Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Voataonan’ireo Cyniques ve Ianao?

Voataonan’ireo Cyniques ve Ianao?

Voataonan’ireo Cyniques ve Ianao?

“OLONA tsy mba mahita toetra tsara ao amin’ny olona, fa mahita toetra ratsy foana, no atao hoe cynique. Olona vorondolo izy, mahiratra ao amin’ny haizina, ary jamba ao amin’ny mazava, mitady bibikely mahadikidiky, ary tsy mahita biby fihaza tsara na oviana na oviana.” I Henry Ward Beecher, mpitondra fivavahana amerikanina tamin’ny taonjato faha-19, no nolazaina fa nanao io fanambarana io. Maro no mety hihevitra fa mahalaza tsara ny toe-tsain’ny cynique, na olona mpiahiahy ny hafa, amin’ny andro ankehitriny, izy io. Niandoha tany Gresy fahiny anefa ny teny hoe “cynique”, ka tany izy io dia tsy nanondro fotsiny ny olona nampiseho io fihetsika io, fa ny firehan-kevitra iray narahin’ny filozofa sasany nandritra ny taonjato maro.

Ahoana no nitomboan’io filozofian’ny cyniques io? Inona no nampianarin’izy ireo? Tsara ho an’ny Kristianina ve ny lafin-toetran’ny cyniques, na Mpiahiahy ny Hafa?

Ny Mpiahiahy ny Hafa fahiny​—Ny niandohany sy ny zavatra ninoany

Toerana mora nipoiran’ny fifamaliana sy ny adihevitra i Gresy fahiny. Nandritra ireo taonjato nialoha ny Fanisan-taona Iraisantsika, dia nisy lehilahy toa an-dry Socrate sy Platon ary Aristote, nanolotra ireo filozofia izay nampahalaza azy. Nisy heriny lalina teo amin’ny olona ny fampianarany, ary mbola hita ao amin’ny kolontsaina tandrefana ihany ny fomba fiheviny.

Nilaza i Socrate (470-399 al.f.i.) fa tsy amin’ny fikatsahana zavatra ara-nofo na amin’ny fankafizana fahafinaretan’ny nofo no ahitana ny fahasambarana maharitra. Nanizingizina izy fa ny tena fahasambarana dia avy amin’ny fiainana natokana hikatsahana hatsaran-toetra. Nihevitra ny hatsaran-toetra ho ny fara tampony amin’ny zavatra tsara i Socrate. Mba hanatratrarana io tanjona io, dia nailiny ny haitraitra ara-nofo sy ny zavatra tsy ilaina rehetra, satria nihevitra izy fa hanelingelina azy izy ireny. Nandray ny fahalalana onony sy ny fampihafian-tena ho anisan’ny fiainany izy, ary tsy tia sehoseho sy tso-piaina.

I Socrate dia namorona fomba fampianatra fantatra amin’ny hoe fomban’i Socrate. Raha nanolotra hevitra iray, ary avy eo dia nandroso fanaporofoan-kevitra ny ankamaroan’ny mpandinika, i Socrate kosa nanao ny mifanohitra amin’izany. Nihaino ny teorian’ireo filozofa hafa izy, ary nitady hanala sarona ireo tsininy tao amin’ny hevitr’izy ireo. Nampirisika ny olona ho tia manakiana sy hanamavo ny hafa izany fomba fanaovan-javatra izany.

Anisan’ny mpanara-dia an’i Socrate ilay filozofa antsoina hoe Antisthène (tokony ho tamin’ny 445-365 al.f.i.). Nanao nihoatra noho ny fampianarana fototra nomen’i Socrate izy sy ny maro hafa koa, tamin’ny filazana fa ny hatsaran-toetra no hany tsara. Ho azy ireo, ny fikatsahana fahafinaretana dia tsy hoe fanelingelenana fotsiny, fa endrika iray isehoan’ny faharatsiana mihitsy. Nanjary faran’izay nanohitra ny fiaraha-monina izy ireo, ka feno fanamavoana ny olombelona hafa. Nanjary fantatra ho cyniques, na Mpiahiahy ny Hafa, izy ireo. Ny anarana hoe cynique dia mety ho avy tamin’ilay teny grika hoe (ky·ni·kosʹ), izay milazalaza olona monto-dava sy mizahozaho. Midika hoe “ohatra ny alika” izy io. *

Ny vokany teo amin’ny fomba fiainan’izy ireo

Na dia toa mendri-piderana aza ny fampianarana sasany ao amin’ny filozofian’ny Mpiahiahy ny Hafa, toy ny fanoherana ny fiahiana fatratra ny zavatra ara-nofo sy ny fanaranam-po, dia tafahoatra ny fomba fiheviny. Hita miharihary izany teo amin’ny fiainan’ilay Mpiahiahy ny Hafa malaza indrindra​—ilay filozofa atao hoe Diogène.

Teraka tao Sinope, tanàna manamorona ny Ranomasina Mainty, i Diogène, tamin’ny 412 al.f.i. Nifindra tany Atena niaraka tamin’ny rainy izy, ka tany no nifampikasohany tamin’ny fampianaran’ny Mpiahiahy ny Hafa. I Antisthène no nampianatra an’i Diogène, ka nahatonga azy ho vonton’ny filozofian’ny Mpiahiahy ny Hafa. Tsotra ny fiainan’i Socrate, ary be fihafiana ny an’i Antisthène. Ny an’i Diogène kosa anefa, dia fiainana feno fampijalian-tena. Mba hanantitranterana ny fandavany ny fiadanana entin’ny zavatra ara-nofo, dia voalaza fa nonina tao anaty barìka nandritra ny fotoana fohy, hono, i Diogène!

Ho fitadiavana ny faran’izay tsara, dia voalaza fa nandeha nitety an’i Atena tamin’ny antoandrobenanahary, nitondra jiro nirehitra, i Diogène, mba hahitana olona iray tsara toetra! Nanintona ny saina ny fihetsika toy izany, ka tonga fomba nentin’i Diogène sy ny olon-kafa Mpiahiahy ny Hafa hampianarana. Misy milaza fa nanontany an’i Diogène izay zavatra mba tena niriny, hono, i Aleksandra Lehibe, indray andro. Nilaza, hono, i Diogène, fa naniry fotsiny ny hikisahan’i Aleksandra izy, mba tsy hanakonany ny masoandro!

Niaina toy ny mpangataka i Diogène sy ny olon-kafa Mpiahiahy ny Hafa. Tsy nanam-potoana ho an’ny fifandraisan’olombelona ara-dalàna izy ireo, ary nanilika ireo adidy ara-piaraha-monina. Nanjary tena tsy nanaja ny hafa izy ireo, angamba noho ny fiantraikan’ny fomban’i Socrate teo aminy. Nanjary fantatra noho ny esoeson-teniny nandratra i Diogène. Nahazo laza ho “ohatra ny alika” ny Mpiahiahy ny Hafa, kanefa i Diogène dia nantsoina mihitsy hoe Ilay Alika. Maty tokony ho tamin’ny 320 al.f.i. izy, fony 90 taona teo ho eo. Nisy tsangambato vita tamin’ny marbra, nasiana sarin’alika, natao teo ambonin’ny fasany.

Noraisin’ny olon-kafa tsy nitovy firehan-kevitra taminy ny lafiny sasany tamin’ny filozofian’ny cyniques. Rehefa nandeha anefa ny fotoana, ireo toetra hafahafan’i Diogène sy ny mpanara-dia azy tatỳ aoriana, dia nahatonga ny filozofian’ny cyniques ho ratsy laza. Tamin’ny farany, dia nanjavona tanteraka izy io.

Ny Mpiahiahy ny Hafa amin’izao fotoana izao​Tokony handray ireo lafin-toetrany ve ianao?

Ny The Oxford English Dictionary dia milazalaza ny mpiahiahy ny hafa amin’ny andro ankehitriny ho “olona vonona handevilevy na hitady tsiny. (...) Olona mampiseho ny tsy fatokisany ny fahatsoram-po na ny hatsaram-po manosika ny olombelona hanao zavatra, ary mirona hilaza izany amin’ny alalan’ny fanarabiana sy ny fanesoana; olona mpanaraby sady be fanakianana”. Hita eo amin’ny manodidina antsika ireo lafin-toetra ireo, kanefa mazava ho azy fa tsy mifanaraka amin’ny toetra kristianina izy ireo. Diniho ireto fampianarana sy foto-pitsipiky ny Baiboly manaraka ireto.

“Mamindra fo sy miantra Jehovah, mahari-po sady be [hatsaram-panahy miharo fitiavana, “NW”]. Tsy mandaha-teny mandrakariva Izy, na mitahiry fahatezerana mandrakizay.” (Salamo 103:8, 9). Asaina “hanahaka an’Andriamanitra” ny Kristianina. (Efesiana 5:1). Raha mifidy ny haneho famindram-po sy hatsaram-panahy miharo fitiavana be dia be ilay Andriamanitra Tsitoha, fa tsy “vonona handevilevy na hitady tsiny”, dia azo antoka fa tokony hiezaka hanao toy izany koa ny Kristianina.

I Jesosy Kristy, ilay endriky ny tenan’i Jehovah indrindra, dia ‘namela fianarana ho antsika, mba hanarahantsika ny diany’. (1 Petera 2:21; Hebreo 1:3). Indraindray i Jesosy dia nanala sarona ny lainga ara-pivavahana sy nilaza ny faharatsian’ny asan’izao tontolo izao. (Jaona 7:7). Na izany aza, dia nanao teny fiderana an’ireo olona tso-po izy. Nilaza toy izao izy, ohatra, momba an’i Natanaela: “Indro ny tena Isiraelita tsy misy fitaka.” (Jaona 1:47). Nifantoka tamin’ny finoan’ilay olona i Jesosy, rehefa nanao fahagagana. (Matio 9:22). Ary rehefa nieritreritra ny sasany fa tafahoatra ny fanomezana nataon’ny vehivavy iray mba ho fankasitrahana, dia tsy mba niahiahy ny antony nanosika azy io hanao izany kosa i Jesosy, fa nilaza hoe: “Na aiza na aiza amin’izao tontolo izao no hitoriana ity filazantsara ity, dia holazaina koa izay nataon-dravehivavy mba ho fahatsiarovana azy.” (Matio 26:6-13). Namana nahatoky sy sakaiza nanana firaiketam-po tamin’ireo mpanara-dia azy i Jesosy, ary ‘tia azy ireo hatramin’ny farany’.​—Jaona 13:1.

Koa satria lavorary i Jesosy, dia afaka nahita mora foana ny fahadisoan’ny olombelona tsy lavorary. Tsy naneho toe-tsaina be fiahiahiana sy be fanakianana anefa izy, fa nitady kosa izay hamelombelomana ny olona.​—Matio 11:29, 30.

“Mino ny zavatra rehetra [ny fitiavana]”. (1 Korintiana 13:7). Io fanambarana io dia mifanohitra mivantana amin’ny toe-tsain’ny mpiahiahy ny hafa, izay misalasala momba ny antony manosika ny hafa hanao zavatra sy momba ny zavatra ataony. Mazava ho azy fa feno olona manana antony manosika miafina izao tontolo izao; noho izany, dia ilaina ny mitandrina. (Ohabolana 14:15). Na izany aza, ny fitiavana dia vonona ny hino, satria feno fitokisana izy io, fa tsy fatra-piahiahy.

Tia sy matoky ny mpanompony Andriamanitra. Mahafantatra tsara kokoa noho izy ireo ny fetran’ny mety ho vitan’izy ireo izy. Tsy miahiahy na oviana na oviana ny vahoakany anefa i Jehovah, ary tsy mitaky mihoatra noho izay azon’izy ireo atao araka ny antonony, izy. (Salamo 103:13, 14). Ambonin’izany, dia mitady ny lafy tsaran’ny olombelona Andriamanitra, ary manome amim-patokisana tombontsoa sy fahefana an’ireo mpanompony tsy mivadika, na dia tsy lavorary aza izy ireo.​—1 Mpanjaka 14:13; Salamo 82:6.

“Izaho Jehovah no Mpandinika ny fo sy Mpamantatra ny voa, mba hanome ny olona rehetra araka ny alehany, dia araka ny vokatry ny asany.” (Jeremia 17:10). Afaka mamaky amin’ny fomba tsy misy diso ny ao am-pon’ny olona i Jehovah. Tsy afaka manao izany kosa isika. Mila mitandrina àry isika mba tsy hihevitra ny hafa ho manana antony manosika ratsy.

Hahatonga fisarahana eo amintsika sy ny mpiray finoana amintsika ny famelana ny toe-tsaina miahiahy ny hafa hiorim-paka ao amintsika sy hibahana ao an-tsaintsika. Afaka ny hanakorontana ny fiadanana ao amin’ny kongregasiona kristianina izy io. Aoka kosa àry isika hanaraka ny ohatr’i Jesosy, izay nahita ny zava-nisy, nefa nanana fomba fijery nanorina, teo amin’ny fifandraisany tamin’ny mpianany. Nanjary namana natoky ho azy ireo izy.​—Jaona 15:11-15.

“Araka izay tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa.” (Lioka 6:31). Misy fomba maro azo ampiharana an’io torohevitr’i Jesosy Kristy io. Isika rehetra, ohatra, dia tia kokoa ny hiresahana amin-katsaram-panahy sy amim-panajana. Azo antoka àry fa tokony hiresaka amin’ny hafa amin’ny fomba feno hatsaram-panahy sy fanajana isika. Na dia rehefa nanala sarona ny fampianaran-dison’ireo filoha ara-pivavahana aza i Jesosy, dia tsy nanao izany tamin’ny fomba feno fiahiahiana na oviana na oviana izy.​—Matio 23:13-36.

Fomba iadiana amin’ny fiahiahiana ny hafa

Raha nisy zavatra nandiso fanantenana antsika, dia mety ho mora amintsika ny ho voataonan’ny fiahiahiana ny hafa. Afaka miady amin’io fironana io isika, amin’ny fankasitrahana ny fifampiraharahan’i Jehovah amim-patokisana amin’ny vahoakany tsy lavorary. Izany dia hanampy antsika hanaiky ny maha izy an’ireo mpivavaka hafa amin’Andriamanitra​—olona tsy lavorary, izay miezaka hanao ny marina.

Mety hitarika ny sasany tsy hatoky olona ireo zavatra nampalahelo niainany. Marina fa tsy fahendrena ny hametrahana ny fitokisantsika tanteraka amin’ny olombelona tsy lavorary. (Salamo 146:3, 4). Maro anefa no miezaka amim-pahatsorana ny hampahery ny hafa, ao amin’ny kongregasiona kristianina. Eritrereto fotsiny ireo olona an’arivony maro, izay toy ny reny, ray, anabavy, rahalahy, ary zanaka, ho an’ireo izay namoy ny fianakaviany. (Marka 10:30). Eritrereto ny hamaroan’ireo izay ho tena sakaiza amin’ny fotoam-pahoriana. *​—Ohabolana 18:24.

Tsy ny fiahiahiana ny hafa, fa ny fitiavan-drahalahy, no hamantarana ny mpanara-dia an’i Jesosy, satria nilaza toy izao izy: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” (Jaona 13:35). Koa aoka àry isika haneho fitiavana, ary aoka isika hifantoka amin’ny toetra tsaran’ireo Kristianina hafa. Hanampy antsika hanalavitra ireo lafin-toetran’ny Mpiahiahy ny Hafa ny fanaovantsika izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Mety ho avy amin’ny hoe Ky·noʹsar·ges, sekoly iray nampianaran’i Antisthène tao Atena, koa ny anarana hoe cynique.

^ feh. 27 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Ny Kôngregasiôna Kristianina​—Loharanon’ny Fanampiana Manatanjaka”, ao amin’Ny Tilikambo Fiambenana 15 May 1999.

[Sary, pejy 21]

Diogène, ilay Mpiahiahy ny Hafa malaza indrindra

[Sary nahazoan-dalana]

Avy amin’ny boky Great Men and Famous Women