mahatsiaro ho toy ny mpanefohefo ara-panahy.”

Tahaka an’i John, dia angamba ianao namela ny fiainanao ara-panahy hatory nandritra ny taona maro. Amin’ny fambolena miandalana “fo hendry” anefa, dia afaka mamoha azy io ianao. (Salamo 90:12). Amin’ny fananana fahatapahan-kevitra sy amin’ny fanaovana ezaka, dia afaka manana tena fifaliana sy fiadanana ary fanantenana ianao. (Romana 15:13). Eny tokoa, ary afaka ny hisy heviny kokoa ny fiainanao.

[Sary, pejy 6]

Afaka manome antsika ny “fiadanan’ Andriamanitra” ny vavaka

[Sary, pejy 7]

Fantatrao ve hoe inona no afaka manome fiainam-pianakaviana mahafa-po kokoa?