Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Ao Amin’ny Olona Mihevi-tena Araka ny Antonony no Misy Fahendrena’

‘Ao Amin’ny Olona Mihevi-tena Araka ny Antonony no Misy Fahendrena’

‘Ao Amin’ny Olona Mihevi-tena Araka ny Antonony no Misy Fahendrena’

“Inona no angatahin’i Jehovah aminao ho setriny afa-tsy ny (...) hihevi-tena araka ny antonony eo am-piaraha-mandeha amin’Andriamanitrao?”​—MIKA 6:8, NW.

1, 2. Inona moa no atao hoe fiheveran-tena araka ny antonony, ary inona no maha samy hafa azy io amin’ny fahasahisahian-dratsy?

TSY nety nisarika ny saina ho amin’ny tenany ny apostoly iray nitana toerana miavaka. Nilaza ny tenany ho ny kely indrindra tao amin’ny ankohonan-drainy ny mpitsara isiraelita iray be herim-po. Niaiky ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany fa tsy manana ny fahefana tampony ny tenany. Samy nihevi-tena araka ny antonony ireo lehilahy ireo.

2 Ny fiheveran-tena araka ny antonony dia mifanohitra amin’ny fahasahisahian-dratsy. Ny olona mihevi-tena araka ny antonony dia tsy manana fiheverana tafahoatra ny amin’ny fahaizany sy ny hasarobidiny, ary tsy mihevi-tena ho zavatra na mieboebo. Tsy miavonavona na mirehareha na fatra-paniry laza izy, fa mahatsapa foana kosa hoe voafetra ny mety ho vitany. Koa manaja sy manisy fiheverana araka ny tokony ho izy ny fihetseham-po sy ny fomba fihevitry ny hafa àry izy.

3. Nahoana no ‘ao amin’ny olona mihevi-tena araka ny antonony’ ny fahendrena?

3 Noho ny antony marim-pototra àry no ilazan’ny Baiboly hoe: “Ao amin’ny [olona mihevi-tena araka ny antonony, NW ] no misy fahendrena.” (Ohabolana 11:2). Hendry ny olona mihevi-tena araka ny antonony, satria manao izay ankasitrahan’Andriamanitra izy, ary manalavitra toe-tsaina feno fahasahisahian-dratsy izay mitondra fahafaham-baraka. (Ohabolana 8:13; 1 Petera 5:5). Manamafy ny maha fahendrena ny fiheveran-tena araka ny antonony, ny fiainan’ny mpanompon’Andriamanitra maromaro. Andeha isika handinika ireo ohatra telo voatonona teo amin’ny fehintsoratra voalohany.

Paoly​‘Mpanompo’ sady ‘mpitandrin-draharaha’

4. Inona avy ireo tombontsoa tsy manam-paharoa nananan’i Paoly?

4 Nitana toerana miavaka teo anivon’ny Kristianina tany am-boalohany i Paoly, ary tsy mahagaga izany. Nandritra ny fanompoany, dia nanao dia an-dranomasina sy an-tanety an’arivony kilaometatra maro izy, ka nanorina kongregasiona maro be. Tsy vitan’izany fa notahin’i Jehovah i Paoly, ka nomeny fahitana, ary koa fahaizana miteny vahiny. (1 Korintiana 14:18; 2 Korintiana 12:1-5). Nomen’i Jehovah tsindrimandry koa i Paoly hanoratra taratasy 14, izay anisan’ny Soratra Grika Kristianina ankehitriny. Mazava àry fa azo lazaina ho niasa fatratra noho ny apostoly hafa rehetra i Paoly.​—1 Korintiana 15:10.

5. Ahoana no nampisehoan’i Paoly fa nihevi-tena araka ny antonony izy?

5 Koa satria loha laharana teo amin’ny asa kristianina i Paoly, dia nety ho nisy nihevitra azy ho tia ny nisongadina, eny, ho nirehareha noho ny fahefany mihitsy aza. Tsy toy izany anefa i Paoly, fa nihevi-tena araka ny antonony kosa. Nilaza ny tenany ho ny “ambany indrindra amin’ny Apostoly” izy, ary nanampy teny hoe: “Tsy mendrika hatao hoe Apostoly [aho], satria efa nanenjika ny fiangonan’Andriamanitra”. (1 Korintiana 15:9). Nanenjika ny Kristianina tokoa i Paoly teo aloha, ka tsy nohadinoiny na oviana na oviana fa noho ny hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory ihany no nahafahany nanana fifandraisana taminy, indrindra fa ny nahazoany tombontsoam-panompoana manokana. (Jaona 6:44; Efesiana 2:8). Koa tsy nihevitra àry i Paoly hoe nahatonga azy ho ambony noho ny hafa, ny zava-bitany niavaka teo amin’ny fanompoana.​—1 Korintiana 9:16.

6. Ahoana no nanehoan’i Paoly fiheveran-tena araka ny antonony, teo amin’ny fifandraisany tamin’ny Korintianina?

6 Niharihary indrindra teo amin’ny fifandraisan’i Paoly tamin’ny Korintianina ny fiheverany tena araka ny antonony. Ny sasany tamin’izy ireo dia toa tia manokana an’ireo noheveriny ho mpiandraikitra nitana toerana niavaka, anisan’izany i Apolosy sy i Kefasy ary ny tenan’i Paoly koa. (1 Korintiana 1:11-15). Tsy nila dera tamin’ny Korintianina na nanararaotra ny fideran’izy ireo anefa i Paoly. Rehefa nitsidika azy ireo izy, dia tsy tonga “tamin’ny teny sy fahendrena marevaka”. Hoy kosa izy, mahakasika ny tenany sy ireo namany: “Aoka hataon’ny olona ho mpanompon’i Kristy sy mpitandrina ny zava-miafina izay an’Andriamanitra izahay.” *​—1 Korintiana 2:1-5; 4:1.

7. Ahoana no nanehoan’i Paoly fiheveran-tena araka ny antonony, na dia rehefa nanome torohevitra aza izy?

7 Naneho fiheveran-tena araka ny antonony i Paoly, na dia rehefa tsy maintsy nanome torohevitra sy toromarika mahery aza. Niangavy an’ireo Kristianina hafa izy, “noho ny famindrampon’Andriamanitra” sy “noho ny fitiavana”, fa tsy noho ny fahefany tamin’ny naha apostoly azy. (Romana 12:1, 2; Filemona 8, 9). Nahoana i Paoly no nanao toy izany? Satria tena nihevi-tena ho “mpiara-miasa” tamin’ireo rahalahiny izy, fa tsy ho ‘tompon’ny finoan’izy ireo’. (2 Korintiana 1:24). Tsy isalasalana fa ny niheveran’i Paoly tena araka ny antonony no nahatonga azy ho tena mamin’ny fon’ireo kongregasiona kristianina tamin’ny taonjato voalohany.​—Asan’ny Apostoly 20:36-38.

Fiheverana araka ny antonony ny tombontsoantsika

8, 9. a) Nahoana isika no tokony hihevi-tena araka ny antonony? b) Ahoana no ahafahan’ireo olona manana andraikitra mihevi-tena araka ny antonony?

8 Namela ohatra tsara dia tsara ho an’ny Kristianina ankehitriny i Paoly. Na inona na inona andraikitra nankinina tamintsika, dia tsy misy amintsika tokony hihevi-tena ho ambony noho ny hafa. Hoy ny nosoratan’i Paoly: “Raha misy manao ny tenany ho zavatra, kanjo tsinontsinona, dia mamitaka ny tenany izy.” (Galatiana 6:3). Nahoana? Satria “samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra”. (Romana 3:23, izahay no manao sora-mandry; 5:12). Eny, tsy tokony hohadinointsika na oviana na oviana fa nandova ota sy fahafatesana avy tamin’i Adama isika rehetra. Tsy manandratra antsika ho afaka amin’ny toerantsika ambany, dia amin’ny maha mpanota antsika, ny fahazoana tombontsoa manokana. (Mpitoriteny 9:2). Toy ny tamin’i Paoly, dia noho ny hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory ihany no ahafahan’ny olombelona manana fifandraisana aminy, indrindra fa ny anompoany azy eo amin’ny tombontsoam-panompoana manokana.​—Romana 3:12, 24.

9 Mahatakatra izany ny olona iray mihevi-tena araka ny antonony, ka tsy midera tena noho ny nahazoany tombontsoa na mirehareha noho ny zava-bitany. (1 Korintiana 4:7). Rehefa manome torohevitra na toromarika izy, dia mitondra tena toy ny mpiara-miasa, fa tsy toy ny tompo. Azo antoka fa tsy tsara raha toa ny olona iray mahay kokoa amin’ny fanaovana asa iray, ka mila dera avy amin’ny mpiray finoana aminy, na manararaotra ny fideran’izy ireo. (Ohabolana 25:27; Matio 6:2-4). Ny hany teny fiderana misy vidiny dia izay ataon’ny hafa, ary tsy tokony hangatahina izany. Raha mahazo teny fiderana isika, dia tsy tokony havelantsika hahatonga antsika hihevi-tena mihoatra noho izay tokony hoheverina, izany.​—Ohabolana 27:2; Romana 12:3.

10. Hazavao hoe ahoana no mety hahatonga ny olona iray toa tsotsotra, ho mety ho tena “mpanan-karena amin’ny finoana”.

10 Rehefa anankinana andraikitra isika, ny fiheveran-tena araka ny antonony dia hanampy antsika tsy hanantitrantitra be loatra ny amin’ny tenantsika, ka hanao izay hiheveran’ny hafa fa noho ny ezaka ataontsika sy ny fahaizantsika ihany no mampiroborobo ny kongregasiona. Ohatra, mety hanan-talenta manokana amin’ny fampianarana isika. (Efesiana 4:11, 12). Raha mihevi-tena araka ny antonony anefa isika, dia tsy maintsy manaiky fa tsy avy eny amin’ny lampihazo no andraisantsika ny sasany amin’ny fianarana lehibe indrindra any amin’ny fivorian’ny kongregasiona. Tsy mampahery anao ve, ohatra, ny mahita ray na reny mitaiza irery ny zanany, izay tonga tsy tapaka ao amin’ny Efitrano Fanjakana miaraka amin’ireo zanany manaraka azy akaiky? Na mahita olona ketraka tsy mahafoy ireo fivoriana, na dia tsy afaka ao aminy aza ny fiheveran-tena ho tsy misy vidiny? Na mahita tanora manao fandrosoana ara-panahy tsy an-kijanona, na dia eo aza ny fitaoman-dratsy any an-tsekoly sy any an-toeran-kafa? (Salamo 84:10). Mety ho tsy misongadina ireny olona ireny. Tsy voamariky ny hafa ny fisedrana ny tsy fivadihany, amin’ny ankapobeny. Na izany aza, dia mety ho “mpanan-karena amin’ny finoana” toy ireo manana toerana miavaka kokoa, izy ireny. (Jakoba 2:5). Rehefa heverina tokoa, dia ny fahatokiana eo anatrehan’i Jehovah no hahazoana sitraka aminy, amin’ny farany.​—Matio 10:22; 1 Korintiana 4:2.

Gideona​“Ny kely indrindra” tao amin’ny ankohonan-drainy

11. Ahoana no nanehoan’i Gideona fiheveran-tena araka ny antonony, rehefa niresaka tamin’ny anjelin’Andriamanitra izy?

11 Velona nandritra ny fotoana iray feno hotakotaka teo amin’ny tantaran’ny Isiraely i Gideona, tovolahy tomady avy tamin’ny fokon’i Manase. Nijaly noho ny fampahorian’ny Midianita ny vahoakan’Andriamanitra, nandritra ny fito taona. Tonga anefa izao ny fotoana hanafahan’i Jehovah ny vahoakany. Koa niseho tamin’i Gideona àry ny anjely iray, ka nanao hoe: “Jehovah no momba anao, ry lehilahy mahery.” Nihevi-tena araka ny antonony i Gideona, ka tsy finaritra be tamin’ny voninahitra azony avy tamin’io teny fiderana tsy nampoiziny io. Nilaza toy izao tamim-panajana tamin’ilay anjely kosa izy: “Indrisy, Tompoko, raha momba anay Jehovah, nahoana no ozoin’izao rehetra izao izahay?” Nanazava ny toe-draharaha ilay anjely, ka nilaza tamin’i Gideona hoe: ‘Hamonjy ny Isiraely amin’ny tanan’ny Midiana ianao.’ Ahoana no navalin’i Gideona? Tsy may ny hanararaotra ilay fanendrena azy izy mba hahatongavana ho mahery fo teo amin’ilay firenena, fa namaly kosa hoe: “Indrisy, Tompo ô, hataoko ahoana no famonjy ny Isiraely? He! ny mpianakaviko no malahelo indrindra eo amin’ny Manase, ary izaho no kely indrindra amin’ny ankohonan’ny raiko.” Nihevi-tena araka ny antonony tokoa izy!​—Mpitsara 6:11-15.

12. Ahoana no nampisehoan’i Gideona fa tsy tia sehoseho izy teo am-panatontosana ilay asa nanendrena azy?

12 Notsapain’i Jehovah i Gideona, talohan’ny nandefasany azy hiady. Tamin’ny fomba ahoana? Nilazany izy mba handrava ny alitaran-drainy ho an’i Bala sy hanjera ilay tsato-kazo masina nijoro teo anilan’izy io. Nitaky herim-po ny fanaovana izany, kanefa nihevi-tena araka ny antonony sy tsy tia sehoseho koa i Gideona, teo am-panatontosana ilay izy. Tsy nanao izany ampahibemaso izy, fa tamin’ny alina, rehefa tena azo inoana fa tsy hisy hahita azy. Ankoatra izany, dia malina araka ny tokony ho izy i Gideona rehefa nanao ilay asa nanendrena azy. Nitondra mpanompo folo izy, mba hahafahan’ny sasany hiambina angamba, raha mbola nanampy azy handrava ilay alitara sy ilay tsato-kazo masina ny sisa. * Na ahoana na ahoana, noho ny fitahian’i Jehovah, dia nahatontosa ilay asa nanendrena azy i Gideona, ary nampiasain’Andriamanitra mba hanafahana ny Isiraely teo an-tanan’ny Midianita, taoriana kelin’izay.​—Mpitsara 6:25-27.

Mihevi-tena araka ny antonony sy tsy tia sehoseho

13, 14. a) Ahoana no ahafahantsika maneho fiheveran-tena araka ny antonony, rehefa omena tombontsoam-panompoana isika? b) Ahoana no namelan’ny Rahalahy A. H. Macmillan ohatra tsara dia tsara, raha ny amin’ny fiheveran-tena araka ny antonony?

13 Be dia be ny zavatra azontsika ianarana avy amin’ny fiheveran’i Gideona tena araka ny antonony. Ohatra, manao ahoana ny fihetsitsika, rehefa omena tombontsoam-panompoana isika? Moa ve tonga ao an-tsaintsika avy hatrany ny toerana miavaka na ny laza ho azontsika avy amin’izany? Sa kosa isika mihevi-tena araka ny antonony, ka mandinika amim-pahatsorana raha ho vitantsika ilay asa anendrena na tsia? Namela ohatra tsara dia tsara amin’io lafiny io ny Rahalahy A. H. Macmillan, izay nahavita ny fihazakazahany teto an-tany tamin’ny 1966. Nanontany azy indray mandeha i C. T. Russell, prezidà voalohan’ny Fikambanana Watch Tower, hoe iza no noheveriny ho afaka hiandraikitra ny asa, rehefa tsy ho eo izy. Tsy mba nanolotra ny tenany, na dia indray mandeha aza, ny Rahalahy Macmillan, tamin’ny tohin’ilay resaka, na dia tena nety aza ny nanaovany izany. Tamin’ny farany, dia nasain’ny Rahalahy Russell izy handinika ny amin’ny fanekena hanao ilay asa. Hoy ny nosoratan’ny Rahalahy Macmillan, taona maro tatỳ aoriana: “Nivanàka teo aho. Tena nieritreritra ilay izy tamim-pitandremana tsara aho, ary nivavaka momba ilay izy nandritra ny fotoana elaela aloha, vao nilaza taminy, tamin’ny farany, fa ho faly aho hanao izay rehetra azoko atao, mba hanampiana azy.”

14 Tsy ela taorian’izay, dia nodimandry ny Rahalahy Russell, ka tsy nisy nitana ny toeran’ny prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower. Koa satria ny Rahalahy Macmillan no niandraikitra ny asa, nandritra ny dia fitoriana farany nataon’ny Rahalahy Russell, dia nilaza taminy toy izao ny rahalahy iray: “Ianao, ry Mac, no tena mety hahazo ilay toerana. Ianao no solontena manokan’ny Rahalahy Russell, fony izy tsy teo, ary nilazany izahay rehetra mba hanaraka izay lazainao. Koa lasa izy ka tsy niverina intsony. Toa ianao no handimby azy.” Hoy ny navalin’ny Rahalahy Macmillan: “Tsy toy izany, ry rahalahy, no fomba fijery ity raharaha ity. Asan’ny Tompo izy ity, ary ny hany toerana azonao ao anatin’ny fandaminan’ny Tompo dia izay hitany fa azo omena anao; ary azoko antoka fa tsy ny tenako no tokony ho eo amin’ilay toerana.” Avy eo dia nanolotra olon-kafa ho eo amin’ilay toerana ny Rahalahy Macmillan. Sahala amin’i Gideona, dia nihevi-tena araka ny antonony izy, ka fahendrena ny hanahafantsika azy.

15. Inona avy no fomba tsara sasany azontsika anehoana fahaiza-manavaka, rehefa mitory amin’ny hafa isika?

15 Tokony hihevi-tena araka antonony koa isika, eo amin’ny fomba fanatontosantsika ny asa anendrena antsika. Tsy tia sehoseho i Gideona, ary niezaka ny tsy hampahatezitra tsy amin’antony ireo mpanohitra azy. Torak’izany koa fa, eo amin’ny asa fitoriantsika, dia tokony hihevi-tena araka ny antonony sy tsy ho tia sehoseho isika, eo amin’ny fomba firesatsika amin’ny hafa. Marina aloha fa mandray anjara amin’ny ady ara-panahy natao handravana “zavatra miorim-paka mafy” sy “fisainana”, isika. (2 Korintiana 10:4, 5, NW ). Tsy tokony hanambany ny hafa anefa isika rehefa miresaka aminy, na hahatonga azy ho sosotra ara-drariny amin’ny hafatra entintsika. Tokony hanaja ny fomba fiheviny kosa isika, ka hanantitrantitra izay mety ho marimaritra iraisana, ary avy eo dia hifantoka amin’ny lafiny mampahery amin’ny hafatra entintsika.​—Asan’ny Apostoly 22:1-3; 1 Korintiana 9:22; Apokalypsy 21:4.

Jesosy​Ilay ohatra fara tampony ny amin’ny fiheveran-tena araka ny antonony

16. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa nihevi-tena araka ny antonony izy?

16 I Jesosy Kristy no ohatra tsara indrindra ny amin’ny fiheveran-tena araka ny antonony. * Na dia nanana fifandraisana akaiky tamin’ny Rainy aza i Jesosy, dia tsy nisalasala izy niaiky fa tsy nananany fahefana ny zavatra sasany. (Jaona 1:14). Ohatra, rehefa nangatahan’ny renin’i Jakoba sy i Jaona izy, mba hipetrahan’ireo zanany mirahalahy ireo eo anilany ao amin’ny fanjakany, dia hoy i Jesosy: “Ny hipetraka eo an-tànako ankavanana sy eo an-tànako ankavia, dia tsy Ahy ny hanome izany”. (Matio 20:20-23). Niaiky tsy tamim-pisalasalana toy izao i Jesosy, tamin’ny fotoana hafa: “Raha Izaho ihany, dia tsy mahay manao na inona na inona; (...) tsy mitady ny sitrapoko Aho, fa ny sitrapon’Izay naniraka Ahy.”​—Jaona 5:30; 14:28; Filipiana 2:5, 6.

17. Ahoana no nanehoan’i Jesosy fiheveran-tena araka ny antonony, teo amin’ny fifandraisany tamin’ny hafa?

17 Ambony noho ny olombelona tsy lavorary i Jesosy, tamin’ny lafiny rehetra, ary nanana fahefana tsy nisy toa azy, izay nomen’i Jehovah Rainy azy. Na izany aza, dia nihevi-tena araka ny antonony i Jesosy, teo amin’ny fifandraisany tamin’ny mpanara-dia azy. Tsy nanototra azy ireo tamin’ny fahalalana be dia be izy, na nampideradera izany mba hampiaiky volana azy ireo. Sady nahatakatra ny fihetseham-pon’izy ireo izy no nangoraka azy, ka nihevitra ny zavatra nilainy, tamin’ny naha olombelona azy ireo. (Matio 15:32; 26:40, 41; Marka 6:31). Koa na dia lavorary aza i Jesosy, dia tsy nitaky fahalavorariana. Tsy nitaky mihoatra noho izay nety ho vitan’ireo mpianany mihitsy izy, ary tsy nanankina taminy mihitsy mihoatra noho izay nety ho zakany. (Jaona 16:12). Tsy mahagaga raha olona maro tokoa no nahita azy ho namelombelona!​—Matio 11:29.

Tahafo ny ohatr’i Jesosy ny amin’ny fiheveran-tena araka ny antonony

18, 19. Ahoana no ahafahantsika manahaka ny fiheveran’i Jesosy tena araka ny antonony a) eo amin’ny fomba fihevitsika ny tenantsika, ary b) eo amin’ny fomba fitondrantsika ny hafa?

18 Raha naneho fiheveran-tena araka ny antonony ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany, dia vao mainka tokony hanao toy izany koa isika. Matetika ny olona tsy lavorary no tsy vonona ny hiaiky fa tsy ananany tsotra izao ny fahefana feno. Miezaka mafy ny hihevi-tena araka ny antonony anefa ny Kristianina, ho fanahafana an’i Jesosy. Tsy hoe miavona loatra izy ireo ka tsy hanankina andraikitra amin’ireo mahafeno fepetra handray izany; tsy hoe manambony tena koa izy ireo ka tsy hanaiky ny toromarika omen’ireo nahazo lalana hanome izany. Maneho toe-tsaina tia miara-miasa izy ireo, ka mamela ny zava-drehetra ao amin’ny kongregasiona hitranga ‘amim-pahamendrehana sy amim-pilaminana’.​—1 Korintiana 14:40.

19 Hanosika antsika tsy hanantena zavatra be loatra avy amin’ny hafa, ary koa hanisy fiheverana ny zavatra ilainy, ny fiheveran-tena araka ny antonony. (Filipiana 4:5). Mety hanana fahaizana sy tanjaka sasany mety tsy hananan’ny hafa isika. Raha mihevi-tena araka ny antonony anefa isika, dia tsy hanantena foana ny hanaovan’ny hafa zavatra araka izay tiantsika. Fantatsika fa voafetra ny mety ho vitan’ny olona tsirairay, ka hahalala ny antonony isika rehefa mihevitra ny fahalemen’ny hafa. Nanoratra toy izao i Petera: “Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara; fa ‘ny fitiavana manarona fahotana maro’.”​—1 Petera 4:8.

20. Inona no azontsika atao mba handresena fironana tsy hihevi-tena araka ny antonony?

20 Araka ny hitantsika, dia tena ao amin’ny olona mihevi-tena araka ny antonony no misy fahendrena. Ahoana anefa raha tsikaritrao fa mirona tsy hihevi-tena araka ny antonony na ho sahisahy ratsy ianao? Aza kivy. Araho kosa ny ohatr’i Davida, izay nivavaka toy izao: “Arovy ny mpanomponao tsy ho azon’ny ota sahisahy; aoka tsy hanapaka ahy izany”. (Salamo 19:13). Amin’ny fanahafantsika ny finoan’ny olona toa an’i Paoly, i Gideona, ary ambonin’ny olona hafa rehetra, dia i Jesosy Kristy, dia ny tenantsika mihitsy no hahita ny fahamarinan’ireto teny ireto: “Ao amin’ny [olona mihevi-tena araka ny antonony, NW ] no misy fahendrena”.​—Ohabolana 11:2.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Ilay teny grika nadika hoe “mpanompo”, dia mety hanondro andevo iray nivoy teo amin’ny toeram-pivoizana ambany tao amin’ny sambo lehibe iray. Mifanohitra amin’izany fa nety ho nanankinana andraikitra bebe kokoa ny ‘mpitandrin-draharaha’, ka angamba nikarakara trano sy tany. Teo imason’ny ankamaroan’ny mpampiasa anefa, dia mpanompo toa an’ilay andevo mpivoy sambo ihany ny mpitandrin-draharaha.

^ feh. 12 Tsy tokony hoheverina ho kanosa i Gideona, raha tsy tia sehoseho sy malina. Mifanohitra amin’izany fa manamafy ny fananan’i Gideona herim-po ny Hebreo 11:32-38, izay milaza azy ho anisan’ireo “nampahatanjahina” sy “tonga nahery tamin’ny ady”.

^ feh. 16 Koa satria mahatsapa ny olona mihevi-tena araka ny antonony fa voafetra ny mety ho vitany, dia tsy azo lazaina hoe mihevi-tena araka ny antonony i Jehovah. Manetry tena kosa anefa izy.​—Salamo 18:35.

Tadidinao Ve?

• Inona moa no atao hoe fiheveran-tena araka ny antonony?

• Ahoana no ahafahantsika manahaka ny fiheveran’i Paoly tena araka ny antonony?

• Inona no azontsika ianarana avy amin’ny ohatr’i Gideona, raha ny amin’ny fiheveran-tena araka ny antonony?

• Ahoana no namelan’i Jesosy ny ohatra fara tampony, raha ny amin’ny fiheveran-tena araka ny antonony?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 15]

Nanjary mamin’ny fon’ireo Kristianina hafa i Paoly, noho izy nihevi-tena araka ny antonony

[Sary, pejy 17]

Tsy tia sehoseho i Gideona, teo am-panatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra

[Sary, pejy 18]

Nihevi-tena araka ny antonony i Jesosy, ilay Zanak’Andriamanitra, teo amin’izay rehetra nataony