Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mitondra Fahafaham-baraka ny Fahasahisahian-dratsy

Mitondra Fahafaham-baraka ny Fahasahisahian-dratsy

Mitondra Fahafaham-baraka ny Fahasahisahian-dratsy

“Raha tonga ny [fahasahisahian-dratsy, “NW”], dia tonga koa ny fahafaham-baraka, fa ao amin’ny [olona mihevi-tena araka ny antonony, “NW” ] no misy fahendrena.”​—OHABOLANA 11:2.

1, 2. Inona moa no atao hoe fahasahisahian-dratsy, ary tamin’ny fomba ahoana avy izy io no nitondra loza?

NITARIKA vahoaka iray hikomy tamin’ireo nomen’i Jehovah fahefana ny Levita iray feno fitsiriritana. Nikotrika teti-dratsy handrombahana ny seza fiandrianan-drainy ny printsy iray fatra-paniry laza. Tsy niraharaha ireo toromarika mazava tsara nomen’ny mpaminanin’Andriamanitra ny mpanjaka iray tsy nanam-paharetana. Nanana toetra iray niombonany ireo Isiraelita telo lahy ireo: ny fahasahisahian-dratsy.

2 Ny fahasahisahian-dratsy dia toe-po mety hahazo sy hanimba ny rehetra. (Salamo 19:13). Sahy manao zavatra tsy nahazoany lalana ny olona sahisahy ratsy. Matetika izany no mitondra loza. Raha ny marina, dia nitondra loza ho an’ny mpanjaka ary nandrava empira ny fahasahisahian-dratsy. (Jeremia 50:29, 31, 32; Daniela 5:20). Namandrika ny mpanompon’i Jehovah sasany mihitsy aza izy io, ka nitondra loza ho azy ireo.

3. Ahoana no ahafahantsika mahafantatra momba ireo loza entin’ny fahasahisahian-dratsy?

3 Noho ny antony marim-pototra àry no ilazan’ny Baiboly hoe: “Raha tonga ny [fahasahisahian-dratsy, NW ], dia tonga koa ny fahafaham-baraka, fa ao amin’ny [olona mihevi-tena araka ny antonony, NW ] no misy fahendrena.” (Ohabolana 11:2). Misy ohatra manamafy ny fahamarinan’io ohabolana io ao amin’ny Baiboly. Ny fandinihana ny sasany amin’ireny ohatra ireny dia hanampy antsika hahita ny loza miandry ny olona mihoa-pefy. Nahatonga azy telo mirahalahy voalaza terỳ am-piandohana hanao zavatra tamim-pahasahisahian-dratsy ny fitsiriritana sy ny fanirian-daza fatratra ary ny tsy fananam-paharetana, ka nitondra fahafaham-baraka ho azy ireo. Andeha àry hodinihintsika ny fomba nitrangan’izany.

Kora​Mpikomy feno fitsiriritana

4. a) Iza moa i Kora, ary tsy isalasalana fa nandray anjara tamin’ny zava-nitranga ara-tantara inona avy izy? b) Nitarika fanaovan-dratsy inona i Kora, rehefa zokinjokiny?

4 Levita taranak’i Kehata i Kora, ary zanak’olo-mpiray tam-po tamin’i Mosesy sy i Arona. Toa tsy nivadika teo anatrehan’i Jehovah nandritra ny am-polony taona maro izy. Nanana tombontsoa anisan’ireo nafahana tamin’ny fomba mahagaga avy teo amin’ny Ranomasina Mena i Kora, ary azo inoana fa anisan’ny nampihatra ny didim-pitsaran’i Jehovah tamin’ireo Isiraelita nivavaka tamin’ilay ombilahy kely volamena, teo amin’ny Tendrombohitra Sinay. (Eksodosy 32:26). Tatỳ aoriana anefa, dia nitarika fikomiana tamin’i Mosesy sy i Arona, i Kora. Anisan’ireo mpikomy i Datana sy i Abirama ary i Ona, izay samy taranak’i Robena, mbamin’ny filoha isiraelita 250. * “Aoka izay hianareo!”, hoy izy ireo tamin’i Mosesy sy i Arona, “fa masina avokoa ny fiangonana rehetra, sady Jehovah no eo aminy; koa nahoana no dia manandra-tena ho ambonin’ny fiangonan’i Jehovah hianareo?”​—Nomery 16:1-3.

5, 6. a) Nahoana i Kora no nikomy tamin’i Mosesy sy i Arona? b) Nahoana no azo inoana fa nanambany ny toerany tao anatin’ny fandaharan’Andriamanitra i Kora?

5 Nahoana àry i Kora no nikomy, rehefa avy nahatoky nandritra ny taona maro? Azo antoka fa tsy nampahory ny Isiraely ny fitondran’i Mosesy, satria izy dia “lehilahy nalemy fanahy mihoatra noho ny olona rehetra atỳ ambonin’ny tany”. (Nomery 12:3). Toa nitsiriritra sy sosotra noho ny toerana niavaka notanan’i Mosesy sy i Arona anefa i Kora, ka nanjary nanao filazana tsy marina akory, hoe i Mosesy sy i Arona fotsiny no ta hanandra-tena tamim-pitiavan-tena ho ambonin’ny kongregasiona.​—Salamo 106:16.

6 Tena azo inoana fa anisan’ny olana teo amin’i Kora ny hoe tsy nankamamy ny tombontsoa nananany tao anatin’ny fandaharan’Andriamanitra izy. Marina aloha fa tsy mpisorona ny Levita taranak’i Kehata, kanefa mpampianatra ny Lalàn’Andriamanitra izy ireo. Nitondra ireo fanaka sy fitaovan’ny tabernakely koa izy ireo, rehefa tsy maintsy notaterina ireny. Tsy maivan-danja izany asa izany, satria ny olona nadio ara-pivavahana sy ara-pitondran-tena ihany no nahazo nitondra ireny fitaovana masina ireny. (Isaia 52:11). Noho izany, rehefa nifanatrika tamin’i Kora i Mosesy, dia nanontany azy toy izao, raha ny marina: Heverinao ho tsinontsinona ve ny asa nanendrena anao, ka mitady ny ho mpisorona koa ianao? (Nomery 16:9, 10). Tsy takatr’i Kora fa ny voninahitra lehibe indrindra, dia ny manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana, araka ny fandaharany​—fa tsy ny mahazo toerana manokana.​—Salamo 84:10.

7. a) Inona no nasain’i Mosesy nataon’i Kora sy ireo niaraka taminy? b) Niafara tamin’ny loza inona ny fikomian’i Kora?

7 Nasain’i Mosesy hivory tao amin’ny trano lay fihaonana i Kora sy ireo niaraka taminy ny ampitso maraina, hitondra fitondrana afo sy ditin-kazo manitra. Tsy nahazo lalana hanolotra ditin-kazo manitra i Kora sy ireo niaraka taminy, satria tsy mpisorona. Raha tonga nitondra fitondrana afo sy ditin-kazo manitra izy ireo, dia ho nampiseho mazava izany fa mbola nihevi-tena ho nanan-jo hanao ny asan’ny mpisorona ihany izy ireo, na dia efa nanana ny alina manontolo aza mba handinihana indray ilay raharaha. Rehefa niseho izy ireo ny ampitso maraina, dia ara-drariny raha naneho ny fahatezerany i Jehovah. “Nisokatra ny tany ka nitelina” an’ireo anisan’ny taranak’i Robena. Levon’ny afo avy tamin’Andriamanitra kosa ny sisa, anisan’izany i Kora. (Deoteronomia 11:6; Nomery 16:16-35; 26:10). Nitondra fahafaham-baraka lehibe indrindra ny fahasahisahian-dratsin’i Kora, dia ny tsy fankasitrahan’Andriamanitra!

Tohero ny “fironana hitsiriritra”

8. Ahoana no mety hisehoan’ny “fironana hitsiriritra”, eo anivon’ny samy Kristianina?

8 Fampitandremana ho antsika ny fitantarana momba an’i Kora. Koa satria ao amin’ny olombelona tsy lavorary ny “fironana hitsiriritra”, dia mety hiseho ao anatin’ny kongregasiona kristianina mihitsy aza izy io. (Jakoba 4:5, NW ). Ohatra, mety hihevitra isika fa zava-dehibe ny toeram-piandraiketana. Sahala amin’i Kora, dia mety hitsiriritra an’ireo manana tombontsoa irintsika ho azo isika. Na, mety ho tonga sahala amin’ilay Kristianina tamin’ny taonjato voalohany nantsoina hoe Diotrefa isika. Nanakiana mafy ny fahefan’ny apostoly izy, ka niharihary fa noho izy te hitondra. Nanoratra tokoa i Jaona fa “te-ho lohany” i Diotrefa.​—3 Jaona 9.

9. a) Inona no toe-tsaina ilaintsika hohalavirina, manoloana ireo andraikitra ao amin’ny kongregasiona? b) Ahoana no tokony hiheverantsika ny toerantsika ao anatin’ny fandaharan’Andriamanitra?

9 Mazava ho azy fa tsy ratsy raha miezaka handroso ny lehilahy kristianina iray mba hiantsorohana andraikitra ao amin’ny kongregasiona. Nampirisihan’i Paoly mihitsy aza ny hanaovana izany. (1 Timoty 3:1). Tsy tokony hoheverintsika na oviana na oviana ho toy ny mari-pankasitrahana anefa ny tombontsoam-panompoana, ka toy ny hoe tafakatra ambonimbony kokoa eo amin’izay lazaina ho ambaratongam-pisondrotana isika, raha mahazo izany. Tadidio izao tenin’i Jesosy izao: “Izay te-ho lehibe aminareo dia ho mpanompo anareo; ary izay te-ho ambony indrindra aminareo dia ho mpanomponareo.” (Matio 20:26, 27). Mazava àry fa tsy mety ny hitsiriritana an’ireo manana andraikitra lehibe kokoa, toy ny hoe miankina amin’ny “laharantsika” ao anatin’ny fandaminan’Andriamanitra ny hasarobidintsika eo imasony. Hoy i Jesosy: “Hianareo rehetra dia mpirahalahy avokoa.” (Matio 23:8). Eny, na mpitory na mpisava lalana, na vao vita batisa na mpihazona tsy fivadihana efa hatramin’ny ela​—izay rehetra manompo an’i Jehovah amin’ny fanahiny rehetra, dia manana toerana sarobidy ao anatin’ny fandaharany. (Lioka 10:27; 12:6, 7; Galatiana 3:28; Hebreo 6:10). Tena fitahiana tokoa ny manao soroka miara-milanja amin’ireo olona an-tapitrisany maro, izay miezaka mafy hampihatra izao torohevitry ny Baiboly izao: “Samia misikina fanetren-tena hianareo ka mifanompoa”.​—1 Petera 5:5.

Absaloma​Mpanararaotra fatra-paniry laza

10. Iza moa i Absaloma, ary ahoana no niezahany hahazo ny fanohanan’ireo nitondra ny adiny hotsarain’ny mpanjaka?

10 Ahitantsika izany atao hoe fanirian-daza fatratra izany, ny fandinihana ny tantaram-piainan’i Absaloma, zanakalahy fahatelon’i Davida Mpanjaka. Nanao izay hahazoana ny fanohanan’ireo tonga nitondra ny adiny hotsarain’ny mpanjaka, io mpanararaotra nikotrika teti-dratsy io. Voalohany aloha, dia nilaza an-kolaka izy hoe tsy niraika teo anoloan’ny zavatra nilain’izy ireo i Davida. Avy eo dia tsy niolakolaka intsony izy fa avy hatrany dia novantaniny izay nokendreny ho azo. “Enga anie ka izaho no voatendry ho mpitsara amin’ny tany, ary ho avy atỳ amiko ny olona rehetra izay manana ady sy teny hotsaraina, dia homeko rariny izy!”, hoy ny noventiventesiny. Tsy nisy fetrany ny fanaovan’i Absaloma politika tamin-kafetsen-dratsy. “Isaky ny nisy olona nanatona hiankohoka teo anoloany”, hoy ny Baiboly, “dia narosony ny tànany ka noraisiny sy norohany izany olona izany. Ary toy izany no nataon’i Absaloma tamin’ny Isiraely rehetra izay nankao amin’ny mpanjaka hotsaraina”. Inona no vokany? “Voafetsin’i Absaloma ho azy ny fon’ny lehilahy amin’ny Isiraely.”​—2 Samoela 15:1-6.

11. Ahoana no niezahan’i Absaloma handrombaka ny seza fiandrianan’i Davida?

11 Tapa-kevitra ny handrombaka ny fanjakan-drainy i Absaloma. Dimy taona talohan’izay, dia nataony izay hamonoana an’i Amnona, lahimatoan’i Davida, ka toa valy faty noho ny nametavetana an’i Tamara, anabavin’i Absaloma, izany. (2 Samoela 13:28, 29). Na dia tamin’izay fotoana izay aza anefa, dia nety ho efa nikendry ny hahazo ny seza fiandrianana i Absaloma, ka nihevitra fa fomba nety tsara hanilihana rafy iray ny namonoana an’i Amnona. * Na ahoana na ahoana, dia nihetsika i Absaloma, rehefa tonga ny fotoana. Nataony izay hanambarana nanerana ilay tany fa izy no mpanjaka.​—2 Samoela 15:10.

12. Hazavao ny fomba nitondran’ny fahasahisahian-dratsy fahafaham-baraka ho an’i Absaloma.

12 Nahomby i Absaloma, nandritra ny fotoana kelikely, satria “nihamasaka ny tetika fikomiana, ka dia nihamaro mandrakariva ny olona nomba an’i Absaloma”. Rehefa nandeha ny fotoana, dia voatery nandositra i Davida Mpanjaka, mba hanavotana ny ainy. (2 Samoela 15:12-17). Tsy ela anefa dia nifarana sahady ny fanjakan’i Absaloma, rehefa novonoin’i Joaba izy, natsipy tao anaty lavaka, ary nosaronana vato. Alao sary an-tsaina ange izany e! Tsy nahazo fandevenana tsara akory io lehilahy naniry fatratra ny ho mpanjaka io, rehefa maty! * Tena nitondra fahafaham-baraka ho an’i Absaloma ny fahasahisahian-dratsy.​—2 Samoela 18:9-17.

Halaviro ny fanirian-daza fatratra amim-pitiavan-tena

13. Ahoana no mety hahatonga ny toe-tsaina fatra-paniry laza hamaka ao am-pon’ny Kristianina iray?

13 Andraisantsika fianarana ny nisandratan’i Absaloma teo amin’ny fahefana, ary avy eo ny nahalavoany. Eo amin’ity tontolo maty eritreritra ankehitriny ity, dia fahita ny olona mandokadoka ny lehibeny, ka mitady sitraka aminy mba hanairana ny sainy fotsiny na angamba mba hahazoana karazana tombontsoa na fisondrotana. Etsy an-danin’izany, dia mety hidera tena amin’ny olona eo ambany fahefany izy ireo, ka manantena ny hahazo sitraka sy fanohanana avy amin’izy ireny. Raha tsy mitandrina isika, dia mety hamaka ao am-pontsika ny toe-tsaina fatra-paniry laza toy izany. Toa nitranga teo amin’ny Kristianina sasany tamin’ny taonjato voalohany izany, ka voatery nampitandrina mafy ny amin’izy ireny ireo apostoly.​—Galatiana 4:17; 3 Jaona 9, 10.

14. Nahoana isika no tokony hanalavitra ny toe-tsaina fatra-paniry laza, tia manandra-tena?

14 Tsy manan-toerana ao anatin’ny fandaminan’i Jehovah ny olona mandoka tena, izay mikotrika teti-dratsy ka miezaka ‘hitady ny voninahiny’. (Ohabolana 25:27). Mampitandrina toy izao tokoa ny Baiboly: ‘Holevonin’i Jehovah ny molotra mandrobo rehetra sy ny lela miteny avonavona.’ (Salamo 12:3). Nanana molotra nandrobo i Absaloma. Nandokadoka an’ireo nilany sitraka izy, mba hahazoana fotsiny toeram-pahefana notsiriritiny fatratra. Mifanohitra amin’izany fa sambatra tokoa isika eo anivon’ny fianakavian’ny mpirahalahy, izay manaraka izao torohevitr’i Paoly izao: “[Aza] manao na inona na inona [noho ny fitiavana fifandirana na noho ny fizahozahoana, NW ]; fa amin’ny fanetren-tena dia aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany.”​—Filipiana 2:3.

Saoly​Mpanjaka tsy nanam-paharetana

15. Ahoana no nampisehoan’i Saoly fa nihevi-tena araka ny antonony izy teo aloha?

15 Teo aloha dia nihevi-tena araka ny antonony i Saoly, izay tonga mpanjakan’ny Isiraely tatỳ aoriana. Diniho, ohatra, izay nitranga, fony izy tanora kokoa. Rehefa nanao filazana tsara momba azy i Samoela, mpaminanin’Andriamanitra, dia namaly tamim-panetren-tena toy izao i Saoly: “Tsy Benjamita va aho, avy amin’ilay kely indrindra amin’ny firenen’Isiraely? ary tsy kely indrindra va ny mpianakaviko eo amin’ny mpianakavin’ny firenen’i Benjamina rehetra? ka nahoana no miteny amiko toy izany hianao?”​—1 Samoela 9:21.

16. Ahoana no nampisehoan’i Saoly fa tsy nanam-paharetana izy?

16 Tsy nihevi-tena araka ny antonony intsony anefa i Saoly, tatỳ aoriana. Fony niady tamin’ny Filistina ny Isiraely, dia nisintaka nankao Gilgala izy, ka tokony hiandry an’i Samoela tao, satria ho avy ao i Samoela hanao fitalahoana tamin’Andriamanitra sy hanao fanatitra. Rehefa tsy tonga tamin’ilay fotoana voatondro i Samoela, dia sahisahy ratsy nanolotra ny fanatitra dorana i Saoly. Raha vantany vao vita ilay izy, dia tonga i Samoela. “Inona no nataonao?”, hoy ny fanontanian’i Samoela. Namaly i Saoly hoe: “Raha hitako fa niely nandao ahy ny olona, sady tsy tonga tamin’ny fotoana hianao, (...) dia sahy ihany aho ka nanatitra ny fanatitra odorana.”​—1 Samoela 13:8-12.

17. a) Raha vao jerena ny nataon’i Saoly, nahoana izany no toa azo nohamarinina? b) Nahoana i Jehovah no nanameloka an’i Saoly, noho ny tsy nananany faharetana?

17 Raha vao jerena ny nataon’i Saoly, dia toa azo nohamarinina. Rehefa heverina tokoa, dia “poritra” ny vahoakan’Andriamanitra, “ory indrindra”, ary tora-kovitra noho ilay toe-javatra nampamoy fo nisy azy. (1 Samoela 13:6, 7). Azo antoka fa tsy ratsy ny fahasahiana hanombo-javatra, rehefa mitaky izany ny tarehin-javatra. * Tadidio anefa fa afaka mamantatra ny ao am-po i Jehovah, ka mahita ny antony manosika antsika lalina indrindra. (1 Samoela 16:7). Koa tsy maintsy ho nahita lafin-toetra sasany tao amin’i Saoly, izay tsy voalaza mivantana ao amin’ny fitantaran’ny Baiboly, izy. Ohatra, nety ho hitan’i Jehovah fa ny avonavona no nahatonga an’i Saoly tsy hanam-paharetana. Angamba sosotra mafy i Saoly fa ny tenany, izay mpanjakan’ny Isiraely manontolo, dia voatery niandry olona iray izay noheveriny ho mpaminany efa antitra sady mpangataka andro lava! Na ahoana na ahoana, dia nihevitra i Saoly fa nanome azy ny zo handray an-tanana ny raharaha sady tsy hiraharaha ny toromarika mazava tsara nomena azy, ny fahataran’i Samoela. Inona no vokany? Tsy nidera ny fahasahian’i Saoly hanombo-javatra i Samoela. Mifanohitra amin’izany aza fa nandevilevy an’i Saoly toy izao izy: “Tsy haharitra ny fanjakanao (...), satria tsy nitandrina izay nandidian’i Jehovah anao hianao.” (1 Samoela 13:13, 14). Teo indray koa, dia nitondra fahafaham-baraka ny fahasahisahian-dratsy.

Mitandrema amin’ny tsy fananam-paharetana

18, 19. a) Lazalazao hoe ahoana no mahatonga ny mpanompon’Andriamanitra iray tsy manam-paharetana ankehitriny, hanao zavatra amim-pahasahisahian-dratsy. b) Inona no tokony hotadidintsika momba ny fiasan’ny kongregasiona kristianina?

18 Noraketina ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ny fitantarana momba ny fahasahisahian-dratsin’i Saoly, mba handraisantsika fianarana. (1 Korintiana 10:11). Mora dia mora ho antsika ny ho sorena noho ny tsy fahalavorarian’ny rahalahintsika. Sahala amin’i Saoly, dia mety hanjary tsy hanam-paharetana isika, ka hihevitra fa raha misy raharaha tiantsika hokarakaraina araka ny tokony izy, dia isika no tsy maintsy mandray azy an-tanana. Ohatra, aoka hatao hoe tena mahay mandamin-javatra tsara ny rahalahy iray. Marim-potoana izy, maharaka ny fomba fiasa ao amin’ny kongregasiona, ary mahay mandaha-teny sy mampianatra. Etsy an-danin’izany, dia tsapany fa tsy mahatandrina tsara ny tsipirian-javatra toa azy ny hafa, ary tsy dia mahay miasa amin’ny fomba mahomby, araka izay tiany. Moa ve izany mamela azy tsy hanam-paharetana? Tokony hanakiana ireo rahalahiny ve izy, ka angamba hilaza an-kolaka fa tsy hisy zava-bita mihitsy ary hihaosa ny kongregasiona, raha tsy eo ny ezaka ataony? Ho fihamboana amim-pahasahisahian-dratsy izany!

19 Inona tokoa moa no mampitambatra ny kongregasionan’ny Kristianina? Ny fahaiza-mitantan-draharaha ve? Ny fahaiza-miasa mahomby ve? Ny fahalalana lalina ve? Marina aloha fa mampisosa tsara ny fiasan’ny kongregasiona ireo zavatra ireo. (1 Korintiana 14:40; Filipiana 3:16; 2 Petera 3:18). Nilaza anefa i Jesosy fa ho fantatra voalohany indrindra noho ny fifankatiavany, ny mpanara-dia azy. (Jaona 13:35). Izany no mahatonga ireo loholona be fiahiana, nefa tia filaminana koa, hahatakatra fa tsy orinasa mitaky fitantanana henjana ny kongregasiona. Andian’ondry mila fikarakarana amim-pitiavana kosa izy io. (Isaia 32:1, 2; 40:11). Matetika no miteraka fifandirana ny tsy firaharahana amim-pahasahisahian-dratsy an’ireo foto-pitsipika ireo. Mifanohitra amin’izany fa mitondra fiadanana ny filaminana araka an’Andriamanitra.​—1 Korintiana 14:33; Galatiana 6:16.

20. Inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

20 Mampiseho mazava ny fitantaran’ny Baiboly momba an’i Kora sy i Absaloma ary i Saoly, fa mitondra fahafaham-baraka ny fahasahisahian-dratsy, araka ny voalaza ao amin’ny Ohabolana 11:2. Hoy koa anefa io andinin-teny ao amin’ny Baiboly io: “Ao amin’ny [olona mihevi-tena araka ny antonony, NW] no misy fahendrena.” Inona moa no atao hoe fiheveran-tena araka ny antonony? Inona avy no ohatra ao amin’ny Baiboly manome fanazavana momba io toetra io, ary ahoana no ahafahantsika maneho azy io ankehitriny? Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka ireo fanontaniana ireo.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Koa satria i Robena no lahimatoan’i Jakoba, ireo anisan’ny taranany voataonan’i Kora hikomy dia nety ho sosotra fa hoe i Mosesy, izay taranak’i Levy, no nahazo fahefana hitantan-draharaha teo amin’izy ireo.

^ feh. 11 Tsy voaresaka i Kileaba, zanakalahy faharoan’i Davida, taorian’ny nahaterahany. Angamba maty talohan’ny nikomian’i Absaloma izy.

^ feh. 12 Tamin’ny andron’ny Baiboly, dia tena zava-dehibe ny fandevenana ny fatin’ny olona nodimandry iray. Koa zava-doza àry izany hoe tsy nalevina izany, ary matetika no nampiseho fa tsy nahazo sitraka tamin’Andriamanitra ilay olona maty.​—Jeremia 25:32, 33.

^ feh. 17 Ohatra, nanao zavatra haingana i Finehasa, mba hampitsaharana ilay areti-mandringana izay nahafaty Isiraelita an’aliny maro; ary i Davida dia nampirisika an’ireo miaramilany noana mafy mba hiara-mihinana aminy ny mofo aseho tao amin’ny “tranon’Andriamanitra”. Samy tsy nisy nomelohin’Andriamanitra ho fahasahisahian-dratsy ireo fanaovan-javatra ireo.​—Matio 12:2-4; Nomery 25:7-9; 1 Samoela 21:2-7.

Tadidinao Ve?

• Inona moa no atao hoe fahasahisahian-dratsy?

• Ahoana no nahatonga an’i Kora hanao zavatra tamim-pahasahisahian-dratsy, noho ny fitsiriritany?

• Inona no ianarantsika avy amin’ilay fitantarana momba an’i Absaloma fatra-paniry laza?

• Ahoana no ahafahantsika manalavitra ny toe-tsaina tsy manam-paharetana nasehon’i Saoly?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 10]

Nanjary tsy nanam-paharetana i Saoly, ka nanao zavatra tamim-pahasahisahian-dratsy